Avia, hanaraka Ahy
5–11 febroary: “Afaka [ny hifidy] ny fahafahana sy ny fiainana mandrakizay amin’ny alalan’ilay Mpanalalana lehibe.” 2 Nefia 1–2


“February 5–11: -Afaka [ny hifidy] ny fahafahana sy ny fiainana mandrakizay amin’ny alalan’ilay Mpanalalana lehibe.- 2 Nefia 1–2,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Bokin’i Môrmôna 2024 (2024)

“5–11 febroary. 2 Nefia 1–2,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2024 (2024)

Sary
I Adama sy i Eva mandao ny Saha Edena

Adama sy Eva, nataon’i Douglas Fryer

5–11 febroary: “Afaka [ny hifidy] ny fahafahana sy ny fiainana mandrakizay amin’ny alalan’ilay Mpanalalana lehibe”

2 Nefia 1–2

Raha toa ka fantatrao mialoha fa ho faty tsy ho ela ianao, dia inona no ho hafatra farany tianao hozaraina amin’ireo olona tianao indrindra? Rehefa nahatsapa ny mpaminany Lehia fa nanakaiky ny fiafaran’ny fiainany dia namory ny fianakaviany izy mba hiaraka indray mandeha farany. Nozarainy tamin’izy ireo ny zavatra nambaran’ ny Ray any An-danitra taminy. Nizara ny fijoroany ho vavolombelona momba ny Mesia izy. Nampianatra fahamarinan’ny filazantsara izay nankamamiany tamin’ireo olona izay nankamamiany izy. Niresaka momba ny fahafahana, ny fankatoavana, ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva, sy ny fanavotana amin’ny alalan’i Jesoa Kristy, ary ny fifaliana izy. Tsy ny zanany rehetra no nisafidy ny hiaina araka ny zavatra nampianariny. Tsy misy amintsika afaka manao ireo safidy ireo ho an’ireo olona lalaintsika. Saingy azontsika atao ny mampianatra sy mijoro ho vavolombelona momba ny Mpanavotra, izay amin’ny alalany no mahatonga antsika ho “afaka hifidy ny fahafahana sy ny fiainana mandrakizay” (jereo ny 2 Nefia 2: 26–27).

Torohevitra ho an’ny fianarana any an-tokantrano sy any am-piangonana

2 Nefia 1:13–29

Afaka “[mifoha sy miarina] avy eo amin’ny vovoka” aho.

Jereo ao amin’ny 2 Nefia 1:13–29 ireo teny nampiasain’i Lehia mba hamaritana ny toe-piainana ara-panahin’i Lamàna sy i Lemoela. Inona no manampy anao hifoha avy ao amin’ny “torimaso lalina”? Inona no manampy anao hanifika ny “gadra” eo amin’ny fiainanao? Eritrereto ny fijoroana ho vavolombelon’i Lehia ao amin’ny andininy 15 ary ny fanasany ao amin’ny andininy 23. Inona no hafatra omen’ny Ray any An-danitra anao ao amin’ireo andininy ireo?

Mampiasà fitaovana jeren’ny maso. Ny fampiasana zavatra jeren’ny maso dia hanampy ny mpianatra hahatakatra ireo fahamarinan’ny filazantsara sy hahatsiaro azy ireo maharitra kokoa. Rehefa miomana ny hampianatra avy amin’ity rindran-damina ity ianao dia eritrereto izay fitaovana jeren’ny maso azonao ampiasaina. Ohatra, ny rojo vita amin’ny taratasy dia mety afaka manampy ireo mpianatra hahatakatra ny tenin’i Lehia ao amin’ny 2 Nefia 1:13 na ny 2 Nefia 2:27.

Sary
sary famantarana ny seminera

2 Nefia 2

Noho i Jesoa Kristy dia afaka “[mifidy] ny fahafahana sy ny fiainana mandrakizay” aho.

Tany amina tany vaovao ny fianakavian’i Lehia tamin’izay, izay toerana feno fahafahana manao zavatra azo araraotina. Ireo safidy izay hataon’izy ireo any amin’io toerana vaovao io dia hanan-danja ho an’ny fahombiazan’izy ireo sy ny fahasambaran’izy ireo. Angamba izay no antony nampianaran’i Lehia an’i Jakôba zanany lahy momba ny fahafahana misafidy na ny fahafahana manao safidy ao amin’ny 2 Nefia 2. Rehefa mandalina ny andininy 11–30 ianao dia soraty ireo valiny azo eritreretina mahakasika ireto fanontaniana ireto:

  • Nahoana no tena zava-dehibe ho an’ny Ray any An-danitra ny fahafahana misafidy na dia misy olona sasantsasany mampiasa izany amin’ny fomba manimba aza?

  • Amin’ny fomba ahoana no hiezahan’ny fahavalo mampihena na mamotika ny fahafahanao misafidy?

  • Ahoana no fomba anampian’ny Mpamonjy anao “hifidy ny fahafahana sy ny fiainana mandrakizay” (andininy 27)?

Ity misy fomba iray hafa hianarana momba ny fahafahana misafidy ao amin’ny 2 Nefia 2: Mitadiava zavatra ilaintsika mba hananana fahafahana misafidy sy hanatratrarantsika ilay fahafahantsika ho tonga tahaka an’ Andriamanitra. Ohatra:

Hanao ahoana ny fahafahantsika misafidy raha toa ka tsy misy ny iray na maromaro amin’ireo zavatra ireo?

Ny tsirairay amin’ireo fizarana miisa enina ao amin’ny Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy dia ahitana “Fanasana” sy “Fitahiana nampanantenaina.” Jereo ny iray na ny maromaro amin’ireo fizarana ireo ary misafidiana fitahiana nampanantenaina iray izay antenainao eo amin’ny fiainanao. Inona ny fanasana ilainao andraisana andraikitra mba hahazoana izany fitahiana izany? Hevero ny hizara amin’ny olona iray ireo fitahiana izay voarainao avy amin’ny fanarahana ireo fanasana ireo.

Jereo koa ny Sujets de l’Évangile, “Libre arbitre et responsabilité,” Médiathèque de l’Évangile; “Sachez que chacun peut choisir,” Receuil de Cantiques, no. 155.

2 Nefia 2:1–4, 6–25

Andriamanitra dia afaka manova ny fitsapana iainako ho fitahiana.

Fantatr’i Lehia fa i Jakôba zanany lahy izay mbola tanora dia nizaka “fahoriana” sy “alahelo betsaka” nandritra ny fahazazany (2 Nefia 2:1). Nahoana araka ny eritreritrao ny fijoroana ho vavolombelon’i Lehia ao amin’ny 2 Nefia 2 no mety ho nanan-danja tamin’i Jakôba? Nahoana no manan-danja aminao izany? Mitadiava teny sy andian-teny izay hitanao fa tena mafonja. Tamin’ny fomba ahoana no nanokanan’ Andriamanitra ny fahorianao ho tombontsoanao? (Jereo ny 2 Nefia 2:2.)

Jereo ny Romana 8:28; Dale G. Renlund, “Zavatra tsy rariny maha-sendaotra,” Liahona, mey 2021, 41–45.

2 Nefia 2:15–29

Ny Fahalavoana sy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia ampahany manan-danja ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra.

Maro ny olona no mino fa ny Fahalavoana dia zava-doza nitranga fotsiny ary i Eva sy i Adama dia nanao fahadisoana nisy fiantraikany maharitra rehefa nisafidy ny hihinana ilay voankazo. Ao amin’ny 2 Nefia 2:15–28, i Lehia dia mampianatra fahamarinana fanampiny momba ny Fahalavoana ary momba ny fanavotana amin’ny alalan’i Kristy. Rehefa mamaky ireo andininy ireo ianao dia ataovy lisitra ireo fahamarinana momba ny zavatra nitranga tao amin’ny Saha Edena. Afaka manampy ny fanontaniana toy ireto:

  • Nahoana no nilaina ny Fahalavoana?

  • Inona no anjara asan’i Jesoa Kristy tao anatin’ny fandresena ny vokatry ny Fahalavoana?

  • Nahoana no manampy antsika hahatakatra tsara kokoa ny filantsika an’i Jesoa Kristy ny fahatakarana araka ny tokony ho izy ny Fahalavoana?

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa, dia jereo ny laharan’ireo gazetiboky Liahona sy Ho zatovo mahery ho an’ity volana ity.

Sary
Jesoa Kristy

Aoka tsy hitebiteby ny fonareo, nataon’i Howard Lyon

Hevitra enti-mampianatra ny ankizy

2 Nefia 1:13, 15, 23

Manampy ahy handresy ny vokatry ny fahotana i Jesoa Kristy.

  • Mba hanampiana ny zanakao hahatakatra ny fanasan’i Lehia mba “hanifika ny gadra[n’ny]” fahotana, dia angamba afaka miaraka miasa ianareo mba hanamboatra rojo avy amina tapa-taratasy. Afaka manampy anao ny zanakao mba hanoratra eo amin’ireo tapa-taratasy ireo zavatra vitsivitsy izay hakan’i Satana fanahy antsika mba hataontsika. Avy eo ianareo dia afaka miaraka mamaky ny 2 Nefia 1:13, 15, 23, sady ampisehoan’izy ireo amin’ny alalan’ny fihetsika ny sasany amin’ireo andian-teny ao anatin’ireo andininy ireo, ka tafiditra ao anatin’izany ny fanifihana ilay rojo vita amin’ny taratasy. Inona no mampitovy ny fahotana amin’ilay rojo? Ahoana no hanampian’i Jesoa antsika “hanifika ny gadra[n’ny]” fahotana?

2 Nefia 1:20

Voatahy aho rehefa manaraka ireo didin’ Andriamanitra.

  • Hanampy ny zanakao ve ny fampitahana ireo didin’ Andriamanitra amin’ny kiraro, na satroka, na fonon-tanana, na zavatra hafa izay hiaro antsika? Angamba afaka mamela azy ireo hanandrana ny sasany amin’izany ianao rehefa miresaka momba ny fomba hiarovan’ireo didy antsika. Avy eo dia afaka mamaky ny 2 Nefia 1:20 ianao, ary hamafiso fa isika dia “hiroborobo” (na ho voatahy na ho voaro) rehefa mitandrina ireo didy. Mizarà zavatra iray niainanao izay nitahiana na niarovana anao noho ny fanarahana ireo didy.

  • Mba hanehoana ny maha-samy hafa ny firoboroboana sy ny fanesorana hiala tsy ho eo anatrehan’ Andriamanitra (jereo ny 2 Nefia 1:20), dia afaka mijery zavamaniry salama iray ary ny ravina iray na sampana iray izay nesorina hiala tamin’ilay zavamaniry ianao sy ny zanakao. Avy eo dia afaka mamerina mamaky ireo safidy nataon’i Nefia sy ny rahalahiny ny zanakao (jereo ny 1 Nefia 2:11–16; 3:5–7; 18:9–11). Inona no vokatr’ireo safidy ireo? Inona avy ireo safidy izay manampy antsika hifandray tsy tapaka amin’ Andriamanitra?

2 Nefia 2:11, 16, 27

Nanome ahy ny fahafahana hisafidy Andriamanitra.

  • Mba hanampiana ny zanakao hahatakatra ny zavatra nampianarin’i Lehia momba ny fifanoherana sy ny fanaovana safidy, dia afaka manao kilalao ianao izay ahitana anao miteny teny iray (toy ny hoe hazavana) ary ny zanakao milaza ny mifanohitra amin’izany (haizina). Ampio izy ireo hianatra ny antony mahatonga ny fifanoherana ho anisan’ny mandrafitra ny drafitr’ Andriamanitra rehefa miaraka mamaky ny 2 Nefia 2:11, 16 ianareo. Avy eo dia afaka mizara tantara momba ny ankizy iray izay alaim-panahy hanao safidy ratsy ianao. Afaka mizara ny zavatra mifanohitra amin’ilay safidy ratsy ny zanakao ary mampiseho izany amin’ny alalan’ny fihetsika.

  • Mba hianarana mikasika ny fahasamihafana eo amin’ny “fahafahana” sy ny “fahababoana” (2 Nefia 2:27), dia afaka manao sarina biby ao anatina tranom-biby ny zanakao ary biby iray eny amin’ny tontolony ara-boajanahary. Iza amin’ireo biby ireo no afaka? Asao ny zanakao hanondro ny sary marina rehefa mamaky ny teny hoe “afaka” ao amin’ny 2 Nefia 2:27. Mijoroa ho vavolombelona fa afaka manafaka antsika i Jesoa Kristy.

  • Miaraha mihira hira iray toy ny “Bien choisir” (Cantiques, no. 154). Inona no ianarantsika avy amin’ilay hira mikasika ny fanaovana safidy?

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa, dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.

Sary
I Lehia sy ny fianakaviany mandohalika eo amin’ny tora-pasika

I Lehia sy ny olony tonga ao amin’ny Nouveau Monde, nataon’i Clark Kelley Price

Hamoaka printy