Avia, hanaraka Ahy 2024
12–18 febroary: “Niaina tao amin’ny toetry ny fahasambarana izahay.” 2 Nefia 3–5


“12–18 febroary: -Niaina tao amin’ny toetry ny fahasambarana izahay.- 2 Nefia 3–5,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Bokin’i Môrmôna 2024 (2024)

“12–18 febroary. 2 Nefia 3–5,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2024 (2024)

Sary
I Nefia sy ny vadiny

12–18 febroary: “Niaina tao amin’ny toetry ny fahasambarana izahay”

2 Nefia 3–5

Rehefa mamaky ny 1 Nefia ianao dia mety hanana fahatsapana fa i Nefia dia toy ny olona goavana izany. “Lava ranjanana” ara-batana sy ara-panahy izy (1 Nefia 2:16), ary toa tsy mba voahozongozon’ireo fisedrana natrehany. Na fahafarakeliny izay no fiheverantsika azy. Raha toa ka niavaka ny finoan’i Nefia dia manambara ireo teny mamy avy aminy ao amin’ny 2 Nefia 4 fa na ny olona be finoana aza indraindray dia mahatsapa ho “fadiranovana” sy “mora [azon’ny]” fakam-panahy. Eto isika dia mahita olona izay miezaka, izay te ho faly, kanefa “mitoloko ny fo[ny] noho ny fahota[ny].” Afaka mahita ny tenantsika ao anatin’izany toe-javatra izany isika sy mahita ny fahavononana feno fanantenana nanaraka izany manao hoe: “Kanefa fantatro izay efa nitokiako” (jereo ny 2 Nefia 4:15–19).

Raha nianatra “niaina tao amin’ny toetry ny fahasambarana” (2 Nefia 5:27) i Nefia sy ny vahoakany dia nianatra ihany koa izy ireo fa ny fahasambarana dia tsy tongatonga mora foana na hoe tsy ahitana fotoana handalovana alahelo. Izany amin’ny farany dia tonga avy amin’ny fahatokiana ny Tompo, ilay “vatolampin’ny fahamarina[ntsika]” (2 Nefia 4:35).

Torohevitra ho an’ny fianarana any an-tokantrano sy any am-piangonana

Sary
sary famantarana ny seminera

2 Nefia 3:6–24

Nofinidin’ Andriamanitra mba hamerina amin’ny laoniny ny filazantsara i Joseph Smith.

Nozarain’i Lehia tamin’i Josefa zanany ny faminaniana iray nomena an’i Josefa tany Egypta. Mikasika ny “mpahita nofinidy” ho avy iray izany, dia i Joseph Smith. Inona no ambaran’ny andininy 6–24 momba ny zavatra hataon’i Joseph Smith mba hitahiana ny vahoak’ Andriamanitra? Saintsaino hoe tamin’ny fomba ahoana no nahatonga ny asa nataon’i Joseph Smith ho “[na]nan-danja lehibe” taminao? Mieritrereta fanontaniana toy ireto, ary raketo an-tsoratra ny valinteninao:

  • Inona no zavatra fantatrao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy noho ny zavatra nampianarin’i Joseph Smith?

  • Inona no niova teo amin’ny fiainanao noho ny zavatra naverin’ny Tompo tamin’ny laoniny tamin’ny alalan’i Joseph Smith?

  • Mety ho toy ny ahoana ny fiainanao raha tsy nitranga ny Famerenana amin’ny laoniny?

Ampahany iray manan-danja teo amin’ny asa nanirahana an’i Joseph Smith ny namoaka ny Bokin’i Môrmôna. Inona no ianaranao avy amin’ity toko ity momba ny antony maha-manan-danja ny Bokin’i Môrmôna? Afaka mitady antony miavaka ianao ao amin’ny andininy 7, 11–13, 18–24.

Jereo ihany koa ny Dikantenin’i Joseph Smith, Genesisy 50:24–38 ; Sujets de l’Évangile, “Joseph Smith,” Médiathèque de l’Évangile; “Dera ho an’ilay nandre an’i Jehovah,” Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 100.

Sary
Ny Mpaminany Joseph Smith

Prophet of the Lord [Mpaminanin’ny Tompo], nataon’i David Lindsley

2 Nefia 4:15–35

“Tompo ô, efa natoky Anao aho.”

Nilaza i Nefia fa “[h]anoratra ny zavatry ny fanahiko” izy (andininy 15). Rehefa mamaky ny zavatra nosoratany ao amin’ny 2 Nefia 4:15–35 ianao dia manontania tena hoe, “Inona avy ny zavatry ny fanahiko?” Hevero ny hanoratra izany tahaka ny nataon’i Nefia, ary zarao amin’ireo olona tianao izany.

Ny fahitana ny fomba nahitan’i Nefia fampiononana rehefa nahatsapa fahasahiran-tsaina sy tebiteby izy dia afaka manampy anao rehefa manana fahatsapana mitovy amin’izany ianao. Jereo ao amin’ny andininy 15–35 ireo andininy izay mitondra fampiononana ho anao. Mahafantatra olona hafa mety mila fampiononana ao anatin’ireo andalana ireo ve ianao?

Jereo koa ny Ronald A. Rasband, “Ireo zavatry ny fanahiko,” Liahona, nôv. 2021, 39–41.

2 Nefia 5

Afaka mahita fahasambarana amin’ny fiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy aho.

Inona no dikan’ny hoe sambatra araka ny eritreritrao? Nanoratra i Nefia fa ny vahoakany dia niaina “tao amin’ny toetry ny fahasambarana” (2 Nefia 5:27). Azonao atao ny mikaroka ireo safidy nataon’i Nefia sy ny vahoakany izay nanampy azy ireo ho sambatra (jereo ny 2 Nefia 5:6, 10–17 mba hahitana ohatra). Inona no afaka manampy anao hanorina fiainana feno fahasambarana tahaka ny vahoakan’i Nefia?

2 Nefia 5:20–21

Inona ilay “ozona” tonga teo amin’ny Lamanita?

Ilay ozona tonga teo amin’ny Lamanita tamin’ny vaninandron’i Nefia dia ny hoe “hoesorina tsy ho eo anatrehan’ny Tompo … noho ny helony” izy ireo (2 Nefia 5:20–21). Midika izany fa niala teo amin’ny fiainan’izy ireo ny Fanahin’ny Tompo. Taty aoriana, rehefa nanaiky ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ireo Lamanita “dia tsy nomba azy ireo intsony [ny ozon’ Andriamanitra].” (Almà 23:18).

Milaza ihany koa ny Bokin’i Môrmôna fa ny famantaran’ny fahamatrohan’ny fihodirana dia tonga teo amin’ny Lamanita taorian’ny nisarahan’ny Nefita tamin’izy ireo. Tsy feno ny fahatakarana momba ny toetran’io famantarana io sy ny endrik’izany. Tamin’ny voalohany ilay famantarana dia nanavaka ny Lamanita tamin’ny Nefita. Taty aoriana, rehefa samy nandalo vanim-potoana feno haratsiam-panahy sy feno fahamarinana avokoa ny Nefita sy Lamanita, dia lasa tsy nilaina intsony ilay famantarana.

Ireo mpaminany amin’izao androntsika izao dia manamafy fa tsy sary famantarana hoe tsy ankasitrahan’ Andriamanitra na ozona ny fahamatrohan’ny fihodirana. Nanambara ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Manome toky anareo aho fa ny toeranareo eo imason’ Andriamanitra dia tsy voafaritry ny lokon’ny fihodiranareo. Ny hoe ankasitrahana na tsy ankasitrahan’ Andriamanitra dia miankina amin’ny fanoloran-tenanareo amin’ Andriamanitra sy ny didiny, fa tsy ny lokon’ny fihodiranareo” (“Aoka Andriamanitra no hanjaka,” Liahona, nôv. 2020, 94).

Nampianatra i Nefia fa ny Tompo dia “tsy mandà izay manatona Azy ; na mainty na fotsy, na andevo na olon’afaka; na lahy na vavy; … ho an’ Andriamanitra dia mitovy ny rehetra.” (2 Nefia 26:33).

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa, dia jereo ny laharan’ireo gazetiboky Liahona sy Ho zatovo mahery ho an’ity volana ity.

Hevitra enti-mampianatra ny ankizy

2 Nefia 3:6–24

Mpaminany i Joseph Smith.

  • Eritrereto ny fomba ahafahanao mampianatra ny zanakao momba ilay asa lehibe izay notanterahan’ Andriamanitra tamin’ny alalan’i Joseph Smith. Hanombohana izany dia afaka manampy ny zanakao hitady ny teny hoe “mpahita” ao amin’ny 2 Nefia 3:6 ianao ary manazava fa antsoina hoe mpahita ny mpaminany satria ny Ray any An-danitra dia manampy azy ireo hahita ireo zavatra izay tsy afaka ny ho hitantsika. Zarao ny antony maha-velom-pankasitrahana anao noho ny fananana mpahita mitarika ny Fiangonana.

  • Ny Boky mirakitra sary momba ny Filazantsara dia ahitana sary maro azonao ampiasaina mba hoentina mampianatra momba ny asa nataon’ Andriamanitra tamin’ny alalan’i Joseph Smith ( jereo ny sary 89-95). Avelao ny zanakao hizara izay fantatr’izy ireo mikasika ireo sary. Nahoana i Joseph Smith no nantsoina hoe “mpahita nofinidy”? Inona ny zavatra “[n]anan-danja lehibe” izay nataon’i Joseph Smith? (andininy 7).

2 Nefia 4:15–355

Tiako “ny zavatry ny Tompo.”

  • Inona no mahafaly antsika? Hevero ny hiaraka hamaky ireo andininy avy ao amin’ny 2 Nefia 4 mba hahitana izay nahafinaritra an’i Nefia na nahafaly azy (jereo ny andininy 15-16, 20-25, 34-35). Ao amin’ilay hafany hoe “Ireo zavatry ny fanahiko,” ny Loholona Ronald A. Rasband dia nizara ireo “zavatry ny Tompo” miisa fito izay sarobidy aminy (Liahona, nôv. 2021, 39–41). Angamba azonareo atao ny miaraka mamerina mijeryny lisitra nataony sy miresaka momba ireo “zavatry ny Tompo” izay sarobidy aminareo.

  • Ny 2 Nefia 5 ihany koa dia mamariparitra ireo zavatra izay nanampy ny Nefita hiaina “[ao] amin’ny toetry ny fahasambarana” (andininy 27). Azonao atao ny manolotra teny na sary vitsivitsy izay maneho ireo zavatra ireo ary manampy ny zanakao hampifanaraka izany amin’ireo andininy ao amin’ny toko 5. Ny ohatra sasany dia ahitana ny fianakaviana (andininy 6), didin’ Andriamanitra (andininy 10), soratra masina (andininy 12), asa (andininy 15 sy 17), tempoly (andininy 16), ary ireo antso ao am-piangonana (andininy 26). Ahoana no ahafahan’ireo zavatra ireo mitondra fahasambarana ho antsika?

2 Nefia 5:15–16

Ny tempoly dia tranon’ny Tompo.

  • Rehefa mamaky ny 2 Nefia 5:15–16 amin’ny zanakao ianao, dia afaka mody manao fihetsika toy ny hoe manampy an’i Nefia manorina tempoly izy ireo. Azonao atao ihany koa ny mampiseho sarina trano isan-karazany amin’izy ireo, anisan’izany ny tempoly. Inona no mampiavaka ny tempoly amin’ny trano hafa? Ifampizarao ny antony maha-manan-danja ny tempoly aminareo (jereo ihany koa ny “Mahita ny tempoly no mahafinaritra ahy, Bokin-kiran’ny ankizy, 99).

Afaka ny ho fotoana ianarana ny fotoana rehetra. Aza eritreretina ho zavatra ataonao indray mandeha isan-kerinandro mandritra ny fotoam-pianarana iray ara-dalàna fotsiny ny fampianarana ny fianakavianao. Eritrereto ho zavatra ataonao amin’ny fotoana rehetra izany.

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa, dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.

Sary
Ireo Nefita manorina tempoly

The Temple of Nephi [Ny tempolin’i Nefia], nataon’i Michael T. Malm

Hamoaka printy