Avia, hanaraka Ahy
26 febroary–3 martsa: “Ary ny anarany antsoina hoe … Andrian’ny Fiadanana.” 2 Nefia 11–19


“26 febroary–3 martsa: -Ary ny anarany antsoina hoe … Andrian’ny Fiadanana.- 2 Nefia 11–19,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Bokin’i Môrmôna 2024 (2024)

“26 febroary–3 martsa. 2 Nefia 11–19,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana 2024 (2024)

Sary
I Isaia manoratra eo amin’ny horonan-taratasy

26 febroary–3 martsa: “Ary ny anarany antsoina hoe … Andrian’ny Fiadanana”

2 Nefia 11–19

Tsy mora ny fanaovana sokitra eo amin’ny takelaka metaly ary voafetra ny faritra nampiasaina teo amin’ny takelaka kelin’i Nefia. Noho izany nahoana i Nefia no nanao ezaka mba handikana ny asasoratry ny mpaminany Isaia maro dia maro tao anatin’ny rakitsorany? Nataony izany satria tiany isika hino an’i Jesoa Kristy. “Finaritra ny fanahiko” hoy izy nanoratra “amin’ny fanaporofoina amin’ny oloko ny fahamarinan’ny fiavian’i Kristy” (2 Nefia 11:4). Nahita ny zavatra hitranga amin’ny olony any amin’ireo taranaka ho avy i Nefia. Nahita izy fa na dia teo aza ireo fitahiana lehibe, dia ho lasa feno avonavona sy fifandirana ary ho voasarik’izao tontolo izao izy ireo (jereo ny 1 Nefia 12; 15:4–6). Nahita olana mitovy amin’izany amin’izao vaninandro iainantsika izao ihany koa izy (jereo ny 1 Nefia 14). Ny asasoratr’i Isaia dia nampitandrina ny faharatsiana toy izany. Saingy nomen’izy ireo fanantenana koa i Nefia ny amin’ilay hoavy feno voninahitra: fiafaran’ny faharatsiana, fanangonana ireo mahatoky, ary “hazavana lehibe” ho an’ireo izay “nandeha tao amin’ny haizina” (2 Nefia 19:2). Hitranga izany rehetra izany satria “zaza no teraka” izay hamarana ny fifandirana rehetra, dia ilay “Andrian’ny fiadanana” izany (2 Nefia 19:6).

Torohevitra ho an’ny fianarana any an-tokantrano sy any am-piangonana

Ahoana no ahafahako mahatakatra tsaratsara kokoa ny fampianaran’i Isaia?

Niaiky i Nefia fa “tsy mazava … ny tenin’i Isaia” (2 Nefia 25:4). Fa nizara hevitra ihany koa izy mba hanampiana antsika hahatakatra zavatra ao anatin’ny asasoratr’i Isaia:

  • [Ampiharo amin’ny tenanao ny teniny]” (2 Nefia 11:2). Maro amin’ireo fampianaran’i Isaia no manana heviny maro azo eritreretina sy fomba maro azo ampiharana azy. Ohatra, rehefa mamaky momba ireo fitoerana ianao ao amin’ny 2 Nefia 14:5–6, dia diniho ny fiantefan’izany amin’ny tokantranonao. Anontanio ny tenanao hoe, “Inona no tian’ny Ray any An-danitra mba hianarako?”

  • Karohy ireo tandindon’i Jesoa Kristy (jereo ny 2 Nefia 11:4). Maro amin’ireo fampianaran’i Isaia momba ny Mpamonjy no ampitaina amin’ny alalan’ny sariohatra. Ohatra, amin’ny fomba ahoana no anehoana ny Mpamonjy ao amin’ny 2 Nefia 19:2? Inona no ampianarin’io tandindona io anao momba Azy?

  • “Katsaho ny ho “heniky ny fanahin’ny faminaniana” (2 Nefia 25:4). Rehefa mandalina ianao, dia mivavaha mba hahazo fitarihana ara-panahy. Mety tsy ho takatrao ny zava-drehetra amin’ny voalohany, saingy ny Fanahy dia afaka manampy anao mba hahafantatra ny zavatra ilainao fantarina.

Mety hanampy anao ihany koa ny mankao amin’ny Fanampiana amin’ny fandalinana ao amin’ny soratra masina, ka tafiditra ao anatin’izany ny fanovozan-kevitra eny amin’ny farany ambanin’ny pejy, ireo sasin-tenin’ny toko, ary ny Torolalana ho an’ny soratra masina. Ny bokin’ny institiota fianarana ny Bokin’i Môrmôna sy ny Testamenta Taloha dia manana fampahalalana fanampiny izay afaka manampy anao hahafantatra mikasika ny sahan-kevitra ara-tantaran’ireo fampianaran’i Isaia.

2 Nefia 11–19

Nijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy i Isaia.

Noho i Isaia nampiasa fiteny ara-tandindona dia mety mora ny tsy hahitana ny fijoroana ho vavolombelona mahery vaika nataony momba an’i Jesoa Kristy. Tadiavo ny momba ny Mpamonjy ao amin’ny 2 Nefia 13:13; 14:4–6; 15:1–7; 16:1–7; 17:14; 18:14–15; 22:2. Inona no ampianarin’ireo andininy ireo anao momba Azy?

Ny faminaniana ao amin’ny 2 Nefia 19:6 dia mitanisa anarana fiantsoana maro an’i Jesoa Kristy. Ahoana no nanatanterahany ireo anjara asa ireo teo amin’ny fiainana?

Jereo ihany koa ny Ulisses Soares, “Jesoa Kristy: Ilay Mpanasitrana ny fanahintsika,” Liahona, mey 2021, 82–84.

2 Nefia 12–13; 15

Haetry ny mpiavonavona sy ny olon’izao tontolo izao.

Hitan’i Nefia mialoha fa ny avonavona no hiteraka ny fahalavoan’ny olony (jereo ny 1 Nefia 12:19). Ka noho izany dia tsy mahagaga i Nefia raha nizara tamin’ny olony ny fampitandremana miverimberina nataon’i Isaia momba ny avonavona. Ao amin’ny toko 12 sy 13 dia mitadiava teny nampiasain’i Isaia mba hamariparitana ny avonavona, toy ny hoe fiavonavonam-pijery sy miavonavona. Ao amin’ny 2 Nefia 15:1–24, dia mitadiava fiteny ara-tandindona izy milazalaza ny voka-dratsin’ny avonavona. Avy eo ianao dia afaka miezaka mamintina ny zavatra novakinao amin’ny teninao manokana. Eritrereto ny fomba hisafidiananao ny hanetry tena.

Sary
sary famantarana ny seminera

2 Nefia 12:2–3

Ny tempoly dia tranon’ny Tompo.

Ny tempoly dia nantsoin’i Isaia hoe “ny tendrombohitry ny tranon’ny Tompo” (2 Nefia 12:2). Nahoana ny tendrombohitra no fanehoana an’ohatra tsara ho an’ny tempoly?

Ahoana no hanazavanao amin’ny olona iray ny antony ilantsika tempoly? Afaka mahita valiny azo eritreretina mikasika izany ianao ao amin’ny 2 Nefia 12:2–3 sy ao amin’ny hafatry ny Filoha Russell M. Nelson “Ny tempoly sy ny fototra ara-panahinao” (Liahona, nôv. 2021, 93–96). Raha mifototra amin’ny zavatra novakinao, dia inona no tian’ny Tompo hianaranao sy hiainanao ao amin’ny tranony masina? “Inona avy ireo zavatra efa niainanao tany?”

Afaka mahita ireo fanontaniana apetraka mandritra ny tafa sy dinika momba ny fahazoan-dalana ianao ao amin’ny pejy 36–37 ao amin’ny Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy. Hevero ny hamaky ny tsirairay amin’izany sy hanontany tena hoe, inona no ampianarin’izany fanontaniana izany ahy momba ireo fomban’ny Tompo? Ahoana no hanampian’izany ahy “handeha amin’ny làlany”?

Jereo koa ny Sujets de l’Évangile, “Temples,” Médiathèque de l’Évangile; “An-tendrombohitra,” Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 59.

2 Nefia 11–19

Hanavotra ny vahoakany i Jesoa Kristy.

Na dia teo aza ny faharatsiana hitany dia nahita fananana fanantenana ho an’ny hoavy i Isaia. Hevero ny handalina ireto andinin-tsoratra masina tsirairay manaraka ireto. Manorata fahamarinana iray na mihoatra izay ampianarin’ny andinin-tsoratra masina tsirairay mikasika izao androntsika izao: 2 Nefia 12:1–5; 14:2–6; 15:20–26; 19:2–8. Nahoana no tsapanao fa zava-dehibe ny fahatakarana ireo andinin-tsoratra masina ireo?

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa, dia jereo ny laharan’ireo gazetiboky Liahona sy Ho zatovo mahery ho an’ity volana ity.

Tadiavo ireo lamina. Afaka mahita lamina maneho amintsika ny fomba hanaovan’ny Tompo ny asany isika ao amin’ny soratra masina. Ao amin’ny 2 Nefia 11–19 ianao dia afaka mahita lamina izay maneho ny fomba hampitandreman’ny Tompo ny momba ny fahotana sy hamelany heloka ny olona izay mibebaka.

Hevitra enti-mampianatra ny ankizy

2 Nefia 12:2–3

Ny tempoly dia tranon’ny Tompo.

  • Namariparitra ny tempoly ho “ny tendrombohitry ny tranon’ny Tompo” i Isaia. Mety ho tian’ny zanakao ny mody mihanika tendrombohitra iray eo am-pamakianao ny 2 Nefia 12:2–3. Ampio izy ireo hitady andian-teny ao anatin’ireo andininy ireo izay mamaritra ny antony ananantsika tempoly.

  • Mba hanehoana ilay andian-teny avy ao amin’ny 2 Nefia 12:3 hoe “handeha amin’ny lalany isika”, dia afaka manamboatra lalana eo amin’ny tany ianao izay mitondra mankeny amin’ny sarin’ny tempoly anankiray. Rehefa mandeha eo amin’ilay lalana ny zanakao dia afaka milaza zavatra izay azony atao izy ireo mba handehanana eo amin’ny lalan’ny Tompo.

  • Angamba ny zanakao afaka manao ny sarin’izy ireo mandeha any amin’ny tempoly. Afaka mihira na mihaino hira iray momba ny tempoly koa izy ireo, toy ny “Mahita ny tempoly no mahafinaritra ahy” (Bokin-kiran’ny ankizy, 99). Ampio izy ireo hitady andian-teny ao amin’ilay hira izay mampianatra ny atao hoe tempoly sy ny zavatra atao any.

2 Nefia 11:4–7; 17:14; 19:6

I Jesoa Kristy no Mpamonjy ahy.

  • Misy anarana maro iantsoana an’i Jesoa Kristy ao amin’ny 2 Nephi 11:4–7; 17:14; 19:6. Ampio ny zanakao hitady azy ireo sy hiresaka momba ny dikan’izy ireo. Ohatra ny hoe “Kristy” dia midika hoe “ilay voahosotra” ary ny “Imanoela” dia midika hoe “amintsika Andriamanitra.” Inona no ampianarin’ireo anarana ireo antsika momba an’i Jesoa?

2 Nefia 15:20

Miezaka i Satana mampisafotofoto ny saiko mahakasika ny tsara sy ny ratsy.

  • Mampisehoa zavatra mangidy na marikivy amin’ny zanakao toy ny voasary makirana anatina famonosana vatomamy. Vakio ny 2 Nefia 2:27 Inona no ezahan’i Satana atao mba hahatonga ny zavatra ratsy hanana endrika tsara? Nahoana ny mpanjono no manafina ny jonony ao ambadiky ny endri-javatra hafa? Nahoana i Satana no manafina fahotana ao ambadiky ny endri-javatra hafa? Ahoana no anampian’i Jesoa Kristy antsika mba tsy ho voafitak’i Satana?

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa, dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.

Sary
Tempolin’i Panama City Panama

Tempolin’i Panama City Panama. “Haorina eo an-tampon-tendrombohitra … ny tranon’ny Tompo … ka hitanjozotra hankany ny firenen-drehetra” (2 Nefia 12:2).

Hamoaka printy