Avia, hanaraka Ahy
4–10 martsa: “Mifaly amin’i Kristy [isika].” 2 Nefia 20–25


“4–10 martsa: -Mifaly amin’i Kristy [isika].- 2 Nefia 20–25,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Bokin’i Môrmôna 2024 (2024)

“4–10 martsa. 2 Nefia 20–25,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2024 (2024)

Sary
fianakaviana manao fandalinana

4–10 martsa: “Mifaly amin’i Kristy isika”

2 Nefia 20–25

Ny asasoratr’i Isaia dia ahitana fampitandremana mahery vaika, saingy manolotra fanantenana sy fifaliana ihany koa izy ireo. Izany no anisan’ny antony nampidiran’i Nefia azy ireo ao amin’ny rakitsorany: “Manoratra ny sasantsasany amin’ny tenin’i Isaia aho” hoy izy, “ka na zovy na zovy … no hahita ireto teny ireto dia afaka hanandratra ny fony izy ka hifaly” (2 Nefia 11:8). Amin’ny lafiny iray ny fanasana mba hamaky ny asasoratr’i Isaia dia fanasana iray mba hifaly. Afaka mifaly, tahaka an’i Nefia, ianao amin’ireo faminanian’i Isaia momba ny fanangonana ny Isiraely, ny fiavian’ny Mesia, ary ny fiadanana nampanantenaina an’ireo olo-marina. Afaka mifaly ianao fa miaina amin’ny andro hahatanterahan’ilay faminaniana izay “[ananganan’ny Tompo] faneva iray ho an’ny firenena ka hanangona ny voasesi-tany tamin’i Isiraely” (2 Nefia 21:12). Rehefa mangetaheta fahamarinana ianao dia azonao atao “[amim-pifaliana ny mantsaka] rano ao amin’ny loharanom-pamonjena” (2 Nefia 22:3). Amin’ny teny hafa dia afaka “mifaly amin’i Kristy” ianao (2 Nefia 25:26).

Torohevitra ho an’ny fianarana any an-tokantrano sy any am-piangonana

2 Nefia 21–22

Afaka mahita fiadanana ao amin’i Kristy aho.

Nanana olana teo amin’ny lafin’ny fifandirana ny zanak’i Lehia. Niharatsy izany olana izany taty amin’ireo taranaka taty aoriana izay nitarika fisaraham-bazana, fahababoana, alahelo, ary faharavana. Ary mbola mitohy ho olana ny fifandirana amin’izao fotoana izao.

Miaraka amin’izany rehetra izany ao an-tsaina dia saintsaino ireo faminaniana ao amin’ny 2 Nefia 21–22. Eritrereto ny fomba anatanterahan’ny Mpamonjy ireo faminaniana ireo. Aminao, inona no dikan’ilay faminaniana hoe ny amboadia dia “hiara-mitoetra amin’ny zanak’ondry”? (2 Nefia 21:6). Saintsaino ny zavatra azonao atao mba ho mpampihavana.

Jereo ny Dale G. Renlund, “Manafoana ny fandrafiana ny fiadanan’i Kristy; Liahona, nôv. 2021, 83–85.

2 Nefia 21:9–12

Manangona ny vahoakany ny Tompo.

Vavolombelon’ny fielezan’ny Isiraely i Nefia sy sy ny fianakaviany (jereo ny 2 Nefia 25:10). Afaka mandray anjara amin’ny fanangonana ny Isiraely ianao amin’izao fotoana izao (jereo ny 2 Nefia 21:12). Eo am-pamakianao ny 2 Nefia 21:9–12, dia eritrereto ny fomba hitondranao fanampiana mba hahatanterahan’ireo faminaniana nambara ao anatin’ireo andininy ireo.

Ohatra, rehefa mamaky mikasika ilay “faneva” izay hatsangana mba hanangonana ny vahoakan’ Andriamanitra ianao, dia eritrereto ny fomba nahitanao an’ Andriamanitra nanangona ny vahoakany ara-batana sy ara-panahy. Inona no manintona ny olona amin’ny Tompo sy ny Fiangonany?

Inona no tsapanao fa tokony hataonao mba hanampiana amin’ny fanangonana ny vahoakan’ Andriamanitra?

2 Nefia 23–24

Hirodana ny fitiavan’i Babylona ny zavatr’izao tontolo izao.

Nandrahona mafy ara-pôlitika sy ara-tafika an’i Isiraely fahiny ny fanjakan’i Babylona. Saingy ho an’ny vahoakan’i Nefia, sy ho antsika ankehitriny, dia ny tandindon’i Babylona no loza lehibe kokoa: ny zavatr’izao tontolo izao sy ny fahotana. Eritrereto hoe inona no mety ho fiantraikan’ireo fampitandreman’ny Tompo ao amin’ny 2 Nefia 23–24 amin’ireo izay natahotra na nidera na natoky ny harena sy ny herin’i Babylona (jereo ohatra ny 23:6–9, 11, 19–22; 24:10–19). Inona avy ireo zavatra sasany mitovy amin’izany izay mety atahorantsika na deraintsika na atokisantsika ankehitriny? Inona no tsapanao mety ho hafatry ny Tompo ho anao ao amin’ireo toko ireo? Eritrereto ny fomba azonao anehoana fa “miravoravo noho ny fahambonian[’ny Tompo]” ianao (2 Nefia 23:3).

Sary
sary famantarana ny seminera

2 Nefia 25:19–29

“Miresaka an’i Kristy isika, mifaly amin’i Kristy.”

Tsy nisalasala nizara ny zavatra ninoany i Nefia, indrindra ny fijoroana ho vavolombelona nananany momba an’i Jesoa Kristy. Ao anatin’ny fandalinanao ny 2 Nefia 20–25 dia eritrereto ny fanirian’i Nefia “mba handresy lahatra ny zana[ny] … mba hinoany an’i Kristy sy hihavanany amin’ Andriamanitra” (andininy 23). Inona no zavatra tian’i Nefia ho fantatry ny olona momba ny Mpamonjy? (jereo ny andininy 12–13, 16). Tamin’ny fomba ahoana no niezahan’i Nefia nandresy lahatra ny olona mba hino Azy? (jereo ny andininy 19–29). Diniho ireo andininy ao amin’io toko io izay mandresy lahatra anao hino sy hanaraka an’i Jesoa Kristy.

Ny sasany amintsika mety tsy manana fahatsapana ho sahy tahaka an’i Nefia eo amin’ny firesahana momba an’i Kristy. Saingy angamba afaka mahita zavatra ao amin’ny 2 Nefia 25:23–26 ianao izay mitaona anao hiresaka an-kahalalahana kokoa momba Azy. Ohatra, ilay fanambaran’i Nefia hoe “Mifaly amin’i Kristy [isika]” dia mety hanosika anao hieritreritra momba ny fomba hitondran’ny Mpamonjy fifaliana ho anao, sy ny fomba ahafahanao mizara izany fifaliana izany amin’ny hafa.

Tao anatin’ilay hafany hoe “Miresaka an’i Kristy isika” (Liahona, nôv. 2020, 88–91), ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanome sosokevitra mikasika ny fomba ahafahantsika miresaka an-kahalalahana kokoa momba an’i Kristy ao anatin’ny sehatra samihafa. Inona amin’ireo sosokevitra nomeny ireo no tena nanaitra anao? Inona avy ireo fahafahana anananao mba hiresahana momba an’i Kristy amin’ny hafa?

Inona no tsapanao fa tokony holazainao amin’ny hafa momba an’i Jesoa Kristy? Raha mila hevitra vitsivitsy ianao dia afaka mamaky ny “Ilay Kristy Velona: Tenivavolombelon’ny Apôstôly” ao amin’ny (Médiathèque de l’Évangile). Afaka manome hevitra misimisy kokoa ho anao ny “Oui, je crois en Christ” (Cantiques, no. 71).

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa, dia jereo ny laharan’ireo gazetiboky Liahona sy Ho zatovo mahery ho an’ity volana ity.

Hevitra enti-mampianatra ny ankizy

2 Nefia 21:1–5

Hitsara amim-pahamarinana i Jesoa Kristy.

  • Mba hanampiana ny zanakao hahazo sary an-tsaina ireo andininy ireo dia jereo raha toa ka afaka mahita hazo notapahina na sampan-kazo iray maniry eo amin’ny hazo iray ianao (na ampiasao ilay sary etsy ambany). Raha toa ilay “sampana” ao amin’ny 2 Nefia 21:1 ka maneho an’i Jesoa Kristy, dia inona no ampianarin’ny andininy 2–5 antsika momba Azy?

Sary
zavamaniry kely maniry avy eo amin’ny fakan’ny hazo iray

2 Nefia 21:6–9

Mitondra fiadanana sy fifaliana i Jesoa Kristy.

  • Inona no ampianarin’ny 2 Nefia 21:6–9 momba ny zavatra mety hitranga rehefa manaraka ny Mpamonjy ny olon-drehetra? (jereo koa ny 4 Nefia 1:15–18). Ahoana no hanaovantsika ny tokantranontsika hitovy amin’izany bebe kokoa? Mety ho tian’ny zanakao ny hijery ny sarin’ireo biby voalaza ao amin’ny andininy 6–7, biby izay mpifahavalo saingy tsy hifandratra rehefa hiverina indray i Jesoa (jereo ny pejin’ny sahanasa ho an’ity herinandro ity). Afaka manao ny sariny sy ireo biby miaina amim-piadanana miaraka amin’i Jesoa Kristy koa ny zanakao.

2 Nefia 21:11–1222

Manangona ny vahoakany ny Tompo.

  • Nilaza i Isaia fa ny Tompo dia hanangana “faneva iray ho an’ny firenena” mba hanampiana ny olona hivondrona ao Aminy (jereo ny 2 Nefia 21:11–12). Ampio ny zanakao hahatakatra fa ny faneva dia toy ny sainam-pirenena. Mety ho tiany angamba ny hanao sary ny sainany manokana. Azon’izy ireo atao ao anatin’izany ireo sary na teny izay maneho ny antony hanatonan’izy ireo an’i Jesoa Kristy sy ny Fiangonany. Avelao izy ireo hiresaka momba ny sainany ary ampio izy ireo hieritreritra ny fomba ahafahan’izy ireo “manangona” an’i Jesoa Kristy.

  • Aorian’ny fiarahana mamaky ny 2 Nefia 22:44–5, dia mety afaka miresaka amin’ny zanakao ianao momba ny sasany amin’ireo “zavatra tsara dia tsara” nataon’ny Tompo. Inona avy ny sasany amin’ireo “asan[’ny]” Tompo eo anivontsika izay azontsika ambara? Mba hanampiana ny zanakao hisaintsaina io fanontaniana io dia afaka miaraka mihira hira iray momba ny Mpamonjy ianareo, toy ny “Oui, je crois en Christ” (Cantiques, no. 71). Afaka mifandimby ianareo mameno fehezan-teny tahaka ity iray ity: “Mino an’i Kristy aho, Izy dia .” Ahoana no ahafahantsika manampy ny olona hafa hahafantatra mikasika ny zavatra nataon’ny Mpamonjy ho antsika?

2 Nefia 25:26

“Mifaly amin’i Kristy [isika].”

  • Ahoana no fomba ahafahanao manampy ny zanakao “hifaly amin’i Kristy”? Angamba afaka mitantara tantara iray momba an’i Jesoa Kristy mitondra fifaliana ho an’ny hafa ianao. Afaka milaza ireo fotoana nahafinaritra tao amin’ilay tantara ny zanakao. Avy eo, eo am-piarahanareo mamaky ny 2 Nefia 25:26 dia afaka miresaka momba ny mahatonga antsika “mifaly amin’i Kristy” izy ireo.

Mijoroa ho vavolombelona momba an’i Kristy. Aza raisina hoe efa fantatry ny fianakavianao ny zavatra tsapanao momba ny Mpamonjy. Lazao azy ireo izany, ary avelao ny fahatsapanao momba ny Mpamonjy hisy fiantraikany amin’ny fomba firesahanao aman’olona.

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa, dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.

Sary
misiônera mampianatra fianakaviana iray

Ny làlanao no làlako, nataon’i Ramon Ely Garcia Rivas

Hamoaka printy