Avia, hanaraka Ahy
18-24 martsa: “Izany no lalana.” 2 Nefia 31–33


“18-24 martsa: -Izany no lalana.- 2 Nefia 31–33,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Bokin’i Môrmôna 2024 (2024)

“18–24 martsa. 2 Nefia 31–33,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2024 (2024)

Sary
I Jesoa mampianatra ny mpianany

Christ Teaching His Disciples [I Kristy mampianatra ny mpianany], nataon’i Justin Kunz

18–24 martsa: “Izany no lalana”

2 Nefia 31–33

Hitantsika ao amin’ireo teny farany noraketin’i Nefia ity fanambarana ity hoe: “Izany no efa nandidian’ny Tompo ahy ka dia tsy maintsy mankatò aho” (2 Nefia 33:15). Izany dia famintinana mety tsara momba ny fiainan’i Nefia. Niezaka nanatakatra ny sitrapon’ Andriamanitra izy ary nankatò tamin-kerim-po izany, na dia midika aza izany hoe mety hamoy ny ainy izy rehefa haka ireo takela-barahina avy amin’i Labàna, na hanamboatra sambo ka hiampita ny ranomasina, na hampianatra amim-pahatokiana ny fotopampianaran’i Kristy amin’ny fomba mazava tsara sy amin-kery. I Nefia dia afaka niresaka tamim-pandresen-dahatra ny filàna “mibosesika handroso amin’ny fiorenana ao amin’i Kristy,” sy ny fanarahana ny “lalana ety sy tery izay mitondra mankany amin’ny fiainana mandrakizay” (2 Nefia 31:20,18) satria izany no lalana narahany. Fantany avy amin’ny zavatra niainany fa io lalana io, na dia nitaky asa mafy aza indraindray, dia mitondra fifaliana ihany koa, ary “tsy misy lalana na anarana hafa nomena ambanin’ny lanitra, izay ahazoana mamonjy ny olona ho ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra” (2 Nefia 31:21).

Torohevitra ho an’ny fianarana any an-tokantrano sy any am-piangonana

2 Nefia 31

I Jesoa Kristy sy ny fotopampianarany no hany lalana mitondra mankany amin’ny fiainana mandrakizay.

Raha tsy maintsy mamintina ny lalana mitondra mankany amin’ny fiainana mandrakizay ao anatin’ny teny vitsy monja ianao, dia inona no holazainao? Diniho ny fomba namaritan’i Nefia izany ao amin’ny 2 Nefia 31. Hevero ny hanao sarina lalana ary soraty eo amin’ilay lalana ny sasany amin’ireo fitsipika na dingana hitanao ao amin’ireo toko ireo. Azonao ampidirina ao amin’ny sarinao ny famintinanao manokana ny zavatra nampianarin’i Nefia momba ny fitsipika tsirairay.

Rehefa mamaky ny 2 Nefia 31:18–20 ianao dia refeso ny ezaka vitanao mba “[hibosesehana] handroso” eo amin’ny lalan’ny filazantsara.

Jereo ihany koa ny “Saints, en avant! Armés de foi en Christ,” Cantiques, no. 40.

Sary
fianakaviana iray miara-mivavaka

Mitondra antsika mankany amin’ny fiainana mandrakizay ny fanarahana ny fampianaran’i Jesoa Kristy.

2 Nefia 31:4–13

Naneho ny ohatra tonga lafatra ho antsika mikasika ny fankatoavana i Jesoa Kristy rehefa natao batisa.

Na omaly ny batisanao no natao, na 80 taona lasa izay, dia fotoana tena manan-danja izany. Niditra tao anatin’ny fanekempihavanana mandrakizay mba hanaraka an’i Jesoa Kristy ianao. Eritrereto ny batisanao rehefa mamaky momba ny batisan’ny Mpamonjy ao amin’ny 2 Nefia 31:4–13 ianao. Mety hanampy ny famaliana fanontaniana toy ireto:

  • Nahoana no natao batisa i Kristy? Nahoana aho no nisafidy atao batisa?

  • Inona avy ireo fampanantenana ataoko rehefa atao batisa aho? Inona no ampanantenain’ny Tompo ho setrin’izany? (jereo ny andininy 12–13; jereo ihany koa ny Môzià 18:10, 13).

  • Ahoana no ahafahako mampiseho fa mbola vonona hanaraka an’i Jesoa Kristy aho?

2 Nefia 31:15–20

“Izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena.”

Eo am-pamakianao ny 2 Nefia 31:15–20, dia manontania tena hoe, “Ahoana no ahafantarako raha miaina ny faharetana hatramin’ny farany aho?” Inona no ianaranao avy amin’i Nefia ka manampy anao hamaly io fanontaniana io?

Nampianatra ny Loholona Dale G. Renlund hoe: “Ny faharetana hatramin’ny farany dia tsy dingana iray misaraka ao amin’ny fotopampianaran’i Kristy, toy ny hoe mamita ireo dingana efatra voalohany isika ary avy eo dia miondrika sy mikitro-nify ary miandry ny ho faty. Tsia, ny faharetana hatramin’ny farany dia mamerina amim-pahavitrihana ireo dingana”(“Lifelong Conversion” [Brigham Young University devotional, Sept. 14, 2021], 2, speeches.byu.edu). Ahoana no ahafahanao mamerina ireo dingana ao amin’ny fotopampianaran’i Kristy (finoana, fibebahana, batisa, ary fandraisana ny Fanahy Masina)?

Sary
sary famantarana ny seminera

2 Nefia 32; 33:2

Amin’ny alalan’ny tenin’i Kristy sy ny Fanahy Masina no hanehoan’ Andriamanitra amiko izay tokony hataoko.

Efa nahatsapa ho tsy nahazo antoka momba ireo dingana manaraka eo amin’ny fiainanao ve ianao? Nanana olana toy izany koa ny vahoakan’i Nefia (jereo ny 2 Nefia 32:1). Tadiavo ny valintenin’i Nefia ao amin’ny 2 Nefia 32:2–9. Ahoana no fomba hilazanao amin’ny teninao manokana ny zavatra nampianarin’i Nefia? Inona avy ireo zavatra niainanao ka nampianatra anao fa marina ireo tenin’i Nefia?

Hevero ny hanao ny lisitr’ireo fanapahan-kevitra na toe-javatra (ankehitriny sy any aoriana) izay ilanao ny fitarihan’ Andriamanitra. Inona no azonao ianarana avy amin’ny 2 Nefia 32 izay hanampy anao hahomby amin’ny fahazoana fitaomam-panahy avy Aminy? Inona no mety hitarika ny olona “[h]anamafy ny fony amin’ny Fanahy Masina”? (2 Nefia 33:2).

Rehefa misaintsaina ny torohevitr’i Nefia ianao dia eritrereto ny fomba handalinanao ny tenin’ny Mpamonjy. Hofaritanao hoe toy ny mitsakitsaky, sa mihinana ny sakafo mahazatra, sa mivoky ve izany? Inona no fahasamihafana eo amin’izany, araka ny hevitrao? Eritrereto ny fomba ahafahanao manao ny zavatra iainanao amin’ny tenin’ny Mpamonjy ho toy ny fanasana lehibe iray. Angamba afaka maka hevitra avy amin’ny namana iray na olona iray ao amin’ny fianakaviana ianao.

Mivokisa amin’ny tenin’i Kristy. Misy fomba maro hivokisana amin’ny tenin’i Kristy, tafiditra ao anatin’izany ny fivavahana mba hahazoana fitaomam-panahy, ny fametrahana fanontaniana mialoha sy mandritra ny fandalinana, ny famaritana teny, ny fisaintsainana, ny fampifandraisana soratra masina, ny fandraisana naoty, ny fitadiavana fahamarinana momba ny filazantsara, ary ny fampiharana ny soratra masina eo amin’ny fiainantsika manokana (jereo ny 1 Nefia 19:23).

Ahoana no hanasanao ny Fanahy Masina ho namana mandrakariva eo amin’ny fiainanao, fa tsy ho mpitsidika tsindraindray fotsiny? Vakio ny sosokevitra telo nomen’i David A. Bednar mba hahatonga ny fananana ny Fanahy Masina ho namana ho “zava-misy mitohy” ao amin’ny “Raiso ny Fanahy Masina” (Liahona, nôv. 2010, 94–97). Ahoana no hampiharanao ny toroheviny?

2 Nefia 33

Ny Bokin’i Môrmôna dia mandresy lahatra ny olon-drehetra mba hino an’i Kristy.

Ao amin’ny 2 Nefia 33 rehefa namarana ny asasorany i Nefia, dia nohazavainy ny antony nanoratany aloha. Inona avy ireo antony hitanao ao amin’io toko io? Saintsaino ireo tantara sy fampianarana novakinao hatreto ao amin’ny 1 Nefia sy ny 2 Nefia. Inona no tena nitaona anao sy ny finoanao an’i Kristy?

Jereo koa ny “Néphi rédige son témoignage pour la dernière fois” (horonan-tsary), Médiathèque de l’Évangile.

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa, dia jereo ny laharan’ireo gazetiboky Liahona sy Ho zatovo mahery ho an’ity volana ity.

Hevitra enti-mampianatra ny ankizy

2 Nefia 31:4–13

Manaraka an’i Jesoa aho rehefa atao batisa.

  • Misy sarin’i Jesoa natao batisa any amin’ny faran’ity rindran-damina ity. Angamba ny zanakao dia afaka mampiasa izany mba hilazana aminao ny zavatra fantany momba ity zava-nitranga ity (jereo koa ny Matio 3:13–17). Nahoana no tian’i Jesoa hatao batisa tahaka Azy isika? Afaka mihaino ireo antony ireo ny zanakao rehefa miara-mamaky ny ampahany amin’ny 2 Nefia 31:4–13 ianareo. Mety hanampy raha afaka mizara ny zavatra niainany ny olona iray izay vao vita batisa.

2 Nefia 31

Nampianatra ahy ny fomba hiverenana any amin’ny Ray any An-danitra i Jesoa Kristy.

  • Mba hanampiana ny zanakao haka sary an-tsaina ireo fampianarana ao amin’ny 2 Nefia 31, dia afaka manao sarina lalana iray misy sarin’i Kristy any amin’ny farany izy ireo. Azonao atao ny manampy azy ireo hitady na hanao sary izay maneho ireo dingana atao eo amin’izany lalana izany, toy ny finoana an’i Jesoa Kristy, ny fibebahana, ny batisa, ny fanomezana ny Fanahy Masina ary ny faharetana hatramin’ny farany. Afaka manondro ireo sary izy ireo rehefa miara-mamaky ny 2 Nefia 31:17–20 ianareo.

2 Nefia 32:3–5

Afaka mivoky amin’ny tenin’i Kristy aho.

  • Mba hampianarana mikasika ny “fivokisana” amin’ny tenin’i Kristy dia azonao atao ny mangataka ny zanakao hilalao an-tsehatra ny fomba hivokisany amin’ny sakafo tiany indrindra. Ao amin’ny 2 Nefia 32:3, inona no nolazain’i Nefia fa tokony hivokisantsika? Inona no tsy mampitovy ny mivoky amin’ny tenin’ Andriamanitra sy ny mamaky izany fotsiny? Angamba afaka milalao an-tsehatra ny fahasamihafana misy eo amin’izany ny zanakao. Zarao amin’izy ireo ireo fitahiana azonao rehefa nivoky tamin’ny soratra masina ianao.

2 Nefia 32:8–9

Tian’ny Ray any An-danitra hivavaka foana aho.

  • Rehefa avy mamaky ny 2 Nefia 32:8–9 dia resaho amin’ny zanakao ny antony tsy hitiavan’i Satana ny hivavahantsika. Nahoana no tian’ Andriamanitra “hivavaka mandrakariva” isika? Afaka manao lisitra na manao sarin’ireo toe-javatra ahafahany mivavaka ny zanakao. Afaka mihira hira iray mampianatra momba ny vavaka ianareo avy eo, toy ny “Moa nivavaka?Fihirana sy Hiran’ny Ankizy, lah. 96). Azonao atao ny manolo ny teny sasany ao amin’ilay hira amin’ireo teny avy ao amin’ny lisitra nataony. Inona no fitahiana azontsika avy amin’ Andriamanitra rehefa mivavaka mandrakariva isika?

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa, dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.

Sary
I Jaona Mpanao Batisa manao batisa an’i Jesoa

To Fulfill All Righteousness [Mba hanatanteraka ny fahamarinana rehetra], nataon’i Liz Lemon Swindle

Hamoaka printy