Avia, hanaraka Ahy
25–31 martsa: “[Hitsangana amin’ny maty miaraka amin’ny fanasitranana ao amin’ny elany Izy].” Paska


“25–31 martsa: -[Hitsangana amin’ny maty miaraka amin’ny fanasitranana ao amin’ny elany Izy.- Paska,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Bokin’i Môrmôna 2024 (2023)

“25–31 martsa. Paska,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2024 (2023)

Sary
I Kristy nitsangana tamin’ny maty sy ireo apôstôliny

I Kristy sy ireo Apôstôly, nataon’i Del Parson

25–31 martsa: “[Hitsangana amin’ny maty miaraka amin’ny fanasitranana ao amin’ny elany Izy]”

Paska

Ireo Apôstôly fahiny dia feno fahasahiana teo amin’ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy ny Fitsanganany tamin’ny maty (jereo ny Asan’ny Apostoly 4:33). Olona an-tapitrisany no mino an’i Jesoa Kristy sy miezaka manaraka Azy noho ny teniny voarakitra ao amin’ny Baiboly. Kanefa misy olona sasany mety manontany tena hoe: Raha i Jesoa Kristy no Mpamonjy izao tontolo izao, dia nahoana ireo vavolombelona nahita maso azy no voafetra ho olona vitsy tao anatina faritra kely iray?

Ny Bokin’i Môrmôna dia vavolombelona mandresy lahatra iray fanampiny fa i Jesoa Kristy no Mpamonjy izao tontolo izao “izay maneho ny tenany amin’ny firenena rehetra” (pejin-dohatenin’ ny Bokin’i Môrmôna) ary manolotra famonjena ho an’ireo rehetra izay manatona Azy. Ankoatra izany, io vavolombelona faharoa io dia manazava tsara ny dikan’ny hoe famonjena. Izany no antony nahatonga an’i Nefia sy i Jakôba, sy i Môrmôna ary ireo mpaminany rehetra niasa “[t]amim-pahazotoana tokoa mba hisokitra ireo teny ireo eo amin’ny takelaka” mba hitoriana amin’ny taranaka ho avy fa izy ireo koa dia “nahalala an’i Kristy, ary … nanana[ny] ny fanantenana ny voninahiny” (Jakôba 4:3–4). Mandritra ity vanim-potoan’ny Paska ity dia saintsaino ireo fijoroana ho vavolombelona ao amin’ny Bokin’i Môrmôna fa ny herin’ny Mpamonjy dia ho an’izao tontolo izao sy ho an’ny tena manokana, izay manavotra izao tontolo izao sy manavotra anao.

Torohevitra ho an’ny fianarana any an-tokantrano sy any am-piangonana

Sary
sary famantarana ny seminera
Noho i Jesoa Kristy dia hitsangana amin’ny maty aho.

Fanao mandritra ny Paska ny misaintsaina ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty, saingy inona marina no tena dikan’ny hoe mitsangana amin’ny maty? Inona no hevi-baovao omen’ny Bokin’i Môrmôna mikasika ny fitsanganana amin’ny maty? Amin’izao vanim-potoan’ny Paska izao angamba dia afaka manao lisitra iray ianao izay ahitana ireo fahamarinana mikasika ny fitsanganana amin’ny maty izay hitanao ao amin’ny 2 Nefia 9:6–15, 22; Almà 11:42–45; 40:21–25; 3 Nefia 26:4–5.

Azonao raketina ihany koa ny fiantraikan’ireo fahamarinana ireo eo amin’ny zavatra ataonao sy ny fomba fiainanao. Ohatra diniho ny fomba hamenoana ireto fanontaniana ireto: Raha tsy nahafantatra ireo zavatra ireo aho … ary Noho ny fahafantarako ireo zavatra ireo …

Ny hira ao amin’ny fihirana toy ny “Velona ilay Mpanavotra ahy” (Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 76) dia afaka manampy anao hieritreritra momba ny antony maha-manan-danja ny Fitsanganan’ny Mpamonjy amin’ny maty ho anao. Rehefa mihira, na mihaino, na mamaky ilay hira ao amin’ny fihirana ianao dia mety hanontany tena hoe, “Inona no niova teo amin’ny fiainako noho i Jesoa Kristy nitsangana tamin’ny maty?”

Ny Médiathèque de l’Évangile dia mirakitra amboarana horonan-tsary momba ny Paska izay afaka ny ho zavatra manan-danja ao anatin’ny fandalinanao. Angamba afaka mijery ny iray na maromaro amin’ireo horonan-tsary ireo ianao ary misaintsaina ny zavatra ampian’izany eo amin’ny fahatakaranao na ny fankasitrahanao ny Fitsanganan’ny Mpamonjy amin’ny maty.

Jereo koa ny Lioka 24:36–43; Asan’ny Apostoly 24:15; 1 Korintiana 15:12–23; Reyna I. Aburto, “Tsy manam-pandresena ny fasana,” Liahona, mey 2021, 85–86. Sujets de l’Évangile, “Résurrection,” Médiathèque de l’Évangile.

Nentin’i Jesoa Kristy teo Aminy ny fahotako, sy ireo fanaintainako ary ny rofiko.

Mampianatra mazava tsara ny Baiboly fa nanao sorona fanavotana noho ny fahotantsika i Jesoa Kristy. Ny Bokin’i Môrmôna dia manitatra ny fahatakarantsika ny sorona nataon’i Kristy sy ny fijaliany amin’ny fomba manan-danja. Ny sasantsasany amin’ireo fampianarana ireo dia azonao jerena ao amin’ny Môzià 3:7; 15:5-9; Almà 41:13–11. Rehefa avy mamaky ireo andinin-tsoratra masina ireo ianao dia hevero ny hirakitra ny zavatra hitanao ao anatina tabilao tahaka ity iray ity:

Inona no zavatra niaretan’ny Mpamonjy?

Nahoana Izy no nijaly?

Midika inona ho ahy izany?

Ity misy fomba iray hafa handalinana ireo andinin-tsoratra masina ireo: Mitadiava hira ao amin’ny fihirana izay tsapanao fa mifandray amin’ireo hafatra ampianarin’izy ireo. Ireo abidia ho an’ny Soratra masina any amin’ny faran’ny boky fihirana dia mety hanampy. Inona avy ireo andian-teny avy ao amin’ireo hira ao amin’ny fihirana ireo sy avy ao amin’ny soratra masina izay manampy anao hankasitraka lalina kokoa ny sorona nataon’ny Mpamonjy?

Jereo koa ny Isaia 53; Hebreo 4:14–16; Gérald Caussé, “Vavolombelona velona an’ilay Kristy velona;” Liahona, mey 2020, 38–40.

Afaka manadio ahy i Jesoa Kristy ary afaka manampy mba hahatonga lafatra ahy.

Azo lazaina fa ny Bokin’i Môrmôna dia tantarana vahoaka izay niova noho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Afaka mamaky ny sasantsasany amin’ireo zavatra niainana ireo ianao ao amin’ny Môzià 5:1–2; 27:8–28; Almà 15:3–12; 24:7–19. Afaka mieritreritra ohatra hafa mba hohalalinina koa ianao. Inona no zavatra tsikaritrao fa iombonan’ireo zavatra niainana ireo? Inona no fahasamihafana tsikaritrao? Inona no ampianarin’ireo zavatra niainana ireo anao momba ny fomba ahafahan’ny Mpamonjy manova anao?

Jereo koa ny Almà 5:6–14; 13:11–12; 19:1–16; 22:1–26; 36:16–21; Etera 12:27; Môrônia 10:32–33.

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa, dia jereo ny laharan’ireo gazetiboky Liahona sy Ho zatovo mahery ho an’ity volana ity.

Hevitra enti-mampianatra ny ankizy

Satria alahady fahadimin’ny volana ny alahady ho avy izao dia amporisihana ireo mpampianatra ao amin’ny Kilonga mba ampiasa ireo asa enti-mianatra ao amin’ny “Tovana B: Manomana ny ankizy hijanona eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanan’ Andriamanitra mandritra ny androm-piainany.”

Satria nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy dia hitsangana amin’ny maty koa aho.

  • Azonao ampiasaina ny “Toko 53: Nohomboana tamin’ny hazo fijaliana i Jesoa” ary ny “Toko 54: Nitsangana tamin’ny maty i Jesoa” (ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Vaovao, 136–38, 139–44) mba hitantarana amin’ny ankizy ny momba ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty. Na avelao ny zanakao hitantara ilay tantara amin’ny alalan’ny fampiasana ireo sary ao amin’ireo toko ireo.

  • Ny fitsidihana tany Amerika nataon’ny Mpamonjy nitsangana tamin’ny maty dia vavolombelona mahery vaika momba ny Fitsanganany tamin’ny maty. Hevero ny hiresaka amin’ny zanakao mikasika izany amin’ny alalan’ny fampiasana ny 3 Nefia 1117; na ny andininy farany amin’ny “Ireo tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna” (Bokin-kiran’ny ankizy, 62). Amporisiho ny zanakao haka sary an-tsaina hoe tahaka ny ahoana izany hoe nitsapa ny ratran’i Jesoa izany (jereo ny 3 Nefia 11:14–15) na anisan’ny iray tamin’ireo ankizy notsofina rano izany (jereo ny 3 Nefia 17:21). Zarao eo aminareo samy ianareo ny zavatra tsapanareo momba an’i Jesoa Kristy sy ny Fitsanganany tamin’ny maty.

  • Mba hanampiana ny zanakao hahita ny zavatra ampianarin’ny Bokin’i Môrmôna momba ny fitsanganana amin’ny maty, dia azonao asaina izy ireo mba hanao toy ny hoe tsy mahafantatra na inona na inona momba izany ianao ary angataho izy ireo mba hanazava izany aminao. Ampio izy ireo hitady ao amin’ny 2 Nefia 9:10–15; Almà 11:41–45; ary Almà 40:21–23 ny valin’ireo fanontaniana tahaka ireto: Inona no dikan’ny hoe mitsangana amin’ny maty? Iza no hitsangana amin’ny maty? Asao ihany koa izy ireo hijoro ho vavolombelona momba ny Fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty ho ampahany amin’ny valintenin’izy ireo.

Fantatr’i Jesoa Kristy ny fomba hampaherezana ahy.

  • Ny Môzià 3:7 sy Almà 7:11 dia mamaritra ny zavatra sasantsasany izay nozakain’ny Mpamonjy izay nandrafitra ny Sorompanavotana nataony. Azonao hamakiana ny iray amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo ny zanakao ary angataho izy ireo mba hihaino ireo teny izay milaza amin’izy ireo ny zavatra nozakain’i Jesoa ho antsika. Angataho ny ankizy hamaky ny Almà 7:12 mba hahitana antony nizakany izany. Mijoroa ho vavolombelona fa i Jesoa Kristy dia nahatsapa ny fanaintainantsika sy ny aretintsika rehetra mba hahafahany mampiononana antsika.

  • Moa ve misy hira ao amin’ny fihirana na hira izay tena ankafizin’ny zanakao momba an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany? Azonareo iarahana mihira izany, na afaka mianatra anankiray hafa vaovao koa ianareo. Ifampiresaho ny mikasika ireo teny na andian-teny ao amin’ilay tononkira izay mampianatra anao momba ny fampiononana sy ny fiadanana izay atolotry ny Mpamonjy antsika.

Sary
I Kristy mivavaka ao amin’ny Saha Getsemane

Getsemane, nataon’i Michael T. Malm

Afaka manadio ahy sy manampy ahy mba hiova i Jesoa Kristy.

  • Ny Bokin’i Môrmôna dia manome ohatra maro izay ahitana olona niova noho ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy. Angamba ny zanakao afaka misafidy anankiray mba hianarana, toa an’i Enôsa (jereo ny Enôsa 1:2–8), Almà Zanany (jereo ny Môzià 27:8–24), na ny Antia-Nefia-Lehia (jereo ny Almà 24:7–19). Ahoana no niovan’io olona io na io vondron’olona io noho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy? Ahoana no ahafahantsika manaraka ny ohatr’izy ireo?

  • Ianao sy ny zanakao dia afaka mampitaha zavatra madio sy zavatra maloto koa ary miresaka mikasika ny fomba hanadiovana ny zavatra maloto. Iaraho mamaky ny Almà 13:11–13. Inona no nataon’i Jesoa Kristy mba hahafahantsika ho voadio amin’ny fahotantsika? Inona no tsapantsika mikasika ny fahotana avy amin’izany? Inona no tsapantsika mikasika ny Mpamonjy avy amin’izany ?

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa, dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.

Manàna fiainana mendrika ny fitarihan’ny Fanahy. Ny Fanahy no tena mpampianatra. Rehefa mikatsaka ny fitarihany ianao sy miaina amim-pahamendrehana, dia hanome anao eritreritra sy fahatsapana momba ny fomba hanomezana izay zavatra ilain’ireo olona ampianarinao Izy.

Sary
I Kristy mandray tanana an’ireo Nefita

Sary maneho an’i Kristy teo anivon’ny Nefita, nataon’i Ben Sowards

Hamoaka printy