Avia, hanaraka Ahy 2024
1-7 aprily: “Mihavàna amin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny sorompanavotan’i Kristy.” Jakôba 1–4


1-7 aprily: -Mihavàna amin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny sorompanavotan’i Kristy.- Jakoba 1–4,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Bokin’i Môrmôna 2024 (2024)

“1–7 aprily. Jakôba 1–4,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Bokin’i Môrmôna 2024 (2024)

Sary
Vehivavy mandohalika eo an-tongotr’i Jesoa

Voavela, nataon’i Greg Olsen. Nampiasaina rehefa nahazoana fankatoavana. www.GregOlsen.com

1-7 aprily: Mihavàna amin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny sorompanavotan’i Kristy

Jakôba 1–4

Noraisin’ny Nefita ho “mpiahy lehibe” azy ireo i Nefia (jereo ny Jakôba 1:10). Narovany ihany koa tamin’ireo loza ara-panahy izy ireo, nampitandremany tamin’ny fahotana sy nentaniny mafy hanatona an’i Kristy. Avy eo dia niampita tamin’i Jakôba izay natokan’i Nefia ho mpisorona sy mpampianatra izany andraikitra izany (jereo ny Jakôba 1:18). Nahatsapa ho nanana andraikitra i Jakôba mba hampitandrina amim-pahasahiana ireo izay “[n]anombo[ka] miaina ao amin’ny fahotana,” sady nampionona ny “fanahy maratra[n’ireo]” izay voaratra noho ny fahotan’ny hafa (jereo ny Jakôba 2:5–9). Ahoana no nanaovany azy roa? Nampitodihany tany amin’i Jesoa Kristy izy ireo, satria samy nila ny fanasitranan’ny Mpamonjy ireo vondrona roa ireo (jereo ny Jakôba 4). Ny fijoroana ho vavolombelona nataon’i Jakôba, sahala amin’ny hafatr’i Nefia izay nialoha azy, dia antso iray mba “[hihavana] amin’ [Andriamanitra] amin’ny alalan’ny sorompanavotan’i Kristy” (Jakôba 4:11).

Torohevitra ho an’ny fianarana any an-tokantrano sy any am-piangonana

Jakôba 1:6–8, 15–19; 2:1–11

Manana “fanendrena avy amin’ny Tompo” aho.

Rehefa mandalina ny Jakôba 1:6–8, 15–19 sy ny 2:1–11 ianao dia eritrereto ny fanendrena mety ananan’ny Tompo ho anao. Inona no zavatra tsapanao fa tokony hataonao mba “hanandrianana” azy ireo?

Jereo ihany koa ny “Le Seigneur qualifie ceux qu’il appelle,” ao amin’ny Enseignements des présidents de l’Église: Thomas S. Monson(2022).

Jakôba 2:12–21

“Aza avela handrava ny fanahinareo ity avonavona ity”

Nanana olana tamin’ny avonavona sy ny fifantohana tamin’ny harena ny Nefita (jereo ny Jakôba 2:13), ary tsy izy ireo irery ihany no nanana izany olana izany na hoe tamin’ny androny fotsiny ihany izany. Ahoana no fomba ampiroboroan’ny fahavalo ny fitiavana ny harena ankehitriny? Rehefa avy mamaky ny Jakôba 2:12–21 dia lazao amin’ny teninao manokana ny fomba tian’ Andriamanitra hijerenao ny harena ara-nofo. Ny hira toy ny “Seigneur, j’ai tant reçu” (Cantiques, no. 139.) dia afaka manome fomba fijery fanampiny. Inona no tsapanao fa tokony hataonao manoloana ny zavatra nianaranao?

Sary
sary famantarana ny seminera

Jakôba 2:22–35; 3:10–12

Finaritra amin’ny fahadiovam-pitondrantena Andriamanitra.

Rehefa mamaky ny Jakôba 2:22–35; 3:10–12 ianao dia inona no zavatra hitanao izay manampy anao hahatakatra ny antony maha-zava-dehibe indrindra ny fahadiovam-pitondrantena amin’ Andriamanitra? Inona avy ny sasany amin’ireo voka-dratsin’ny fahalotoam-pitondrantena, tamin’ny andron’i Jakôba sy amin’izao androntsika izao? Inona avy ireo fitahiana avy amin’ny fananana fiainana madio ara-pitondrantena?

Nampianatra ny Loholona David A. Bednar fa isika dia miaina “ao anatin’ny tontolo izay tsy mitsaha-maneso ny fahamasinan’ny fananan-janaka” (“Mino isika fa tokony ho madio fitondrantena,” Liahona, mey 2013, 41–44). Ahoana no ahafahanao manampy ny hafa hahatakatra ny antony hankatoavanao ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena? Toerana tsara hanombohana ny fanazavana ny fitsipik’ Andriamanitra momba ny fahatsapana te-hanao firaisana ara-nofo sy ny firaisana ara-nofo ao amin’ny “Masina ny vatanao” ao amin’ny Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy (pejy 22–29). Inona koa no hitanao ao amin’io loharanom-panampiana io izay hanampy anao hanazava ny antony iainanao ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena?

Inona no tsy mampitovy ny fitsipik’ Andriamanitra momba ny fahadiovana ara-nofo amin’ireo hafatra hafa mety ho hitanao? Inona avy ireo fitahiana avy amin’ny fananana fiainana madio ara-pitondrantena?

Jereo koa ny “Attirance envers les personnes du même sexe” ao amin’ny amboaran-javatra atolotra ao amin’ny “Faire face aux défis de la vie” ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile.

Jakôba 4

Afaka mihavana amin’ Andriamanitra aho amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

Nitalaho tamin’ny olony i Jakôba mba “[hihavana] amin[’ Andriamanitra] amin’ny alalan’ny sorompanavotan’i Kristy” (Jakôba 4:11).  . Rehefa mandinika ny fiainanao manokana ianao dia eritrereto ny fotoana iray izay mety nahatsapanao fa lavitra ny Ray any An-danitra. Ahoana no fomba hanampian’ny Mpamonjy anao hamerina io fifandraisana io? Inona no torohevitra hitanao ato amin’ity toko ity izay manampy anao hihavana amin’ Andriamanitra? (jereo ny andininy 4–14).

Inona no hevi-baovao fanampiny azonao avy amin’ny Matio 5:23–24? Ahoana no hanampian’ny Mpamonjy anao mba hihavana amin’ Andriamanitra sy amin’ny hafa?

Jereo ihany koa ny 2 Nefia 10:24.

Jakôba 4:8–18

Afaka misoroka ny fahajambana ara-panahy aho amin’ny alalan’ny fifantohana amin’ny Mpamonjy.

Teo am-piasan’i Jakôba mba hampitodika bebe kokoa ny olony any amin’ny Tompo dia nampitandremany izy ireo mba tsy ho jamba ara-panahy sy tsy hanao tsinontsinona ireo “tenin’ny fahatsoran[’ny]” filazantsara (jereo ny Jakôba 4:13–14). Araka ny voalaza ao amin’ny Jakôba 4:8–18 dia inona no azontsika atao mba hisorohana ny fahajambana ara-panahy?

Rehefa nampianatra ny Mpamonjy dia nampiasa fampitahana amin’ny fiainana isan’andro. Ireo fanoharan’i Jesoa dia nanampy ny olona hahita fahamarinana ara-panahy eo amin’ireo zavatra niainana izay iraisan’izy ireo. Miezaha manao toy izany koa rehefa mampianatra ianao. Ohatra, rehefa mampianatra ny Jakôba 4:8–18 dia azonao atao ny manontany ny mpianatra raha efa nanao fizahana maso izy ireo. Ahoana no nanombanan’ny dokotera ny fahitany ara-batana? Ahoana no ahafahantsika manombana ny fahitantsika ara-panahy?

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa, dia jereo ny laharan’ireo gazetiboky Liahona sy Ho zatovo mahery ho an’ity volana ity.

Hevitra enti-mampianatra ny ankizy

Jakoba 2:8

Manasitrana ny fanahy maratra Andriamanitraa.

  • Mba hanampiana ny zanakao hahatakatra ny fomba ahafahana manasitrana ny “fanahy maratra” dia azonareo ifampiresahana miaraka ny zavatra mamparatra ny vatantsika ary ny zavatra manampy mba hahasitrana azy. Angamba azon’ny zanakao atao ny miresaka momba ireo fotoana namparatra azy ireo ary ny zavatra nanampy azy ireo mba ho sitrana. Azonao atao mihitsy aza ny mampiseho azy ireo famonosana fery na fanafody mba handrafetana ity fifampiresahana ity. Angamba azonao zaraina amin’izy ireo ny fomba nanampian’ny Mpamonjy anao rehefa nila fanasitranana ny fanahinao.

Jakoba 2:17–19

Afaka manampy ny hafa izay sahirana aho amin’ny alalan’ny fizarana zavatra amin’izy ireo.

  • Nanan-karena ny sasany tamin’ireo olona tamin’ny andron’i Jakôba, saingy tsy te hizara ny zavatra nananany tamin’ny hafa izy ireo. Rehefa mamaky amin’izy ireo ny fampianaran’i Jakôba ao amin’ny Jakoba 2:17–19 ianao dia omeo sary na zavatra mba hazonina izay mifanaraka amin’ireo teny na andian-teny ao amin’ireo andininy ireo ny zanakao. Azonao atao ny manazava fa mizara ireo zavatra ireo amin’izy ireo ianao. Angamba azonao atao avy eo ny manasa azy ireo hizara ireo zavatra ireo aminao na hifampizara izany eo amin’ny izy samy izy. Resaho ny zavatra tsapanao rehefa mizara ianao. Inona koa no azontsika zaraina amin’ny hafa mba hanampiana azy ireo hahatsapa fifaliana?

  • Rehefa avy niaraka namaky ny Jakôba 2:17 ianareo, dia mety afaka manonona ireo fitahiana sasantsasany izay nozarain’ny Ray any An-danitra tamin’izy ireo ny zanakao. Nahoana no tiany isika hifampizara?

Jakôba 4:6, 10–11

Afaka mampatanjaka ny finoako an’i Jesoa Kristy aho.

  • Natanjaka tokoa ny finoan’i Jakôba an’i Kristy ka tsy voahozongozona. Mba hampianarana ny zanakao ny fomba hanorenana finoana toy izany, dia azonao atao ny manontany azy ireo momba ny zavatra ataontsika mba hampatanjaka ny vatantsika. Inona no azontsika atao mba hampatanjaka ny finoantsika an’i Jesoa Kristy? Iaraho vakina ny Jakôba 4:6 mba hanampiana ny ankizy hahita izay nataon’i Jakôba sy ny vahoakany mba hahatonga ny finoan’izy ireo ho “tsy voahozongozona.”

  • Fomba iray entina hanampiana ny zanakao hahatakatra ny dikan’ny hoe “tsy voahozongozona” amin’ny finoan’izy ireo ny mitady hazo lehibe iray ary mangataka azy ireo mba hanozongozona ny sampana tsirairay. Avy eo dia avelao izy ireo hiezaka ny hanozongozona ny vataben’ny hazo. Nahoana no sarotra kokoa ny manozongozona ny vataben’ny hazo? Andian-teny inona ao amin’ny Jakôba 4:6, 10–11 no mamariparitra izay azontsika atao mba hahatonga ny finoantsika an’i Jesoa Kristy ho tsy voahozongozona?

    Sary
    Hazo lehibe ao amin’ny valan-javaboary iray

    Afaka ny ho “tsy voahozongozona” tahaka ny vataben’ny hazo iray ny finoantsika an’i Kristy.

  • Mba hahitana fampitahana hafa hoentina mampianatra ny zanakao momba ny finoana an’i Jesoa Kristy tsy voahozongozona dia jereo ny Neil L. Andersen, “Tadio ara-panahy” (Liahona, mey 2014, 18–21) na “Ny hendry sy ny adala” (Bokin-kiran’ny ankizy, 132; jereo ihany koa ny Matio 7:24–27).

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa, dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.

Sary
I Jakôba manoratra eo amin’ireo takela-bolamena

I Will Send Their Words Forth (Jacob the Teacher)[Hampitaiko amin’izy ireo ny teniny (Jakôba Mpampianatra)], nataon’i Elspeth Caitlin Young

Hamoaka printy