Avia, hanaraka Ahy 2024
8-14 aprily: “Miara-miasa amintsika ny Tompo.” Jakôba 5–7


“8–14 aprily: -Miara-miasa amintsika ny Tompo.- Jakôba 5–7,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Bokin’i Môrmôna 2024 (2024)

“8–14 Aprily: Jakôba 5–7,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2024 (2024)

Sary
Lehilahy miasa ao amin’ny ala kelina hazo oliva

Fanoharana mikasika ny hazo oliva, nataon’i Brad Teare

8-14 aprily: Miara-miasa amintsika ny Tompo

Jakôba 5–7

Maro be tokoa ireo olona tsy mbola nahare ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Raha mahatsapa ho sahiran-tsaina ianao eo anatrehan’ny halehiben’ny asa fanangonana azy ireo ho ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo dia ahitana fampahatsiahivana manome toky ny zavatra nolazain’i Jakôba momba ny hazo oliva ao amin’ny Jakôba 5: an’ny Tompo ilay tanimboly. Nomeny sehatra kely avy ny tsirairay amintsika mba hanampy amin’ny asany, dia ny fianakaviantsika, ireo namantsika, ary ny olona izay azontsika taomina. Ary indraindray ny olona voalohany angonintsika dia ny tenantsika. Tsy irery mihitsy anefa isika ao anatin’io asa io satria miara-miasa amin’ireo mpanompony ny Tompon’ny tanimboly (jereo ny Jakôba 5:72). Fantatr’ Andriamanitra sy tiany ireo zanany, ary hanomana lalana ho an’ny tsirairay avy amin’izy ireo Izy mba handrenesany ny filazantsara, eny fa na dia ireo izay efa nandà Azy taloha aza (jereo ny Jakôba 4:15–18). Ary aorian’izay rehefa vita ny asa, ireo rehetra izay efa “nazoto niasa niaraka tami[ny] … dia … hiaraka hanana fifaliana [Aminy] noho ny voa avy amin’ny tanimboli[ny]” (Jakôba 5:75).

Torohevitra ho an’ny fianarana any an-tokantrano sy any am-piangonana

Jakôba 5

I Jesoa Kristy no Tompon’ny tanimboly.

Ny Jakôba 5 dia tantara iray feno hevitra ara-panoharana. Izy io dia mamaritra ny hazo sy ny voankazo ary ny mpiasa, saingy tena mikasika ny fifandraisan’ Andriamanitra amin’ny olony nandritra ny tantara hatrizay anefa izany. Eo am-pamakianao ilay tantara fototra, dia eritrereto hoe maneho inona ny sasany amin’ireo zavatra ao amin’ilay tantara.

Ohatra, raha maneho izao tontolo izao ny tanimboaloboka, ary ny hazo oliva voakolokolo dia maneho an’i Isiraely (na ireo izay nanao fanekempihavanana tamin’ Andriamanitra; jereo ny Jakôba 5:3), dia mety ho maneho inona ny hazo oliva dia? Mety maneho inona ilay voankazo tsara sy ratsy? Inona no fanehoana an’ohatra hafa hitanao?

Na dia mampianatra momba ireo firenena sy taonjato maro teo amin’ny tantaran’izao tontolo izao aza ny Jakôba 5, dia momba anao sy ny fiainanao ihany koa izany. Inona no hafatra hitanao fa ho an’ny tenanao ao amin’ny Jakôba 5?

Ny zava-dehibe indrindra angamba dia ny hoe momba an’i Jesoa Kristy ny Jakôba 5. Tadiavo ny momba Azy rehefa mamaky ianao. Inona no ianaranao momba Azy, ohatra, ao amin’ny andininy 40–41, 46–47?

Mba hahitana fanazavana fanampiny momba an’i Jakôba 5, dia jereo ny kisary any amin’ny faran’ity rindran-damina ity.

Sary
sary famantarana ny seminera

Jakôba 5:61–75

Manasa ahy mba hiaraka hiasa Aminy ao amin’ny tanimboliny ny Tompo.

Ny “mpanompo hafa” (Jakôba 5:70) izay nantsoina tao amin’ny tanimbolin’ny Tompo dia ny olona tahaka anao. Inona no fitsipika hitanao ao amin’ny Jakôba 5, indrindra fa ny andininy 61–62 sy ny 70–75, momba ny fiasana ao amin’ny tanimbolin’ny Tompo? Inona no zavatra nianaranao momba Azy tamin’ny alalan’ny fitondrana fanampiana tao amin’ny asany?

Rehefa mamaky mikasika ny “fotoana farany” izay hiasan’ny Tompo ao amin’ny tanimboliny ianao, dia inona no mitaona anao hanompo ny Tompo “amin’ny heri[nao]”? (Jakôba 5:71). Angamba azonao atao ny mieritreritra zavatra niainana manokana iray izay nahatsapanao fifaliana rehefa nanompo ny Tompon’ny tanimboly, ohatra tamin’ny alalan’ny fizarana ny filazantsara, na fanompoana tao amin’ny tempoly, na fanamafisana orina ny hafa. Azonao dinihina koa ireo ohatra nozarain’ny Loholona Gary E. Stevenson tao amin’ilay hafany manao hoe “Kanto tsotra izao—Tsotra ao anatin’ny hakantony” (Liahona, nôv. 2021, 47–50).

Ny Filoha Nelson dia nampianatra hoe: “Isaky ny manao zavatra izay hanampy olona eo amin’ny lafy roan’ny voaly ianao hanao dingana mitondra any amin’ny fanaovana fanekempihavanana amin’ Andriamanitra sy handray ireo ôrdônansin’ny batisa sy ny tempoly manan-danja, dia manampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely izay ianao. Tena tsotra tahaka izany ilay izy” (“Fanantenana ho an’i Isiraely” [fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny zatovo, 3 jona 2018], ChurchofJesusChrist.org). Hevero ny hanomboka hitanisa ireo hevitra izay azonao atao mba hanampiana amin’ny fanangonana an’i Isiraely. Inona no tsapanao avy ao amin’ny lisitra nataonao fa tian’ny Tompo hataonao anio ao amin’ny tanimboliny? Araka ny andininy 75, ahoana no fomba hamalian’ny Tompo soa antsika eo anatrehan’ny fanompoana ataontsika ao amin’ny tanimboliny?

Jereo ihany koa ny “Israel, ton Dieu t’appelle,” Cantiques, no. 6.

Ampianaro ny fotopampianarana. Ataovy izay ifantohan’ny fifanakalozan-kevitrareo amin’ny fotopampianarana fototra ao amin’ny soratra masina. Azonao atao izany amin’ny alalan’ny famakiana soratra masina miaraka ary avy eo mifampizara ireo fahamarinana hitanareo, ary koa ireo traikefa avy amin’ny fiainana ireo fahamarinana ireo.

Jakôba 6:4–5

Mahatsiaro ny vahoakany amim-pitiavana sy amim-pamindram-po ny Tompo.

Inona no fiantraikan’izany famaritana izany eo amin’ny fomba fahatakaranao ny Jakôba 6:4–5? Ao amin’ny tantaran’ny hazo oliva, ahoana no nanoloran’ny Tompon’ny tanimboaloboka ny “sandrin’ny famindram-po[ny]”? (jereo, ohatra, ny Jakôba 5:47, 51, 60–61, 71–72). Ahoana no nanaovany izany ho anao?

Jakôba 7:1–23

Afaka mijoro ho matanjaka aho rehefa misedra ny finoako an’i Jesoa Kristy ny hafa.

Miverimberina matetika ankehitriny ny zavatra niainan’ny Nefita tamin’i Serema: miezaka ny handrava ny finoana an’i Kristy ny olona. Inona no navalin’i Jakôba rehefa nisy nanozongozona ny finoany? Inona no zavatra ianaranao avy amin’ireo valinteniny ireo? Inona no azonao atao amin’izao fotoana izao mba hiomanana amin’ireo fotoana izay hisedrana ny finoanao ny Mpamonjy?

Jereo koa ny Jeffrey R. Holland, “Ny sarany efaina—sy ireo fitahiana azo—amin’ny maha-mpianatr’i Kristy,” Liahona, mey 2014, 6–9; “Shérem nie le Christ” (horonan-tsary), Médiathèque de l’Évangile.

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa, dia jereo ny laharan’ireo gazetiboky Liahona sy Ho zatovo mahery ho an’ity volana ity.

Hevitra enti-mampianatra ny ankizy

Jakôba 5

Miraharaha ny olony ny Tompo.

  • Ahoana no ahafahanao mizara ny tantaran’ny hazo oliva amin’ny fomba izay hahatakaran’ny zanakao izany? Ny fomba iray dia ny fandehanana an-tongotra eny ivelany mba hijery hazo sy hanao famerenana fohy ireo hevi-dehibe ao amin’ilay tantara. Inona no nataon’ny Tompon’ny tanimboliny ho an’ny hazony? Ahoana no ahafahantsika ho tahaka ny mpiasa ao amin’ilay tantara sy hanampy ny hafa hahatsapa ny fitiavan’ny Mpamonjy?

  • Nitantara ilay tantara mikasika ny hazo oliva i Jakôba mba hanasana ny olony hanatona an’i Kristy. Afaka manao izany koa amin’ny zanakao izany. Angamba azonao atao ny mamintina ilay tantara amin’ny alalan’ny andinin-tsoratra masina toy ny Jakôba 5:3–4, 28–29, 47, ary 70–72. Avy eo afaka mamaky ny Jakôba 5:11, 41, 47, ary 72 ianao na ny zanakao, ka hitady ireo zavatra izay mampiseho fa tena miraharaha fatratra ireo hazo ny Tompon’ny tanimboly (Jesoa Kristy). Inona no ataon’ny Tompo mba hampisehoana fa miraharaha antsika Izy?

Jakôba 6:4–5

Tian’ny Ray any An-danitra aho ary hamela ny heloko Izy rehefa mibebaka aho.

  • Ny Jakôba 6:4–5 dia manana hafatra manan-danja ho antsika rehefa manao safidy ratsy isika. Angamba azonao atao ny manampy ny zanakao hahita izany. Inona no teny ao amin’ireo andininy ireo izay manome antsika fanantenana ny amin’ilay fitiavan’ Andriamanitra manavotra? Mety hanampy ny tantaran’ny Loholona Allen D. Haynie mikasika ny nampihoson-doto azy tao anaty lavaka iray feno fotaka ao anatin’ilay hafany hoe “Mahatsiaro ilay nametrahantsika fitokiana” (Liahona, nôv. 2015, 121–22). Inona no ampianarin’io tantara io sy ny Jakôba 6:4-5 antsika mikasika ny zavatra tokony hataontsika mba ho voavonjy ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra?

Jakôba 7:1–23

Afaka mijoro amin’izay fantatro fa marina aho.

  • Ahoana no ahafahanao mitaona ny zanakao hijoro amin’ny fahamarinana tahaka ny nataon’i Jakôba? Ahoana no fomba nijoroan’i Jakôba tamin’izay fantany fa marina? Asao ny zanakao mba hizara zavatra niainana rehefa nijoro tamin’ny marina izy ireo na mizarà zavatra niainanao manokana. Angamba azon’izy ireo hiraina miaraka ny hira iray maneho herim-po toa ny an’i Jakôba, toy ny “Aoka ho marina hatrany ianao,” Bokin-kiran’ny ankizy, 81.

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa, dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.

Sary
kisary maneho ny fanoharana mikasika ny hazo oliva

Hamoaka printy