Avia, hanaraka Ahy 2024
22–28 aprily: “Fenon’ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny olon-drehetra.” Môzià 1–3


“22–28 aprily: -Fenon’ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny olon-drehetra.- Môzià 1–3,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Bokin’i Môrmôna 2024 (2024)

“22–28 aprily. Môzià 1–3,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2024 (2024)

Sary
I Benjamina Mpanjaka mampianatra ny vahoakany

Mandray ny fampianaran’ny Mpanjaka Benjamina, nataon’i Maria Alejandra Gil

22–28 aprily: “Fenon’ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny olon-drehetra”

Môzià 1–3

Rehefa mandre ny teny hoe mpanjaka ianao, dia mety hieritreritra satroboninahitra, mpanompo, ary seza fiandrianana. Ao amin’ny Môzià 1–3, ianao dia hamaky mikasika ny mpanjaka iray izay tsy mitovy amin’izany. Naleon’i Benjamina Mpanjaka “nampiasa ny tana[ny]” (Môzià 2:14) toy izay hivelona avy amin’ny asa ataon’ny vahoakany. Naleony nanompo ny vahoakany “[t]amin’ny hery sy saina ary tanjaka rehetra izay efa nomen’ny Tompo [azy]” (Môzià 2:11) toy izay nanao izay hanompoan’ny hafa azy. Tsy tian’ity mpanjaka ity hitsaoka azy ny vahoakany. Naleony kosa nampianatra azy ireo hitsaoka ilay Mpanjakany any an-danitra dia i Jesoa Kristy izany. Takatr’i Benjamina Mpanjaka fa “ny Tompo Tsitoha [no m]anjaka” (Môzià 3:5), izay nidina “avy any an-danitra” ary nandeha “[t]eo anivon’ny olonao, … mba hahatongavan’ny famonjena amin’ny zanak’olombelona noho ny finoana ny anarany” (Môzià 3:5, 9).

Torohevitra ho an’ny fianarana any an-tokantrano sy any am-piangonana

Môzià 1:1–7

“[Hadihadio] amim-pahazotoana [ny soratra masina].”

Diniho ao anatin’ireo andininy ireo ny fomba nitahian’ireo rakitsoratra masina ny vahoakan’i Benjamina mpanjaka. Nahoana no tsara kokoa ny fiainanao noho ny fanananao ny soratra masina?

Sary
sary famantarana ny seminera

Môzià 2:10–26

Rehefa manompo ny hafa aho, dia manompo an’ Andriamanitra koa.

Araka ny eritreritrao, inona no mety holazain’i Benjamina Mpanjaka raha manontany azy ny antony nanompoany tamin’ny “hery sy saina ary tanjaka” rehetra nananany ianao? (Môzià 2:11). Saintsaino izany rehefa mamaky ny Môzià 2:10–26 ianao. Inona no zavatra nampianarin’i Benjamina Mpanjaka izay manosika anao hanompo ny hafa amin’ny fomba manan-danja kokoa? Ohatra, midika inona aminao ny fahafantarana fa rehefa manompo olona hafa ianao dia manompo an’ Andriamanitra ihany koa? (jereo ny Môzià 2:17). Mikatsaha fitaoman’ny Fanahy mahakasika ny fomba hahafahanao manompo olona amin’ity herinandro.

Na dia fantatsika aza fa tokony hanompo ny hafa isika, dia miatrika olana isika indraindray. Ny fomba iray handalinana ny Môzià 2:10–26 dia ny fanaovana lisitra iray ahitana ireo fahamarinana nampianarin’ny Mpanjaka Benjamina izay afaka manampy anao handresy ireo olana izay manakana anao tsy hanompo. Inona no zavatra niainana izay nampiseho anao fa marina ny zavatra nampianarin’i Benjamina Mpanjaka?

Ny Filoha Joy D. Jones dia nizara zavatra niainana mahery vaika izay nanova ny fomba fijeriny eo amin’ny fanompoana ny hafa. Vakio ny momba izany ao amin’ny “Ho Azy” (Liahona, nôv. 2018, 50–52), ary eritrereto ireo fahafahana azonao araraotina mba hanompoana ny hafa. Afaka manao lisitra fohy aza ianao ary misaintsaina ny mety ho fiantraikan’ny hafatry ny Filoha Jones miaraka amin’ny Môzià 2:17 eo amin’ny fomba hanomoranao ireo fahafahana azo araraotina ireo. Ny hira toy ny “Je rencontrais sur mon chemin” (Cantiques, no.17) dia mety hanampy anao hieritreritra hevi-baovao fanampiny.

Jereo koa ny Matio 25:40; “Le roi Benjamin enseigne comment servir Dieu” (horonan-tsary), Médiathèque de l’Évangile; JustServe.org; Sujets de l’Évangile, “Service,” Médiathèque de l’Évangile.

Sary
Vehivavy anankiroa mifamihina

Rehefa manompo ny hafa aho, dia manompo an’ Andriamanitra koa.

Môzià 2:38–41

Tonga avy amin’ny fitandremana ny didin’ Andriamanitra ny fahasambarana.

Ahoana no hamaritanao ny fifaliana izay tonga avy amin’ny fankatoavana an’ Andriamanitra? Misy andian-teny ve ao amin’ny Môzià 2:38–41 izay hanampy anao hanazava ny antony hitandremanao ny didiny?

Môzià 3:1–20

Afaka ny ho lasa olomasina aho amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’ i Jesoa Kristy.

I Benjamina Mpanjaka, tahaka ny mpaminany rehetra, dia nijoro ho vavolombelona ny amin’i Jesoa Kristy mba hahafahan’ny vahoakany “handray ny famelana ny fahotany … ary hifaly amim-pifaliana lehibe izaitsizy tokoa” (Môzià 3:13). Ireto misy fanontaniana vitsivitsy hosaintsainina eo am-pamakianao ny fijoroana ho vavolombelona momba ny Mpamonjy izay nataon’i Benjamina Mpanjaka ao amin’ny Môzià 3:1–20:

  • Inona no ianarako avy amin’ireo andininy ireo mikasika ny Mpamonjy sy ny asa nanirahana Azy?

  • Inona no ianarako avy amin’ny Môzià 3:18–19 mikasika ny dikan’ny hoe lasa olomasina?

  • Ahoana no nanampian’i Jesoa Kristy ahy handresy ny fahotako, hanova ny toetrako ary ho lasa tahaka ny olomasina kokoa?

Môzià 3:5–21

“Ny Tompo Tsitoha … dia hidina amin-kery avy any an-danitra.”

Omen’ny herinaratra fahafahana hanao inona ianao? Inona no hiova eo amin’ny fiainanao raha tsy misy izany? Ireo fanontaniana ireo dia afaka manampy anao hisaintsaina ilay hery lehibe kokoa mihitsy aza izay azon’ny Mpamonjy entina eo amin’ny fiainanao.

Ilay anjely niseho tamin’i Benjamina Mpanjaka dia niantso an’i Jesoa Kristy ho “Tompo Tsitoha,” anarana fiantsoana iray izay midika fa manana ny hery rehetra Izy. Inona no ianaranao avy amin’ny Môzià 3:5–21 momba ny fomba ampiasan’ny Mpamonjy izany hery izany? Tamin’ny fomba ahoana no nahitanao ny herin’ny Mpamonjy teo amin’ny fiainanao sy teo amin’ny fiainan’ireo olona manodidina anao? Omen’ilay heriny fahafahana hanao inona sy ho tonga inona ianao? Inona no hiova eo amin’ny fiainanao raha tsy misy izany?

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa, dia jereo ny laharan’ireo gazetiboky Liahona sy Ho zatovo mahery ho an’ity volana ity.

Hevitra enti-mampianatra ny ankizy

Môzià 2:11–18

Rehefa manompo ny hafa aho, dia manompo an’ Andriamanitra koa.

  • Ahitana satroboninahitra tsotra azon’ny zanakao atao ny pejin’ny sahanasa ho an’ity herinandro ity. Mety te hifandimby hitsangana eo ambonin’ny seza na akalana ary mody manao hoe Mpanjaka Benjamina izy ireo ary zarainao mandritra izany ny zavatra hita ao amin’ny Môzià 2–3. Azonao zaraina amin’izy ireo koa ny “Toko 12: Ny Mpanjaka Benjamina” (Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, 32–35) mba hanomezana azy ireo topimaso mikasika ireo fampianaran’i Benjamina Mpanjaka.

  • Ny Môzià 2:17 dia mety ho andininy tsara mba hianaran’ny zanakao. Azonao ampiana izy ireo hamerina izany amin’ny alalan’ny fanononana teny vitsivitsy isaky ny mandeha. Na azonao soratana ilay andinin-tsoratra masina, ary esorinao ireo teny manan-danja maromaro, ary angatahinao ny zanakao mba hitady ireo teny tsy hita ao ireo. Afaka miresaka amin’ny zanaka ianao avy eo mikasika ny antony hitiavan’ Andriamanitra ny mba hifanompoantsika.

  • Afaka manampy ny zanakao ianao hamaky ny Môzià 2:11–18 mba hitady ny zavatra nataon’i Benjamina Mpanjaka mba hanompoana ny hafa. Azon’ny zanakao soratana eo amina tapa-taratasy tsirairay avy eo ireo fomba sasantsasany ahafahan’izy ireo manompo ny olona ao amin’ny fianakaviany. Ataovy ao anatin’ny fitoeran-javatra iray ireo taratasy avy eo, toy ny harona na tavoara mba hahafahan’ny zanakao maka anankiray isan’andro ary manao izany asa fanompoana izany amin’ny olona iray.

Mahazo tombontsoa avy amin’ny famerimberenana ny ankizy. Aza matahotra ny hamerina imbetsaka ireo sahanasa, indrindra miaraka amin’ireo ankizy kely. Hanampy ny ankizy hahatadidy ny zavatra ianarany ny famerimberenana.

Sary
Ankizy mamoritra tapa-damba iray

Nampianatra i Benjamina Mpanjaka fa afaka manompo an’ Andriamanitra isika amin’ny alalan’ny fanompoana ny hafa.

Môzià 2:19–25

Avy amin’ny Ray any An-danitra ireo fitahiana rehetra azoko.

  • Ilay fankasitrahany lalina an’ Andriamanitra no nanentana ny asa fanompoana nataon’i Benjamina Mpanjaka tamin’ny vahoakany. Ahoana no fomba hampisianao fahatsapana mitovy amin’izany eo amin’ny zanakao? Afaka miara-mamaky ny Mozià 2:21 ianao ary manomboka manao lisitra iray ahitana ireo fitahiana nomen’ny Ray any An-danitra antsika. Angamba afaka mampiditra fitahiana hafa izay eritreretin’ny ankizy ianao avy eo.

  • Ity misy kilalao izay azo atao mba hanampiana ny zanakao hamantatra ireo fitahiana avy amin’ny Ray any an-danitra. Afaka mampitapita sarin’ny Mpamonjy anankiray ny ankizy eo am-pihiran’izy ireo na eo am-pihainoan’izy ireo hira iray momba ny fankasitrahana (jereo ny hoe “Fankasitrahana” ao amin’ny fizahana lohahevitra manaraka ny abidia ao amin’ny Bokin-kiran’ny ankizy). Ajanony eny anelanelany eny ny fihirana hira na ny mozika, ary asao izay mihazona ilay sary mba hiresaka momba ny fitahiana iray maha-feno fankasitrahana azy. Araka ny Môzià 2:22–24 dia ahoana no ahafahantsika mampiseho fa feno fankasitrahana noho ireo fitahiana azontsika isika?

Môzià 3:5–10, 19

Hanampy ahy ho tonga tahaka Azy kokoa i Jesoa Kristy.

  • Nisy anjely iray nilaza fahamarinana manan-danja tamin’i Benjamina Mpanjaka mikasika ny fiainan’i Jesoa Kristy sy ny asa fanompoana nataony. Angamba ianao sy ny zanakao afaka mitady sary maneho ny sasany amin’ireo zava-nitranga voalaza ao amin’ny Môzià 3:5–10 (jereo ohatra ny, Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 30, 41, 42, 5759). Rehefa mamaky ny Môzià 3:5–10 ianao dia afaka manangana ny tanan’izy ireo ny zanakao rehefa maheno zavatra ao anatin’ireo andinin-tsoratra masina ireo izay hita ao amin’ny iray amin’ireo sary ireo.

  • Moa ve ny zanakao efa nanampy teo amin’ny fandrahoan-tsakafo tamin’ny alalan’ny fanarahana torolalana mba handrahoana izany? Afaka miresaka momba izany zavatra niainana izany ianao ary mampiasa ny Môzià 3:19 hanamboarana “torolalana arahina” mba hahafahantsika ho tonga tahaka an’i Jesoa Kristy. Ahoana no anampian’i Jesoa antsika ho lasa tahaka Azy?

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa, dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.

Sary
I Benjamna Mpanjaka mitory teny amin’ny vahoakany

Ny lahateny nataon’i Benjamina Mpanjaka, nataon’i Jeremy Winborg

Hamoaka printy