Avia, hanaraka Ahy 2024
29 aprily–5 mey: “Fiovana mahery vaika.” Môzià 4–6


“29 aprily–5 mey: -Fiovana mahery vaika.- “Môzià 4–6,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Bokin’i Môrmôna 2024 (2024)

“29 aprily–5 mey. Môzià 4–6,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2024 (2024)

Sary
I Benjamina Mpanjaka mampianatra ny vahoakany

Ny fanompoana an’ Andriamanitrareo, nataon’i Walter Rane

29 aprily–5 mey: “Fiovana mahery vaika”

Môzià 4–6

Efa nahare olona iray nandaha-teny ve ianao ary nahatsapa ho notaomim-panahy ianao hanova ny fiainanao? Noho ny zavatra renao, dia mety nanapa-kevitra ny hanova kely ny fomba fiainanao ianao, na hanova be izany. Ny toriteny nataon’i Benjamina Mpanjaka dia karazana lahateny toy izany, ary ny fahamarinana izay nampianariny dia nanana fiantraikany tahaka izany teo amin’ireo olona izay nandre izany. Nizara ny zavatra izay nampianarin’ny anjely iray azy tamin’ny vahoakany i Benjamina Mpanjaka, fa misy fitahiana mahatalanjona afaka ny ho azo amin’ny alalan’ “ny ran’ny sorompanavotan’i Kristy” (Môzià 4:2). Noho ny hafatr’i Benjamina Mpanjaka dia nanova tanteraka ny fomba fijerin’izy ireo ny tenany izy ireo (jereo ny Môzià 4:2), nanova ny faniriany ny Fanahy (jereo ny Môzià 5:2), ary nanao fanekempihavanana tamin’ Andriamanitra fa hanao ny sitrapony mandrakariva izy ireo (jereo ny Môzià 5:5). Toy izany no fiantraikan’ny tenin’i Benjamina Mpanjaka teo amin’ny olony. Inona no ho fiantraikan’izany eo aminao?

Torohevitra ho an’ny fianarana any an-tokantrano sy any am-piangonana

Môzià 4

Afaka mandray sy mihazona ny famelana ny fahotako aho amin’ny alalan’i Jesoa Kristy.

Indraindray, na dia efa nahatsapa ho voavela tamin’ny fahotanao aza ianao, dia mety ho sahirana amin’ny fihazonana izany fahatsapana izany sy amin’ny fijanonana eo amin’ny lalan’ny fahamarinan-toetra. Nampianarin’i Benjamina Mpanjaka ny olony ny fomba sady hahazoana no hihazonana ny famelana ny fahotana. Rehefa mandalina ny toko 4 ao amin’ny Môzià ianao dia hevero ny hametraka fanontaniana tahaka ireto amin’ny tenanao:

Andininy 1–8.Inona avy ireo fepetra ahafahan’ Andriamanitra mamela ny fahotanao? Inona no ianaranao momba Azy ao anatin’ireo andininy ireo izay manosika anao hibebaka? Ahoana no ahafantaranao fa efa nibebaka ianao?”

Andininy 11–16.Araka ny voalazan’ireo andininy ireo, dia inona no hitranga eo amin’ny fiainantsika raha toa isika ka manao ireo zavatra voalaza ao amin’ny andininy 11? Ahoana no fomba niainanao na ny fomba niainan’ny olona iray akaikin’ny fonao ireo fiovana ireo? Ampitahao amin’ireo fiovana fariparitana ao amin’ny Môzià 3:19 ireo fiovana ireo.

Andininy 16–30.Ahoana no mety hahafahan’ny fizarana ny zavatra anananao amin’ny hafa hanampy anao hitana ny famelana ny fahotanao? Ahoana no ahafahanao mampihatra ny andininy 27 eo anatrehan’ireo ezaka ataonao mba hanana toetra tahaka ny an’i Kristy?

Amin’ny lafiny inona no maha-mpangataka antsika rehetra? Araka ny voalazan’ireo andininy ireo dia ahoana no tokony hitondrantsika ny zanak’ Andriamanitra rehetra? (jereo ny Môzià 4:26). Iza no mila ny fanampianao?

Jereo koa ny Becky Craven, “Tazony ny fiovana,” Liahona, nôv. 2020, 58–60.

Sary
sary famantarana ny seminera

Môzià 4:5–10

Mino sy matoky an’ Andriamanitra aho.

Ny fanasan’i Benjamina Mpanjaka mba hino sy hatoky an’ Andriamanitra dia manan-danja amin’izao fotoana izao tahaka ny naha-manan-danja izany fahiny. Rehefa mamaky ny Môzià 4:5–10 ianao dia tadiavo ireo fahamarinana momba an’ Andriamanitra izay manome anao ny antony hatokianao Azy. Diniho ireo fanasana nomen’i Benjamina Mpanjaka ao amin’ny andininy 10. Nahoana no hampamora kokoa ny fanaovana ny zavatra asain’i Benjamina Mpanjaka atao ny fahatokiana an’ Andriamanitra?

Hevero ny hamaky ny sasany amin’ireto soratra masina fanampiny ireto mba hanaovana ny lisitr’ireo toetran’ Andriamanitra: Jeremia 32:17; 1 Jaona 4:8; 2 Nefia 9:17; Almà 32:22; Môrmôna 9:9; Etera 3:12; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:1–3; 88:41. Azonao ampiasaina ilay lisitra any aminao mba hitondrana fomba samihafa hamenoana fehezan-teny tahaka ity: “Noho ny fahafantarako fa Andriamanitra dia , dia afaka matoky Azy aho mba .”

Mitombo ny fahatokiantsika an’ Andriamanitra rehefa mampitombo ny fiainana zavatra miaraka Aminy isika. Ao amin’ny Môzià 4:1–3, inona no nanampy ny vahoakan’i Benjamina Mpanjaka ho “tonga amin’ny fahalalana ny hatsaram-pon’ Andriamanitra”? (andininy 6). Eritrereto ireo zavatra niainanao niaraka tamin’ Andriamanitra. Inona no nampianarin’ireo zavatra niainana ireo anao momba Azy? Inona ny dingana raisinao (na azonao raisina) mba hampitomboana ny finoana an’ Andriamanitra na ny fahatokiana Azy?

Sujets de l’Évangile “Dieu le Père,” Médiathèque de l’Évangile; “He! Velona ny Ray,” Bokin-kiran’ny ankizy, lah. 8.

Fizarana zavatra niainana masina. Ny zavatra niainana sasany dia tena masina sy natokana ho an’ny tena manokana ka tsy tokony hozaraina. Rehefa manasa ny hafa mba hizara zavatra niainana, dia aza terena izy ireo hizara rehefa tsy te hanao izany.

Môzià 4:29–30

Tsy maintsy mitandrina ny eritreritsika sy ny tenintsika ary ny ataontsika isika.

Tsy manome antsika lisitra iray ahitana izay fahotana rehetra azo eritreretina Andriamanitra. Araka ny Môzià 4:29–30, dia inona kosa no ataony? Saintsaino ny fomba fiantraikan’ny eritreritrao sy ny teninao ary ny zavatra ataonao eo amin’ny tenanao sy eo amin’ny hafa? Inona no fiantraikan’izany eo amin’ny fifandraisanao amin’ Andriamanitra? Ahoana no fomba “[hitandremanao ny tenanao]”?

Môzià 5:1–5

Afaka miteraka fiovana mahery vaika ao am-poko ny Fanahin’ny Tompo.

Efa mahazatra ny mahare olona milaza hoe, “Tsy afaka ny hiova aho. Efa toy izany mihitsy aho.” Ny zavatra niainan’ny vahoakan’i Benjamina Mpanjaka anefa dia maneho amintsika ny fomba ahafahan’ny Fanahin’ny Tompo manova marina ny fontsika. Rehefa mamaky ny Môzià 5:1–5 ianao, dia eritrereto ny fomba nahafahan’ilay “fiovana mahery vaika” mitondra mankany amin’ny fiovam-po marina nitranga teo amin’ny fiainanao, na ahafahan’izany mitranga eo amin’ny fiainanao. Eritretreto ireo fiovana misoko mangina sy mandeha miandalana ary koa ireo zavatra niainana “mahery vaika”. Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ireo zavatra niainana ireo anao rehefa miatrika fakam-panahy ianao?

Jereo koa ny Ezekiela 36:26–27; Almà 5:14; “Le peuple du roi Benjamin contracte une alliance” (horonan-tsary), Médiathèque de l’Évangile.

Sary
I Jesoa manasitrana vehivavy iray marary

Tanana manasitrana, nataon’i Adam Abram

Môzià 5:5–15

Mitondra eo amiko ny anaran’i Kristy aho rehefa manao fanekempihavanana Aminy.

Inona no ianaranao avy amin’ny Môzià 5:7–9 mikasika ny dikan’ny hoe mitondra eo amintsika ny anaran’i Kristy? Inona no ampianarin’ireo vavaky ny fanasan’ny Tompo (jereo ny Môrônia 4–5) momba izany? Ahoana no ahafahanao maneho fa “an’ny Mpamonjy” isika?

Jereo ihany koa ny D. Todd Christofferson, “Miomana ho amin’ny fiverenan’ny Tompo,” Liahona, mey 2019, 116–19.

Hevitra enti-mampianatra ny ankizy

Môzià 4:1–3, 10

Mitondra fifaliana ny fibebahana.

  • Mba hampianarana mikasika ny fifaliana avy amin’ny fibebahana dia angamba afaka mamela ny ankizy hampanao izay hampaditidity na hampaloto ny tanan’izy ireo ianao ary hahita ny zavatra tsapan’izy ireo rehefa avy manasa izany izy ireo. Avy eo izany dia azonao ampitaina amin’ny zavatra tsapan’ny vahoaka ao amin’ny Môzià 4:1–3 talohan’ny namelana ny fahotan’izy ireo sy taorian’ny namelana ny fahotan’izy ireo. Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny hery ananan’ny Mpamonjy mba hanadiovana antsika ara-panahy.

  • Moa ve ny zanakao mahafantatra ny fomba fibebahana feno sy amin-kitsim-po? Ampio izy ireo hitady ny zavatra nataon’i Benjamina Mpanjaka ao amin’ny Môzià 4:1–3, 10. Azon’izy ireo atao koa ny mamerina mijery ny hoe “Fibebahana” ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina. Ahoana no ataon’i Jesoa Kristy mba ho azo tanterahina ny fibebahana?

Môzià 4:12–26

Mamporisika ahy hitondra ny hafa amim-pitiavana sy amin-katsaram-panahy ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

  • Mampahazo aina antsika ny fanompoana ny hafa. Angamba ny zanakao afaka miresaka momba ny fotoana iray izay nitiavan’izy ireo olona iray na nanompoan’izy ireo olona iray ary ny zavatra tsapan’izy ireo noho izany zavatra niainana izany. Inona avy ireo antony sasany mety hahatonga ny olona tsy te hanompo ny hafa? Inona no azontsika lazaina amin’ny olona iray mba hanasana azy hanampy olona sahirana? Mitadiava hevitra ao amin’ny Môzià 4:16–26.

  • Nampianatra i Benjamina Mpanjaka fa rehefa manatona an’i Kristy isika ary mandray ny famelana ny fahotantsika dia “feno ny fitiavan’ Andriamanitra” (Môzià 4:12). Izany dia mitarika antsika mba ho feno fitiavana ny hafa sy ho tsara fanahy amin’izy ireo. Afaka miaraka mamaky ny Môzià 4:13–16, 26 ianao sy ny zanakao (na hira iray toy ny “Izaho hiara-dalana aminao,” Bokin-kiran’ny ankizy, 78–79) ary mitady andian-teny izay mamaritra ny fomba ahafahantsika manompo ny hafa. Afaka milalao an-tsehatra ireo zavatra ireo izy ireo avy eo na manao sary azy ireo ary mifandimby mamantatra ny andian-tenin’ny tsirairay. Ahoana no fomba ahafahantsika maneho fitiavana sy hatsaram-panahy any an-tokantrano, na any an-tsekoly na any am-piangonana?

Sary
ankizivavy iray milalao miaraka amin’ny zaza iray

Nampianatra antsika mba ho tsara fanahy amin’ny hafa i Jesoa Kristy.

Môzià 5:5–15

Rehefa manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra aho dia mitondra ny anaran’i Kristy eo amiko.

  • Mety ho tian’ny zanakao ny hanamboatra karatra fasiana anarana izay ahitana ny anarana hoe “Jesoa Kristy” ary hametaka izany eo amin’ny akanjon’izy ireo mifanandrify amin’ny fony (jereo ny pejin’ny sahanasa ho an’ity herinandro ity). Eo am-panaovan’izy ireo izany dia afaka mamaky ho azy ireo ny Môzià 5:12 ianao ary milaza fa ny fanaovana fanekempihavanana na fampanantenana amin’ Andriamanitra dia toy ireny manana ny anaran’i Kristy izay “voasoratra mandrakariva ao am-pon[tsika]” ireny.

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa, dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.

Sary
I Kristy mamahana vorona

Eo ambany fiahiany lalandava, nataon’i Greg K. Olsen

Hamoaka printy