Avia, hanaraka Ahy 2024
13-19 mey: “Fahazavana … izay tsy azo hamaizinina na oviana na oviana.” Môzià 11–17


“13-19 mey: -Fahazavana … izay tsy azo hamaizinina na oviana na oviana.- Môzià 11–17,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Bokin’i Môrmôna 2024 (2024)

“13–19 mey. Môzià 11–17,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2024 (2024)

Sary
I Abinadia nijoro ho vavolombelona tamin’i Noà Mpanjaka

I Abinadia niatrika an’i Noà Mpanjaka, nataon’i Andrew Bosley

13-19 mey: “Fahazavana … izay tsy azo hamaizinina na oviana na oviana”

Môzià 11–17

Ny afo be miredareda dia afaka manomboka amin’ny pitik’afo iray. I Abinadia dia lehilahy iray monja izay nijoro ho vavolombelona nanohitra mpanjaka iray be fahefana sy nanohitra ireo tandapany. Ny ankamaroan’ny olona dia nandà ny teniny, ary namoahana didy mba hovonoina ho faty izy. Ny fijoroany ho vavolombelona ny amin’i Jesoa Kristy anefa, izay ny “fahazavana … izay tsy azo hamaizinina na oviana na oviana” (Môzià 16:9), dia nisy fiantraikany tao am-pon’i Almà ilay mpisorona tanora. Ary nihanitombo tsikelikely ilay pitik’afon’ny fiovam-po rehefa nitondra olona maro hafa ho amin’ny fibebahana sy ny finoana an’i Jesoa Kristy i Almà. Ilay lelafo izay namono an’i Abinadia dia maty nony farany, saingy ny afon’ny finoana izay nentin’ny teniny dia nisy fiantraikany maharitra teo amin’ireo Nefita, sy misy fiantraikany amin’ireo izay mamaky ny teniny amin’izao fotoana izao. Ny ankamaroantsika dia tsy hiatrika mihitsy ny ankabeazan’ny zavatra natrehan’i Abinadia noho ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika, kanefa isika rehetra dia miaina ao anatin’ny fotoana izay ahitantsika fa ny fanarahana an’i Jesoa Kristy dia fitsapana ny herim-pontsika sy ny finoantsika. Mety hampiredareda ny afon’ny fijoroana ho vavolombelona sy ny herim-po ao am-ponao ihany koa ny fandalinana ny fijoroana ho vavolombelona nataon’i Abinadia.

Jereo koa ny “Abinadi témoigne de Jésus-Christ” (horonan-tsary), Médiathèque de l’Évangile.

Torohevitra ho an’ny fianarana any an-tokantrano sy any am-piangonana

Sary
sary famantarana ny seminera

Môzià 11–1317

Afaka mijoro ho an’i Jesoa Kristy aho na dia mijoro irery aza.

Rehefa mandalina ny Môzià 11–13; 17 ianao, dia jereo ny sarin’i Abinadia ato amin’ity rindran-damina ity. Inona no ianaranao momba ny fijoroana ho vavolombelon’i Kristy? Azonao atao indrindra indrindra ny mampifantoka ny fandalinanao amin’ireo andinin-tsoratra masina sy fanontaniana toy ireto:

  • Ahoana no fomba hamaritanao an’i Noà sy ny vahoakany? Nahoana no nitaky herim-po ho an’i Abinadia ny fizarana ny hafatr’ Andriamanitra tamin’izy ireo? (jereo ny Môzià 11:1–19, 27–29; 12:9–15).

  • Ahoana no hamariparitanao an’i Abinadia? Inona no takatr’i Abinadia ka nanampy azy ho sahy tao anatin’ny fijoroany ho vavolombelona? (jereo ny Môzià 13:2–9, 28, 33–35; 17:8–10, 20).

Oviana ianao no nahatsapa ho toy ny hoe nijoro irery mba hiaro ny Mpamonjy sy ny filazantsarany? Ahoana no nanampiany anao hahatsapa fa niaraka taminao Izy? Rehefa misaintsaina izany ianao dia afaka mamaky ny tantaran’i Elisa sy ny mpanompony tanora ao amin’ny 2 Mpanjaka 6:14–17. Inona no manentana ny fanahinao momba ity tantara ity?

Azonao atao ihany koa ny mikaroka ao amin’ny pejy 31–33 ao amin’ny Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy mba hahitana andian-teny izay manome herim-po anao hiaro ny fahamarinana. Na azonao atao ny manao toy izany amin’ireo tonon’ny hira ao amin’ny toy ny “Manaova ny marina” na “’Ndao handroso hatrany” (Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 64, 20).

Ahoana no hampiharanao ny zavatra nianaranao avy tamin’i Abinadia? Inona koa ireo ohatra hafa azonao eritreretina?

Jereo ihany koa ny Romana 1:16; 2 Timoty 1:7–8.

Mampianara amin’ny alalan’ny Fanahy. “Ny fampianarana ny filazantsara amin’ny fomba mafonja dia tsy mitaky fotsiny ny fanomanana lesona fa mitaky koa ny fanomananao ara-panahy ny tenanao [mba] hihaino sy hanaraka ny fitarihan’ny Fanahy rehefa mampianatra ianao” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 17).

Môzià 12:19–37

Mila milofo amin’ny fahatakarana ny tenin’ Andriamanitra ny foko.

Fantatry ny mpisoron’i Noa Mpanjaka ny tenin’ Andriamanitra. Afaka nitanisa andinin-tsoratra masina izy ireo ary nilaza fa nampianatra ny didy. Kanefa, toa tsy nisy fiantraikany teo amin’ny fiainan’izy ireo ny filazantsaran’ny Mpamonjy. Nahoana?

Eritrereto izany eo am-pamakianao ny Môzià 12:19–37. Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe mampiaina ny tenin’ Andriamanitra ny fonao? Inona avy ireo teny na andian-teny manentana anao hanao fanovana eo amin’ny fomba entinao mianatra ny filazantsara?

Môzià 13:11–26

Tokony ho voasoratra ao am-poko ireo didin’ Andriamanitra.

Saintsaino ny fanamarihan’i Abinadia hoe ireo didy dia “tsy voasoratra tao am-po[n’ireo]” mpisorona (Môzià 13:11). Inona no mety ho dikan’io andian-teny io? Rehefa mamaky ny Môzià 13:11–26 ianao dia diniho raha voasoratra ao am-ponao ireo didy ireo.

Jereo ihany koa ny Jeremia 31:31–34; 2 Korintiana 3:3.

Môzià 14–15

Nijaly ho ahy i Jesoa Kristy.

Jereo ao amin’ny Môzià 14–15 ireo teny sy andian-teny izay mamariparitra ny Mpamonjy sy ny zavatra nozakainy ho anao. Inona avy ireo andinin-tsoratra masina mampitombo ny fitiavanao sy ny fankasitrahanao Azy?

Môzià 15:1–12

Ahoana no maha-sady Ray no Zanaka an’i Jesoa Kristy?

Nampianatra i Abinadia fa ny Andriamanitra Zanaka, dia i Jesoa Kristy izany, no ho ilay Mpanavotra (jereo ny Môzià 15:1) hitoetra ao amin’ny nofo, ka ho olombelona sy Andriamanitra (andininy 2–3). Nanoa tanteraka ny sitrapon’ Andriamanitra Ray izy (andininy 5–9). Noho izany antony izany no maha-sady Zanak’ Andriamanitra an’i Jesoa Kristy no maha-solontenan’ny Ray any An-danitra tonga lafatra teto an-tany Azy (jereo ny Jaona 14:6–10).

I Jesoa Kristy dia ny Ray ihany koa rehefa raisina amin’ny hoe, rehefa manaiky ny fanavotany isika dia lasa “taranany” sy “mpandova ny fanjakan’ Andriamanitra” (Môzià 15:11–12). Izany hoe lasa ateraka indray ara-panahy amin’ny alalany isika (jereo ny Môzià 5:7)

Nahoana no tsapanao fa zava-dehibe ny mahafantatra ireo fahamarinana momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ireo? Ahoana no hanamafisan’ny fijoroana ho vavolombelona nataon’i Abinadia ny finoanao Azy ireo?

Hevitra enti-mampianatra ny ankizy

Môzià 11–1317

Afaka mijoro ho an’i Jesoa Kristy aho na dia mijoro irery aza.

  • Misy fotoana eo amin’ny fiainantsika izay iatrehantsika rehetra fanerena hanao safidy mifanohitra amin’ny finoantsika an’i Jesoa Kristy. Inona no azon’ny zanakao ianarana avy amin’i Abinadia momba ny fijoroana ho vavolombelon’i Jesoa Kristy, na dia tsy malaza aza izany? Ny sary nampiarahana tamin’ity rindran-damina ity na ny “Toko 14: Abinadia sy ny Mpanjaka Noà” (ao amin’ny Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, 38-42) dia afaka manampy azy ireo hahazo sary an-tsaina ilay tantara ao amin’ny Môzià 11–1317. Anontanio azy ireo ny zavatra tiany momba an’i Abinadia.

  • Mety ho tian’ny zanakao ny hilalao an-tsehatra ny ampahany amin’ny tantaran’i Abinadia. Avy eo izy ireo dia afaka milalao an-tsehatra tantara tena misy eo amin’ny fiainana mba hanaovana fanazaran-tena mikasika ny mety hataon’izy ireo raha tian’ny hafa hanao zavatra tsy mety izy ireo. Na afaka mizara zavatra niainana izy ireo izay nanehoan’izy ireo herim-po tamin’ny fanarahana an’i Jesoa Kristy. Ahoana no nanarahan’i Abinadia an’i Jesoa Kristy? (jereo ny Môzià 13: 2-9; 17:7–10). Nahoana i Noà Mpanjaka no tsy nanao izay fantany fa mety? (jereo ny Môzià 17:11–12).

Môzià 12:33–36; 13:11–24

Tokony hankatò ireo Didy Folo aho.

  • Nahafantatra ireo didy ireo mpisoron’i Noà Mpanjaka saingy “tsy nanoratra izany tao am-po[ny]” izy ireo (Môzià 13:11). Ahoana no hanampianao ny zanakao hahafantatra ny didy sy hitia azy ireo? Angamba izy ireo afaka manoratra ireo didy ao amin’ny Môzià 12:33–36 sy 13:11–24 amin’ny taratasy miendrika fo. Rehefa manao izany izy ireo dia resaho amin’izy ireo ny dikan’ireo didy ireo sy ny fomba hanarahana izany. Ahoana no hanoratantsika ireo didy ireo ao am-pontsika?

  • Miaraha mihira hira iray momba ny didy, toy ny “Hajao ireo didy” (Bokin-kiran’ny ankizy, 68). Inona ireo fitahiana azo avy amin’ny fitandremana ireo didy?

Sary
Ray sy zanakalahy mamaky ny soratra masina

Mampianatra antsika ireo didin’ Andriamanitra ny soratra masina.

Môzià 14; 16:4–9

Nandefa an’i Jesoa Kristy ny Ray any An-danitra mba hitarika ahy hiverina any Aminy.

  • Na dia toko fohy aza ny Môzià 14 dia manana teny sy andian-teny maromaro izay mamaritra an’i Jesoa Kristy izany. Angamba ianao sy ny zanakao afaka manao lisitra an’izany rehefa miaraka mamaky ilay toko. Avy eo ianareo dia afaka miresaka momba ny zavatra tsapanareo momba ny Mpamonjy rehefa mandalina ireo teny sy andian-teny ireo ianareo.

  • Mba hampianarana momba an’i Jesoa Kristy dia nitanisa ny tenin’i Isaia mpaminany i Abinadia, izay nampitaha antsika tamin’ny ondry very. Angamba ny zanakao afaka mizara zavatra niainana izay nahaverezana zavatra iray izay azy ireo na izy ireo mihitsy no very. Inona no tsapan’izy ireo? Inona no nataon’ izy ireo? Afaka miaraka mamaky ny Môzià 14:6 sy ny 16:4–9 ianareo avy eo. Inona no mampitovy antsika amin’ny ondry miala amin’ Andriamanitra? Ahoana no fomba hanampian’i Jesoa Kristy antsika mba hiverina?

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa, dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.

Sary
I Abinadia nijoro ho vavolombelona tamin’i Noà Mpanjaka

His Face Shone with Exceeding Luster [Namirapiratan’ny hazavana fatratra ny tavany], nataon’i Jeremy Winborg

Hamoaka printy