Avia, hanaraka Ahy 2024
6-12 mey: “Tamin’ny herin’ny Tompo.” Môzià 7–10


“6-12 mey : -Tamin’ny herin’ny Tompo.- Môzià 7–10,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Bokin’i Môrmôna 2024 (2024)

“6–12 mey. Môzià 7–10,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2024 (2024)

Sary
I Amôna mampianatra an’i Limia Mpanjaka

Minerva Teichert (1888–1976), Ammon before King Limhi [I Amôna manoloana an’i Limia], 1949–1951, sary hosodoko eo amin’ny masonite, 88 x 120 sentimetatra. Tranombakoky ny haikanto an’ny Oniversite Brigham Young, 1969.

6-12 mey: “Tamin’ny herin’ny Tompo”

Môzià 7–10

Nandritra ny fotoana niainan’ny vahoakan’ny Mpanjaka Môzià “fandriampahalemana lalandava” tao Zarahemlà (Môzià 7:1) dia nieritreritra momba ny andiana Nefita iray hafa izay nitoetra tao amin’ny tanin’i Lehia-Nefia an-taonany maro mialoha ny nandehanan’izy ireo izy ireo. Taranaka maro no lasana ary tsy nandre na inona na inona mikasika azy ireo ny vahoakan’i Môzià. Noho izany dia nangataka an’i Amôna i Môzià hitondra andiana mpanadihady hikaroka ireo Nefita izay nandao azy ireo. Hitan’ilay andiana mpanadihady fa “noho ny heloka” (Môzià 7:24), no nahatonga ireo Nefita ireo ho tao anatin’ny fanandevozan’ny Lamanita. Kanefa rehefa tonga i Amôna sy ny rahalahiny dia nanana fanantenana ny ho afaka tampoka teo izy ireo.

Indraindray isika dia tahaka ireo Nefita babo ireo ka mijaly noho ny fahotantsika sy manontany tena ny amin’ny fomba hahitantsika fiadanana indray. Indraindray isika dia tahaka an’i Amôna, izay mahatsapa ho taomim-panahy hanampy ny hafa ary amin’ny farany dia mahita fa ireo ezaka nataontsika dia nitaona azy ireny “[hampitraka] ny loha[ny], sy [hifaly], ary [hametraka] ny fitokia[ny] amin’ Andriamanitra” (Môzià 7:19). Na manao ahoana na manao ahoana toe-javatra misy antsika dia mila mibebaka sy “mitodika any amin’ny Tompo amin’ny fo feno finiavana” isika rehetra omban’ny finoana fa “Izy no hanafaka [antsika]” (Môzià 7:33).

Torohevitra ho an’ny fianarana any an-tokantrano sy any am-piangonana

Môzià 7:14–33

Manana hery hanafahana ahy i Jesoa Kristy.

Nanome fanantenana ny Mpanjaka Limia ny fihaonany tamin’i Amôna, ary naniry hampita izany fanantenana izany tamin’ny olony izy. Mety hanome fanantenana anao koa ny teniny. Mba hahitana ny sahan-kevitra dia avereno jerena ny toe-javatra nisy ny vahoakan’i Limia ao amin’ny Môzià 7:20–25. Saintsaino avy eo ireto fanontaniana ireto rehefa mamaky ny Môzià 7:14–33 ianao:

  • Inona no nolazain’i Limia mba hanamafisana ny finoan’ny vahoakany sy ny fanantenan’izy ireo an’i Kristy?

  • Inona avy ireo andian-teny manampy anao hahatsapa fanantenana? (jereo ny andininy 19, 33).

  • Inona no zavatra niainana izay nanampy anao hatoky fa afaka ny hanafaka sy hanafaka anao Andriamanitra?

Jereo ihany koa ny: “Ry Mpanavotra,” Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 9.

Môzià 7:26–27

Nohariana “araka ny endrik’ Andriamanitra” aho.

Ao amin’ny Môzià 7:26–27, i Limia dia nanazava ny sasany tamin’ireo fahamarinana nampianarin’i Abinadia. Inona avy ireo fahamarinana hitanao ao amin’ireo andininy ireo? Inona no fiantraikan’ireo fahamarinana ireo amin’ny fomba fahitanao an’ Andriamanitra sy ny tenanao?

Sary
sary famantarana ny seminera

Môzià 8:13–19

Manome mpaminany sy mpahita ary mpanambara ny Tompo ho tombontsoan’ny zanak’olombelona.

Rehefa nandre ny fijoroana ho vavolombelona nataon’i Amôna ny amin’ny nananganan’ny Tompo mpahita iray i Limia dia “nifaly fatratra, ary nanati-tsaotra an’ Andriamanitra” (Môzià 8:19). Nahoana izy, araka ny eritreritrao, no nanana fahatsapana toy izany? Inona no nianaranao momba ny mpahita avy amin’ny tenin’i Amôna ao amin’ny Môzià 8:13–19?

Ankehitriny isika dia manohana ireo mpikambana ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ho mpaminany sy mpahita ary mpanambara. Tamin’ny fomba ahoana izy ireo no “tombontsoa lehibe” ho anao? (Môzià 8:18). Inona no nampianarin’izy ireo anao momba an’i Jesoa Kristy?

Ahoana no ahafahanao milaza amim-pahasahiana, tahaka an’i Amôna, momba ny hoe ilaina ny mpaminany sy mpahita ary mpanambara? (Jereo ny Môzià 8:13–18). Ohatra, inona no azonao zaraina amin’ny fianakavianao na ao amin’ny tambajotran-tserasera momba ny:

  • Ireo fahamarinana izay naverin’i Joseph Smith sy ireo mpaminanin’ny Tompo hafa tamin’ny laoniny amin’izao androntsika izao (toy ny toetran’ Andriamanitra, ny maha-Andriamanitra antsika, na ny toetra mandrakizain’ny fianakaviana). Ny famerenana mijery ny “Ny Famerenana amin’ny laoniny ny fahafenoan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy” na ny “Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao” (Médiatheque de l’Évangile) dia mety hanampy anao hieritreritra ny sasany amin’ireo fahamarinana ireo.

  • Ireo fitahiana avy amin’ny didy na ôrdônansy (toy ny Tenin’ny Fahendrena, ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena, na ny famehezana fianakaviana).

Tamin’ny volana lasa dia nandre avy amin’ireo mpaminany sy mpahita ary mpanambara isika nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Inona no hafatra nanentana ny fanahinao? Inona no hataonao amin’ny fomba hafa mifototra amin’ny zavatra nianaranao? Inona no nolazain’ireo mpahitan’ny Tompo momba ny “zavatra ho avy”? (Môzià 8:17).

Jereo koa ny Sujets de l’Évangile, “Prophètes,” Médiahtèque de l’Évangile.

Môzià 9–10

Afaka miatrika ireo olako “[a]min’ny herin’ny Tompo” aho.

Niaiky i Zenifa fa ny fahadisoany no nahatonga ny vahoakany tao anatin’ny toe-javatra sarotra. Saingy taty aoriana, nandritra ny ady tamin’ny Lamanita, dia nanampy ny vahoakany hiatrika ny olan’izy ireo tamim-pinoana ny Tompo izy. Eo am-pamakianao ny Môzià 9–10 dia tadiavo ny zavatra nataon’ny vahoakan’i Zenifa mba hanehoany ny finoan’izy ireo. Ahoana no nampatanjahan’ Andriamanitra azy ireo? Tamin’ny fomba ahoana no nampatanjahany anao? Midika inona aminao ny hoe miroso “[a]min’ny herin’ny Tompo”? (Môzià 9:17; 10:10–11).

Môzià 10:11–17

Afaka ny hisy fiantraikany amin’ny taranaka maro ireo safidy ataoko.

Araka ny ao amin’ny Môzià 10:11–17, fantaro ny fiantraikan’ny asa sy ny fihetsika nataon’ireo taranaky ny Lamanita teo aloha teo amin’ireo taranaka taty aoriana. Inona no ambaran’izany mikasika ny mety ho fiantraikan’ny safidy ataonao amin’ny hafa,na tsara izany na ratsy, ka tafiditra ao anatin’izany ireo olona mbola tsy teraka?

Mampiasà lesona ampiasana zavatra azo tsapain-tanana. Mahatonga ny fianarana ho mahafinaritra sy tsy hay hadinoana ny lesona ampiasana zavatra azo tsapain-tanana. Angamba ny daomy milahatra dia afaka mampiseho ny fiantraikan’ny safidin’ny olona eo amin’ny taranany (jereo ny Môzià 10:11–17).

Hevitra enti-mampianatra ny ankizy

Môzià 7:19

Nanampy ireo olona ao amin’ny soratra masina Andriamanitra, ary afaka manampy ahy Izy.

  • Rehefa tao anatin’ny fahasahiranana ny vahoakany dia nizara soratra masina mba hanorina ny finoan’izy ireo ny Mpanjaka Limia. Anontanio ny zanakao ny momba ireo tantara ao amin’ny soratra masina na ireo olona izay manampy azy ireo hanana finoana. Avy eo ianao dia afaka mamaky amin’izy ireo ny Môzià 7:19 ary mamerina ireo tantara voalaza ao amin’io andininy io (jereo ny “Ny Paska” sy “Ny Isiraelita tany an-tany foana” ao amin’ny Tantara ao amin’ny Tesatamenta Taloha, 70–76). Mety te hilalao an-tsehatra azy ireny ny zanakao. Tamin’ny fomba ahoana no nanampian’ny Tompo ireo olona ao amin’ireo tantara ireo? Ahoana no ahafahany manampy antsika?

  • Mba hahitana ohatra bebe kokoa momba ny fomba nanampian’ny Tompo antsika dia msafidiana andininy vitsivitsy ao amin’ny “Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna” na ao amin’ny “Ny herim-pon’i Nefia” (Bokin-kiran’ny ankizy, 64–65) mba hiarahana mihira amin’ny ankizy. Ampio izy ireo hamantatra ny fomba nanampian’ny Tompo ireo olona ao amin’ny Bokin’i Môrmôna sy ny fomba ahafahany manampy antsika.

Môzià 8:16–18

Andriamanitra dia nanome antsika mpaminany sy mpahita ary mpanambara.

  • Fomba iray hampianarana momba ny mpahita ny fampitahana azy ireo amin’ny zavatra izay manampy antsika hahita tsara kokoa, toy ny solomaso, ny masolavitra, na koa ny mikraoskaopy. Avy eo rehefa mamaky ny Môzià 8:17 amin’ny zanakao ianao dia afaka mametraka ny tanany eo amin’ny masony izy ireo toy ny mijery amin’ny alalan’ny masolavitra isaky ny mandre ny teny hoe “mpahita” (jereo koa ny Mosesy 6:35–36). Iaraho resahina amin’izy ireo ny momba ireo zavatra izay anampian’ny Tompo ireo mpaminany mba ho “hita[n’izy ireo]” izay tsy hitantsika. Inona no nambaran’ireo mpaminany na mpahita, toa an’i Joseph Smith, amintsika?

  • Rehefa avy namaky ny Môzià 8:16–18 miaraka amin’ny zanakao ianao dia azonao atao ny manampy azy ireo hieritreritra fomba hamenoana fehezanteny iray toy ny hoe Ny mpahita dia toy ny … izay manampy antsika … . Ohatra, ny mpahita dia toy ny famantarana ny fifamoivoizana izay manondro antsika an’i Jesoa.

  • Azonao atao ihany koa ny manao dian-tongotra amin’ny taratasy ary manasa ny zanakao hanao sary eo amin’izy ireo momba ireo zavatra nasain’ny mpaminany sy mpahita ary mpanambara hataontsika. Apetraho eo amin’ny lalana iray manodidina ny efitrano ireo dian-tongotra, ary avelao ny zanakao handeha eo amin’ireo dian-tongotra ireo. Ahoana no ahafahan’ireo mpahita ho “tombontsoa lehibe” ho antsika? (jereo ny Môzià 8:17–18).

Môzià 9:14–18; 10:10–11

Rehefa malemy aho dia afaka mampatanjaka ahy ny Tompo.

  • Rehefa miatrika olana ny ankizy dia mahatsapa ho malemy na tsy afa-manao zavatra izy ireo indraindray. Ahoana no ahafahanao manampy ny zanakao hiantehitra amin’ny herin’ny Tompo? Azonao atao ny manontany azy ireo izay ataontsika mba ho tonga matanjaka ara-batana. Inona no dikan’ny hoe manana ny “herin’ny tena”? (jereo ny Môzià 10:11). Inona no dikan’ny hoe manana ny “herin’ny Tompo”? (jereo ny Môzià 9:17–18; 10:10). Ahoana no fomba andraisantsika ny herin’ny Tompo? Afaka manao sarin’ireo zavatra izay manampy azy ireo hahazo ny herin’ny Tompo ny zanakao.

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa, dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.

Sary
I Joseph Smith sy i Môrônia

Vision to Joseph Smith [Fahitana nomena an’i Joseph Smith], nataon’i Clark Kelley Price

Hamoaka printy