Avia, hanaraka Ahy 2024
20–26 mey: “Efa nanao fanekempihavanana Taminy isika.” Môzià 18–24


“20–26 mey: -Efa nanao fanekempihavanana Taminy isika.- Môzià 18–24,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Bokin’i Môrmôna 2024 (2024)

“20–26 mey. Môzià 18–24,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2024 (2024)

Sary
Ny vahoakan’i Limia mandeha mitsoaka

Minerva Teichert (1888–1976), Nandeha nitsoaka ny Mpanjaka Limia sy ny vahoakany, 1949–1951, sary hosodoko eo amin’ny masonite, 88 santimetatra x 120 santimetatra. Tranombakoky ny haikanto an’ny Oniversite Brigham Young, 1969.

20–26 mey: Efa nanao fanekempihavanana Taminy isika

Môzià 18–24

Ny tantaran’i Almà sy ny olony ao amin’ny Môzià 18; 23–24 dia maneho ny dikan’ny hoe “tonga ao amin’ny valan’ Andriamanitra” (Môzià 18:8). Rehefa natao batisa ny vahoakan’i Almà dia nanao fanekempihavanana tamin’ Andriamanitra fa “hanompo Azy sy hitandrina ny didiny” (Môzià 18:10). Na dia fanolorantena izay an’ny tena manokana tokoa aza izany dia misy ifandraisany ihany koa amin’ny fomba fifampitondran’izy ireo. Marina tokoa fa ny dia miverina eo anatrehan’ Andriamanitra dia raharahan’ny isam-batan’olona ary tsy misy olon-kafa afaka hitandrina ny fanekempihavanantsika eo amin’ny toerantsika, kanefa tsy midika izany fa irery isika. Mila mifanampy isika. Amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonan’i Kristy antsika dia nanao fanekempihavanana ny hanompo an’ Andriamanitra isika amin’ny alalan’ny fifanampiana sy fifanompoana mandritra ilay dia, “[m]ifampitondra ny enta-mavesatry ny tsirairay” (Môzià 18:8–10). Tena nanana enta-mavesatra holanjaina toa antsika ihany koa ny vahoakan’i Almà. Ary fomba iray hanampian’ny Tompo antsika “[h]itondra mora foana ny enta-mavesa[tsika]” (Môzià 24:15) ny fanomezana antsika ny fiarahamonin’ny Olomasina izay nampanantena ny hiara-hiory amintsika sy hampionona antsika sahala amin’ny nampanantenantsika ny hanao izany amin’izy ireo.

Torohevitra ho an’ny fianarana any an-tokantrano sy any am-piangonana

Sary
sary famantarana ny seminera

Môzià 18:1–17

Rehefa atao batisa aho dia manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra.

Diniho hoe hatraiza ny halalin’ny zavatra tsapan’ireo mpino voafaritra ao amin’ny Môzià 18 momba an’i Jesoa Kristy. Tsy maintsy nivory mangingina izy ireo, izay tena nampidi-doza, mba hahafantarana ny momba Azy (jereo ny andininy 3). Ary rehefa nomena fahafahana hampiseho ny fanolorantenan’izy ireo tamin’ny alalan’ny batisa izy ireo, “dia niteha-tanana noho ny fifaliana ary niantso hoe: Izany no fanirian’ny fonay” (Môzià 18:11).

Ny famakiana ireo andininy ireo dia afaka ny ho fotoana azo araraotina mba hisaintsainana hoe hatraiza ny lanjan’ireo fanekempihavananao ho anao. Rehefa mandalina manokana ny Môzià 18:8–14 ianao dia mety hametraka fanontaniana tahaka ireto amin’ny tenanao:

  • Inona no ianaranao avy amin’ireo andininy ireo mikasika ireo fampanantenana nataonao tamin’ny batisa? Inona no ampanantenain’ Andriamanitra anao? (jereo ny andininy 10, 13).

  • Inona no ifandraisan’ny fanekempihavanana hanompo an’ Andriamanitra amin’ny ezaka ataontsika mba hifanompo? (jereo ny andininy 8–9).

  • Midika inona aminao ny hoe “hijoro ho vavolombelon’ Andriamanitra”? (andininy 9).

  • Amin’ny fomba ahoana ny fitandremanao ny fanekempihavanana nataonao tamin’ny batisa no hoe manampy anao mba ho “heniky ny Fanahy”? (Môzià 18:14). Ahoana no fomba anampian’ny Fanahy anao hitandrina ny fanekempihavanana nataonao?

Ny famaliana ireo fanontaniana ireo dia mety hitarika anao hisaintsaina hoe nahoana no manan-danja amin’ Andriamanitra ireo fanekempihavanana sy ôrdônansy. Afaka mahita hevi-baovao ao amin’ny hafatry ny Loholona Gerrit W. Gong “Fiombonana ao amin’ny fanekempihavanana” (Liahona, nôv. 2019, 80–83) ianao na ao amin’ny hafatry ny Filoha Jean B. Bingham “Mampatanjaka, sy miaro ary manomana antsika ho amin’ny voninahitra mandrakizay ireo fanekempihavanana atao amin’ Andriamanitra” (Liahona, mey 2022, 66–69). Nahoana ianao no feno fankasitrahana noho ireo fanekempihavanana nataonao? Inona no ataonao mba hihazonana ireo fampanantenana nataonao?

Jereo koa ny Sujets de l’Évangile, “Baptême,” Médiathèque de l’Évangile; “Alma l’Ancien enseigne et baptise aux eaux de Mormon” (horonan-tsary), Médiathèque de l’Évangile.

Mampianara fahamarinana avy amin’ny soratra masina sy avy amin’ireo mpaminanin’ny andro farany. Rehefa mampianatra, sy mianatra, ianao dia tsarovy fa ny iray amin’ireo fomba tsara indrindra mba hampitomboana ny finoana an’i Kristy dia ny mifantoka amin’ny soratra masina sy amin’ireo tenin’ireo mpaminanin’ny andro farany (jereo ny Môzià 18:19).

Môzià 18:17–30

Mandidy ny vahoakany Andriamanitra mba hivondrona, hifandrindra ary hiray hina.

Misy olona sasany manontany tena hoe nahoana isika no mila fiangonana? Vakio ny Almà 18:17–31 mba hitadiavana ny fahitan’ny vahoakan’i Almà ny maha-zava-dehibe an’ilay fivondronana tao amin’ny “fiangonan’i Kristy” (Môzià 18:17). Inona no zavatra mitovy hitanao tao amin’ny Fiangonan’i Kristy tamin’ny andron’i Almà sy ao amin’ny Fiangonan’i Kristy amin’izao androntsika izao?

Ahoana no hamalianao ny namana iray na ny olona iray ao amin’ny fianakaviana izay tsy mino fa ilaina ny fiangonana narafitra iray? Nahoana ianao no feno fankasitrahana fa mpikambana ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy?

Eritrereto ny zavatra azonao atao mba hanampiana ireo mpikambana ao amin’ny paroasy na sampana misy anao mba “[h]ifamihina ao amin’ny firaisan-kina sy ny fifankatiava[na]” (Môzià 18:21).

Jereo koa ny Dallin H. Oaks, “Ny ilàna Fiangonana,” Liahona, nôv. 2021, 24–26; “Mifankatiava,” Bokin-kiran’ny ankizy, lah. 74.

Môzià 21–24

Manampy ahy hitondra ireo enta-mavesatro Andriamanitra.

Samy nianjadian’ny fanandevozana ny vahoakan’i Limia sy ny vahoakan’i Almà na dia tao anatin’ny toe-javatra tsy mitovy aza no nitrangan’izany. Inona no azonao ianarana avy amin’ny fampitahana ny tantaran’ny vahoakan’i Limia ao amin’ny Môzià 19–22 sy ny an’ny vahoakan’i Almà ao amin’ny Môzià 18; 23–24? Eo am-panaovanao izany dia karohy ireo hafatra izay miantefa amin’ny fiainanao. Ohatra, inona no dikan’ny hoe “[m]iroborobo miandalana”? (Môzià 21:16). Ahoana no ahafahanao mampihatra io fitsipika io?

Môzià 23:21–24; 24:8–17

Afaka matoky ny Tompo aho.

Na dia efa nibebaka tamin’ny fahotany aza i Almà sy ny vahoakany dia mbola navarina ho andevo ihany izy ireo. Ny zavatra niainan’izy ireo dia mampiseho fa ny fahatokiana ny Tompo sy ny fiainana ny fanekempihavanana nataontsika dia tsy manaisotra foana ireo olantsika fa tena manampy antsika amin’ny fandresena azy ireo izany. Eo am-pamakianao ny Môzià 23:21–24 sy ny 24:8–17 dia jereo ireo teny na andian-teny izay afaka manampy anao hatoky an’ Andriamanitra na dia eo aza ny toe-javatra iainanao.

Jereo ihany koa ny David A. Bednar, “Mitondra mora foana ny enta-mavesany,” Liahona, mey 2014, 87–90.

Hevitra enti-mampianatra ny ankizy

Môzià 18:7–17

Rehefa atao batisa aho dia manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra.

  • Ny fomba manan-danja iray hanampiana ny zanakao hiomana amin’ny batisa dia ny mampianatra azy ireo mikasika ny fanekempihavanana izay hataon’izy ireo rehefa hatao batisa izy ireo. Azo atao amin’ny fomba faran’izay mora izany toy ny fampisehoana ilay sary any amin’ny faran’ity rindran-damina ho an’ity herinandro ity sy ny fiarahana mamaky amin’izy ireo ny momba ny fanekempihavanana ao amin’ny Môzià 18:9–10. Hevero ny hanasa ankizy iray izay vao avy natao batisa mba hampianatra izany amin’ireo ankizy kely. Mety ho tian’ny zanakao ny mihaino ny momba ny batisanao. Inona no fitahiana azonao teo amin’ny fiainanao tamin’ny fitandremana ireo fanekempihavanana nataonao tamin’ Andriamanitra?

  • Ny ankizy vao avy natao batisa dia afaka mampiasa mpampahatsiahy matetika momba ireo fanekempihavanana nataon’izy ireo ary manavao izany isan-kerinandro amin’ny alalan’ny fanasan’ny Tompo. Angamba ny zanakao afaka mampitaha ny fanekempihavanana atao amin’ny batisa izay voalaza ao amin’ny Môzià 18:8–10 amin’ny vavaky ny fanasan’ny Tompo (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:77, 79). Ahoana no ahafahantsika manao ny fanasan’ny Tompo ho fotoana miavaka sy hanehoam-panajana toy ny tamin’ny batisantsika?

Sary
zazavavy iray atao batisa

Manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra isika rehefa atao batisa.

Môzià 18:17–28

Rehefa atao batisa aho dia lasa mpikambana ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.

  • Moa ve ny zanakao mahafantatra ny dikan’ny hoe mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany? Hevero ny hanampy azy ireo hitady sary izay mampiseho ireo zavatra voalaza ao amin’ny Môzià 18:17–28. Ohatra, ny sary Fanendrena ao amin’ny fisoronana sy ny Fandoavana ny fahafolonkarena (Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 106113) dia mety haneho ny andininy 18 sy 27–28. Lazao azy ireo ny antony maha-feno fankasitrahana anao fa mpikambana ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy.

  • Ny fanampiana ny ankizy hahatsapa ho “mifamihina ao amin’ny firaisan-kina sy ny fifankatiava[na]” (Môzià 18:21) dia manampy azy ireo hifandray lalandava amin’ny Fiangonana mandritra ny fiainan’izy ireo. Hevero ny hanasa ny ankizy hamaky ny Môzià 18:17–28. Inona no nataon’ireo mpikambana ao amin’ny Fiangonan’i Kristy tamin’ny andron’i Almà mba hifankatiavana sy hifanompoana? Ahoana no ahafahantsika manao izany ao amin’ny paroasy misy antsika, na ny sampana misy antsika, na ny fiarahamonina misy antsika? Afaka manamafy io fitsipika io ny hira mikasika ny fitiavana toy ny hoe “Izaho hiara-dalana aminao” (Bokin-kiran’ny ankizy, 78).

Môzià 24:8–17

Afaka manamaivana ny enta-mavesatro Andriamanitra.

  • Ny zavatra tsotra iray azo tsapain-tanana izay entina mampianatra lesona dia afaka mahatonga ny fianarana ho tsy hay hadinoina kokoa. Hevero ny hameno zavatra mavesatra ny harona iray (mba hanehoana ny enta-mavesatra) ary hanasa ankizy iray hitondra ilay harona. Rehefa miaraka mamaky ny Môzia 24:8–17 amin’ny zanakao ianao, dia angataho izy ireo mba hanala zavatra iray ao anatin’ilay harona isaky ny maheno zavatra iray nataon’i Almà sy ny vahoakany mba hikatsahana ny fanampian’ Andriamanitra hanamaivana enta-mavesany izy ireo. Afaka miresaka amin’izy ireo ianao avy eo mikasika ny fomba ahafahan’ny Ray any An-danitra manamaivana kokoa ny enta-mavesatsika rehefa mikatsaka ny fanampiany isika.

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa, dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.

Sary
olona atao batisa

Ny ranon’i Môrmôna, nataon’i Jorge Cocco

Hamoaka printy