Mampatanjaka, sy miaro ary manomana antsika ho amin’ny voninahitra mandrakizay ireo fanekempihavanana atao amin’ Andriamanitra
Rehefa misafidy ny hanao fanekempihavanana sy hitandrina izany isika dia ho vaotahy amin’ny fahasambarana bebe kokoa eto amin’ity fiainana ity ary fiainana mandrakizay be voninahitra amin’ny fiainan-ko avy.
Ry rahavavy, mahafaly ery ny tafangona maneran-tany amin’ny maha-mpirahavavy! Amin’ny maha-vehivavy manao sy mitandrina fanekempihavanana amin’ Andriamanitra antsika dia manana fifandraisana ara-panahy izay manampy antsika amin’ireo fanamby amin’izao androntsika izao isika ary manomana antsika ho amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy fanindroany. Ary ny fitandremana ireo fanekempihavanana ireo dia mamela antsika ho vehivavy manana hery mitaona izay afaka mitaona ny hafa hanakaiky ny Mpamonjy.
Ireo izay vita batisa dia nanao fanekempihavanana tamin’ilay andro tsy hay hadinoina ny hitondra ny anaran’i Jesoa Kristy eo aminy, ny hahatsiaro Azy mandrakariva, ary ny hitandrina ny didiny, sy hanompo Azy hatramin’ny farany. Rehefa manao ireo zavatra ireo isika, dia mampanantena ny hamela ny fahotantsika sy hanome antsika ny Fanahy Masina ho namantsika ny Ray any An-danitra. Ireo fitahiana ireo no iantombohantsika eo amin’ilay lalana izay mamela antsika hiara-hiaina Aminy sy ny Zanany, any amin’ny fanjakana selestialy, raha mibosesika mandroso sy maharitra hatramin’ny farany isika. Ny olona rehetra vita batisa dia ampanantenaina ireo tombontsoa ireo raha toa izy ka mitandrina ilay fanekempihavanana natao tamin’io andro miavaka io.
Ireo izay manao fanekempihavanana fanampiny any amin’ny tempoly dia handray fampanantenana mahery vaika raha toa izy ka mijanona ho mahatoky. Mampanantena ampahibemaso isika ny hankatò an’Andriamanitra, hiaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, ny hadio fitondran-tena, ary hanokana ny fotoantsika sy ny talentantsika ho an’ny Tompo. Ho setrin’izany, Andriamanitra dia mampanantena fitahiana amin’ity fiainana ity ary fahafahana hiverina any Aminy.1 Ao anatin’izany dingana izany isika dia omena na tafiana hery hamantatra ny fahamarinana sy ny hevi-diso, ny tsara sy ny ratsy, eo anivon’ireo feo mampisafotofoto sy manimba izay toa manototra antsika. Tena mahery vaika izany fanomezana izany!
Ho fiomanana ho amin’ny diako voalohany ho any amin’ny tempoly, ny reniko sy ireo rahavavy be traikefa tao amin’ny Fikambanana Ifanampiana dia nanampy ahy hifantina ireo kojakoja mety hilaiko. Isan’izany ny fitafy tsara tarehy ho amin’ireo fombafomba masina. Saingy ny fiomanana manan-danja indrindra dia natao talohan’ny nahafantarana momba ny fitafiana. Taorian’ny dinidinika momba ny fahamendrehako dia nohazavain’ny evakako tamiko ireo fanekempihavanana izay ho ataoko any amin’ny tranon’ny Tompo. Nanome ahy fahafahana ny hieritreritra momba ireo fanekempihavanana ireo sy hiomana amin’izany ny fanazavana malina nomeny.
Nony tonga ilay andro dia nandray anjara nomban’ny fahatsapana fankasitrahana sy fiadanana aho. Na dia tsy takatro tanteraka aza ny dikan’ireo fanekempihavanana nataoko dia fantatro fa voafatotra tamin’ Andriamanitra tamin’ny alalan’ireo fanekempihavanana ireo aho ary nampanantenana fitahiana lehibe lavitra mihoatra ny fahatakarako tamin’io. Hatramin’io zavatra niainana voalohany io dia nahazo toky lalandava aho fa ny fitandremana ireo fanekempihavanana ataontsika amin’ Andriamanitra dia mamela antsika hanovo hery amin’ny herin’ny Mpamonjy izay mampatanjaka antsika ao anatin’ireo fitsapana tsy azontsika ialana, manome fiarovana antsika amin’ny fitaoman’ilay fahavalo, ary manomana antsika amin’ny voninahitra mandrakizay.
Mety hampihomehy na handrotika ny fo, mahonena na ho be voninahitra ireo zavatra lalovana eo amin’ny fiainana. Ny zavatra iainana tsirairay dia manampy antsika hahatakatra kokoa momba ny fitiavana lehiben’ny Ray sy ny fahafahantsika hiova amin’ny alalan’ilay fanomezana, dia ny fahasoavan’ny Mpamonjy. Ny fitandremana ny fanekempihavanantsika dia manome fahafahana ny herin’ny Mpamonjy hanadio antsika rehefa mianatra avy amin’ny traikefantsika isika, na fitsarana diso kely izany na fahadisoana be. Eo ny Mpanavotra antsika hisambotra antsika rehefa lavo isika raha toa ka miverina any Aminy.
Efa nijoro teo amina harambato ve ianareo ka ny tongotrareo eo amin’ny morony ary ny lamosinareo mitsontsorika any amin’ny lavaka tsy hita nonoa any ambany. Amin’ny fidinana amin’ny tady, na dia mifatotra tsara amina tady mahazaka sy amina fitaovana izay afaka mahatody anao tsara aza ianao, dia mbola mampivadi-po ihany ny mijoro eo amin’ny morony. Ny fandehanana mihemotra eo amin’ny harambato sy ny mikiraviravy amin’ny rivotra dia mitaky ny fitokisana amin’ny fitaovana famaharana iray mitsatoka amina zavatra mafy orina. Mitaky fitokisana amin’ny olona izay hampihenjana ilay tady eo am-pidinanao izany. Ary na dia manome fahafahana anao hifehy ny fidinanao aza ireo fitaovana dia tsy maintsy matoky ianao fa tsy hamela anao hianjera ireo mpiara-midina aminao.
Tsy afaka an-tsaiko ny fotoana nanaovako fidinana amin’ny tady niaraka tamina vondrona zatovovavy. Izaho no nandeha voalohany tao amin’ilay vondrona. Rehefa iny aho nidina nihemotra tamin’ilay harambato iny dia nanomboka nianjera ho azy aho. Soa ihany fa nifandiditra ilay tady ka tafajanona ny fidinako mafy. Iny aho nikirazorazo nifanatrika tamin’ny vato niranirany iny dia nivavaka mafy dia mafy aho ho an’izay olona na zavatra nihazona ahy tsy hitontona tamin’ireo vato.
Fantatro taty aoriana fa tsy namahatra tsara ny bara an’ilay fitaovana famaharana, ary raha niala ny morony aho dia voarirotra tamin’ny lamosiny ilay olona nitazona ahy ka voasintona teny amin’ny moron’ilay harambato. Tsy hay fa dia natohany tamina vato ny tongony. Rehefa namahatra tamin’izany fitoerany izany izy dia afaka nampidina ahy tsikelikely tamin’ilay tady tamim-pahasahiranana. Na dia tsy hitako aza izy dia fantatro fa nampiasa ny tanjany manontolo izy mba hamonjena ahy. Nisy namana iray hafa teo am-pototr’ilay harambato, niomana ny hitanty ahy raha sendra mamotsotra ilay tady. Rehefa akaiky aho dia nosamboriny ny tady nifatorako ka nampidininy tamin’ny tany aho.
Rehefa i Jesoa Kristy no vatofantsika ifaharantsika sy mpiara-dia tsy mandao antsika dia manana antoka ny amin’ny heriny omeny am-pitiavana isika mandritra ireo fitsapana ary fanafahana amin’ny alalany amin’ny farany. Araka ny nampianarin’ny Filoha M. Russell Ballard hoe: “Ny finoana an’ Andriamanitra sy ny Zanany, ny Tompo Jesoa Kristy no … vatofantsika tsy maintsy amaharantsika ny fiainantsika mandritra ireo fotoam-pisafotofotoana sy faharatsiana eo anivon’ny fiarahamonina. … Ny finoantsika … dia tsy maintsy afototsika amin’i Jesoa Kristy, amin’ny fiainany sy ny sorompanavotany, ary amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny filazantsarany.”2
Ny fampitaovana ara-panahy izay miaro antsika tsy ho trotraky ny fahoriana dia ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba an’i Jesoa Kristy sy ireo fanekempihavanana ataontsika. Afaka miantehitra amin’ireo fanohanana ireo isika mba hitarika sy hivimbina antsika hieren-doza. Amin’ny maha-mpiara-dia tsy mandao antsika ny Mpamonjy, dia tsy hamela antsika hianjera ka tsy ho voatantiny Izy. Na dia ao anatin’ireo fotoana ijaliantsika sy maha-ory antsika aza dia eo Izy hampitraka sy hankahery. Ny heriny dia manampy antsika ho tafarina avy amin’ny fiantraikan’ny safidin’ny hafa. Saingy tsy maintsy ataontsika izay rehetra maha-mendrika antsika sy mba hahafahantsika handray fanampiana avy amin’ny Mpamonjy. Tsy maintsy misafidy ny hamahatra amin’ny Mpamonjy isika, hizioga Aminy amin’ny alalan’ny fanekempihavanantsika.3
Ahoana no hanamafisantsika izany fifamatorantsika amin’ny Mpamonjy izany? Mivavaka amin’ny fo mietry isika, mandalina sy misaintsaina ny soratra masina, mandray ny fanasan’ny Tompo omban’ny fibebahana sy fanajana, miezaka ny hitandrina ny didy, ary manaraka ny torohevitry ny mpaminany. Ary rehefa manatontosa ny andraikitsika andavanandro amin’ny fomba “avo lenta sy masina kokoa,”4 isika dia ho lasa mifandray kokoa amin’ny Mpamonjy no sady manampy ny hafa hanatona Azy.
Ohatra ny ahoana izany amin’ny fomba “avo lenta sy masina kokoa” izany? Miezaka ny miaina ny filazantsara isika amin’ny fifaneraserana rehetra ataontsika. Mikarakara ireo sahirana isika amin’ny alalan’ny fanompoana sy fanehoana fitiavana marina amin’ny alalan’ny asa fanompoana tsotra. Mizara ireo vaovao mahafalin’ny filazantsara amin’ireo izay mila fiadanana sy fankaherezana isika ary “[mahafantatra] izay ahitana izany.”5 Miasa isika mba hampitambarana ny fianakaviana ho mandrakizay ao amin’ny lafy roan’ny voaly. Ary ho an’ireo izay nanao fanekempihavanana tao amin’ny tranon’ny Tompo, dia nanazava toy izao ny Filoha Russell M. Nelson: “Ny olon-dehibe tsirairay izay miditra ny tempoly dia hanao ny garmenta masin’ny fisoronana, [izay] … mampatsiahy antsika … [mba] handeha isan’andro eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana amin’ny fomba avo sy masina kokoa.”6 Tsy haitraitra ireo asa ireo fa ilaina ho an’ny fahasambarantsika isan’andro, sy ho an’ny fifaliana mandrakizay.
Tsy misy zavatra manan-danja kokoa amin’ny fivoarantsika mandrakizay ankoatra ny fitandremana ireo fanekempihavanana natao tamin’ Andriamanitra. Rehefa mandaitra eo amin’ny fiainantsika ireo fanekempihavanan’ny tempoly dia afaka matoky ny hihaona indray am-pifaliana amin’ireo olona mamintsika any ankoatra ny voaly isika. Ilay zanaka na ray na reny na vady izay efa maty dia maniry mafy ny mba tsy hivadihanao amin’ireo fanekempihavanana izay mamatotra anareo ho iray. Raha tsy raharahiantsika na tsinontsinoavintsika ireo fanekempihavanana natao tamin’ Andriamanitra dia mety tsy ho afaka ny hiaraka amin’ireo olona ao amin’ny fianakaviantsika isika any amin’ny fiainana mandrakizay. Izao no fotoana hibebahana sy hanitsiana ny dia ary hiezahana indray.
Poakaty ny fahasambarana raha atakalontsika fahafinaretana mihelina ireo fitahian’ny fifaliana mandrakizay. Na firy taona isika na firy taona dia izao no hany fahamarinana: ny fototry ny fahasambarana maharitra dia ny fiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy ny fitandremana ny fanekempihavanana. Nanamafy ny mpaminanintsika, ny Filoha Nelson fa “ny hany fiarovana farany antsika sy ny hany fahasambarana maharitra ho antsika dia ny mifikitra amin’ny anja-by an’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laonina, izay feno miaraka amin’ireo fanekempihavanana sy ôrdônansy ao aminy. Rehefa ataontsika izany dia afaka ny hamakivaky tsy amim-panahiana ireo fitsapana isika satria afaka mahazo hery avy amin’ Andriamanitra.”7
Maro amintsika no miaina fitsapana mavaivay. Rehefa asamboaravoaran’ny onjam-pahoriana isika ary indraindray jambenan’ny onin-dranomaso avy amin’ireo fahasarotana dia mety tsy haintsika izay làlana hitondrana ny sambom-piainantsika. Mety hieritreritra mihitsy aza isika fa tsy manana ny tanjaka hahatongavana eny amin’ny morony. Ny fahatsiarovana hoe iza ianao—zanaka tian’ Andriamanitra—nahoana ianao no ety an-tany, ary ny tanjo[nao] mba hiara-hiaina amin’ Andriamanitra sy ireo olona maminao dia afaka manazava ny masonao sy manoro anao ny lalan-kizorana marina. Mandritra ireo tafiotry ny fiainana dia manana hazavana isika hanoro ny lalana. “Izaho no fahazavana izay mamirapiratra ao amin’ny haizina,” hoy i Jesoa.8 Afaka mahazo antoka ny ho voaro isika rehefa mitodika any amin’ny fahazavany sy mitoetra ho mahatoky amin’ireo fanekempihavanantsika.
Tombontsoa lehibe ny tafahaona amin’ireo vehivavy isa-tsokajin-taona, miaina toe-javatra samihafa izay mitandrina fanekempihavanana. Isan’andro izy ireo dia mitodika any amin’ny Tompo sy ny mpaminany mba handray fitarihana toy izay any amin’ny tamba-jotran-tserasera malaza. Na dia eo aza ny fanamby atrehan’izy ireo tsirairay sy ireo filôzôfia manimba an’izao tontolo izao izay miezaka ny hanakana azy ireo tsy hitandrina ny fanekempihavanany dia tapa-kevitra izy ireo ny hijanona eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana. Miantehitra amin’ilay fampanantenana hoe “izay rehetra ananan’ny [Ray]” izy ireo.9 Tsy mifidy taona fa ianareo vehivavy tsirairay izay nanao fanekempihavanana tamin’ Andriamanitra dia manana fahafahana ny hanainga ambony ny fahazavan’ny Tompo sy hitarika ny hafa hankany Aminy.10 Amin’ny alalan’ny fitandremanareo ny fanekempihavananareo no hanomezany anareo ny herin’ny fisoronany sy hamelany anareo hanana hery mitaona lehibe eo amin’ireo rehetra ifaneraseranareo. Araka ny nanambaran’ny Filoha Nelson dia ianareo no vehivavy izay manatanteraka ireo faminaniana nambara tany aloha!11
Ry rahavavy malala, ambonin’ny zavatra hafa rehetra, dia mijanòna eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana mankany amin’i Jesoa Kristy. Voatahy isika fa tonga ety an-tany amin’ny fotoana izay isian’ny tempoly maneran-tany. Misokatra ho an’ny mpikamban’ny Fiangonana mendrika rehetra ny fanaovana sy ny fitandremana fanekempihavanana. Ry tanora tokan-tena, aza miandry hoe rehefa manambady na hanao asa fitoriana vao hanao ireo fanekempihavanana masina ireo. Afaka miomana dieny zatovovavy ianareo mba handray ny fiarovana sy ny herin’ny fanekempihavanan’ny tempoly vantany vao 18 taona rehefa vonona sy mahatsapa faniriana ny hanaja ny fanekempihavanan’ny tempoly.12 Ianareo izay efa nandray ireo fitahian’ny tempoly, aza avela hisy olona na zavatra hanelingelina anareo hiala amin’ireo fahamarinana mandrakizay. Mandalìna sy mitodiha amina loharano azo antoka mba hahazoana fahatakarana lehibe kokoa ny amin’ny dikan’ny fanekempihavanana nataonareo. Mankanesa any amin’ny tempoly matetika araka izay tratranareo ary henoy ny Fanahy. Hahatsapa fatokian-tena tsara ianareo hoe eo amin’ny lalan’ny Tompo. Hanana ny herim-po hanohizana sy hitondrana ny hafa miaraka aminareo ianareo.
Mijoro ho vavolombelona aho fa rehefa misafidy ny hanao fanekempihavanana amin’ny Ray any An-danitra isika sy manovo hery avy amin’ny Mpamonjy mba hitandremana azy ireny dia hahazo fahasambarana kokoa mihoatra noho izay azontsika sainina isika eto amin’ity fiainana ity, ary fiainana mandrakizay be voninahitra amin’ny hoavy.13 Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.