Tohatry ny finoana
Manakana ny fahafahantsika mahita fahagagana ny tsy finoana, fa ny toe-tsaina feno finoana ny Mpamonjy kosa dia mamaha ny herin’ny lanitra.
Inona no ho fiantraikan’ireo olana eo amin’ny fiainana amin’ny finoantsika an’i Jesoa Kristy? Ary inona no ho fiantraikan’ny finoantsika amin’ny fifaliana sy ny fiadanana tsapantsika eto amin’ity fiainana ity?
Taona 1977 tamin’izay. Naneno ny telefaonina, ary nahavaky fo anay ny hafatra voarainay. Teo am-pifindrana tany amin’ny tranon’izy ireo vaovao i Carolyn sy i Doug Tebbs taorian’ny nahavitan’izy ireo “doctorat”. Tonga nampiditra entana tao anatin’ilay fiarabe mpitatitra entana ny kôlejin’ny loholona. Nijery farany i Doug naka antoka fa nalalaka ny lalana talohan’ny nanemorany ny fiara. Fa ny tsy hitany dia i Jennie zanany vavikely, izay nihazakazaka tampoka taorian’ilay fiarabe tamin’ny fotoana tsy tokony nanaovana izany. Maty tao anatin’ny indray mipi-maso i Jennie malalan’izy ireo.
Dia inona no hitranga manaraka? Hiteraka elanelana tsy hay foanana eo amin’i Carolyn sy i Doug ve ny fanaintainana lalina tsapan’izy ireo sy ny fahatsapan’izy ireo famoizana aina tsy takatry ny saina, sa ve izany hampifamatotra ny fon’izy ireo sy hanamafy orina ny finoan’izy ireo ny drafitry ny Ray any An-danitra kosa?
Naharitra sy nitondra fanaintainana ny zavatra niainan’izy ireo niatrehana ny fahoriany, kanefa nipoitra avy tany ambadimbadika tany ny tanjaka ara-panahy mba tsy ho very fanantenana, fa “hihazona ny lalan’izy ireo.”1 Na inona na inona no nitranga dia vao mainka ireto mpivady mahatalanjona ireto lasa nitovy kokoa tamin’i Kristy. Nanolo-tena kokoa. Feno fangorahana kokoa. Nino izy ireo fa hanokana ny fahorian’izy ireo ho tombontsoan’izy ireo Andriamanitra amin’ny fotoany.2
Na dia tsy hiala sy tsy nety niala tanteraka aza ny fanaintainana sy ny fahatsapana famoizan’aina, dia nampionona an’i Carolyn sy i Doug ny fahazoana antoka fa ho zanak’izy ireo mandrakizay i Jennie malalan’izy ireo raha mijanona ho mahatoky tanteraka eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana izy ireo.3
Nampatanjaka ny finoako ilay drafitry ny Tompo ny ohatra nasehon’izy ireo. Tsy mahita ny zavatra rehetra isika. Fa Izy mahita. Nilaza tamin’i Joseph Smith ny Tompo tao amin’ny Fonjan’i Liberty fa “ireo zavatra rehetra ireo dia hanome anao traikefa ary ho soa ho anao izany. Efa nidina tambanin’izany rehetra izany ny Zanak’ Olona. Moa ve ianao lehibe kokoa noho Izy?”4
Rehefa manaiky ny sitrapon’ny Tompo isika dia mampianatra antsika ny fomba handehanana miaraka Aminy Izy.5 Fony aho misiônera tanora nanompo tany Tahiti dia nangatahina aho hametra-tanana tamin’ny zaza narary iray. Napetrakay teo ambony lohany ny tananay dia nitsodrano azy izahay mba ho sitrana. Nanomboka nihatsara ny fahasalamany, fa niverina narary indray izy avy eo. Nitsodrano azy fanindroany izahay fa nitovy ihany ny vokatra azo. Nisy fangatahana fanintelony natao. Nitalaho tamin’ny Tompo izahay ny mba hahatanteraka izay sitrapony. Fotoana fohy taorian’izay dia niverina tany amin’ny fonenany tany an-danitra ity fanahy kely ity.
Nahatsapa fiadanana anefa izahay. Tianay ho velona ilay zaza, saingy nanana drafitra hafa ny Tompo. Ny fanekena ny sitrapony eo amin’ny toeran’ny sitrapontsika no fanalahidy hahazoana fifaliana na inona na inona toe-javatra iainantsika.
Ilay finoana tsotra ananantsika amin’i Jesoa Kristy raha vao manomboka mianatra momba Azy dia afaka mitoetra ao am-pontsika rehefa miatrika ireo olana eo amin’ny fiainana isika. Afaka mitarika antsika sy hitarika antsika ao anatin’ireo fahasarotana eo amin’ny fiainana ny finoantsika Azy. Ho hitantsika tokoa fa misy fahatsorana ao amin’ny lafy ambadik’ireo fahasarotana eo amin’ny fiainana6 rehefa mijanona “[miorina] ao amin’i Kristy …, amin’ny [fananana] fanantenana mamirapiratra sy lavorary”7 isika.
Isan’ny tanjon’ny fiainana ny mamela izay mety ho vato fanafintohinana ho lasa zana-tohatra rehefa miakatra eo amin’ilay antsoiko hoe “tohatry ny finoana” isika; tohatra satria mifono ny hevitra hoe tsy mandeha lafiny tokana ny finoana. Afaka miakatra na midina izany arakaraka ny safidy ataontsika.
Eo am-piezahantsika manorina finoana ao amin’ny Mpamonjy, isika dia mety tsy hahatakatra tsara ny fitiavan’ Andriamanitra antsika ary mety hankatò ny didiny toy ny hoe voatery hanao izany. Mety ho ny fahatsapana ho meloka mihitsy aza no ho lasa mamporisika antsika voalohany fa tsy fitiavana. Mety tsy mbola nahatsapa fifandraisana marina Taminy isika.
Rehefa mikatsaka ny hampitombo ny finoantsika isika dia mety hiroaroa saina amin’ny zavatra nampianarin’i Jakoba. Nampahatsiahiviny antsika fa “tsy vanona ny finoana tsy misy asa.”8 Mety ho diso isika raha mieritreritra fa miankina amintsika ny zavatra rehetra. Ny fianteherana be loatra amin’ny tenantsika dia mety hanakana ny fahafahantsika mahazo ny herin’ny lanitra.
Fa rehefa mandroso mankamin’ny finoana marina an’i Jesoa Kristy isika dia manomboka miova ny toe-tsaintsika. Miaiky isika fa ny fankatoavana sy ny finoana ny Mpamonjy no mahatonga antsika ho mendrika ny hanana mandrakariva ny Fanahiny miaraka amintsika.9 Tsy zavatra mahasosotra intsony ny fankatoavana fa lasa zavatra katsahina.10 Manaiky isika fa ny fankatoavana ireo didin’ Andriamanitra dia mamela antsika ho azony itokisana. Azo miaraka amin’ny fitokisany ny fitomboam-pahalalana. Io fahalalana io dia mitarika ny diantsika ary mamela antsika hahita mazava tsara kokoa ny lalana tokony hodiavintsika.
Fa mbola misy zavatra hafa. Rehefa mitombo ny finoantsika ny Mpamonjy dia mahatsikaritra fiovana zara raha hita isika izay ahitana fahatakarana masina momba ny fifandraisantsika amin’ Andriamanitra, fandrosoana tsy tapaka miala amin’ny hoe “Inona no tiako” mankany amin’ny hoe “Inona no tian’ Andriamanitra?” Tahaka ny Mpamonjy, isika dia maniry ny hanao asa “[tsy araka] ny sitrapoko …, fa ny Anao.”11 Te hanao ny asan’ Andriamanitra isika ary ho fitaovana eo an-tanany.12
Fivoarana mandrakizay ny antsika. Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson fa mbola maro be ny zavatra tian’ny Ray any An-danitra ho fantatsika.13 Rehefa mivoatra isika dia mahatakatra kokoa ny zavatra nampianarin’ny Tompo an’i Joseph Smith hoe: “Fa raha mitandrina ny didiko ianareo dia handray amin’ny fahafenoany ary hankalazaina ao Amiko; … lazaiko aminareo, handray fahasoavana miampy fahasoavana ianareo.”14
Fanapahan-kevitsika ny ho hahavon’ny tohatry ny finoana tiantsika hiakarana. Nampianatra ny Loholona Neil L. Andersen hoe: “Ny finoana dia tsy avy amin’ny kisendrasendra fa avy amin’ny safidy.”15 Afaka misafidy ny hanao ireo safidy ilaina hampitomboana ny finoantsika ny Mpamonjy isika.
Eritrereto ny fiantraikan’ireo safidy natao rehefa nidina ilay tohatry ny finoana i Lamàna sy i Lemoela, raha niakatra ambonimbony kokoa tamin’izany kosa i Nefia. Moa ve misy zavatra hafa afaka maneho izany mazava kokoa noho ny fahasamihafana eo amin’ny valin-tenin’i Nefia hoe “handeha aho ary hanao”16 sy i Lamàna sy i Lemoela izay vao avy nahita anjely dia namaly hoe: “Ahoana no ahavitan’ny Tompo manolotra?”17
Manakana ny fahafahantsika mahita fahagagana ny tsy finoana, fa ny toe-tsaina feno finoana ny Mpamonjy kosa dia mamaha ny herin’ny lanitra.
Na dia rehefa malemy aza ny finoantsika dia hitsotra amintsika mandrakariva ny sandrin’ny Tompo.18 Taona maro lasa izay dia notendrena aho hanova rafitra teo anivon’ny tsatòka iray tao Nigéria. Tamin’ny minitra farany dia niova ilay daty. Nisy lehilahy iray tao amin’ilay tsatòka izay nanapa-kevitra ny hiala tao amin’ilay tanàna handositra ilay daty voalohany ho an’ny fihaonambe. Te haka antoka izy hoe tsy ho voantso ho filohan’ny tsatòka.
Rehefa tany lavitra tany izy dia tratran’ny loza nahatsiravina, saingy tsy nisy na inona na inona nahazo azy. Izany dia nahatonga azy hieritreritra ny antony niarovana ny ainy. Niala tamin’ny fanapahan-kevitra noraisiny izy. Nibebaka izy dia nanatrika tamim-panetrentena ilay daty vaovaon’ny fihaonambe. Ary eny, izy tokoa no nantsoina ho filoha vaovaon’ilay tsatòka.
Nampianatra ny Loholona Neal A. Maxwell hoe: “Amin’ny alalan’ny fampifanarahana ny sitrapontsika amin’ny an’ Andriamanitra ihany no ahazoana fifaliana feno. Fifaliana kely noho izany no ho azo avy amin’ny zavatra rehetra latsak’izany.”19
Rehefa avy nanao “ny zava-drehetra izay tratry ny herintsika” isika dia tonga izay ny fotoana “[hijoroana] … hahita ny famonjen’ Andriamanitra.”20 Nahita izany aho raha nanompo tamin’ny naha-rahalahy mpanompo ahy ny fianakaviana McCormick. Nanompo tamim-pahatokiana tamin’ireo antsony i Mary Kay izay 21 taona nanambadiana. Tsy mpikamban’ny Fiangonana i Ken ary tsy nahaliana azy ny ho lasa mpikambana, kanefa noho ny fitiavany ny vadiny dia nisafidy ny handeha hivavaka niaraka tamin’ny vadiny izy.
Indray alahady dia nahatsapa ho notaomim-panahy aho hizara ny fijoroana ho vavolombelona ananako tamin’i Ken. Nanontany azy aho raha afaka manao izany. Tsotra sy mazava ny valinteniny hoe: “Aoka izao fa misaotra.”
Tsy azoko mihitsy ilay izy. Nahatsapa fitaomam-panahy aho dia niezaka nanaraka izany. Saika nalaim-panahy aho hanapa-kevitra hoe efa nanao ny anjarako aho. Saingy taorian’ny vavaka sy ny fisaintsainana dia afaka nahatakatra aho fa na dia tsara aza ny fikasana nananako dia diso niantehitra tamin’ny tenako aho fa zara raha niantehitra tamin’ny Tompo.
Taty aoriana dia niverina tany aho fa tamin’ny toe-tsaina hafa. Amin’ny maha fitaovana eo an-tanan’ny Tompo ihany no hankanesako any fa tsy hanana faniriana hafa ankoatra ny hanaraka ny Fanahy. Niara-niditra tao an-tokantranon-dry McCormick izaho sy i Gerald Cardon izay mpiara-manompo amiko mahatoky.
Vetivety taorian’izay dia nahatsapa ho notaomim-panahy aho hanasa an’i Gerald hihira ny “Velona Ilay Mpanavotra ahy.”21 Gagagaga izy nijery ahy, fa rehefa nino ny zavatra ninoako izy, dia nataony izany. Heniky ny fanahy nahafinaritra ilay efi-trano. Tonga ny fitaomam-panahy hanasa an’i Mary Kay sy i Kristin zanak’izy ireo vavy hizara ny fijoroana ho vavolombelona nananan’izy ireo. Rehefa nanao izany izy ireo dia nihamafy ny fahatsapana ny Fanahy. Raha ny marina dia nirotsaka teo amin’ny takolak’i Ken ny ranomasony taorian’ny fijoroana ho vavolombelona nataon’i Kristin.22
Niditra an-tsehatra Andriamanitra. Tsy voakasika fotsiny ny fon’izy ireo tamin’izay fa niova mandrakizay. Nesorin’ny herin’ny Fanahy Masina ireo iraika amby roapolo taonan’ny tsy finoana. Natao batisa i Ken herinandro taty aoriana. Herin-taona taty aoriana dia nofehezina tao amin’ny tranon’ny Tompo ho amin’ny fotoana sy ny mandrakizay manontolo i Ken sy i Mary Kay.
Niarahanay niaina ny dikan’izany hoe manolo ny sitrapontsika amin’ny sitrapon’ny Tompo izany, ary nitombo ny finoanay Azy.
Saintsaino azafady ireto fanontaniana vitsivitsy napetrak’ireo mpaminany masin’ Andriamanitra ireto eo am-piezahanao miakatra ny tohatry ny finoanao:
“Efa nendahiko tamin’ny tenako ve ny avonavona?”23
Manisa toerana ao am-poko ho an’ny tenin’ Andriamanitra ve aho?24
Mamela ny fahoriako mba hatokana ho tombontsoako ve aho?25
Vonona ny hamela ny sitrapoko ho voatelina ao amin’ny sitrapon’ny Ray ve aho?26
Raha efa nahatsiaro ny hikalo ny hiran’ny fitiavana manavotra aho dia tsapako ve izany ankehitriny?”27
Mamela an’ Andriamanitra hanjaka eo amin’ny fiainako ve aho?28
Raha hitanao fa mifanohitra amin’ny finoanao an’ny Mpamonjy ny lalana alehanao amin’izao fotoana izao dia miangavy anao aho hitady ny lalanao miverina any Aminy. Miankina amin’izany ny fisandratanao sy ny an’ny taranakao.
Enga anie isika hamboly lalina ao am-pontsika ny voan’ny finoana. Enga anie isika hamahana ireo voa ireo eo am-pamatorantsika ny tenantsika amin’ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fitandremana ireo fanekempihavana nataontsika Taminy. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.