Mba hanasitrana izao tontolo izao
Ireo ratra sy ny fahasamihafana dia azo vahana sy sitranina mihitsy aza rehefa manaja an’ Andriamanitra Raintsika rehetra sy i Jesoa Kristy Zanany isika.
Ry rahalahy sy anabavy isany, amin’izao vanim-potoana be voninahitry ny Paska izao dia tena sambatra isika mihaona sy mandray torohevitra sy torolalana avy amin’ireo mpanompon’ Andriamanitra.
Manampy antsika ireo torolalana sy fampianarana masina avy amin’ny Raintsika any An-danitra hamakivaky ny fiainana amin’izao fotoan-tsarotra izao. Araka ny efa naminaniana dia mandrava fianakaviana sy fiarahamonina ary firenena mihitsy aza ireo “afo sy tafio-drivotra,” “ady, tabataban’ady ary horohoron-tany any amin’ny toerana samihafa,” “sy ny karazana fahavetavetana rehetra,”1 “sy ny areti-mandringana,”2 “mosary sy areti-mifindra”3.
Misy loza iray hafa izay mihanaka manerana izao tontolo izao: ny fanafihana atao amin’ny fahalalahako sy ny fahalalahanao ara-pivavahana. Izany fahatsapana mihamitombo izany dia mikatsaka ny hanaisotra ny fivavahana sy ny finoana an’ Andriamanitra tsy ho eo amin’ny kianjam-bahoaka sy ny sekoly sy eo amin’ny fenitry ny fiarahamonina ary eo amin’ny teny lazaina rehefa manabe. Ireo izay manohitra ny fahalalahana ara-pivavahana dia mikatsaka ny hametraka famerana amin’ny fanehoana ireo zavatra inoana tena avy ao am-po. Manakiana sy manamavo ny fomba fanao ara-pinoana mihitsy aza izy ireo.
Ny fihetsika toy izany dia manilikilika olona, mampihen-danja ny fitsipiky ny tena manokana sy ny rariny sy ny fanajana sy ny fiainam-panahy ary ny filaminan’ny feon’ny fieritreretana.
Inona no atao hoe fahalalahana ara-pivavahana?
Izany dia ny fahalalahana hitsaoka amin’ny endriny rehetra: fahalalahana hiangona, fahalalahana miteny, fahalalahana manao araka ny finoan’ny tena manokana, ary fahalalahan’ny hafa hanao toy izany koa. Ny fahalalahana ara-pivavahana dia mamela ny tsirairay amintsika hanapa-kevitra ho antsika mikasika ny zavatra inoantsika, ny fomba fiainantsika sy ny fihetsitsika araka ny finoantsika, ary ny zavatra andrasan’ Andriamanitra amintsika.
Tsy zava-baovao ny fiezahana hanakantsakana ny fahalalahana ara-pivavahana toy izany. Hitantsika ao amin’ny tantara fa nisy ireo olon’ny finoana izay nijaly mafy teo am-pelatanan’olon-kafa. Dia tahaka izany koa ireo mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.
Hatramin’ny niandohantsika, dia olona maro nitady an’ Andriamanitra no voasarika ho amin’ity Fiangonana ity noho ny fampianarany ireo fotopampianarana masina, anisan’izany ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany, ny fibebahana, ny drafitry ny fahasambarana, ary ny Fiavian’ny Tompontsika fanindroany.
Ny fanoherana sy fanenjehana ary ny herisetra dia namely an’i Joseph Smith mpaminanintsika voalohany amin’ny andro farany sy ireo mpanara-dia azy.
Tao anatin’ny fisafotofotoana tamin’ny taona 1842 i Joseph dia namoaka ny fitsipika fototra 13 ijoroan’ilay Fiangonana vao misondrotra, anisan’izany ny hoe: “Isika dia mitaky ny zo hanompo an’ Andriamanitra Tsitoha araka ny baikon’ny fieritreretantsika ary miaiky fa manana izany zo izany ny olon-drehetra, ka aoka izy hanompo, na manao ahoana na manao ahoana, na aiza na aiza, ary na inona na inona sitrany.”4
Tsy manavaka sy manafaka ary feno fanajana ny zavatra nolazainy. Izany no tena fototry ny fahalalahana ara-pivavahana.
Ny Mpaminany Joseph Smith ihany koa dia nilaza hoe:
“Amim-pahasahiana no hanambarako eo anoloan’ny Lanitra fa tena vonona ny ho faty mba hiarovana ny zon’ny Presbiterianina iray na Batista iray na olona tsara iray avy amin’izay mety ho antokom-pinoana hafa aho satria ilay fitsipika izay hanitsakitsahana ireo zon’ny Olomasin[a] … ihany no hanitsakitsahana ireo zon’ny Katôlika Rômana na antokom-pinoana hafa izay mety tsy malaza na marefo loatra ka tsy afaka miaro ny tenany.
“Ny fitiavana ny fahafahana no manosika ny fanahiko—zom-pahafahana amin’ny maha-olon-tsotra sy zom-pahafahana misafidy ny finoana ho an’ny olombelona rehetra.”5
Na izany aza ireo mpikamban’ny Fiangonana taloha dia notafihana ary noroahina ho any amin’ny an’ arivo kilaometatra maro, avy any New York ka hatrany Ohio ka hatrany Missouri, izay namoahan’ny governora didy hoe ireo mpikamban’ny Fiangonana dia “tokony ho entina ho toy ny fahavalo ary tsy maintsy aringana na roahina hiala amin’ny faritany.”6 Nandositra nankany Illinois izy ireo, kanefa nitohy ny fijaliana. Novonoin’ny andiana mpihetraketraka ny mpaminany Joseph Smith, rehefa nieritreritra izy ireo fa ny famonoana azy no handrava ny Fiangonana sy hampiparitaka ireo mpino. Kanefa naharitra ireo mpino. I Brigham Young izay nandimby an’i Joseph Smith dia nitarika olona an’arivony tamin’ilay fifindra-monina niankandrefana namakivaky 2100 km hankany amin’ny faritr’i Utah ankehitriny.7 Ny razambeko dia isan’ireo mpamaky lay voalohany nanori-ponenana ireo.
Hatramin’io vanim-potoan’ny fanenjehana mafy io, dia nitombo hatrany ny Fiangonan’ny Tompo ka manana mpikambana efa ho 17 tapitrisa, 8 ary mipetraka ivelan’i Etazonia ny antsasany mahery.
Tamin’ny volana aprily 2020 ny Fiangonantsika dia nankalaza ny faha 200 taonan’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara ary nanao fanambarana ho an’izao tontolo izao, izay nomanin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Izany dia manomboka amin’ny hoe: “Izahay dia manambara amin’ny fomba manetriketrika fa Andriamanitra dia tia ny zanany any amin’ny firenena rehetra manerana izao tontolo izao.”9
Dia mbola nanohy niteny ny mpaminany malalantsika, Russell M. Nelson hoe:
“Mino ny fahalalahana sy ny hatsaram-panahy ary ny fanaovana ny rariny ho an’ireo zanak’ Andriamanitra rehetra isika.
“Mpirahalahy sy mpirahavavy avokoa isika ary ny tsirairay dia zanaky ny Ray any An-danitra be fitiavana. Jesoa Kristy Tompo, Zanany, dia manasa ny rehetra hanatona Azy, -ny fotsy sy ny mainty, ny voafatotra sy ny olona afaka, ny lahy sy ny vavy- (2 Nefia 26:33).”10
Andao hiarahantsika mandinika ireo fomba efatra izay hahazoan’ny fiarahamonina na olon-tokana tombontsoa avy amin’ny fahalalahana ara-pivavahana.
Voalohany. Ny fahalalahana ara-pivavahana dia manaja ny didy voalohany sy faharoa ary mametraka an’ Andriamanitra ho ivon’ny fiainantsika. Vakiantsika ao amin’ny Matio hoe:
“Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra.”11
“Ary ny faharoa, izay tahaka azy ihany, dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.”12
Na ao amin’ny trano fiangonana, na ao amin’ny synagoga, na moskea, na ao amin’ny trano natsangana vonjimaika, ireo mpianatr’i Kristy sy ireo mpino rehetra mitovy hevitra dia afaka maneho ny fanoloran-tenany ho an’ Andriamanitra amin’ny fitsaohana Azy sy ny fahavononana hanompo ireo zanany.
I Jesoa Kristy no ohatra tonga lafatra maneho izany fitiavana sy fanompoana izany. Nandritra ny asa fanompoana nataony tety an-tany, dia nikarakara ireo mahantra Izy,13 ary nanasitrana ireo marary14 sy ireo jamba.15 Nanome hanina ho an’ireo noana Izy,16 namela ireo ankizy kely ho eo an-tratrany,17 ary namela heloka ireo izay nanao ratsy Taminy, dia ny fanomboana Azy tamin’ny hazo fijaliana mihitsy.18
Voalazan’ny soratra masina fa i Jesoa dia “nandehandeha nanao soa.”19 Tokony hanao toy izany koa isika.
Faharoa. Ny fahalalahana ara-pivavahana dia mamporisika ny fanehoana ny finoana sy ny fanantenana ary fiadanana.
Amin’ny maha fiangonana antsika dia miaraka amin’ireo fivavahana hafa isika miaro ny olona avy amin’ny antokom-pivavahana sy finoana rehetra sy ny zon’izy ireo hiresaka momba ny zavatra inoany. Tsy midika akory izany hoe manaiky ny finoan’izy ireo isika, na ry zareo manaiky ny antsika, fa maro kokoa ny zavatra itovizantsika amin’izy ireo raha oharina amin’ny zavatra itovizantsika amin’ireo izay maniry ny hampangina antsika.
Vao haingana aho no nisolo tena ny Fiangonana tamin’ny “G20 Intefaith Forum” tany Italia na ny Zaikabe iraisam-pinoana fanaon’ny G20 isan-taona. Nahazo risi-po aho ary nahazo hery mihitsy aza rehefa nihaona tamin’ireo mpitondra fanjakana sy mpitondra fivavahana avy amin’ny firenena maro manerana izao tontolo izao. Hitako tamin’izay fa ireo ratra sy ny fahasamihafana dia azo vahana sy sitranina mihitsy aza rehefa manaja an’ Andriamanitra Raintsika rehetra sy i Jesoa Kristy Zanany isika. I Jesoa Kristy Tompo sy Mpamonjy antsika no Ilay Mpanasitrana Lehibe ho an’ny rehetra.
Nisy fotoana nahaliana teo am-pamaranako ny lahateny nataoko. Ireo mpandahateny fito teo alohako dia tsy namarana tamin’ny fomba fanao ara-pinoana na tamin’ny anaran’ Andriamanitra. Teo am-pitenenana aho dia nieritreritra hoe: “Hisaotra fotsiny ve aho dia hipetraka sa hofaranako -amin’ny anaran’i Jesoa Kristy-?” Nahatsiaro aho hoe iza moa aho, ary nahafantatra aho hoe tian’ny Tompo ny hilazako ny anarany hamaranako ny hafatro. Dia nataoko izany. Rehefa manao jery todika aho dia izany no fahafahako naneho ny finoako, ary nanana ny fahafahana ara-pivavahana aho ny hijoro ho vavolombelona ny amin’ny Anarany masina.
Fahatelo. Ny fivavahana dia mitaona ny olona hanampy ny hafa.
Rehefa avela hiroborobo ny fivavahana, dia mahavita zavatra tsotra enti-manompo sy mahagaga mihitsy aza indraindray ny mpino. Ilay andian-teny Jiosy fahiny hoe “tikkun olam,” izay midika hoe “manamboatra na manasitrana izao tontolo izao,” dia hita taratra ankehitriny ao amin’ny ezaka ataon’ny maro. Isika dia efa niara-niasa tamin’ny Charités Catholiques izay fantatra amin’ny anarana hoe Caritas International, sy ny Islamic Relief ary fikambanana maromaro Jiosy, Hindou, Bouddhiste, Sikh, ary ny fikambanana toy ny Armée du Salut sy ny Fondation Chrétienne Nationale. Miara-manompo olona sahirana an-tapitrisany isika, ny vao haingana indrindra dia tamin’ny alalan’ny fanampiana ireo mpitsoa-ponenana noho ny ady tamin’ny fanomezana trano lay sy sac de couchage ary sakafo,20 ary amin’ny fanomezana vaksiny, anisan’izany ny polio21 sy ny COVID.22 Lavabe ny lisitry ny zavatra atao fa toy izany ihany koa ireo zavatra mila fanampiana.
Tsy iadian-kevitra fa ny olon’ny finoana, rehefa miara-miasa, dia afaka mahavita zavatra lehibe. Etsy an-kilany, ny fanompoana ataon’ny tsirairay amin’ny tsirairay dia tsy mahoraka indraindray kanefa manova fiainana am-pahanginana.
Mieritreritra ny ohatra hita ao amin’ny Lioka aho rehefa nanatona ilay mpitondratena tao Naina i Jesoa Kristy. Nandalo teo amin’ny fandevenana ny zanaka lahy tokan’ilay mpitondratena i Jesoa sy ireo vondron’olona mpanara-dia Azy. Noho ny tsy maha-eo intsony ilay zanany dia fahavoazana ara-pihetseham-po sy ara-panahy ary ara-bola mihitsy aza no atrehan’ilay vehivavy. Rehefa nahita ny endriny vonton-dranomaso i Jesoa dia niteny hoe: “Aza mitomany.”23 Avy eo dia nanendry ilay tranovorona nisy ilay nofo mangatsiaka Izy, ka nijanona ny fandevenana.
“Ry zatovo,” hoy Izy nandidy, “hoy Izaho aminao: Miarena.
“Dia niarina ny maty sady niteny. Dia natolo[tr’i Jesoa] tamin-dreniny [izy].”24
Ny fananganana amin’ny maty dia fahagagana, kanefa ny fihetsika feno hatsaram-panahy sy firaharahiana ho an’ny olona iray izay sahirana no fomban’ny fanekempihavanana ahafahantsika rehetra ihany koa “[m]andehandeha [m]anao soa,” sady mahafantatra fa “Andriamanitra [m]omba [antsika].”25
Ary fahaefatra. Ny fahalalahana ara-pivavahana dia hery mampiray sy mampivondrona mba hanorenana soatoavina sy fahadiovam-pitondrantena.
Ao amin’ny Testamenta Vaovao dia voasoratra fa nisy maro no nivily niala tamin’i Jesoa Kristy sy nimonomonona momba ny fotopampianarany nanao hoe: “Sarotra izany teny izany, iza no mahahaino izany?”26
Izany feo izany dia mbola re ankehitriny avy amin’ireo izay mikatsaka ny hanala ny fivavahana tsy ho ao anatin’ny kabary sy ny fitaomana ny hafa. Raha tsy eo ny fivavahana mba hanampy amin’ny famolavolana ny toetra sy hitondrana vahaolana amin’ny fotoan-tsarotra, dia iza no hanao izany? Iza no hampianatra ny fahamarinan-toetra, ny fankasitrahana, ny famelàna ary ny faharetana? Iza no haneho fiantrana, fangorahana sy hatsaram-panahy ho an’ireo izay adino sy voahitsakitsaka? Iza no handray ireo izay miavaka amin’ny hafa kanefa mendrika ny horaisina tahaka ireo zanak’ Andriamanitra rehetra? Iza no vonona handray ireo izay sahirana ka tsy hikatsaka tambiny? Iza no haneho fanajana lalina ho an’ny fiadanana sy ny fankatoavana ireo lalàna mihoatra noho ny zavatra manaraka ny toetr’andro? Iza no hamaly ilay fiangavian’ny Mpamonjy hoe: “Mandehana ianao, ka mba manaova toy izany koa”?27
Isika no hanao izany! Eny, ry rahalahy sy anabavy, isika no hanao izany.
Manasa anareo aho mba ho mpivoy ny foto-kevitry ny fahalalahana ara-pivavahana. Izany dia fanehoana ny fitsipiky ny fahafahana misafidy izay avy amin’ Andriamanitra.
Ny fahalalahana ara-pivavahana dia manana hery mifandanja hanoherana ny herin’ireo haifoto-kevitr’izao tontolo izao izay mifaninana aminy. Tsy mitombo ny zavatra tsara entin’ny fivavahana sy ny zavatra voakasik’izany ary ireo fihetsika feno fitiavana amin’ny andavanandro izay entanin’ny fivavahana raha tsy rehefa arovantsika ihany ny fahalalahana haneho sy hiaina araka ireo finoantsika fototra.
Mijoro ho vavolombelona aho fa i Russell M. Nelson no mpaminany velon’Andriamanitra. Mijoro ho vavolombelona aho fa mitarika sy manoro lalana ity Fiangonana ity i Jesoa Kristy. Nanao sorompanavotana Izy hanonerana ny fahotantsika, nohomboana teo amin’ny hazo fijaliana Izy, ary nitsangana tamin’ny maty tamin’ny andro fahatelo.28 Noho Izy dia afaka ny hiaina indray isika ho mandrakizay, ary ireo izay maniry izany dia afaka ny hiaraka amin’ny Raintsika any An-danitra. Ambarako amin’izao tontolo izao izany fahamarinana izany. Feno fankasitrahana aho noho ny fahalalahako manao izany. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.