Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Fiovana mahery vaika ao am-po: “tsy manana zavatra hafa homena anao intsony aho”
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2022


10:57

Fiovam-po mahery vaika:

“Tsy manana zavatra hafa homena anao intsony aho”

Tsy zavatra mitranga indray mandeha io fiovam-po io; mila finoana sy fibebahana ary asa ara-panahy tsy tapaka izany.

Teny fanolorana

Ny zoma 28 ôktôbra 1588, rehefa simba ny familian-tsambo ka ny fivoy ihany no hany sisa nifehezana ny sambo La Girona izay an’ilay Armada Espaniola Lehibe, dia nifandona tamin’ireo vatolampin’i Lacada Point tao Irlandy Avaratra izany.1

Nivadika ilay sambo. Nanao peratra volamena misy soratra hoe: “tsy manana zavatra hafa homena anao intsony aho”,2 nomen’ny vadiny azy volana vitsivitsy talohan’izay ny iray tamin’ireo olona tavela teny afovoan-drano izay niady mafy mba ho velona.

“Tsy manana zavatra hafa homena anao intsony aho,” andian-teny iray sy peratra iray miendrika tanana mitana fo, fanehoana fitiavana avy amin-dramatoa vady ho an-dralehilahy vadiny.

Fifandraisany amin’ny soratra masina

Rehefa namaky ity tantara ity aho dia nisy fiantraikany lalina tamiko izany ary nieritreritra ny fangatahana nataon’ny Mpamonjy aho hoe: “Ary haterinareo ho fanatitra ho Ahy ny fo torotoro sy ny fanahy manenina.”3

Nieritreritra ny fihetsiky ny olona tamin’ny tenin’i Benjamina Mpanjaka ihany koa aho: “Eny, mino ny teny rehetra izay efa nolazainao taminay izahay … , izay efa nahatonga fiovana mahery vaika tao aminay, na tao am -ponay, ka tsy manana fironana hanao ratsy intsony izahay fa ny hanao soa lalandava kosa.”4

Fifandraisany amin’ny tenako manokana

Mamelà ahy hizara aminareo ny zavatra niainako fony aho 12 taona, izay mbola maharitra mandraka androany ny vokany.

Hoy ny reniko: “Eduardo a, faingàna ianao. Tara amin’ny fivoriam-bavaka isika.”

“Neny a, hijanona hiaraka amin’i Dada aho anio”, hoy aho namaly.

“Tena te hijanona tokoa ve ianao”? Tsy maintsy manatrika ny fivorian’ny kôlejin’ny fisoronana misy anao ianao,” hoy izy.

Namaly aho hoe, “Mampalahelo i dada! Ho tavela irery izy. Hijanona hiaraka aminy aho anio.”

Tsy mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany i Dada.

Namonjy fivoriam-bavaka Alahady ny reniko sy ny anabaviko. Noho izany dia nandeha nihaona tamin’i Dada tao amin’ny toeram-piasany aho, izay toerana tiany hisy azy rehefa alahady, ary araka ny nolazaiko tamin-dreniko, dia nandany fotoana kely aho, izany hoe minitra vitsivitsy niaraka taminy, ary avy eo dia nanontany aho hoe: “Dada a! mandeha tsara ve ny zava-drehetra?”

Notohizany ny fialamboliny manamboatra fampielezam-peo sy famantaranandro, ary nitsiky tamiko fotsiny izy.

Dia hoy aho taminy avy eo: “Handeha hilalao hiaraka amin’ny namako aho.”

Tsy nitraka akory i dada no niteny tamiko hoe: “Alahady anio. Fa angaha tsy tokony hankany am-piangonana ianao?”

“Eny, saingy nilaza tamin’i Neny aho androany fa tsy handeha,” hoy aho namaly. Nanohy ny raharahany i dada, ary ho ahy, izany dia fahazoan-dalana handeha.

Tamin’io maraina io dia nisy lalao baolina kitra nanan-danja iray, ary nilaza tamiko ireo namako fa tsy maintsy manatrika an’izany aho, satria nila nandresy tamin’io lalao io izahay.

Ny olana kely tamiko tamin’io dia ny hoe tsy maintsy nandalo teo anoloan’ny trano fiangonana aho raha ho any amin’ilay kianja filalaovam-baolina.

Tapa-kevitra aho, ka nihazakazaka faingana nankany amin’ilay kianja filalaovam-baolina kitra ary nijanona teo anoloan’ilay zava-misakana lehibe, dia ilay trano fiangonana. Nihazakazaka nankeny am-pita aho, izay nisy hazo lehibe vitsivitsy, ary nanapa-kevitra ny hihazakazaka teo anelanelan’izy ireo aho mba tsy hisy hahita ahy satria fotoana fahatongavan’ireo mpikambana any amin’ireo fivoriana izany.

Tonga ara-potoana tamin’ny fanombohan’ny lalao aho. Afaka nilalao sy nandeha nody nialohan’ny nahatongavan’ny reniko tao an-trano aho.

Nizotra tsara ny zava-drehetra; nandresy ny ekipanay, ary faly izaitsizy tokoa aho. Saingy tsikaritry ny mpanorohevitry ny kôlejin’ny diakona anefa ilay hazakazaka maty paika nankeny an-kianja.

Hitan’ny rahalahy Félix Espinoza aho raha iny nihazakazaka haingana nitety an’ireo hazo, nanao izay tsy ahitana ahy iny.

Tonga tao an-tranoko ny Rahalahy Espinoza, tamin’ny fiandohan’ny herinandro, ary nangataka hiresaka tamiko. Tsy nilaza na inona na inona momba ny zavatra hitany tamin’ny alahady izy, ary tsy nanontany ahy hoe nahoana aho no tsy nivory.

Notolorany boky torolalana fotsiny aho ary nolazainy hoe: “Tiako hampianatra ny kilasin’ny fisoronana ianao amin’ny alahady. Efa nasiako marika ny lesona tokony hataonao. Tsy dia sarotra loatra ilay izy. Tiako hovakinao izy io, ary ho avy aho afaka roa andro hanampy anao amin’ny fanomanana ny lesona.” Rehefa avy nilaza izany izy dia natolony ahy ilay boky ary lasa izy.

Tsy te hampianatra ny kilasy aho, saingy tsy sahy niteny taminy hoe tsia. Efa niomana aho tamin’io alahady io ny hijanona hiaraka amin’ny raiko indray, izany hoe, nisy lalao baolina kitra lehibe iray hafa.

Olona iray izay nolalain’ny tanora ny Rahalahy Espinoza.5 Nahita ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny izy ka nanova ny fiainany na amin’ny teny hafa, ny fony.

Rehefa tonga ny sabotsy tolakandro dia nieritreritra aho hoe, “angamba rahampitso aho hanavy rehefa mifoha, ka dia tsy voatery handeha any am-piangonana.” Tsy ny lalao baolina kitra intsony no nampanahy ahy; fa ilay kilasy tsy maintsy hampianariko, indrindra ny lesona momba ny andro Sabata.

Tonga ny alahady, ary tsy mbola salama toy izany aho rehefa nifoha. Tsy nanana fialan-tsiny aho—tsy nisy hitsoahana.

Sambany aho no hampianatra lesona, saingy teo anilako i Rahalahy Espinoza, ary izany no andro fiovam-po lehibe ho ahy.

Nanomboka tamin’izay fotoana izay dia nanomboka nanamasina ny andro Sabata aho, ary rehefa nandeha ny fotoana, araka ny tenin’ny Filoha Russell M. Nelson, dia lasa fahafinaretana ny andro Sabata.6

“Tompo ô, omeko Anao ny zava-drehetra; tsy manana zavatra hafa homena Anao intsony aho.”

Mandray

Ahoana no ahazoantsika izany fiovam-po mahery vaika izany? Atomboka izany ary mitranga amin’ny farany

  1. rehefa mandalina ny soratra masina isika mba hahazoana ilay fahalalana izay hampatanjaka ny finoantsika an’i Jesoa Kristy, izay hiteraka faniriana hiova;7

  2. rehefa mikolokolo izany faniriana izany amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fifadian-kanina isika;8

  3. rehefa arahantsika asa, araka ny teny nohalalinina na noraisina, ary manao fanekempihavanana mba hanolotra ny fontsika Aminy isika, toy ny tamin’ny vahoakan’i Benjamina Mpanjaka;9

Fahafantarana sy Fanekempihavana

Ahoana no ahafantarantsika fa miova ny fontsika?10

  1. Rehefa te hamalifaly an’ Andriamanitra amin’ny zava-drehetra isika.11

  2. Rehefa mitondra ny hafa amim-pitiavana sy amim-panajana ary amim-piheverana isika.12

  3. Rehefa hitantsika fa lasa anisan’ny toetrantsika ny toetran’i Kristy.13

  4. Rehefa mahatsapa ny fitarihan’ny Fanahy Masina lalandava kokoa isika.14

  5. Rehefa mitandrina didy iray izay sarotra tamintsika ny nankatò azy isika ary manohy miaina izany avy eo.15

Rehefa mihaino tsara ny torohevitr’ireo mpitarika antsika isika ary manapa-kevitra amim-pifaliana ny hanaraka izany, moa ve isika tsy efa niaina fiovam-po mahery vaika?

“Tompo ô, omeko Anao ny zava-drehetra; tsy manana zavatra hafa homena Anao intsony aho.”

Fikolokoloana sy tombontsoa

Ahoana no fomba hihazonantsika ny fiovana mahery vaika?

  1. Rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo isan-kerinandro isika ary manavao ny fanekempihavanana mba hitondra eo amintsika ny anaran’i Kristy sy hahatsiaro Azy mandrakariva ary ny hitandrina ny didiny.16

  2. Rehefa mampitodika ny fiainantsika mankany amin’ny tempoly isika.17 Ny fanatrehana tsy tapaka ny tempoly dia hanampy antsika hihazona fo vaovao sy nohavaozina rehefa mandray anjara amin’ireo ôrdônansy isika.

  3. Rehefa mitia sy manompo ny mpiara-belona amintsika isika amin’ny alalan’ny hetsika fanompoana sy ny asa fitoriana ny filazantsara.18

Ary noho ny hafaliantsika lehibe, dia mihamafy sy miparitaka ny fiovana ao anaty mandra-pamokarany asa tsara sesehena.19

Izany fiovam-po mahery vaika izany dia mitondra fahatsapana fahafahana sy fitokisana ary fiadanana ho antsika.20

Tsy zavatra mitranga indray mandeha io fiovam-po io; mila finoana sy fibebahana ary asa ara-panahy tsy tapaka izany. Manomboka izany rehefa maniry ny hampanoa ny sitrapontsika amin’ny Tompo isika, ary mitranga izany rehefa manao fanekempihavanana Aminy isika sy mitandrina izany.

Misy vokany tsara eo amintsika sy eo amin’ny olona manodidina antsika izany zavatra ataon’ny tsirairay izany.

Araka ireo teny nolazain’ny Filoha Russell M. Nelson hoe, “Alaivo sary an-tsaina ny ho nampivaha haingana ireo ady mandravarava manerana an’izao tontolo izao—ary ireo ady atrehantsika eo amin’ny fiainantsika manokana—raha toa ka nisafidy ny hanaraka an’i Jesoa Kristy sy ny fampianarany ny olona rehetra.”21 Izany fihetsika manaraka ny fampianaran’ny Mpamonjy izany dia mitondra any amin’ny fiovam-po mahery vaika.

Ry rahalahy sy anabavy malala, ry tanora sy ny ankizy, rehefa mandray anjara amin’ny fihaonambe amin’ity faran’ny herinandro ity isika, dia aoka ny tenin’ireo mpaminanintsika, izay avy amin’ny Tompo, hiditra ao am-pontsika mba hahafahantsika hiaina fiovana mahery vaika.

Ho an’ireo izay mbola tsy niditra ho mpikamban’ny Fiangonan’ny Tompo naverina tamin’ny laoniny dia manasa anareo aho mba hihaino ireo misiônera miaraka amin’ny faniriana marina ny hahafantatra izay andrasan’ Andriamanitra aminareo sy hiaina izany fiovana anaty izany.22

Anio no andro hanapahan-kevitra hanarahana ny Tompo Jesoa Kristy. “Tompo ô, omeko Anao ny foko; tsy manana zavatra hafa homena Anao intsony aho.”

Tahaka ny fomba nakana indray an’ilay peratra avy tamin’ilay sambo nilentika, rehefa manolotra ny fontsika ho an’ Andriamanitra isika dia voavonjy amin’ny ranomasina misamboaravoara amin’ity fiainana ity, ary ao anatin’izany dia voasivana sy voadio amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Kristy isika ary lasa “zanak’i Kristy,” rehefa “naterany” ara-panahy.23 Izany no ijoroako ho vavolombelona amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.