Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
“Hataoko tonga matanjaka ny zavatra malemy”
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2022


11:59

“Hataoko tonga matanjaka ny zavatra malemy”

Rehefa manetry tena isika ka mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy, dia ny fahasoavan’i Kristy sy ny sorona fanavotana tsy misy fetra nataony no maha azo tanterahina izany hoe miova izany.

Indray mandeha ny Filoha Thomas S. Monson (1927–2018) dia nizara ny tantaran’i Clinton Duffy, izay talen’ny fonja iray. “Fanta-daza i [Tale Duffy] tany amin’ny taona 1940 sy 1950 tany ho any tamin’ny ezaka nataony hanovana ny toetran’ireo lehilahy tao amin’ny fonjany. Hoy ny mpitsikera iray: “Tokony ho fantatrao fa tsy mahaova ireo teboteboka eo amin’ny volony ny leoparda!”

“Namaly Tale Duffy hoe: “Tokony ho fantatrao fa tsy leoparda no iarahako miasa. Olombelona no iarahako miasa ary ny olombelona dia afaka miova isan’andro.’”1

Anisan’ny lainga lehibe indrindra afafin’i Satana ny hoe tsy afaka miova ny lehilahy sy ny vehivavy. Ambara ary averimberina ambara amin’ny fomba maro samihafa io lainga io araka ny ilazan’izao tontolo izao hoe tsy afaka miova tsotra izao isika, na ratsy kokoa noho izany mihitsy, hoe tsy tokony hiova isika. Lazaina antsika hoe ny toe-javatra misy antsika no mamaritra antsika. Tokony “hanaiky ny maha tena isika antsika isika,” hoy izao tontolo izao, “ary tokony haneho ny maha isika antsika marina isika.”

Afaka miova isika

Na dia tsara tokoa izany hoe mifanaraka amin’ny maha isika antsika izany, dia tokony hifanaraka amin’ilay tena maha isika antsika marina, amin’ny maha zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra manana toetra sy anjara araka an’ Andriamanitra ny ho tonga tahaka Azy isika.2 Raha toa ka tanjontsika ny hifanaraka amin’io toetra sy anjara araka an’ Andriamanitra io, dia mila miova daholo isika rehetra. Ny teny ara-tsoratra masina manambara ny fiovana dia ny hoe fibebahana. “Maro loatra,” hoy ny Filoha Russell M. Nelson nampianatra, “ireo olona izay mihevitra ny fibebahana ho toy ny fanasaziana, zavatra iray izay tokony hialana afa-tsy ao anatin’ireo toe-javatra faran’izay ratsy ihany. … Rehefa mangataka ahy sy ianao i Jesoa mba -hibebaka- dia manasa antsika Izy mba [hiova].”3

Ireo fepetra napetrak’ Andriamanitra

Ireo mpamorona rindrambaiko ho an’ny solosaina dia mampiasa toromarika misy fepetra hanoroana ny solosaina ny tokony hataony. Indraindray izy ireny dia antsoina hoe toromarika raha toa-dia. Toy ny amin’ilay hoe raha toa ka marina ny x, dia y no ataovy.

Ny Tompo ihany koa dia mampiasa fepetra: fepetran’ny finoana, fepetran’ny fahamarinana, fepetran’ny fibebahana. Maro ireo ohatra ahitana toromarika misy fepetra avy amin’ Andriamanitra, toy ny hoe:

Raha mitandrina ny didiko ianao ary maharitra hatramin’ny farany, dia ho azonao ny fiainana mandrakizay, izay fanomezana lehibe indrindra amin’ny fanomezan’ Andriamanitra rehetra.”4

Na hoe “raha manontany amin-kitsimpo ianareo, omban’ny tena finiavana, sady manam-pinoana an’i Kristy, dia haneho ny fahamarinan’izany aminareo Izy amin’ny herin’ny Fanahy Masina.”5

Eny fa na ny fitiavan’ Andriamanitra aza, na dia tsy misy fetra sy tonga lafatra, dia iharana fepetra ihany koa.6 Ohatra:

Raha mitandrina ny didiko ianareo, dia hitoetra amin’ny fitiavako, tahaka ny nitandremako ny didin’ny Raiko sy ny itoerako amin’ny fitiavany.”7

Namelabelatra misimisy kokoa mikasika io fitsipiky ny filazantsara io ny Loholona D. Todd Christofferson raha nampianatra hoe: “Ny sasany dia milaza matetika hoe: -Tia ahy amin’ny maha-izaho ahy ny Mpamonjy,- ary tena marina tokoa izany. Saingy tsy afaka maka antsika tsirairay amin’ny maha-isika antsika ho ao amin’ny fanjakany anefa Izy, -fa tsy misy zavatra tsy madio afaka mitoetra ao na mitoetra eo anatrehany- [Môzià 6:57]. Tsy maintsy voavela aloha ny fahotantsika.”8

Afaka ho tonga matanjaka ireo zavatra malemy

Iharana fepetra ihany koa ny fitahiana handraisana ny herin’ Andriamanitra hanampiana antsika hiova. Nampianatra ny Mpamonjy, tamin’ny alalan’i Môrônia mpaminany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, hoe: “Raha manatona Ahy ny olona, dia hasehoko azy ny fahalemeny. Omeko ho an’ny olona ny fahalemena mba hahazoany mietry; ary ampy ho an’ny olon-drehetra ny fahasoavako mba hanetreny tena eo anoloako; fa raha manetry tena eo anoloako izy ary manam-pinoana Ahy, amin’izany, ny zavatra malemy dia hataoko tonga matanjaka ho azy.”9

Raha jerena akaiky kokoa izay ampianarin’ny Tompo antsika eto, dia hahita isika fa milaza aloha Izy hoe omeny fahalemena tokana ny olona, na lahy na vavy, fahalemena izay tafiditra amin’ny zavatra iainantsika eto an-tany amin’ny maha olona lavo na araka ny nofo antsika. Lasa lehilahy sy vehivavy araka ny nofo isika noho ny fahalavoan’i Adama. Saingy amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia afaka mandresy ny fahalementsika isika, na ireo toetra maha lavo antsika.

Avy eo Izy dia milaza fa ampy ny fahasoavany ary raha manetry tena eo anoloany isika ary manam-pinoana Azy, dia hatao[ny] tonga matanjaka ho [antsika] ny zavatra malemy [maromaro].” Na koa hoe, rehefa manova ireo toetra maha-lavo antsika aloha isika, izany hoe ny fahalementsika, dia afaka hanova ireo fitondran-tenantsika isika, na ireo fahalementsika.

Ireo zavatra takina amin’ny fiovana

Andao averina jerena ireo zavatra takina amin’ny fiovana araka ny lamin’ny Tompo:

Voalohany, tsy maintsy manetry tena isika. Ny fanetrentena no fepetra takin’ny Tompo ho an’ny fiovana. “Raha manetry tena eo anoloako izy,”10 hoy Izy. Ny fieboeboana no mifanohitra amin’ny fanetrentena. Misy ny fieboeboana rehefa izay eritreretintsika na tsapantsika no mandeha alohan’izay erireretin’ Andriamanitra na tsapany.

Nampianatra ny Mpanjaka Benjamina fa “ny olona araka ny nofo dia fahavalon’ Andriamanitra … ary mbola ho toy izany mandrakizay mandrakizay, raha tsy … manaisotra ny maha-olona araka ny nofo azy sy tonga olomasina amin’ny alalan’ny sorompanavotan’i Kristy Tompo ary tonga tahaka ny ankizy, mankatò, malemy paika [ary] manetry tena.”11

Mba hahafahana miova dia mila manaisotra ny maha-olona araka ny nofo isika ary tonga manetry tena sy mankatò. Tsy maintsy manana fanetrentena ampy hanarahana ny mpaminany velona isika. Fanetrentena ampy hanaovana fanekempihavanan’ny tempoly sy hitandremana izany. Fanetrentena ampy hibebahana isan’andro. Isika dia tsy maintsy manana fanetrentena ampy haniriana hiova mba “hanoloran[tsika] ny fon[tsika] ho an’ Andriamanitra.”12

Faharoa, tsy maintsy manana finoana an’i Jesoa Kristy isika. Hoy ihany ny tenin’ny Mpamonjy: “Raha manetry tena eo anoloako izy, ary manam-pinoana Ahy,”13 dia homeny hery handresena ireo fahalementsika. Ny fanetrentena tafaraka amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy no hahafahantsika mahazo ilay hery mifono fahefana avy amin’ny fahasoavany, sy ilay fahafenoan’ny fitahiana azo noho ny Sorompanavotany.

Nampianatra ny Filoha Nelson fa “ny fibebahana marina dia manomboka amin’ny finoana fa i Jesoa Kristy dia manana ny hery hanadio, sy hanasitrana ary hampatanjaka antsika. … Ny finoantsika no ahafahantsika mahazo ny herin’ Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika.”14

Fahatelo, amin’ny alalan’ny fahasoavany no ahafahany manova ireo zavatra malemy ho tonga matanjaka. Raha manetry tena isika ary manana finoana an’i Jesoa Kristy, dia ny fahasoavany no hahafahantsika miova. Izany hoe, homeny hery isika hahafahantsika miova. Azo tanterahina tsara izany satria, araka ny teniny, “ampy ho an’ny olon-drehetra ny fahasoavako.”15 Ny fahasoavany manohana sy mampahery dia manome hery antsika handresena ireo sakana rehetra sy ireo olana rehetra ary ireo fahalemena rehetra rehefa mikatsaka ny hiova isika.

Ireo fahalemena lehibe indrindra ananantsika dia afaka ny ho lasa tanjatsika lehibe indrindra. Afaka miova isika ary “tonga olom-baovao.”16 Ireo zavatra malemy dia afaka ara-bakiteny ho “tonga matanjaka ho [antsika].”17

Notanterahan’ny Mpamonjy ny Sorompanavotany tsy manam-petra sy mandrakizay mba hahafahantsika miova marina tokoa sy mibebaka ary mihatsara kokoa. Azo ateraka indray isika raha ny marina. Afaka mahatohitra ireo fahazarana sy fiankinan-doha isika, eny fa na dia ny “fironana hanao ratsy”18 aza. Koa satria zanakalahy sy zanakavavin’ny Ray any An-danitra isika dia manana hery ao anatintsika isika hahafahana miova.

Ohatra amin’ny fiovana

Feno ohatra ana lehilahy sy vehivavy izay niova ny soratra masina.

I Saoly, Fariseo sy mpanenjika mavitrika ny fiangonana Kristianina tany am-piandohana,19 dia niova ho Paoly, Apôstôlin’ny Tompo Jesoa Kristy.

I Almà dia mpisorona tao andapan’i Noà Mpanjaka ratsy fanahy. Naheno ny tenin’i Abinadia izy dia nibebaka tanteraka ary lasa iray amin’ireo misiônera lehibe ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.

Nandany ny fahatanorany tamin’ny fiezahana hamotika ny Fiangonana i Almà zanany lahy. Ary izy dia anisan’ny “faraidiny indrindra tamin’ny [mpanota]”20 mandra-piainany fiovam-po ka lasa misiônera mahery noho ny ezaka nataony.

Natsangan’ny fianakavian’i Farao i Mosesy ary nobeazina tanatin’ny fiainana lafatra tamin’ny naha printsin’ny Egypta azy. Kanefa rehefa fantany hoe iza marina izy ka takany ny anjara masina niandry azy dia niova izy ary lasa ilay mpaminany lehibe mpanome lalàna tao amin’ny Testamenta Taloha.21

Nampiaiky ahy foana i James B. Keysor raiben’ny vadiko tamin’ny fiovam-pony mahery vaika.22 Nateraka Olomasin’ny Andro Farany mahatoky mpamaky lay tao amin’ny lohasahan’i Salt Lake izy tamin’ny 1906, namoy ny reniny fony izy mbola zaza ary nijaly nandritra ny fahatanorany manontolo. Lavitry ny Fiangonana no nandaniany ny naha zatovo azy sy ny fahatanorany, izay nahazoany fahazaran-dratsy maro nandritra izany fotoana izany. Na izany aza dia nihaona tamina vehivavy mahatoky izy izay novadiany, ary nahazo zanaka dimy izy ireo.

Tamin’ny 1943, taorian’ireo taon-tsarotra tamin’ny Krizy Maneran-tany, ary nandritra ny Ady Lehibe faharoa, dia nandao an’i Utah i Bud, araka ny fiantsoan’ireo namana sy tapaka azy, ka nifindra tany Los Angeles, Californie, hitady asa. Nandritra io fotoana lavitry ny ankohonana io izy dia niara-nipetraka tamin’ny anabaviny sy ny vadiny izay evekan’ny paroasin’izy ireo.

Noho ny fitiavan’ny anabaviny sy ny zaodahiny sy ny fitaoman’izy ireo, dia nanomboka liana tamin’ny Fiangonana indray izy ary nanomboka namaky ny Bokin’i Môrmôna isan-kalina mialoha ny hatoriana.

Indray alina, raha namaky tao amin’ny Almà toko 34 izy, dia tohina ny fony raha namaky ireto teny manaraka ireto:

“Eny, mba tiako ny handrosoanareo sy ny tsy hanamafisanareo ny fonareo intsony. …

“Fa indro, izao fiainana izao no fotoana ho an’ny olona mba hiomanana hihaonana amin’ Andriamanitra; eny, indro, ny andron’izao fiainana izao no andro ho an’ny olona mba hanatontosany ny asany.”23

Raha teo am-pamakiany an’ireo andininy ireo izy dia nisy fahatsapana nahery vaika nanenika azy, ary dia fantany fa nila niova izy, nila nibebaka, ary fantany izay tokony hataony. Niarina avy teo am-pandriana izy ary nandohalika ka nanomboka nivavaka, nitalaho tamin’ Andriamanitra mba hamela heloka azy ary hanome azy ny hery ilainy hanatanterahana ireo fanovana teo amin’ny fiainany. Voavaly ny vavaka nataony, ary nanomboka teo dia tsy nitodika tany aoriana intsony izy. Nanohy nanompo tao amin’ny Fiangonana i Bud ary nitoetra ho Olomasin’ny Andro Farany mahatoky sy feno fanoloran-tena hatrany amin’ny faran’ny androm-piainany. Niova tamin’ny lafiny rehetra izy. Ny fisainany, ny fony, ny fanaony, ny momba azy manontolo no niova.

Ry rahalahy sy anabavy, ny anjara sy tanjontsika araka an’ Andriamanitra dia ny ho tonga tahaka ny Raintsika any An-danitra sy Jesoa Kristy Mpamonjintsika any am-parany. Manatanteraka izany isika rehefa miova na mibebaka. Lasa “[m]isoritra [eo] amin’ny tarehin[tsika] ny endriky ny Mpamonjy.”24 Lasa vaovao sy madio ary hafa isika, ary manohy miezaka amin’izany tsotra izao isan’andro. Indraindray izany dia toy ny mandroso indroa mandingana ary mihemotra indray mandingana, saingy manohy mandroso amim-panetrentena sy amim-pinoana isika.

Ary raha manetry tena isika ka mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy, dia ny fahasoavan’i Kristy sy ny sorona fanavotana tsy misy fetra nataony no maha azo tanterahina izany hoe miova izany.

Mijoro ho vavolombelona aho fa i Jesoa Kristy no Mpamonjy sy Mpanavotra antsika marina. Tena ampy tokoa ny fahasoavany. Manambara aho fa Izy no “lalana sy fahamarinana ary fiainana.”25 Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.