Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Lesona teo amin’ilay fantsakana
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2022


Lesona teo amin’ilay fantsakana

Afaka mitodika amin’ny Mpamonjy isika ahazoana hery sy fanasitranana, ahafahantsika manatanteraka ny zavatra rehetra izay nanirahana antsika ho atao ety.

Fifaliana ho ahy ny miara-tafangona aminareo tsirairay amin’ity fivoriamben’ny vehivavy amin’ny fihaonambe maneran-tany ity!

Lehibe tany amin’ny faritra andrefan’i New York aho ary niangona tamina sampana kely iray an’ny Fiangonana izay miala 32 km eo ho eo avy eo an-tranonay. Rehefa nipetraka niaraka tamin’i Patti Jo namako irery tao amin’ny kilasin’ny Sekoly Alahady aho tao amin’ny fanambanin’ilay trano fiangonanay efa tranainy sy nofaina, dia tsy azoko heverina velively ny hoe izaho dia isan’ireo vehivavy aman-tapitrisany ao amin’ny fiombonan’ny mpirahavavy.

Dimy taona lasa izay dia narary mafy i Bruce vadiko rehefa nanompo tany amin’ireo Olomasina tany amin’ny Vondromparitra Eorôpa Antsinanana izahay. Niverina nody izahay ary herinandro vitsy monja taorian’izay dia nodimandry izy. Niova tampoka teo ny fiainako. Nalahelo mafy aho ary nahatsapa ho nalemy sy osa. Nitalaho tamin’ny Tompo aho hitari-dalana ahy nanao hoe: “Inona no tianao hataoko?”

Afaka herinandro vitsivitsy taorian’izay, teo am-pijerena ireo taratasy tonga aho no iny nisy katalôgy kely nahasarika ny masoko. Rehefa nojereko akaiky izany dia fantatro fa hay ilay izy sanganasan’ny mpanakanto iray maneho ilay vehivavy Samaritana miaraka amin’i Jesoa teo am-pantsakana. Tamin’izay fotoana izay no niteny mazava tamiko ny Fanahy nanao hoe: “Izao no zavatra tokony hataonao.” Nanasa ahy ny Ray any An-danitra be fitiavana mba hanatona ny Mpamonjy sy hianatra.

Te hizara lesona telo aminareo aho izay hianarako eo am-panohizako ny hisotro amin’ny “rano velona.”1 eo amin’ny fantsakany.

Voalohany: Tsy mamaritra ny hoavintsika ireo zava-mitranga tamin’ny lasantsika sy amin’izao fotoana izao.

Ry rahavavy, fantatro fa maro aminareo no mahatsapa toa ahy, tsy mahatoky tena amin’ny fomba hiatrehana ireo fanamby sy tsy fahombiazana sarotra, tsy fahombiazana satria ny fiainanao dia tsy mitranga araky ny nantenainao, tsy araky ny vavaka nataonao ary tsy araka izay nomaninao.

Masina ny fiainantsika ary misy dikany sy manana tanjona na inona na inona toe-javatra mitranga eo amintsika. Zanakavavy malalan’ Andriamanitra isika tsirairay, ary efa ao amintsika hatry ny vao teraka ny fahafahana ho tonga tahaka an’ Andriamanitra.

Ny Mpamonjintsika Jesoa Kristy, tamin’ny alalan’ny sorona manavotra nataony dia nanao izay ahafahantsika ho voadio sy ho sitrana ka hamela antsika hanatanteraka ny tanjontsika eto an-tany na inona na inona fanapahan-kevitry ny fianakaviana, na manambady isika na tsia, na marary ara-batana na ara-tsaina, na inona na inona toe-javatra mitranga hafa.

Eritrereto ilay vehivavy teo am-pantsakana. Toy ny ahoana ny fiainany? Fantatr’i Jesoa fa nanambady in-dimy izy, ary tsy mbola vadiny koa ilay miara-mipetraka aminy ankehitriny. Kanefa, na dia teo aza ireo fahasarotam-piainany dia natao ho azy ny iray tamin’ireo fanambarana ampahibemaso nataon’ny Mpamonjy fa Izy no Mesia. Hoy Izy hoe: “Izaho izay miresaka aminao no Izy.”2

Lasa vavolombelona mahery izy, ary nanambara tamin’ireo olona teo an-tanànany fa i Jesoa no Kristy. “Ary maro ny Samaritana avy tao amin’izany tanàna izany no nino Azy noho ny filazan-dravehivavy.”3

Tsy namaritra ny hoaviny ny zava-nitranga tamin’ny lasany sy amin’izao fotoana izao. Tahaka azy dia afaka misafidy ny hitodika amin’ny Mpamonjy isika androany ahazoana hery sy fanasitranana, ahafahantsika manatanteraka ny zavatra rehetra izay nanirahana antsika ho atao ety.

Faharoa: Ao amintsika ny hery

Ao amin’ny andinin-tsoratra masina iray mahazatra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia mamporisika ny vehivavy sy ny lehilahy ny Tompo mba “hirotsaka amin’ny tanjona tsara, ary hanao zavatra maro amin’ny nahim-pony ka hahatonga fahamarinana fatratra; fa ao aminy ny hery izay ahafahany manao safidy ho an’ny tenany.4

Ry rahavavy isany, ao amintsika ny hery mba hahatonga fahamarinana fatratra!

Nijoro ho vavolombelona ny Filoha Nelson hoe: “Ny lehilahy sy ny vehivavy tsirairay izay manao fenekempihavanana amin’ Andriamanitra ka mitandrina izany fanekempihavanana izany sy mandray anjara amim-pahamendrehana amin’ireo ôrdônansin’ny fisoronana dia afaka mahazo mivantana ny herin’ Andriamanitra.”5

Lasa fantatro fa rehefa miezaka ny hanaja ny fanekempihavanana masina nataontsika tamin’ny batisa sy tany amin’ny tempoly masina isika dia hitahy antsika ny Tompo “amin’ny heriny manasitrana sy mampatanjaka” sy amin’ny “fahatakarana sy fifohazana ara-panahy izay tsy mbola [nananantsika] mihitsy taloha.”6

Fahatelo: “Avy amin’ny zavatra madinika no hivoahan’ny lehibe”7

Nampianatra ireo mpianany i Jesoa tao amin’ny Toriteny teo an-tendrombohitra hoe: “Ianareo no fanasin’ ny tany”8 ary koa hoe “Ianareo no fahazavan’ izao tontolo izao.”9 Taty aoriana kely dia nampitaha ny fitombon’ny fanjakan’ny lanitra tamin’ny masirasira Izy, “izay nalain’ny vehivavy anankiray ka nataony tao amin’ny koba in-telon’ny famarana, mandra-pahazoan’ny masirasira azy rehetra.”10

  • Fanasina (Sira)

  • Masirasira (lalovay)

  • Fahazavana

Na dia fatra kely fotsiny amin’izy ireo aza dia samy misy fiantraikany amin’ireo zavatra rehetra manodidina azy. Manasa antsika ny Mpamonjy hampiasa ny Heriny ho toy ny fanasina (sira), masirasira (lalovay), ary fahazavana.

Fanasina (Sira)

Mahagaga ny fahasamihafana entin’ny sira indray mitsongo amin’ny tsiron-tsakafo izay hanintsika. Kanefa ny sira no isan’ny fangaro tsotra sy mora vidy indrindra.

Vakintsika ao amin’ny bokin’ny 2 Mpanjaka ny tantaran’ilay “zazavavy kely”11 izay nalain’ny Syriana ho babo ary lasa mpanompon’ny vadin’i Namàna komandin’ny miaramila Syriana. Izy dia toy ny sira, tanora izy, tsy manan-danja eo amin’izao tontolo izao, ary ny fiainany tamin’ny naha -andevo azy tany amin’ny firenena hafa dia mazava ho azy fa tsy araky ny nantenainy.

Kanefa izy dia nilaza fehezan-teny roa tamin’ny herin’ Andriamanitra, nijoro ho vavolombelona tamin’ny vadin’i Namana hoe: “Enga anie ka mba ao amin’ny mpaminany izay any Samaria ny Tompoko! dia hahasitrana azy amin’ny habokàny izy.”12

Voampita tamin’i Namàna ireo teny feno finoana nataony, ary nanao arak’izay nolazainy i Namàna ka lasa sitrana ara-batana sy ara-panahy.

Ny amin’ireo mpanompo izay nandresy lahatra an’i Namàna hijoboka tao amin’ny ony Jordana araky ny toromarik’i Elisa no ifantohantsika matetika, saingy tsy ho tonga teo am-baravaran’i Elisa i Namàna raha tsy teo “ilay ankizivavy kely.”

Mety ho tanora ianao ary mahatsapa ho tsy misy lanjany, saingy afaka ny ho toy ny fanasina ianao ao amin’ny fianakavianao, any an-tsekoly sy eo amin’ny fiaraha-monina misy anao.

Masirasira (lalovay)

Efa nihinana mofo tsy nisy lalovay ve ianao? Ahoana no hamariparitanao izany? Matevina? mavesatra? Mafy? Mitombo ny mofo rehefa misy lalovay kely fotsiny, ary lasa maivana sy malemy kokoa.

Rehefa manasa ny herin’ Andriamanitra ho eo amin’ny fiainantsika isika dia afaka manolo ny “fanahy reradreraka”13 amin’ny fomba fijery entanim-panahy izay mankahery ny hafa sy manome toerana ireo fo hositranina.

Vao haingana no nisy namako iray trotraky ny alahelo, nitsotsotra teo am-pandriana indray marainan’ny Krismasy. Niangavy azy ny zanany mba hiarina; kanefa izy mbola feno fanaintainana noho ny fisaraham-panambadiana izay efa eo an-dalana. Rehefa nitsotsotra teo am-pandriana tamin-dranomaso izy dia namboraka ny fanahiny tamim-bavaka tamin’ny Ray any An-danitra, nilaza Taminy ny fahadisoam-panantenany.

Rehefa nofaranany ny vavaka nataony dia nibitsika taminy ny Fanahy fa fantatr’ Andriamanitra ny fijaliany. Heniky ny fangorahany azy izy. Io zavatra niainana io dia nanamarina ny fihetseham-pony sy nanome azy fanantenana fa tsy mijaly irery izy. Nitsangana izy, nivoaka tany ivelany, ary nanamboatra sariolona ranomandry niaraka tamin’ireo zanany ka nanolo ny vesatr’ilay maraina tamin’ny tsiky sy hafaliana.

Fahazavana

Hazavana toy ny ahoana no ilaina handresena ny haizina anaty efitrano iray? Taratra iray monja. Ary io tara-pahazavana anatin’ny toerana maizina io dia afaka mivoaka avy amin’ilay herin’ Andriamanitra ao aminao.

Na dia mety mahatsiaro ho irery aza ianao rehefa mamely anao ny tafio-drivotry ny fiainana, dia afaka mampamirapiratra ny mazava ao amin’ny haizin’ny tsy fahatakarana sy ny fifanjevoana ary ny tsy finoana ianao. Afaka miorina tsara sy azo antoka ny fahazavan’ny finoanao an’i Kristy ary hitarika ireo manodidina anao mankamin’ny fiarovana sy ny fiadanana.

Ry rahavavy, fo maro no hiova ary fiainana maro no ho voatahy rehefa manome sira indray mitsongo isika, sy lalovay eran’ny sotro ary tara-pahazavana iray.

Mijoro ho vavolombelona aho fa ny Mpamonjy no fanasina eo amin’ny fiainantsika, izay manasa antsika hanandrana amin’ny fifaliany sy ny fitiavany.14 Ary Izy no ilay lalovay na masirasira rehefa sarotra ny fiainantsika, ilay mitondra ho antsika fanantenana15 sy manamaivana ireo enta-mavesatsika 16 amin’ny alalan’ny heriny tsy manan-tsahala sy ny fitiavany manavotra.17 Izy no fahazavantsika,18 manazava ny lalantsika miverina mody.

Mivavaka aho mba ho afaka hanatona ny Mpamonjy isika tahaka ilay vehivavy teo am-pantsakana, ary hisotro amin’ny ranovelony. Ka afaka miara-miteny amin’ireo vahoakan’ny Samaria isika hoe, “[Ankehitriny dia mino izahay], … fa ny tenanay no mandre, ka fantatray fa Izy tokoa no Mpamonjy izao tontolo izao.”19 Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Hamoaka printy