Ny fifandraisantsika amin’ Andriamanitra
Na inona na inona mety hateraky ny zavatra iainantsika ety an-tany dia afaka matoky an’ Andriamanitra sy mahita fifaliana ao Aminy isika.
Toa an’i Joba ao amin’ny Testamenta Taloha, dia misy olona sasany ao anatin’ny fahoriana mety hahatsapa ho nafoin’ Andriamanitra. Noho ny fahafantarantsika fa manana hery ny hanakana na hanala fahoriana Andriamanitra, dia mety alaim-panahy isika hitaraina rehefa tsy manao izany Izy, ary angamba hametra-panontaniana hoe “Raha tsy manome ahy ny fanampiana ivavahako Andriamanitra dia ahoana no ahafahako hanam-pinoana Azy?” Nisy fotoana i Joba tao anatin’ny fitsapana mafy nanjo azy niteny hoe:
“Dia aoka ho fantatrareo fa Andriamanitra no efa nampitanondrika ahy ka efa naningotra ahy tamin’ny fandrika haratony.
“Indro, miantso mafy aho hoe: -Loza!- Nefa tsy misy mamaly ahy; Mitaraina aho, nefa tsy mahita rariny.”1
Ny valiny nomen’ Andriamanitra an’i Joba dia fanontaniana manao hoe: “Hanaisotra ny rariny Amiko va ianao?”2 Na amin’ny teny hafa dia hoe: “Handiso ahy ve ianao? Hanameloka Ahy ve ianao mba hahazoanao ny rariny?”3 Nampatsiahivin’i Jehovah an’i Joba tamin-kery ny maha-tsitoha sy heni-pahalalana Azy, ka tamim-panetrentena lalina no niaiken’i Joba fa tsy misy na inona na inona ananany ka manakaiky akory ny fahalalana, sy ny hery ary ny fahamarinan’ Andriamanitra ary tsy afaka ny hitsara ilay Tsitoha izy:
“Fantatro fa hainao avokoa ny zavatra rehetra” hoy izy, “ary tsy azo ferana ny fisainanao.
“… Nilaza izay tsy fantatro aho, dia zava-mahagaga loatra amiko, izay tsy takatry ny saiko. …
“Koa dia miaiky sy mibebaka eto amin’ny vovoka sy ny lavenona aho.”4
Tamin’ny farany dia nanana tombontsoa ny hahita ny Tompo i Joba, ary “Jehovah nitahy ny niafaran’i Joba mihoatra noho ny voalohany.”5
Tena hadalana ho antsika ny hihevitra ny hitsara an’ Andriamanitra amin’ny saintsika tsy mahataka-davitra ka hieritreritra toy ny hoe: “Tsy sambatra aho. Azo antoka noho izany fa manao zavatra tsy mety Andriamanitra.” Toy izao no lazainy amintsika zanany eto amin’ny tontolo lavo, izay zara raha mahafantatra ny amin’ny lasa sy ny ankehitriny ary ny ho avy: “Ny zava-drehetra dia miharihary eo anoloako, fa fantatro izy rehetra.”6 Nampitandrina tamim-pahendrena i Jakôba hoe: “Noho izany, ry rahalahy, aza mikatsaka ny hanoro hevitra ny Tompo fa ny handray kosa torohevitra eo an-tanany. Fa indro, fantatry ny tenanareo fa mitantana ny asany rehetra Izy araka ny fahendrena sy ny hitsiny ary ny famindram-po lehibe.”7
Misy ny mandiso ireo fampanantenana nomen’ Andriamanitra ho midika fa ny fankatoavana Azy dia miteraka vokany manokana amin’ny fotoana manokana. Mety hieritreritra izy ireo hoe: “Raha manompo amim-pahavitrihana aho mitory ny filazantsara amin’ny fotoana feno dia hanome ahy tokantrano sambatra sy zanaka Andriamanitra” na “Raha tsy manao ny entimodiko mandritra ny Sabata aho dia hanome ahy naoty tsara Andriamanitra” na “Raha mandoa fahafolonkarena aho dia hanome ahy ny asa niriko hatrizay Andriamanitra.” Rehefa tsy mitranga mazava tsara araka io fomba io na araka ny fandaharam-potoana nantenaina azy ny fiainana dia mety hahatsapa ho nivadihan’ Andriamanitra izy ireo. Saingy miaraka amin’ Andriamanitra dia tsy mitranga amin’izao sy mandeha ho azy ny zava-drehetra. Isika dia tsy tokony hieritreritra ny drafitr’ Andriamanitra ho toy ny milim-pivarotana ana habakabaka izay hanindrintsika hoe (1) safidio ny fitahiana tianao, (2) ampidiro ny habetsahan’ny asa tsara vita, ary dia (3) voatitra avy hatrany ny zavatra nafarana.8
Marina tokoa fa hanatanteraka ireo fanekempihavanany sy ireo fampanantenany nataony tamintsika tsirairay avy Andriamanitra. Tsy mila manahy ny amin’izany isika.9 Ny hery manavotr’i Jesoa Kristy, izay nidina ho ambanin’ny zava-drehetra ka nahatakarany ny zava-drehetra10 sy manana ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany11, dia manome antoka fa Andriamanitra dia afaka manatanteraka sy hanatanteraka ireo fampanantenany. Manan-danja ny hoe manaja sy mankatò ireo didiny, saingy tsy ny fitahiana rehetra izay mifototra amin’ny fankatoavana lalàna12 no voavolavola, sy natao, ary mifanaraka amin’izay anantenantsika azy. Manao izay tsara vitantsika isika saingy tsy maintsy mamela Azy hitantana ireo fitahiana ara-nofo sy ara-panahy.
Nanazava ny Filoha Brigham Young fa ny finoany dia tsy naorina teo ambony vokatra na fitahiana sasany fa teo amin’ny fijoroana ho vavolombelona nananany sy ny fifandraisany tamin’i Jesoa Kristy. Hoy izy: “Ny finoako dia tsy miorina eo amin’ny fiasan’ny Tompo amin’ireo nosin-dranomasina, na eo amin’ny fitondrany ny vahoaka ho eto, … na koa amin’ireo tombontsoa omena ity vahoaka ity na iry vahoaka iry, tsy amin’ny hoe voatahy na tsy voatahy koa isika, fa ny finoako dia miorina eo amin’i Jesoa Kristy Tompo, sy ny fahalalana noraisiko avy Taminy.”13
Manan-danja ny fibebahantsika, sy ireo asa fanompoana ataontsika, ary ireo fahafoizan-tenantsika. Tiantsika ny mba ho isan’ireo voalazan’i Etera hoe “hahefa be mandrakariva amin’ny asa tsara.”14 Saingy ny hoe mahefa be amin’ny asa tsara dia tsy hoe noho ny fisiana tarehimarika voarakitra ao anatin’ny boky firaketana tantara any an-danitra. Manan-danja ireny zavatra ireny satria mampandray anjara antsika amin’ny asan’ Andriamanitra ary fomba ahafahantsika miara-miasa Aminy amin’ny fanovana ny olon’ny nofo ao amintsika ho lasa olomasina.15 Ny zavatra omen’ny Ray any An-danitra antsika dia ny Tenany sy ny Zanakalahiny, fifandraisana akaiky sy maharitra Amin’Izy Ireo amin’ny alalan’ny fahasoavana sy fanalalanan’i Jesoa Kristy, Mpanavotra antsika.
Zanak’ Andriamanitra isika, natokana ho amin’ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizay. Ny ho mpandova Azy no anjarantsika, “mpiray lova amin’i Kristy.”16 Ny Ray any An-danitra dia vonona ny hitarika antsika tsirairay avy eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana omban’ireo dingana natao ho an’ny filantsika tsirairay ary norafetina hifanaraka amin’ny drafiny ho an’ny fahasambarantsika miaraka Aminy amin’ny farany. Afaka miandrandra fitomboana fitokisana sy finoana ny Ray sy ny Zanaka sahady isika. Miandrandra ny fitomboan’ny fahatsapana ny fitiavan’Izy Ireo, ary ny fampiononana tsy tapaka sy ny fitarihan’ny Fanahy Masina.
Na izany aza dia tsy mora ho an’iza na iza amintsika io lalana io. Maro loatra ireo fanefena ilaina ka tsy ho mora izany. Hoy i Jesoa:
“Izaho no tena voaloboka, ary ny Raiko no mpanamboatra.
“Ny sampany rehetra eo amiko izay tsy mamoa dia esorin’[ny Ray]; fa ny sampany rehetra izay mamoa kosa dia amboariny, mba hamoa bebe kokoa.”17
Ny dingan’ny fanadiovana tarihan’ Andriamanitra, noho ny antony tsy azo ialana, dia tsy hampahazo aina tampoka sy haharary indraindray. Raha tsiahivina ny nolazain’i Paoly, isika dia “mpiray lova amin’i Kristy koa; raha miara-miaritra Aminy isika mba hiara-manam-boninahitra Aminy koa.”18
Koa eo anivon’io afon’ny mpandrendrika io, dia aleo manatona an’ Andriamanitra toy izay mitezitra amin’ Andriamanitra. Miantsoa ny Ray amin’ny anaran’ny Zanaka. Miaraha-mamindra amin’Izy Ireo ao amin’ny Fanahy, isan’andro. Avelao Izy Ireo haneho ny fahatokian’Izy Ireo aminao indraindray. Ataovy izay hahafantarana Azy Ireo sy ny tenanao marina tokoa.19 Aoka Andriamanitra no hanjaka.20 Manome toky antsika ny Mpamonjy hoe:
“Henoy Ilay mpisolovava eo amin’ny Ray izay miaro ny tombontsoanareo eo anoloany—
“Manao hoe: Ray ô, indro ny fijaliana sy ny fahafatesan’ Ilay tsy nanota, izay nankasitrahanao tokoa; indro ny ran’ ny Zanakao izay nalatsaka, ny ran’ Ilay nomenao mba hahazoana mankalaza Anao;
“Noho izany Ray ô, dia tsimbino ireto rahalahiko ireto izay mino ny anarako, mba hahazoany manatona Ahy ary manana ny fiainana maharitra mandrakizay.”21
Eritrereto ny ohatra sasany maneho ireo vehivavy sy lehilahy mahatoky natoky an’ Andriamanitra izay natoky fa ireo fampanantenany dia ho tò amin’izy ireo na ho faty izy ireo na ho velona. Ny finoan’izy ireo dia tsy nifototra tamin’izay nataon’ Andriamanitra na izay tsy nataony tamina toe-javatra na fotoana manokana fa tamin’ny fahafantarana Azy amin’ny maha-Ray mpanao soa Azy, sy i Jesoa Kristy amin’ny maha-Mpanavotra tsy mandao azy ireo.
Rehefa iny Abrahama mby ho nataon’ny mpisorona Egyptiana an’i Elkenà sorona iny dia niantso an’ Andriamanitra izy mba hanavotra azy, ary dia nataon’ Andriamanitra izany.22 Velona i Abrahama mba ho lasa rain’ireo mahatoky ka amin’ny alalan’ny taranany no hitahiana ny fianakaviana rehetra eto an-tany.23 Talohan’izany, teo amin’io altara io ihany, io mpisoron’i Elkenà io ihany dia nanao sorona virjiny telo, izay “noho ny fahadiovany … dia tsy nety niankohoka mba hitsaoka ireo andriamanitra hazo na vato.”24 Maty maritiora izy ireo.
I Josefa fahiny, izay namidin’ireo rahalahiny ho andevo fony izy zatovo, dia nitodika tamin’ Andriamanitra tao anatin’ny fahoriany. Nitombo fahefana tsikelikely tao amin’ny tranon’ny tompony tany egypta izy saingy voarombaka taminy izany fahombiazana rehetra izany avy eo noho ny fiampangana tsy marina nataon’ny vadin’i Potifara. Azon’i Josefa natao ny nieritreritra hoe: “Dia ny fonja izany no mendrika ahy noho ny fitandremako ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena.” Saingy naleony nanohy nitodika tamin’ Andriamanitra ka niroborobo izy na dia tao am-ponja aza. Nisedra fahadisoam-panantenana mahaketraka fanampiny i Josefa rehefa nanadino ny momba azy rehetra ilay voafonja iray namany taorian’ny namerenana azy ho amin’ny toerany tao amin’ny lapan’i Farao, na dia teo aza ny fampanantenany ny hanampy an’i Josefa. Tamin’ny fotoana nampety azy, araka ny efa fantatrareo, dia niditra an-tsehatra ny Tompo mba hametraka an’i Josefa teo amin’ny toeram-pitokiana sy fahefana ambony indrindra ambanin’i Farao, izay nahafahan’i Josefa namonjy ny taranak’i Isiraely. Azo antoka fa afaka manamafy i Josefa “ fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’ Andriamanitra.”25
Ny hanatontosa ny iraka masina nampiandraiketina azy no fikasan’i Abinadia. “Faranako ny hafatro,” hoy izy, “ary tsy ahoako [izay hanjo ahy], raha toa ka voavonjy aho.”26 Novonoina izy, saingy azo antoka fa voavonjy any amin’ny fanjakan’ Andriamanitra izy, ary i Almà ilay hany olona niova fo noho ny fitoriany, dia nanova ny fizotry ny tantaran’ny Nefita izay nitondra nankany amin’ny niavian’i Kristy.
Nafahana avy tao am-ponja tany Amônihà i Almà sy i Amioleka ho valin’ny fitalahoan’izy ireo, ary novonoina ny mpanenjika azy ireo.27 Talohan’izay anefa, ireo mpanenjika ireo ihany dia nanipy vehivavy mpino sy ny zanak’izy ireo tanaty afo midedadeda. I Almà izay nanatri-maso io tranga mahatsiravina io tao anatin’ny fahorian-tsaina dia noteren’ny Fanahy tsy hampiasa ny herin’ Andriamanitra “[hamonjena] azy ireo avy ao amin’ny lelafo”28 mba ho voaray any amin’ Andriamanitra amim-boninahitra izy ireo.29
Ny Mpaminany Joseph Smith dia niaritra tao am-ponja tany Liberty, Missouri, tsy afaka nanao na inona na inona mba hanampiana ny Olomasina raha norobaina sy nesorina an-keriny hiala ny tranony izy ireo tao anatin’ny hatsiaka mamirifirin’ny ririnina. “Andriamanitra ô, aiza no misy Anao?” Hoy i Joseph Smith nihiaka. “Mandra-pahoviana no hihazonanao ny tananao?”30 Ho valiny dia nampanantena ny Tompo hoe: “Ny fahorianao sy ny fijalianao dia tsy haharitra afa-tsy fotoana fohy; ary rehefa izany, raha iaretanao tsara izany, dia hanandratra anao ho amin’ny avo Andriamanitra. … Tsy mbola tahaka an’i Joba ianao.”31
Nony farany dia afaka niara-nanambara tamin’i Joba i Joseph hoe: “Na dia hamono ahy aza [Andriamanitra], mbola hanantena Azy ihany aho.”32
Ny Loholona Brook P. Hales dia nitantara ny tantaran’ny Rahavavy Patricia Parkinson, izay nahita ara-dalàna tamin’ny fahaterahany saingy lasa jamba rehefa 11 taona.
Nitantara ny Loholona Hales hoe: “Efa an-taonany maro no nahafantarako an’i Pat ary vao haingana aho no nilaza taminy fa tena mahavariana ahy ilay izy manana eritreritra tsara sy faly foana. Hoy izy namaly hoe: -Tsy niaraka tamiko tany an-trano ianao, sa tsy izany? Misy fotoana hananako olana. Efa nisedra tamin’ny fomba henjana hareraham-panahy aman-tsaina aho, ary matetika no mitomany.- Kanefa, hoy izy nanohy: -Nanomboka tamin’ny fotoana nanombohako niha-tsy nahita, dia hafahafa ilay izy, saingy fantatro fa niaraka tamiko sy tamin’ny fianakaviako ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy. … Ho an’ireo izay manontany ahy raha tezitra aho satria jamba, dia valiko hoe: -Iza moa no hitezerako? Miaraka amiko ao anatin’izao toe-javatra izao ny Ray any An-danitra. Tsy irery aho. Miaraka amiko foana Izy.-”33
Amin’ny farany dia ny fitahian’ny fifandrasaina akaiky sy tsy lefy amin’ny Ray sy ny Zanaka no katsahintsika. Izany no mampiova ny zava-drehetra ary hahaleo ny sarany mandrakizay ny vidiny. Hiara-hijoro ho vavolombelona amin’i Paoly isika rehetra “fa ny fahoriana amin’izao andro [eto an-tany] izao dia tsy tokony hoharina amin’ny voninahitra izay haseho amintsika.”34 Mijoro ho vavolombelona aho fa na inona na inona mety hateraky ny zavatra iainantsika ety an-tany dia afaka matoky an’ Andriamanitra sy mahita fifaliana ao Aminy isika.
“Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, Fa aza miankina amin’ny fahalalanao.
“Maneke Azy amin’ny alehanao rehetra, fa Izy handamina ny lalanao.”35
Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.