Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Isika no atao hoe Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2022


Isika no atao hoe Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany

Ny Fiangonana dia mihoatra noho ny trano sy ny rafitra ara-pivavahana, ny Fiangonana dia isika mpikambana ka i Kristy no lohany ary ny mpaminany no mpitondra teniny.

Tamin’izaho 26 taona, taorian’ny nahazoako ilay fanasana hoe “andeha hizaha”1 no nandehanako voalohany indrindra tato amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Vao avy nisaraka tamin’ny vadiko voalohany aho. Nanan-janaka lahikely telo taona aho. Nahatsapa aho hoe tsy nanana hery sady natahotra. Rehefa niditra tao amin’ilay trano aho, dia tsara ny fahatsapana nananako rehefa nahita ny finoana sy ny fifalian’ireo olona nanodidina ahy. Tena “fierena amin’ny oram-baratra”2 tokoa izany. Telo herinandro taty aoriana aho dia nanao ireo fanekempihavanan’ny batisa tamin’ny Ray any An-danitra ary nanomboka ny diako amin’ny maha-mpianatr’i Kristy ahy, na dia tsy tonga lafatra aza ny fiainako nandritra izany diako izany.

Mba hahazoako ireo fitahiana mandrakizay ireo, dia maro ny zavatra ara-batana sy ara-panahy nilaina ho tafapetraka tsara. Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia naverina tamin’ny laoniny sy notoriana, ilay trano fivoriana dia naorina sy nokarakaraina, nisy rafitra ara-pivavahana, hatrany amin’ny mpaminany ka hatramin’ny mpitarika eo an-toerana; ary ilay sampana feno mpikamban’ny fanekempihavanana dia vonona ny handray ahy sy ny zanako lahy rehefa nentina hankeo amin’ny Mpamonjy izahay sy “[nofahanana] [t]amin’ny teny soan’ Andriamanitra,”3 ary nomena fahafahana hanompo.4

Hatrany am-boalohany Andriamanitra dia efa nikatsaka ny hanangona ireo zanany sy hametraka lamina ho azy ireo mba5 “[hanatanterahana] ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain[tsika].”6 Araka izany tanjona izany no nanomezany torolalana antsika mba hanorina toerana fitsaohana,7 izay handraisantsika fahalalana sy ireo ôrdônansin’ny famonjena sy ny fisandratana, hanaovantsika sy hitandremantsika ireo fanekempihavanana izay mamatotra antsika amin’i Jesoa Kristy;8 hanafiana antsika amin’ny “herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra”;9 ary hiara-hiangona matetika mba hahatsiaro an’i Jesoa sy hifankahery ao Aminy.10 Ny rafitry ny Fiangonana sy ny trano fivoriany dia natao ho an’ny tombontsoantsika ara-panahy. “Ny Fiangonana … no totohatra entintsika manorina fianakaviana mandrakizay.”11

Rehefa niresaka tamin’ny namako iray izay nandalo fotoan-tsarotra aho dia nanontaniako izy hoe ahoana no ahatafavoahany ara-bola. An-dranomaso no namaliany ahy hoe ny evekany no nanampy azy amin’ny fampiasana ny volan’ny fanatitry ny fifadian-kanina. Ary nampiany hoe: “Tsy fantatro hoe taiza ho aiza aho sy ny fianakaviako raha tsy teo ny Fiangonana.” Namaly aho hoe: “Ireo mpikambana no atao hoe Fiangonana. Izy ireo no manome fanatitry ny fifadian-kanina an-tsitrapo sy am-pifaliana mba hanampiana ireo izay sahirana amintsika. Ny vokatry ny finoan’izy ireo sy ny fahavononany hanaraka an’i Jesoa Kristy no raisinao.”

Ry mpianatr’i Kristy namako, aoka isika tsy hanamaivana ny asa mahagaga izay ataon’ny Tompo amin’ny alalantsika Fiangonany na dia eo aza ireo fahalementsika. Indraindray isika mpanome ary indraindray isika mpandray, fa dia fianakaviana iray ihany isika rehetra ao amin’i Kristy. Ny Fiangonany no rafitra nomeny mba hitarihana sy hitahiana antsika rehefa mitsaoka Azy sy mifanompo isika.

Misy rahavavy vitsivitsy niala tsiny tamiko, nieritreritra izy ireo fa tsy mpikambana mazoto ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana izy ireo satria manompo any amin’ny Kilonga na any amin’ny Zatovovavy. Ireo rahavavy ireo dia anisan’ny mpikambana mazoto indrindra ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana satria manampy ireo ankizy sy tanora mamintsika izy ireo hampatanjaka ny finoany an’i Jesoa Kristy.

Ny Fikambanana Ifanampiana dia tsy voafetra anaty efitra iray ao amin’ny trano fivoriana na lesona amin’ny alahady na fiaraha-mientana na fiadidiana eo an-toerana na maneran-tany. Ny Fikambanana Ifanampiana dia ireo vehivavin’ny fanekempihavanana ato amin’ny Fiangonana; isika izanyny tsirairay amintsika ary isika rehetra. Ny “fiarahantsika maneran-tany mangoraka sy manompo”12 izany. Na aiza na aiza alehantsika dia ao anatin’ny Fikambanana Ifanampiana foana isika rehefa miezaka manatanteraka ilay tanjony avy amin’ Andriamanitra, dia ny hanatanterahan’ireo vehivavy ny asan’ Andriamanitra, na mandeha irery na miaraka13 amin’ny fanamaivanana: “manamaivana ny fahantrana, manamaivana ny aretina, manamaivana ny ahiahy ary manamaivana ny tsy fahalalana—manamaivana ireo zavatra rehetra izay manakantsakana ny fifalian[a] … sy ny fivoarana.”14

Mitovy amin’izany koa ny an’ireo izay tafiditra ho isan’ny kôlejin’ny loholona sy ireo rafitra ao amin’ny Fiangonana ho an’ny taona rehetra, anisan’izany ireo ankizy sy zatovontsika. Ny Fiangonana dia mihoatra noho ny trano sy ny rafitra ara-pivavahana, ny Fiangonana dia isika, mpikambana. Isika no atao hoe Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ka i Kristy no lohany ary ny mpaminany no mpitondra teniny. Hoy ny Tompo hoe:

“Indro, izao no fotopampianarako—na zovy na zovy no mibebaka ka manatona Ahy, dia izy no fiangonako. …

“Ary … na zovy na zovy no isan’ny fiangonako ary maharitra amin’ny fiangonako hatramin’ny farany, dia izy no haoriko eo amin’ny vatolampiko.”15

Ry rahavavy sy ranadahy isany, aoka isika hahita hoe akory ny tombontsoa ananantsika noho ny maha-isan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy antsika, izay ahafahantsika ho iray finoana sy fo sy hery sy saina ary tanana ampiasainy mba hanatanterahana ireo fahagagany mahery. “Nefa ny momba ny [tenan’ny Fiangonan’i Kristy] tsy iray, fa maro.”16

Hoy ny zatovolahy iray tamin-dreniny: “Fony aho mbola kely, isaky ny manome iray dôlara atao fahafolonkarena aho, dia nieritreritra aho hoe iny iray dôlara iny no hanorenana trano fivoriana iray manontolo. Adaladala e?”

Nihetsi-po izy namaly hoe: “Maha-te ho tia izany! Nataonao sary an-tsaina ve izy ireny?”

“Eny!” hoy izy. “Eny!” hoy izy, “Kanto ery izy ireo ary nisy an-tapitrisany!”17

Ry namako malala, aoka isika hanana ny finoan’ny ankizy sy hifaly amin’ny fahafantarana fa na ireo ezaka kely indrindra ataontsika aza dia mahaova zavatra manan-danja ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra.

Ny tanjontsika ao amin’ny fanjakany dia tokony hoe ny hitondra antsika samy isika hankeo amin’i Kristy. Araka ny vakintsika ao amin’ny soratra masina, ny Mpamonjy dia nanao izao fanasana izao ho an’ireo Nefita:

“Moa va ianareo manana ireo izay marary eo anivonareo? Ento aty ireo. Moa va ianareo manana ireo izay … ory na manao ahoana na manao ahoana izany? Ento aty izy dia hositraniko, fa manana fangorahana anareo Aho; ny kiboko dia feno famindram-po.

“… Hitako fa ampy ny finoanareo hanasitranako anareo.”18

Moa ve isika rehetra tsy manana rofy izay azo entina eo an-tongotry ny Mpamonjy? Raha ny sasany amintsika manana olana ara-batana, maro kokoa ireo izay miady amin’ny rofy ara-pihetseham-po, ny hafa sahirana amin’ny fikolokoloana ny fifandraisana ara-piarahamonina ary isika rehetra dia mikatsaka fitsaharana rehefa miatrika olana ny fanahintsika. Isika rehetra dia ory na manao ahoana na manao ahoana.

Vakintsika fa “niara-nientana ny valalabemandry iray manontolo, nandroso niaraka tamin’ny marariny sy ireo izay nijaly na manao ahoana na manao ahoana izany; ary nositraniny ny tsirairay avy taminy arakaraka ny nitondrana azy teo anoloany.

“Ary izy rehetra, na ireo izay nositranina, na ireo izay salama, dia samy niankohoka teo an-tongony, sy nitsaoka Azy.”19

Hatrany amin’ilay zazalaky kely mandoa fahafolonkarena am-pinoana mankany amin’ilay reny tokantena mila ny fahasoavana mankaherin’ny Tompo ka hatrany amin’ilay raim-pianakaviana mitolona mba hamelomana ny fianakaviany mankany amin’ireo razambentsika mila ireo ôrdônansin’ny famonjena sy fisandratana ary hatramin’ny tsirairay avy amintsika izay manavao ny fanekempihavanana amin’ Andriamanitra isan-kerinandro, isika dia mila antsika samy isika ary afaka mitondra antsika samy isika hankany amin’ny fanasitranana manavotry ny Mpamonjy.

Ry rahavavy sy anadahiko malala, andeha isika hanaraka ilay fanasan’i Kristy mba hitondra ny tenantsika sy ireo rofintsika ho eo Aminy. Rehefa mankeo Aminy isika sy mitondra ireo izay tiantsika hankeo Aminy, dia mahita ny finoantsika Izy. Hanasitrana azy ireo Izy ary hanasitrana antsika Izy.

Amin’ny maha-“mpanara-dia bonaika an’i Kristy”20 antsika dia miezaka isika mba ho “iray fo sy iray saina”21 hanetry tena sy hanoa ary ho malemy fanahy; mora hihavanana; feno faharetana sy fahari-po; mahonom-po amin’ny zavatra rehetra; mazoto amin’ny fitandremana ny didin’ Andriamanitra amin’ny fotoana rehetra; feno finoana, fanantenana ary fiantrana, ary hihabe amin’ny asa soa.22 Miezaka ny ho lasa tahaka an’i Jesoa Kristy isika.

Mijoro ho vavolombelona aho fa amin’ny maha-Fiangonan’i Kristy antsika, araka ny nampianarin’ny Filoha Russell M. Nelson, dia amin’ny alalantsika “[ny] Mpamonjy sy Mpanavotra antsika [no] hanatanteraka ny sasany amin’ireo asany lehibe indrindra eo anelanelan’izao fotoana izao sy ny fotoana hiverenany indray.”23

Hoy ny Tompo:

“Indro, hohafainganiko amin’ny fotoany ny asako.

“Ary omeko anareo … ny didy, mba hiarahanareo mivory ary handaminanareo ny tenanareo sy hanamasinanareo ny tenanareo; eny, diovy ny fonareo ary sasao eo anoloako ny tananareo sy ny tongotrareo mba hahazoako manadio anareo.”24

Enga anie isika hamaly izany fanasana avy amin’ Andriamanitra izany ka hiangona, handamina sy hiomana ary hanamasina ny tenantsika am-pifaliana, izany no vavaka ataoko am-panentrentena amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Hamoaka printy