Avia, hanaraka Ahy
27 mey–2 jona: “Ary ireo no nantsoina hoe ny vahoakan’ Andriamanitra.” Môzià 25–28


“27 mey–2 jona: -Ary ireo no nantsoina hoe ny vahoakan’ Andriamanitra.- Môzià 25–28,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Bokin’i Môrmôna 2024 (2024)

“27 mey–2 jona. Môzià 25–28,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Bokin’i Môrmôna 2024 (2024)

Sary
anjely miseho amin’i Almà sy ireo zanakalahin’i Môzià

Ny fiovam-pon’i Almà Zanany, nataon’i Gary L. Kapp

27 mey–2 jona: “Ary ireo no nantsoina hoe ny vahoakan’ Andriamanitra”

Môzià 25–28

Nivondrona ho vahoaka iray indray ny Nefita taorian’ny niainan’ny taranaka nifandimby efa saika niisa telo tany amin’ny tany samihafa. Ny vahoakan’i Limia, sy ny vahoakan’i Almà, ary ny vahoakan’i Môzià, eny fa hatramin’ny mponin’i Zarahemlà aza, izay tsy taranaka avy amin’i Nefia tamin’izay dia “nisaina niaraka tamin’ny Nefita” avokoa (Môzià 25:13). Maro tamin’izy ireo no naniry ny ho lasa mpikamban’ny Fiangonan’ny Tompo toy ny vahoakan’i Almà. Noho izany ireo rehetra izay “naniry ny hitondra eo aminy ny anaran’i Kristy” dia natao batisa “ary ireo no nantsoina hoe ny vahoakan’ Andriamanitra” (Môzià 25:23–24). Taorian’ny taona maro nisian’ny fifandirana sy fahababoana dia toy ireny hoe hianoka fotoan’ny fiadanana ireny amin’izay ny Nefita.

Kanefa tsy ela akory dia nanomboka nanenjika ny Olomasina ireo tsy mpino. Ny zavatra tena nahavaky fo indrindra tamin’izany dia maro tamin’ireo tsy mpino ireo no zanak’ireo mpino ihany, dia ireo “taranaka vao misondrotra” (Môzià 26:1), ka anisan’izany ireo zanakalahin’i Môzià sy zanakalahy irain’i Almà. Mitantara ny fitsidihana mahagaga nataon’ny anjely iray ilay tantara. Saingy ity tantara ity dia tsy mikasika ny fisehoan’anjely tamin’ireo zanakalahy naniasia fotsiny. Ny fiovam-po dia fahagagana iray izay na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana, dia mila mitranga ao amintsika tsirairay.

Torohevitra ho an’ny fianarana any an-tokantrano sy any am-piangonana

Môzià 26:1–6

Afaka manampy ny hafa hanatona an’i Jesoa Kristy aho.

Ny fiovam-po anefa dia an’ny tena manokana. Tsy azo afindra toy ny lova amin’ny zanaka izany. Eo am-pamakianao ny Môzià 26:1–6, dia saintsaino ireo antony azo heverina ho nahatonga “ny taranaka vao misondrotra” nihemotra ary jereo ny voka-dratsin’ny tsy finoan’izy ireo. Azonao atao ihany koa ny mieritreritra olona izay irinao hampanatonana an’i Kristy. Mandritra ny fandalinanao ny Môzià 25–28, dia mety hibitsika zavatra izay azonao atao ny Fanahy hanampiana azy ireo hampitombo finoana an’i Jesoa Kristy.

Môzià 26:6–39

Ireo mpanompo mahatokin’ Andriamanitra dia mikatsaka ny hanao ny sitrapony.

Indraindray isika dia mety hieritreritra fa ny mpitarika iray ao amin’ny Fiangonana tahaka an’i Almà dia mahafantatra tsara foana ny zavatra tokony hatao. Ao amin’ny Môzià 26 isika dia mamaky momba ny olana iray teo anivon’ny Fiangonana izay tsy mbola natrehan’i Almà velively. Inona no nataon’i Almà tamin’io toe-javatra io? (jereo ny Môzià 26:13–14, 33–34, 38–39). Inona no tolo-kevitra avy amin’ny zavatra niainan’i Almà mikasika ny fomba ahafahanao miatrika olana sarotra ao amin’ny fianakavianao na eo amin’ny fanompoana ao amin’ny Fiangonana?

Inona no nampianarin’ny Tompo an’i Almà ao amin’ny Môzià 26:15–32? Jereo fa ny sasany tamin’ireo valiny nomen’ny Tompo dia tsy valiny mamaly mivantana ny fanontanian’i Almà. Inona no tian’izany hampitaina momba ny vavaka sy ny fandraisana fanambarana ho an’ny tena manokana?

Ireo fitsipika dia mandrakizay. Diniho ny fomba fiantefan’ireo tantara sy fampianarana ao amin’ny soratra masina eo amin’ny fiainanao. Ohatra, afaka manontany tena ianao hoe, “Inona avy ireo zavatra niainako izay mitovy amin’ny an’i Almà?” na “Inona avy ireo fahamarinana nampianarin’i Almà izay afaka manampy ahy?”

Môzià 26:15–31

Mamela tanteraka ahy Andriamanitra rehefa mibebaka sy mamela ny hafa aho.

Lohahevitra miverimberina ao amin’ny Môzià 26–27 ny fibebahana sy ny famelan-keloka. Tadiavo ireo teny sy andian-teny izay mampianatra momba ny fibebahana sy ny famelan-keloka ao amin’ny Môzià 26:22–24, 29–31; 27:23–37.

Mety manontany tena ny olona sasany raha toa ka mamela azy ireo tokoa Andriamanitra. Inona raha alainao sary an-tsaina ny ho torohevitra nomen’i Almà Rainy ny mpikamban’ny Fiangonana iray tao Zarahemlà izay nanana io olana io? Inona no nianaran’i Almà avy tamin’ny Tompo ao amin’ny Môzià 26:15–31 ka afaka manampy an’io mpikamban’ny Fiangonana io? (jereo koa ny Môrônia 6:8; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:16–18; 58:42–43).

Sary
sary famantarana ny seminera

Môzià 27:8–37; 28:1–4

Afaka miova ho amin’ny tsara kokoa aho amin’ny alalan’i Jesoa Kristy.

Niharihary fa nila fahaterahana ara-panahy indray i Almà Zanany. Izy sy ireo zanakalahin’i Môzià dia “faraidiny indrindra tamin’ny fahotana” (Môzià 28:4). Kanefa tsy ela taorian’ny fiovam-pony dia nijoro ho vavolombelona i Almà fa ny fiovam-po dia ilain’ny olona tsirairay: “Aza gaga,” hoy izy, “fa ny olombelona rehetra … dia tsy maintsy ateraka indray” (Môzià 27:25; nampiana fanamafisana).

Eo am-pamakianao ny zavatra niainan’i Almà izay hita ao amin’ny Môzià 27:8–37, dia hevero ny hametraka ny tenanao ao anatin’ilay tantarany. Afaka mieritreritra zavatra mikasika ny tenanao izay ilaina ovaina ve ianao? Iza amin’izao fotoana izao no mivavaka ho anao “amim-pinoana be” tahaka an’i Almà rainy? Inona avy ireo zavatra niainana izay nanampy anao “[ho resy lahatra] ny amin’ny hery sy ny fahefan’ Andriamanitra”? (Môzià 27:14). Inona avy ireo “zavatra lehibe” efa nataon’ny Tompo ho anao sy ny fianakavianao izay tokony hotsaroanao? (Môzià 27:16). Inona no ianaranao avy amin’ny teny nolazain’i Almà Zanany sy ny zavatra nataony mahakasika ny dikan’ny hoe ateraka indray? Inona avy ireo ohatra efa hitanao?

Makà fotoana fohy hiraketana ny sasany amin’ireo fomba izay anampian’ny Mpamonjy anao mba hiova na hateraka indray, na dia tsy goavana sy tampoka toy ny an’i Almà aza ny zavatra iainanao. Moa ve misy hira ao amin’ny fihirana izay azonao henoina na hiraina izay maneho ny zavatra tsapanao toy ny “Endrey mahagaga ahy”? (Fihirana sy Hiran’ny Ankizy, lah. 44). Iza no mety hahazo tombontsoa amin’ny fandrenesana ireo zavatra niainanao?

Jereo koa ny “Alma le Jeune témoigne qu’il est né de Dieu” (horonan-tsary), Médiathèque de l’Évangile.

Môzià 27:8–24

Maheno ny vavaka ataoko Andriamanitra ary hamaly azy ireny araka ny sitrapony sy ny fotoany.

Mety efa tao anatin’ny toe-javatra niainan’i Almà Rainy ianao izay manana olona ao amin’ny fianakaviana manao safidy manimba. Inona no hitanao ao amin’ny Môzià 27:8–24 izay manome fanantenana anao? Inona no mety ho fiantraikan’ireo andininy ireo eo amin’ny vavaka ataonao ho an’ny hafa?

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa, dia jereo ny laharan’ireo gazetiboky Liahona sy Ho zatovo mahery ho an’ity volana ity.

Hevitra enti-mampianatra ny ankizy

Môzià 26:30–31

Tian’ny Tompo hamela heloka aho.

  • Mba hanampiana ny zanakao hahita ny zavatra nampianarin’ny Tompo an’i Almà, dia afaka manasa azy ireo ianao mba hamaky ny Môzià 26:29–31 ary hanisa hoe impiry no mipoitra ny teny hoe “hamela”. Inona no ampianarin’ireo andininy ireo momba ny famelana ny hafa? (Jereo koa ny “Ray ô! Ampio aho,” Bokin-kiran’ny ankizy, 52.)

  • Mba hanamafisana ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy mikasika ny famelan-keloka dia afaka mampiseho sariny anankiray eo amin’ny hazofijaliana ianao ary miaraka mamaky ny Lioka 23:33–34. Inona no zavatra nasain’i Jesoa nataon’ny Ray any An-danitra ho an’ireo olona izay nametraka Azy teo amin’ny hazo fijaliana? Aorian’ny fifanakalozan-kevitra dia afaka milalao an-tsehatra momba ny fifamelan-keloka ny zanakao.

  • Sarotra indraindray ny mamela ny tenantsika rehefa manao fahadisoana isika. Ahoana no ahafahan’ireo teny nataon’ Andriamanitra tamin’i Almà manampy? Angataho ny ankizy hody hanao hoe miresaka amin’ny olona iray izy ireo izay tsy mihevitra velively fa hamela azy Andriamanitra. Asao ny zanakao mba hitady zavatra ao amin’ny Môzià 26:22–23, 29–30 izay mety hanampy izany olona izany.

Môzià 27:8–37

Manampy ahy ho tonga tahaka Azy kokoa i Jesoa Kristy.

  • Ny fiovam-pon’i Almà Zanany sy ireo zanakalahin’i Môzià dia afaka maneho amin’ny zanakao fa amin’ny alalan’ny herin’i Jesoa Kristy dia afaka miova ny olona na iza na iza izy. Ianao na ny zanakao dia afaka mampiasa ireo sary hosodoko ao amin’ity rindran-damina ity, sy ny pejin’ny sahanasa ho an’ity herinandro ity, ary andinin-tsoratra masina manan-danja vitsivitsy avy ao amin’ny Môzià 27:8–37 mba hitantarana ilay tantara (jereo koa ny “Toko 18: Mibebaka i Almà Zanany,” ao amin’ny Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, 49–52). Ifantohy manokana ny andininy 24 mba hampianarana hoe nibebaka i Almà ary nanampy azy hiova i Jesoa Kristy. Avelao ny zanakao hilalao an-tsehatra ilay tantara raha tian’izy ireo.

Sary
I Almà Zanany nentina tany an-tranon-drainy

Nifaly ny rainy, nataon’i Walter Rane

Môzià 27:8–24

Afaka mivavaka sy mifady hanina aho mba hitahian’ Andriamanitra ireo olona lalaiko.

  • Iaraho vakina ny Môzià 27:8-24 ary angataho ny zanakao mba hitady ny zavatra nataon’i Almà sy ny vahoakany mba hanampiana an’i Almà Zanany. Efa nifady hanina sy nivavaka ho an’olona iray ve ianao hatramin’izay? Zarao amin’ny zanakao ny fijoroana ho vavolombelona anananao ary avelao izy ireo hizara ny azy.

  • Moa ve ianao na ny zanakao mahafantatra olona mila ny fanampian’ Andriamanitra?” Ao anatin’ny fanarahana ny ohatra nasehon’i Almà, dia angamba afaka miaraka mivavaka ho an’ilay olona ianareo ary, raha afaka ny zanakareo, dia mifady hanina ho azy koa.

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa, dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.

Sary
Anjely miseho amin’i Almà Zanany

Sarin’ny anjely iray niseho tamin’i Almà Zanany, nataon’i Kevin Keele

Hamoaka printy