Avia, hanaraka Ahy
24-30 jona: “Miditra ao amin’ny fitsaharan’ny Tompo,” Almà 13–16


“24-30 jona: -Miditra ao amin’ny fitsaharan’ny Tompo- Almà 13–16,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Bokin’i Môrmôna 2024 (2023)

“24–30 jona. Almà 13–16,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2024 (2023)

Sary
I Almà sy i Amioleka mivoaka ny fonja

Sarin’i Almà sy i Amioleka navoaka avy tao am-ponja, nataon’i Andrew Bosley

24-30 jona: “Miditra ao amin’ny fitsaharan’ny Tompo”

Almà 13–16

Tsara tamin’ny lafiny maro ny fiainana tao Amônihà ho an’i Amioleka sy i Zezrôma. I Amioleka dia “lehilahy tsy dia kely laza,” nanana “havana sy namana maro” ary “harena betsaka” (Almà 10:4). I Zezrôma dia mpahay lalàna manam-pahaizana izay nankafy “raharaha be” (Almà 10:31). Tonga tao Amônihà i Almà avy eo nitondra fanasana mba hibebaka sy “hiditra ao amin’ny fitsaharan’ny Tompo” (Almà 13:16). Ho an’i Amioleka sy i Zezrôma ary ny hafa dia nitaky fahafoizan-tena ny fanekena io fanasana io, ary nitondra ho amin’ny fahoriana tsy hay zakaina mihitsy aza.

Kanefa mazava ho azy fa tsy tapitra teo akory ny tantara. Fantatsika ao amin’ny Almà 13–16 ny zavatra nitranga taty aoriana tamin’ireo olona izay nino “ny herin’i Kristy ho famonjena” (Almà 15:6). Indraindray dia misy fanafahana, indraindray dia fanasitranana, ary indraindray dia tsy mety ho lasa mora kokoa ny zava-misy eo amin’ny fiainana. Fa ny zavatra misy mandrakariva dia “mandray [ny olony] any Aminy amim-boninahitra ny Tompo” (Almà 14:11). Ny Tompo dia manome mandrakariva “fahefana … araka ny finoa[ntsika] izay [ao] amin’i Kristy” (Almà 14:28). Ary io finoana io dia manome antsika mandrakariva “fanantenana fa ho azo[ntsika] ny fiainana mandrakizay” (Almà 13:29). Rehefa mamaky ireo toko ireo ianao dia afaka mahazo fampaherezana ao amin’ireo fampanantenana ireo, ary afaka ny hahatakatra tsaratsara kokoa ny tian’i Almà holazaina rehefa niresaka momba ny fidirana ao amin’ny “fitsaharan’ny Tompo” izy (Almà 13:16).

Torohevitra ho an’ny fianarana any an-tokantrano sy any am-piangonana

Almà 13:1–19

Sary
sary famantarana ny seminera
Ireo ôrdônansy ao amin’ny fisoronana dia mampitodika ahy any amin’i Jesoa Kristy ho fanavotana.

Ny tenin’i Almà ao amin’ny Almà 13 dia manambara fahamarinana mahery vaika momba ny herin’ny fisoronan’ Andriamanitra sy ny tanjon’izany, dia ny fanomanana antsika “hiditra ao amin’ny fitsaharan’ny Tompo,” na ny fiainana mandrakizay (Almà 13:16). Afaka miezaka manoratra fahamarinana iray angamba ianao, farafahakeliny isaky ny andininy ao amin’ny Almà 13:1–19. Ireto misy hevitra vitsivitsy azonao hanombohana:

Andininy 1.Ny fisoronana dia antsoina ihany koa hoe “lamin’ny Zanak’ [Andriamanitra]” (jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:1–4).

Andininy 2.Manendry mpisorona Andriamanitra mba hanampy ny olona hiandrandra ny Zanany mba ho fanavotana.

Inona koa no hitanao? Inona no tsapanao mikasika ny fisoronana rehefa misaintsaina ireo fahamarinana ireo ianao?

Moa ve ianao efa nieritreritra momba ireo ôrdônansin’ny fisoronana ho toy ny fanomezana avy amin’ Andriamanitra mba hanampiana anao “[hiandrandra] ny Zanany ho fanavotana”? (andininy 2; jereo koa ny andininy 16). Azonao atao angamba ny manao ny lisitr’ireo ôrdônansy noraisinao, toy ny batisa, ny fandraisana ho mpikambana, ny fanasan’ny Tompo, ny fanokanana ho amin’ny antso, ny tsodrano fampaherezana na fanasitranana, ny tsodranon’ny patriarika, ary ireo ôrdônansin’ny tempoly. Saintsaino ny zavatra niainanao tao anatin’ireo ôrdônansy tahaka ireo. Diniho ny tandindona tafiditra tao anatin’izany sy ny Fanahy tsapanao. Amin’ny fomba ahoana no hampitodihan’ny tsirairay amin’ireo ôrdônansy ireo anao any amin’i Jesoa Kristy ho fanavotana?

Ny olona sasany dia manana fiheverena diso hoe, tsy ilaina ireo ôrdônansy sy ny fahefan’ny fisoronana hanatanterahana izany. Ahoana no mety hamalianao ity hevitra ity? Ireto misy hafatra roa nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany izay afaka manoro hevitra anao; mifidiana iray, ary soraty izay valiny tonga eo aminao: Russell M. Nelson, “Ireo harena ara-panahy,” Liahona, nôv. 2019, 76–79; Dale G. Renlund, “Ny fisoronana sy ny herin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy,” Liahona, nôv. 2017, 64–67.

Jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:19–22; Torolalana ho an’ny soratra masina, “Fanekempihavanana”.

Sary
Zatovolahy eo amin’ny latabatry ny fanasan’ny Tompo

Ny ôrdônansin’ny fisoronana dia manampy antsika hiandrandra an’i Jesoa Kristy ho fanavotana.

Almà 13

Manasa ahy hiditra ao amin’ny fitsaharany ny Tompo.

Miverimberina matetika ao amin’ny Almà 13 ilay fanasana “[h]iditra ao amin’ny fitsaharan’ny Tompo” (Almà 13:16). Azonao atao angamba ny mikaroka ny andininy tsirairay izay ahitana ny teny hoe “fitsaharana” ary misaintsaina ny zavatra ampianarin’ny andininy tsirairay anao momba ny mety ho dikan’ny hoe “ny fitsaharan’ny Tompo”. Inona no tsy mampitovy izany amin’ny fakana aina ara-batana? Ahoana no ahitantsika izany?

Jereo ihany koa ny Russell M. Nelson, “Mandresy izao tontolo izao dia mahita fitsaharana,” Liahona, nôv. 2022, 117, “Venez à Jesus,” Cantiques, no. 62.

Almà 14

Tsy maintsy matoky ny Tompo isika mandritra ireo fotoam-pahoriana.

Mety hanontany tena ianao, tahaka ny olona maro hoe, nahoana no misy zava-doza mitranga amin’ireo olona izay miezaka miaina amim-pahamarinana. Mety tsy hahita ny valiny rehetra ho an’io fanontaniana sarotra io ianao ao amin’ny Almà 14, kanefa maro be ny zavatra azo ianarana avy amin’ny fihetsika nasetrin’i Almà sy i Amioleka teo anatrehan’ny fahoriana. Inona no ampianarin’ny tenin’izy ireo sy ny zavatra nataon’izy ireo anao momba ny antony hamelan’ny Tompo ny olo-marina hijaly indraindray? Inona no torohevitra mety homen’i Almà sy i Amioleka antsika rehefa miatrika fitsapana sarotra isika?

Jereo koa ny Romana 8:35–39; 1 Petera 4:12–14; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 122:5–9; Dale G. Renlund, “Tsy rariny mahasendaotra,” Liahona, mey 2021, 41–45.

Mivonòna mandrakariva. Mandalo tampoka ireo fotoana ahafahana mampianatra, noho izany dia araraoty izy ireny rehefa mitranga. Ny loza iray mitranga eto amin’izao tontolo izao ohatra, dia mety ho fahafahana iray hizarana fitsipika avy ao amin’ny Almà 14 mikasika ny antony hamelan’ny Tompo ny olona tsy manan-tsiny hijaly indraindray.

Almà 15:16, 18

Mitaky fahafoizan-tena ny maha-mpianatra.

Mety mahaliana ny manao lisitra ireo zavatra nafoin’i Amioleka mba hanekena ny filazantsara (jereo ny Almà 10:4–5; 15:16) sy ny fampitahana izany amin’ny lisitr’ireo zavatra azony (jereo ny Almà 15:18; 16:13–15; 34:8). Vonona ny hamoy inona ianao mba hahatonga anao ho mpianatr’i Jesoa Kristy mahatoky kokoa?

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa, dia jereo ny laharan’ireo gazetiboky Liahona sy Ho zatovo mahery ho an’ity volana ity.

Hevitra enti-mampianatra ny ankizy

Satria alahady fahadimin’ny volana ny alahady ho avy izao dia amporisihana ireo mpampianatra ao amin’ny Kilonga mba ampiasa ireo asa enti-mianatra ao amin’ny “Tovana B: Manomana ny ankizy hijanona eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanan’ Andriamanitra mandritra ny androm-piainany.”

Almà 13: 1 -2, 16

Manampy ahy hanatona kokoa an’i Kristy ny herin’ny fisoronana.

  • Fomba iray hanampiana ny zanakao hahita ny fomba hampitodihan’ny herin’ny fisoronana antsika any amin’i Kristy ny fampisehoana azy ireo ny sarin’ny fomba ampiasana ny herin’ny fisoronana (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 103–110). Afaka manampy anao hieritreritra ny fomba nampiasan’i Jesoa ny heriny ny zanakao (jereo ohatra ny Matio 26:26–28; Marka 5:22–24, 35–43; Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 38–41). Avy eo dia afaka miara-mamaky ny Almà 13:2 ianareo ary miresaka momba ny fomba hanampian’ny herin’ny fisoronana antsika “hiandrandra ny Zanak’ [Andriamanitra]” sy ho tonga tahaka Azy bebe kokoa.

    Sary
    batisa
    Sary
    I Jesoa manendry Apôstôly
  • Nahoana no nomen’ Andriamanitra ireo ôrdônansin’ny fisoronana isika? Ampio ny zanakao hitady valiny ao amin’ny Almà 13:16. Raha mila fanampiana izy ireo amin’ny fahafantarana ny atao hoe ôrdônansy dia misy lisitra ao amin’ny Boky Torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 18.1 sy 18.2 .Angamba ianao sy ny zanakao afaka miresaka momba ny zavatra niainanao tamin’ny fandraisana ireo ôrdônansy ireo. Manampy antsika mba “[hiandrandra an’i Jesoa Kristy] ho famelana ny fahotan[tsika]” amin’ny fomba ahoana ireo? Ny hira iray toy ny “Rehefa natao batisa aho” (Bokin-kiran’ny ankizy, 53) dia afaka manampy ny zanakao hieritreritra antony hafa tokony hanehoana fankasitrahana noho ireo ôrdônansin’ny fisoronana.

Almà 13:10–12

Afaka manadio ahy i Jesoa Kristy.

  • Rehefa avy niara-namaky ireo andininy ireo ianareo dia mieritrereta fomba hanampiana ny zanakao haka sary an-tsaina ny zavatra ampianarin’izany. Angamba afaka miaraka manasa zavatra iray ianareo. Inona no tsapantsika rehefa maloto isika? Inona no tsapantsika rehefa lasa madio indray isika? Inona no mampitovy an’ireo fahatsapana ireo amin’ny zavatra tsapantsika rehefa manota isika, ary avy eo dia mibebaka ary lasa madio amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy?

Almà 14:18–29

Mampatanjaka ahy ny Ray any An-danitra rehefa manam-pinoana an’i Jesoa Kristy aho.

  • Ny pejin’ny sahanasa ho an’ity herinandro ity dia afaka manampy anao, na ny zanakao, hitantara ny tantara ao amin’ny Almà 14:18–29 (jereo koa ny “Toko 22: Ny asa nanirahana an’i Almà tany Amônihà,” Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, 58–63). Hamafiso fa i Almà sy i Amioleka dia nomena hery noho “ny finoan’[izy ireo izay tao] amin’i Kristy” (Almà 14:26). Azonao atao koa ny miresaka momba ny fotoana iray izay nanomezan’ Andriamanitra hery anao “araka ny finoan[ao]”. Ahoana no fomba ahafahantsika ho mahatoky toa an’i Almà sy i Amioleka?

Almà 15:3–12

Afaka manova fo i Jesoa Kristy.

  • Manentana ny fanahy ny fiovam-pon’i Zezrôma tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Hevero ny hiaraka hamerina amin’ny zanakao ny zavatra nianaran’izy ireo tamin’ny herinandro lasa mikasika an’i Zezrôma. Afaka miara-mamaky ny Almà 15:3–12 ianareo mba hahitana ny fomba niovany. Inona no ianarantsika avy amin’ny zavatra niainan’i Zezrôma mikasika ny herin’ny Tompo?

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa, dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.

Sary
Tao am-ponja i Almà sy i Amioleka

I Almà sy i Amioleka ao am-ponja, nataon’i Gary L. Kapp

Hamoaka printy