Avia, hanaraka Ahy
3-9 jona: “Niorina mafy izy sady tsy niova.” Môzià 29–Almà 4


“3-9 jona: -Niorina mafy izy sady tsy niova.- Môzià 29–Almà 4,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Bokin’i Môrmôna 2024 (2024)

“3–9 jona. Môzià 29–Almà 4,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2024 (2024)

Sary
I Almà Zanany mitory teny

Alma the Younger Preaching [I Almà Zanany mitory teny], nataon’i Gary L. Kapp

3-9 jona: “Niorina mafy izy sady tsy niova”

Môzià 29Almà 4

Ny olona sasany dia mety hihevitra fa ny soso-kevitra naroson’i Môzià Mpanjaka mba hanoloana ny mpanjaka amin’ireo mpitsara voafidy dia fanovana rafitra ara-pôlitika feno fahendrena fotsiny ihany. Fa ho an’ny Nefita kosa, indrindra fa ho an’ireo izay niaina teo ambany fifehezan’i Noà Mpanjaka ratsy fanahy, dia manana lanjany ara-panahy ihany koa io fanovana io. Efa hitan’izy ireo ny nampisian’ny mpanjaka tsy marin-toetra iray fitaomana teo anivon’ny vahoakany, ary “dodona fatratra tokoa” izy ireo ny ho afaka tamin’ny fitaomana tahaka izany. Izany fanovana izany dia hamela azy ireo ho tompon’andraikitra amin’ny fahamarinan’ny tenany manokana sy “hiantsoroka ny fahotany avy” (Môzià 29:38).

Marina tokoa fa ny fiafaran’ny fitondran’ny mpanjaka dia tsy nidika akory hoe tapitra hatreo ny olana teo amin’ny fiarahamonina Nefita. Nampiely hevi-diso ny olona fatsora toa an’i Nehôra sy i Amlisia, nanenjika ny Olomasina ireo tsy mpino, ary maro tamin’ireo mpikamban’ny Fiangonana no lasa niavonavona ka dia tsy nitandrina ny didy intsony. Kanefa “ireo mpanara-dia an’ Andriamanitra izay nanetry tena” dia nanohy “niorina mafy … sady tsy niova” na dia teo aza ny zavatra nitranga nanodidina azy ireo (Almà 4:15; 1:25).

Torohevitra ho an’ny fianarana any an-tokantrano sy any am-piangonana

Môzià 29:11–27; Almà 2:1–7

Afaka ny ho mpitarika ho amin’ny tsara eo anivon’ny mpiara-belona amiko aho.

Dimy taona monja tao anatin’ny fitondran’ny mpitsara dia nisy olana nitranga izay nankahatra ilay fanambarana nataon’i Môzià fa ny feon’ny vahoaka mazàna dia misafidy izay rariny (jereo ny Môzià 29:26). Halalino ny Almà 2:1–7 mba hahitana hoe inona ilay olana ary inona no nataon’ny Nefita teo anatrehan’izany. Inona no mety ho nitranga raha toa ka tsy nanao izay handrenesana ny feony ny “vahoakan’ny fiangonana”? Inona koa no ianaranao avy amin’ity tantara ity mikasika ny fomba tian’ny Tompo handraisanao anjara eo amin’ny fiarahamonina misy anao? (jereo koa ny Môzià 29:26–27).

Inona ny sasany amin’ireo olana goavana lalovan’ny fiarahamonina misy anao? Eritrereto ny fomba ahafahanao, tahaka ireo Nefita, maka antoka fa tafiditra ao anatin’ny “feon’ny vahoaka” ny feonao. Inona ireo fomba hafa ahafahanao mitaona ny fiarahamonina misy anao amin’ny tsara, amin’ny maha-mpanara-dia an’i Jesoa Kristy anao?

Jereo koa ny Dallin H. Oaks, “Tiavo ny fahavalonareo,” Liahona, nôv. 2020, 26–29.

Almà 1

Afaka manampy ahy hamantatra fotopampianarana diso ny tenin’ Andriamanitra.

Na dia nibaboka aza i Nehôra tamin’ny farany fa diso ny zavatra nampianariny, dia mbola nisy fiantraikany an-taonany maro teo amin’ny Nefita hatrany ny fampianarany. Nahoana araka ny eritreritrao no tian’ny olona ny zavatra nampianarin’i Nehôra? Tadiavo ao amin’ny Almà 1:2–6 ireo lainga ao amin’ny fampianaran’i Nehôra, sy ireo fahamarinana nampiasainy mba hanafenana ireo lainga ireo.

Notoherin’i Gideôna tamin’ny “tenin’ Andriamanitra” i Nehôra (Almà 1:7, 9). Ireto misy soratra masina vitsivitsy izay manohitra ny laingan’i Nehôra: Matio 7:21–23; 2 Nefia 26:29–31; Môzià 18:24–26; ary Helamàna 12:25–26. Andramo fintinina ny andinin-tsoratra masina tsirairay. Inona no nianaranao avy amin’ireo mpaminany velona izay manohitra ny fampianaran-diso amin’izao androntsika izao?

Almà 1:19–31; 4:6–15

Ny tena mpianatr’i Jesoa Kristy dia “mpanara-dia an’ Andriamanitra manetry tena”.

Ny toko 1 sy 4 ao amin’ny Almà dia miresaka fotoana izay niroboroboan’ny Fiangonana, saingy tena hafa ny fihetsika nasehon’ireo mpikamban’ny Fiangonana nanoloana izany firoboroboana izany. Ohatra, ampitahao ny Almà 1:19–30 sy ny Almà 4:6–15 mba hahitana ny fomba niovan’ny mpikamban’ny Fiangonana tao anatin’ny taona vitsivitsy monja. Raha miainga avy amin’ny zavatra novakinao, dia inona no tsapan’ireo tena mpanara-dia an’i Jesoa Kristy momba ireo olona izay hafa ny zavatra inoany? Inona no toe-tsaina ananan’ny tena mpanara-dia an’i Kristy manoloana ny harena sy ny firoboroboana? Inona no tsapanao fa tokony hovainao mahakasika ny toe-tsainao manokana?

Ampiharo amin’ny tenanao ny soratra masina. Eritrereto ny fomba azo hampiharana ireo tantara sy fampianarana ao amin’ny soratra masina eo amin’ny fiainanao. Ohatra, ianao dia mety hahita zavatra mitovy eo amin’ireo olana tsikaritrao ankehitriny sy ireo olana natrehan’ny Nefita ao amin’ny Almà 1–4.

Sary
sary famantarana ny seminera

Almà 4:6–20

Afaka manova fo ny ohatra asehoko sy ny fijoroana ho vavolombelona ananako.

Mety fantatrao ny alahelo tsapan’i Almà rehefa nahita ny zava-nitranga teo anivon’ny vahoakany izy. Tadiavo ireo olana hitany ao amin’ny Almà 4:6–15. Nahatsikaritra olana mitovy amin’izany ve ianao? Angamba ianao manahy ny amin’ny olona akaikin’ny fo iray izay mitolona amin’ireo olana ireo. Efa nanontany tena ve ianao hoe inona no azonao atao hanampiana?

Mety hilaza ny sasany fa i Almà, amin’ny maha- lohan’ny mpitsara azy, no olona tena afaka hamaha ireo olana ireo. Saingy nahatsapa i Almà fa nisy fomba iray tsaratsara kokoa. Rehefa mamaky ny andininy 16–20 ianao, dia inona no manaitra anao momba ny fomba fiasany amin’ny fanampiana ny olony?

Nanana finoana lehibe ny tenin’ Andriamanitra ary nanana “fijoroana ho vavolombelona madio” i Almà (verse 19). Inona no ohatra nahitanao ny herin’ny fijoroana ho vavolombelona madio? Rehefa misaintsaina ireo fomba samihafa ahafahanao mizara ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany ianao dia azonao atao ny mamerina mamaky ny Almà 4:6–14. Inona no asehon’ny fihetsiky ny mpikamban’ny Fiangonana ao amin’ireo andininy ireo momba ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo momba an’i Jesoa Kristy sy ny fampianarany? Inona no tsikaritrao momba ny fiantraikan’ny zavatra nataony,teo amin’ny tenany sy teo amin’ny hafa? Azonao atao ihany koa ny mieritreritra ireo fomba nitahiana anao tamin’ny alalan’ny fijoroana ho vavolombelona madio nananan’ny olon-kafa, na nozaraina tamin’ny alalan’ny teny na fihetsika izany.

Mieritrereta fomba ahafahanao mizara ny fijoroanao ho vavolombelona anananao momba an’i Jesoa Kristy, amin’ny teny na amin’ny fihetsika. Iza no hahazo tombontsoa avy amin’ny fijoroana ho vavolombelona anananao?

Jereo ihany koa ny Gary E. Stevenson, “Mikolokolo sy mizara ny fijoroana ho vavolombelona anananao,” Liahona, nov. 2022, 111–14; “Le Saint Esprit a temoigné,” Cantiques, no. 78; “Alma se retire de son poste de grand juge” (horonan-tsary), Médiathèque de l’Évangile; Sujets de l’Évangile, “Revelation,” Médiathèque de l’Évangile.

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa, dia jereo ny laharan’ireo gazetiboky Liahona sy Ho zatovo mahery ho an’ity volana ity.

Hevitra enti-mampianatra ny ankizy

Almà 1:2–9

Afaka manampy ahy hamantatra ireo fampianaran-diso ny Tompo.

  • Ny fomba iray handalinana ny Almà 1:2–4 miaraka amin’ny zanakao dia ny manampy azy ireo hamorona fanontaniana izay valina amin’ny hoe marina na diso amin’ny alalan’ny fampiasana ireo teny nampianarin’i Nehôra, mpampianatra sandoka iray. Avy eo dia azonao atao ny miresaka amin’izy ireo mikasika ny antony ampiarahan’i Satana matetika ny fahamarinana amin’ny lainga. Ampio ny zanakao hieritreritra ohatra vitsivitsy. Ao amin’ny andininy 7–9, ahoana no nanoheran’i Gideôna ny laingan’i Nehôra? Jereo koa ny “Toko 20: Almà sy Nehôra” (Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, 54–55).

Almà 1:19–25

Amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ahy dia tia sy manompo ny hafa aho.

  • Nalala-tanana sy tia nanome ny mpikambana sasany tao amin’ny Fiangonan’ny Tompo tamin’ny andron’i Almà, ary ratsy fanahy sy mpiavonavona ny mpikambana sasany. Mba hanampiana ny zanakao hianatra avy amin’ireo zavatra niainana ireo dia azonareo atao ny miara-mamaky ny Almà 1:27, 30 ary manao lisitra ireo karazan’olona nampian’ireo mpikamban’ny Fiangonan’ny Tompo. Iza no fantatsika fa mety “mila” (Almà 1:30) ny fitiavantsika sy ny fanampiantsika? Azonareo atao koa ny miaraka manao hira iray mikasika ny fitiavana sy ny fanompoana toy ny hoe “Tsara fanahy” (Bokin-kiran’ny ankizy, 83), ary ampio ny ankizy hieritreritra fihetsika azo ampiarahana amin’ilay hira.

  • Inona no tokony hataontsika rehefa ratsy fanahy amintsika ny olona? Vakio miaraka amin’ny zanakao ny fomba nitondrana ireo mpanara-dia an’i Kristy ao amin’ny Almà 1:19–20. Resaho ny fihetsik’izy ireo ao amin’ny andininy 22 sy 25. Azonao atao angamba ny manao fanazaran-tena mikasika ny fomba hamaliana rehefa ratsy fanahy ny hafa.

Almà 4:8–20

Afaka mampatanjaka ny hafa ny fijoroana ho vavolombelona ananako.

  • Matetika ny “fanambarana tsisy tsiny” (Almà 4:19) ataon’ny ankizy iray dia afaka ny hisy fiantraikany lehibe eo amin’ny hafa. Mba hanampiana ny zanakao hahita izany dia azonao atao ny mamaky miaraka amin’izy ireo ny Almà 4:8–12, 15, sady manampy azy ireo hamantatra ireo olana nitranga tao amin’ny Fiangonana. Inona no azon’i Almà atao mba hamahana ireo olana ireo? Ampio izy ireo hahita ny zavatra notapahan’i Almà fa hataony ao amin’ny Almà 4:16–20. Azonao atao angamba ny mifampizara ny fomba nampaherezan’ny fijoroana ho vavolombelona nananan’ny olona hafa momba an’i Kristy anao.

  • Raha mila ohatra momba ny atao hoe fijoroana ho vavolombelona ny zanakao dia hevero ny hampiseho horonan-tsarin’ny misy mpandahateny iray nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany iray izay mijoro ho vavolombelona. Azonao atao koa ny mampiasa ny pejin’ny sahanasa ho an’ity herinandro ity na miara-mihira hira iray toy ny “Le Saint Esprit a temoigné” (Cantiques, no. 78). Inona no ianarantsika momba ny fijoroana ho vavolombelona avy amin’ireo loharanom-pitaovana ireo? Avelao ny zanakao hizatra hizara ny fijoroana ho vavolombelona ananany.

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa, dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.

Sary
Ny Nefita miady amin’ny Amlisita

Alma and Amlici [I Almà sy i Amlisia], nataon’i Scott M. Snow

Hamoaka printy