Avia, hanaraka Ahy 2024
Jona 10–16: “Efa nahatsapa izany fiovana mahery vaika izany tao am-ponareo va ianareo?” Almà 5–7


“Jona 10–16: -Efa nahatsapa izany fiovana mahery vaika izany tao am-ponareo va ianareo?- Almà 5–7,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Bokin’i Môrmôna 2024 (2024)

“10–16 jona. Almà 5–7,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2024 (2024)

Sary
I Almà Zanany mampianatra ireo Zôramita

I Almà Zanany mampianatra ireo Zôramita

Jona 10–16: “Efa nahatsapa izany fiovana mahery vaika izany tao am-ponareo va ianareo?”

Almà 5–7

I Almà dia tsy nahafantatra mikasika ny fandidiana atao ankehitriny mba hamindrana fo izay manavotra aina, ka soloina fo salama iray ny fo simba na marary iray. Saingy izy dia nahafantatra momba ny “fiovam-po” iray izay mahagaga kokoa (Almà 5:26), fiovam-po iray izay anomezan’ny Mpamonjy antsika fanavaozam-piainana ara-panahy toy ny hoe “ateraka indray” (jereo ny (Almà 5:14, 49). Hitan’i Almà fa ity fiovam-po ity no ilay tena nilain’ny maro tamin’ireo Nefita. Nanan-karena ny sasany tamin’ireo Nefita ary ny hafa nahantra, ny sasany niavonavona ary ny hafa nanetry tena, ny sasany mpanenjika ary ny hafa niharan’ny fanenjehana (jereo ny Almà 4:6–15). Kanefa izy rehetra dia nila nanatona an’i Jesoa Kristy mba hositranina, tahaka antsika rehetra. Na mikatsaka ny handresy ny avonavona isika na mikatsaka ny hahazaka fanenjehana dia tsy miova ny hafatr’i Almà hoe: “Avia, ary aza matahotra” (Almà 7:15). Avelao ny Mpamonjy hanova ny fo iray izay mafy na maniasia na maratra ho fo iray izay mietry sy madio ary vaovao.

Torohevitra ho an’ny fianarana any an-tokantrano sy any am-piangonana

Almà 5:14–33

Tsy maintsy miaina, ary manohy mahatsapa, fiovam[-po] mahery vaika aho.

Hoy ny Filoha M. Russell Ballard hoe: “Mila maka fotoana tsy tapaka [aho] hanontaniako tena hoe,-Manao ahoana aho?-… Tiako ny mamaky sy misaintsaina ireo teny mampandini-tena hita ao amin’ny Almà toko fahadimy mba ho mpanoro lalana ahy mandritra izany fandinihana ataon’ny tena manokana izany” (“Miverina sy mandray,” Liahona, mey 2017, 64).

Hevero ny hamaky ny Almà 5:14–33 toy ireny hoe manao tafa sy dinika amin’ny tenanao sy mamakafaka ny fonao ireny ianao. Azonao atao ny mirakitra ireo valim-panontanianao. Inona no ianaranao momba ny tenanao? Inona no tsapanao fa tokony hataonao vokatr’io tafa sy dinika nataonao io?

Jereo koa ny Dale G. Renlund, “Mihazona ilay fiovam-po mahery vaika,” Liahona, nôv. 2009, 97–99.

Sary
zatovovavy mivavaka eo amin’ny sisim-pandriana

Rehefa mitodika any amin’ Andriamanitra isika dia afaka miaina “fiovam-po.”

Almà 5:44–51

Afaka mahazo fijoroana ho vavolombelona an’ny tenako manokana momba ny Mpamonjy sy ny fampianarany aho amin’ny alalan’ny Fanahy Masina.

Ao amin’ny Almà 5, rehefa nanazava ny fomba nahazoany fijoroana ho vavolombelona momba ny Mpamonjy i Almà dia tsy nilaza ilay fotoana nahitany anjely izy (jereo ny Môzià 27:10–17). Ahoana ny fomba nahafahan’i Almà nahafantatra manokana ny fahamarinana? Angamba azonao atao ny mampiasa ny zavatra hitanao ao amin’ny Almà 5:44–51 mba hanoratana ny “lamina” mba hahazoana fijoroana ho vavolombelona iray momba an’i Jesoa Kristy sy ny fampianarany. Inona avy ireo “singa” (ireo fahamarinan’ny filazantsara) sy ireo “dingana arahina” (ireo zavatra azontsika atao mba hikatsahana ny fahamarinana) izay nampidirin’i Almà? Inona avy ireo “singa” sy “dingana arahina” izay avy amin’ireo zavatra niainanao manokana na niainan’ny olona hafa ao amin’ny soratra masina ka azonao ampidirina ao anatin’ilay laminao?

Almà 7

“Takatro fa mby amin’ny lalan’ny fahamarinana ianareo.”

Indraindray isika dia mitovy amin’ny vahoakan’i Zarahemlà, izay nilaina nanaovana antso mba hibebaka (jereo ny Almà 5:32). Misy fotoana isika mitovy kokoa amin’ny vahoakan’i Gideôna izay niezaka nandeha teo “amin’ny lalan’ny fahamarinana” (Almà 7:19). Inona no zavatra mitovy hitanao tao anatin’ny hafatr’i Almà tany Gideôna (ao amin’ny Almà 7) sy tao anatin’ny zavatra nolazainy tany Zarahemlà (ao amin’ny Almà 5)? Inona no fahasamihafana tsikaritrao? Tadiavo ireo zavatra nampianarin’i Almà izay afaka manampy anao hijanona eo “amin’ny lalana izay mitondra mankany amin’ny fanjakan’ Andriamanitra” (Almà 7:19).

Sary
sary famantarana ny seminera

Almà 7:7–16

Nentin’ny Mpamonjy teo Aminy ny fahotako, sy ny fanaintainanako ary ny rofiko.

Efa nahatsapa ve ianao fa tsy misy olona na dia iray aza mahatakatra ireo tolona na olana atrehanao? Raha izay no zava-misy dia afaka manampy ireo fahamarinana nampianarin’i Almà: Eo am-pamakianao, dia saintsaino ireo zavatra izay ampianarin’ireo andininy ireo momba ny tanjon’ny sorona nataon’ny Mpamonjy. Afaka manao tabilao ianao izay ahitana lohateny hoe Ny fijaliana nozakain’ny Mpamonjy sy Ny antony nijaliany ary tanisao ny zavatra hitanao ao amin’ny Almà 7:7–16 (jereo koa ny Isaia 53:3–5). Azonao eritreretina ve ireo fotoana manokana izay nizakany ny sasany tamin’ireo zavatra ireo? Ireto misy ohatra vitsivitsy avy amin’ny soratra masina: Matio 4:1–13; 26:55–56; 27:39–44; Marka 14:43–46; Lioka 9:58. Afaka mampiditra zavatra avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo ao anatin’ilay lisitra nataonao ve ianao?

Zavatra iray ny hoe mino fa nijaly ho anao ny Mpamonjy. Saingy inona no fiovana entin’ilay fijaliany eo amin’ny fiainanao isan’andro? Ireto misy soratra masina vitsivitsy izay mampiseho ny fomba ahafahan’i Kristy manampy anao: Enôsa 1:5–6; Mozià 16:7–8; 21:15; 24:14–15; 3 Nefia 17:6–7; Etera 12:27–29; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:7–10. Inona no zavatra nianaranao avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo? Inona avy ireo fomba hafa sasany hanampiany anao? Oviana ianao no niaina ny fanolorany fanampiana?

Afaka mampitombo ny fankasitrahanao ny fanampian’ny Mpamonjy ny hira ao amin’ny fihirana toy ny “Mila Anao aho” na “Velona ilay Mpanavotra ahy” (Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 23, sy lah. 76). Inona avy ireo andian-teny ao anatin’ireo hira ireo izay maneho ny zavatra tsapanao momba Azy?

Jereo koa ny Sujets de l’Évangile, “Expiation de Jésus-Christ,” Médiathèque de l’Évangile.

Mijoroa ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy. Mieritrereta fomba ahafahanao mizara ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny Mpamonjy sy ny maha-Andriamanitra Azy, ny fahasoavany ary ny fitiavany. Afaka mamporisika ny olona ampianarinao ianao mba hijoro ho vavolombelona momba Azy amin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana izay manosika azy ireo hizara ny zavatra tsapany momba Azy.

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa, dia jereo ny laharan’ireo gazetiboky Liahona sy Ho zatovo mahery ho an’ity volana ity.

Hevitra enti-mampianatra ny ankizy

Almà 5:44–48

Afaka mahazo fijoroana ho vavolombelona an’ny tenako manokana aho amin’ny alalan’ny Fanahy Masina.

  • Mba hanampiana ny zanakao hianatra hampitombo ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo, dia afaka mampiseho azy ireo ilay sary etsy ambany ianao ary manontany azy ireo ny fomba hanampiantsika ireo biby mbola kely mba hitombo. Azonao ampifandraisina amin’ny fikarakarana ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika izany avy eo. Inona no fikarakarana ilain’ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika? Ahoana no ahafahantsika milaza fa mitombo izy ireo?

    Sary
    Ankizilahy anankiroa miaraka amin’ny biby mbola kely

    Rehefa manaiky ny filazantsara isika dia toy ny manomboka fiainana vaovao izany.

  • Ahoana no nahazoan’i Almà ny fijoroana ho vavolombelona matanjaka ananany momba an’i Jesoa? Afaka mamaky ny Almà 5:44–46 miaraka amin’ny zanakao ianao mba hahitana ny valin’io fanontaniana io. Angamba afaka manoratra drafitra mba hanao zavatra iray amin’ity herinandro ity ny zanakao mba hampatanjahana ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo.

Almà 7:10–13

Nentin’ny Mpamonjy teo Aminy ny fahotako sy ny fanaintainako ary ny fahoriako.

  • Ahoana no ahafahanao manampy ny zanakao hahatakatra ny Almà 7:10–13 mba hahafahan’izy ireo mahafantatra fa miahy azy ireo i Jesoa Kristy ary afaka manampy azy ireo? Angamba afaka mangataka azy ireo ianao mba hizara zavatra niainan’izy ireo tamin’izy ireo narary na nandalo fanaintainana na nanana olana hafa izay nampalahelo azy ireo. Ahoana no fomba nanampian’ny hafa azy ireo mba hahatsapa ho mahazo aina kokoa? Mijoroa ho vavolombelona fa nianjadian’ireo zavatra ireo koa ny Mpamonjy, ary resaho ny mikasika ny fotoana iray izay nampaherezany anao sy nanampiany anao.

  • Rehefa mamaky ny Almà 7:11–13 ianao sy ny zanakao dia tadiavo ireo fijaliana nozakain’i Jesoa Kristy ho antsika. Asao ny ankizy hampiasa ireo teny na andian-teny izay hitany mba hamenoana ity fehezan-teny ity: “Nijaly i Jesoa mba hahafahany manampy ahy.” Ahoana no hanampian’izany antsika hahafantatra fa mahatakatra ireo tolona atrehantsika i Jesoa? Ahoana no fomba ahazoantsika ny fanampiany? Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba an’i Jesoa Kristy.

Almà 5:14; 7:19–20

Mihazona ahy ho eo amin’ny lalana mahitsy miverina any amin’ny Ray any An-danitra ny fanarahana an’i Jesoa Kristy.

  • Avelao ny zanakao hijery fitaratra eo am-pamakianao ny Almà 5:14 (jereo koa ny pejin’ny sahanasa ho an’ity herinandro ity). Inona ny dikan’ny hoe misoritra eo amin’ny tarehintsika ny endriky ny Mpamonjy?

  • Ahoana no ahafahanao mampiasa ny famaritan’i Almà an’ilay lalana miverina any amin’ny Ray any An-danitra mba hanampiana ny zanakao hanao safidy tsara? Azonao vakina amin’izy ireo ny Almà 7:19–20 ary avelao izy ireo hilalao an-tsehatra ny fandehanana eo amin’ny “lalana miolikolika” sy ny fandehanana eo amin’ny lalana mahitsy. Ampio izy ireo hieritreritra ireo safidy izay manampy antsika hijanona eo amin’ilay lalana sy hieritreritra ireo safidy hafa izay manala antsika tsy ho eo amin’ilay lalana. Afaka miaraka mijery ny sarin’i Jesoa koa ianareo ary miresaka mikasika ireo zavatra nataony mba hampisehoana antsika ny lalana miverina any amin’ny Ray any An-danitra. Afaka manolotra hevitra vitsivitsy ny hira toy ny hoe: “Miezaka aho ho toa an’i Jesoa” (Bokin-kiran’ny ankizy, 40–41).

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa, dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.

Sary
I Jesoa Kristy manao akanjo mena

Ilay Mpisolovava antsika, nataon’i Jay Bryant Ward

Hamoaka printy