Avia, hanaraka Ahy 2024
17-23 jona: “Ho avy mba hanavotra ny olony i Jesoa Kristy.” Almà 8–12


“17–23 jona: -Ho avy mba hanavotra ny olony i Jesoa Kristy.- Almà 8–12,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Bokin’i Môrmôna 2024 (2024)

“17–23 jona. Almà 8–12,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2024 (2024)

Sary
I Almà mitory ny filazantsara

Mampianatra fotopampianarana marina, nataon’i Michael T. Malm

17–23 jona: Ho avy mba hanavotra ny olony i Jesoa Kristy

Almà 8–12

Tsy azo sakanana ny asan’ Andriamanitra. Saingy ny ezaka ataontsika amin’ny asany dia toa tsy mahomby indraindray, ary mety tsy hahita avy hatrany ny vokatra izay antenaintsika mihitsy aza isika. Mety manana fahatsapana kely ho tahaka an’i Almà ihany isika rehefa nitory ny filazantsara tao Amônihà izy: nolavina sy nororàna ary noroahina. Kanefa rehefa nisy anjely nanome toromarika azy hiverina sy hiezaka indray dia “niverina faingana” (Almà 8:18) tamin-kerimpo i Almà, ary nanomana ny lalany Andriamanitra. Tsy nanome sakafo hohanin’i Almà sy toerana hipetrahany fotsiny Izy, fa nanomana an’i Amioleka ihany koa, izay lasa namana mpiara-miasa, mpiaro ny filazantsara tamin’ny fomba hentitra, ary namana mahatoky. Rehefa miatrika zava-tsarotra sy fahadisoam-panantenana isika eo am-panompoantsika ao amin’ny fanjakan’ny Tompo, dia azontsika tadidina ny fomba nanampian’ Andriamanitra sy nitarihany an’i Almà, ary afaka matoky isika fa hanampy sy hitarika antsika koa Andriamanitra, na dia ao anatin’ny toe-javatra iainana izay sarotra aza.

Torohevitra ho an’ny fianarana any an-tokantrano sy any am-piangonana

Sary
sary famantarana ny seminera

Almà 8

Mitaky faharetana ny ezaka ataoko amin’ny fitoriana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Efa nanandrana nizara ny filazantsaran’i Jesoa Kristy tamin’olona iray ve ianao, saingy nolavina ny fanasanao? Niaina izany koa i Almà. Inona no ianaranao avy aminy ao amin’ny Almà 8:13–16 momba ny fizarana ny filazantsara na dia eo aza ny olana sy ny fanoherana? Tohizo ny famakiana ao amin’ny andininy 17–32, ary tadiavo ireo andian-teny izay mamporisika anao mba hizara hatrany ny filazantsara, na dia toa tsy mahomby aza ianao.

Vavolombelona manokan’i Kristy ny mpaminany sy ny apôstôly, noho izany dia manana torohevitra maro azo avy amin’ny fanentanam-panahy mba hozaraina momba ny fijoroana ho vavolombelona momba Azy izy ireo. Jereo ny zavatra nolazain’ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny “Kanefa ahoana raha toa ka sarotra ny mizara ny filazantsara?” (fizarana iray ao amin’ny “Asa fitoriana: Mizara ny zavatra tena inoana sy tsapanao,” Liahona, mey 2019, 18) na ny zavatra nolazain’ny Loholona Gary E. Stevenson ao amin’ny “Mitia, mizara, manasa,” (Liahona, mey 2022, 84–87). Inona no hitanao ao izay afaka manampy olona iray izay manomboka kivy amin’ny fizarana ny filazantsara?

Ahoana no hamintinanao ny zavatra rehetra nianaranao tato ao anatin’ny fehezanteny mampahery iray na roa momba ny fizarana ny filazantsara? Hevero ny hanao peta-drindrina na mème izay afaka manentana anao (sy ny hafa) hiezaka hatrany.

Jereo koa ny “Un ange commande à Alma de retourner à Ammonihah” (horonan-tsary), Médiathèque de l’Évangile.

Almà 9:14–23

Tonga miaraka amin’ny andraikitra lehibe ny fitahian’ Andriamanitra.

Rehefa mamaky mikasika ny fomba nitondran’ny Nefita tao Amônihà an’ireo mpanompon’ny Tompo dia mora ny manadino fa izy ireo dia vahoaka efa niaina ny filazantsara, ary “vahoaka nankasitrahan’ny Tompo … fatratra tokoa” (Almà 9:20). Eo am-pamakianao momba ireo fitahiana lehibe nomen’ Andriamanitra ny vahoakan’i Nefia (jereo indrindra ny Almà 9:19–23), dia saintsaino ireo fitahiana lehibe izay efa nomeny anao. Inona avy ireo andraikitra miaraka amin’ireo fitahiana ireo? Inona no ataonao mba hijanonana ho mahatoky amin’ireo andraikitra ireo?

Jereo ihany koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:24; 82:3; 93:39.

Almà 11–12

Drafitry ny fanavotana ny drafitr’ Andriamanitra.

Ao amin’ny Almà 11–12, dia nantsoin’i Almà sy i Amioleka hoe drafitry ny fanavotana ny drafitr’ Andriamanitra. Eo am-pamakianao ireo toko ireo dia saintsaino ny antony nampiasana ny teny hoe fanavotana mba hamaritana ny drafitr’ Andriamanitra. Hevero ny hanoratra famintinana fohy momba ny zavatra nampianarin’i Almà sy i Amioleka momba ireto lafiny manaraka ireto ao amin’ilay drafitra:

  • Ny Fahalavoana

  • Ny Mpanavotra

  • Fibebahana

  • Fahafatesana

  • Fitsanganana amin’ny maty

  • Fitsarana

Jereo ny fiantraikan’ny tenin’i Amioleka teo amin’ny vahoaka (jereo ny Almà 11:46). Inona no fiantraikan’ny fahalalana momba ny drafitr’ Andriamanitra eo aminao?

Jereo ihany koa ny Dallin H. Oaks, “Ilay drafitra lehibe,” Liahona, mey 2020, 93–96; “Amulek témoigne de Jésus-Christ” (horonan-tsary), Médiathèque de l’Évangile.

Almà 12:8–18

Raha tsy manamafy ny foko aho dia afaka mandray bebe kokoa ny tenin’ Andriamanitra.

Mety hanontany tena ny olona sasany hoe nahoana ny Ray any An-danitra no tsy mampahafantatra antsika ny zavatra rehetra. I Almà dia nanazava ny iray amin’ny mety ho antony izany ao amin’ny Almà 12:9–14. Ireto fanontaniana ireto dia afaka manampy anao hisaintsaina ny zavatra nampianariny:

  • Inona no dikan’ny hoe manamafy ny fonao? Inona no vokatry ny hoe mafy fo? (jereo koa ny Almà 8:9–11; 9:5, 30–31; ary ny 10:6, 25).

  • Inona no azonao atao mba hampitodihana ny fonao any amin’ Andriamanitra? (jereo ny Jeremia 24:7; Almà 16:16; Helamàna 3:35).

  • Inona no azonao atao mba hakana antoka fa “hita [ao aminao]” ny tenin’ Andriamanitra? (Almà 12:13). Raha manana ny tenin’ Andriamanitra ao aminao ianao, dia inona no ho fiantraikan’izany eo amin’ny “teni[nao],” ny “asa[nao],” ary ny “eritreri[trao]”? (Almà 12:14).

Inona no ampianarin’ny zavatra niainan’i Amioleka anao momba ireo fitahiana avy amin’ny fananana fo malefaka? (jereo ny Almà 10:1–11).

 Jereo koa ny “Alma avertit Zeezrom” (horonan-tsary), Médiathèque de l’Évangile.

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa, dia jereo ny laharan’ireo gazetiboky Liahona sy Ho zatovo mahery ho an’ity volana ity.

Hevitra enti-mampianatra ny ankizy

Almà 8–10

Afaka mizara ny filazantsaran’i Jesoa Kristy aho.

  • Ny pejin’ny sahanasa ho an’ity herinandro ity dia afaka manampy anao hamintina ireo zava-nitranga ao amin’ny Almà 8–10 ho an’ny zanakao. Azonao atao ny manampy azy ireo hahita fitsipika izay nahatonga an’i Almà sy i Amioleka ho misiônera tsara. Ohatra, tsy nilavo lefona izy ireo (jereo ny Almà 8:8–13), nijoro ho vavolombelona momba an’i Kristy izy ireo (jereo ny Almà 9:26–27), ary niara-niasa izy ireo (jereo ny Almà 10:12).

  • Ny hira iray momba ny asa fitoriana, toy ny “Mba te ho misiônera aho izao” (Bokin-kiran’ny ankizy, 90) dia afaka manome ny zanakao hevitra mikasika ny fomba hizarana ny filazantsara amin’ireo namany. Asao izy ireo hanao lisitra ireo zavatra hitany sy ny olona azony hizarana ny filazantsara. Azonao atao mihitsy aza ny mamela azy ireo hilalao an-tsehatra izay mety holazainy na hataony.

Amporisiho ny fandraisana anjara. Rehefa miomana hampianatra ianao, dia manontania tena hoe, “Inona no hataon’ny ankizy mba hianarana?”, toy izay handrafitra ireo zavatra holazaina. Hianatra bebe kokoa sy hahatadidy zavatra maharitra kokoa ny ankizy rehefa mandray anjara mavitrika.

Almà 11–12

Drafitry ny fanavotana ny drafitr’ Andriamanitra.

  • Angamba ny zanakao afaka manao sary izay maneho ireo fitsipiky ny drafitry ny fanavotana, toy ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva, ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, ny fibebahana, ny fahafatesana, ny fitsanganana amin’ny maty, ary ny fitsarana. Avy eo dia azonao atao ny manampy azy ireo hampifanaraka ny sariny amin’ireo andininy ao amin’ny Almà 11–12 izay mampianatra momba ireo fitsipika ireo.

Almà 8:18–22

Afaka ny ho namana tsara aho.

  • Asao ny zanaka iray mba hody hanao hoe Amioleka ary ny zanaka iray hafa hody hanao hoe Almà eo am-pamakianao ny Almà 8:18–22. Ahoana no nahatonga an’i Amioleka ho namana tsara ho an’i Almà? Avy eo ny zanakao dia afaka mizara ny fomba nahatonga ny olona iray ho naman’izy ireo sy ny zavatra tsapan’izy ireo noho izany zavatra niainany izany.

  • Azonao atao angamba ny manao piozila momba ny finamanana: mitadiava na manaova sary maneho ny finamanana ary hetezo ho lasa tapatapa-taratasy hanamboarana piozila izany. Soraty ao ambadiky ny tapa-taratasy kely tsirairay ny zavatra azontsika atao mba ho namana tsara, anisan’izany ny zavatra nataon’i Almà sy i Amioleka. Afaka mifandimby mifidy tapa-taratasy kely iray ny zanakao ary mametaka izany ao anatin’ilay piozila rehefa mamaky izay voasoratra ao ambadika ianao. Iza no mila ny finamanantsika?

Sary
ankizivavy roa mihomehy

Afaka ny ho lasa namana tsara ho an’ny hafa isika.

Almà 11:43–44

Noho i Jesoa Kristy dia hitsangana amin’ny maty aho.

  • Mieritrereta lesona mampiasa zavatra azo tsapain-tanana tahaka ity iray ity mba hampianarana momba ny Fitsanganana amin’ny maty: ny tananao dia afaka maneho ny fanahinao ary ny fonon-tanana dia maneho ny vatanao. Esory hiala ao anatin’ilay fonon-tanana ny tananao mba hampisehoana fa hisaraka ny fanahintsika sy ny vatantsika rehefa maty isika. Avereno ao anatin’ilay fonon-tanana ny tananao avy eo mba hampisehoana fa hakambana indray ny fanahintsika sy ny vatantsika amin’ny Fitsanganana amin’ny maty. Avelao ny zanakao hifandimby hanao ilay fonon-tanana sy hanala izany eo am-pamakianao ny Almà 11:43 amin’izy ireo. Mampisehoa sarin’ny Mpamonjy efa nitsangana tamin’ny maty (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny Filazantsara, lah. 59), ary mijoroa ho vavolombelona fa i Jesoa Kristy dia nanao izay ahafahan’ny olona rehetra hitsangana amin’ny maty.

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa, dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.

Sary
I Almà miara-misakafo amin’i Amioleka

Sary maneho an’i Almà miara-misakafo amin’i Amioleka, nataon’i Dan Burr

Hamoaka printy