Avia, hanaraka Ahy 2024
1–7 jolay: “Izaho hahatonga anareo ho fitaovana eo an-tanako.” Almà 17–22


“1–7 jolay: -Izaho hahatonga anareo ho fitaovana eo an-tanako.- Almà 17–22,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Bokin’i Môrmôna 2024 (2023)

“jolay 1–7. Almà 17–22,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2024 (2023)

Sary
I Amôna miresaka amin’i Lamônia Mpanjaka

[Ammon and King Lamoni] I Amôna sy ny Mpanjaka Lamônia, nataon’i Scott M. Snow

1–7 jolay: “Izaho hahatonga anareo ho fitaovana eo an-tanako”

Almà 17–22

Eritrereto ireo mety ho antony rehetra omen’ny olona ka mahatonga azy ireo tsy hizara ny filazantsara: “Tsy ampy ny fahalalako” na “Tsy azoko antoka hoe ho liana izy” na angamba hoe “Dia ahoana raha laviny aho?” Nisy fotoana angamba ianao efa nieritreritra zavatra mitovy amin’izany. Ireo Nefita dia nanana antony iray fanampiny tsy hizarana ny filazantsara amin’ny Lamanita: izy ireo dia “vahoaka baribariana sy mafy fo ary loza be; dia vahoaka izay finaritra tamin’ny famonoana ny Nefita” (Almà 17:14; jereo koa ny Almà 26:23–25). Kanefa ireo zanakalahin’i Môzià dia nanana antony iray lehibe kokoa izay nahatsapany ny tsy maintsy hizarana ny filazantsara amin’ny Lamanita: “Niriany ny hanambara ny famonjena amin’ny olona tsirairay satria tsy tantiny ny mety hisian’ny fanahin’ny olona ho very” (Môzià 28:3). Io fitiavana izay nitaona an’i Amôna sy ny rahalahiny io dia afaka ny hanainga anao ihany koa hizara ny filazantsara amin’ny fianakavianao, sy ny namanao ary ny olom-pantatrao, eny na dia ireo izay mety tsy hanaiky handray izany aza.

Torohevitra ho an’ny fianarana any an-tokantrano sy any am-piangonana

Almà 17:1–4

Ny asa feno fanolorantena ho an’i Kristy izay tsotra sy atao tsy tapaka dia manampy ahy hahazo ny heriny.

Inona no ianaranao avy amin’ny Almà 17:1–4 momba ny fihazonana ny fijoroana ho vavolombelona anananao sy ny fanolorantenanao ho an’i Jesoa Kristy mba hatanjaka hatrany? Inona no nataon’ireo zanakalahin’i Môzià ary tamin’ny fomba ahoana no nitahian’izany azy ireo?

Eo am-pamakianao ny zavatra niainan’ireo zanakalahin’i Môzià ao amin’ny Almà 17–22, dia diniho ny fiantraikan’ny fiomanan’izy ireo ara-panahy teo amin’ny asa fanompoan’izy ireo teo anivon’ny Lamanita (jereo ohatra ny Almà 18:10–18, 34–36; 20:2–5; 22:12–16). Inona no tsapanao fa tokony hataonao mba hanarahana ny ohatr’izy ireo?

Almà 17:6–12; 19:16–36

Sary
sary famantarana ny seminera
Afaka ny ho fitaovana eo am-pelatanan’ Andriamanitra aho.

Ny tantarana fiovam-po vakintsika ao amin’ny soratra masina dia matetika tena mampitolagaga, saingy mazàna ny ampahany manan-danja mandrafitra azy ireny dia olona izay nanana herim-po hanambara sy hizara ny finoany an’i Jesoa Kristy. Eritrereto izany eo am-pamakianao momba an’i Abisa sy ireo zanakalahin’i Môzià mandritra ity herinandro ity.

Inona no dikan’ny hoe fitaovana eo am-pelatanan’ Andriamanitra raha ny hevitrao? Mety hanampy ny mieritreritra fitaovana na fiasana izay mety ampiasainao eo amin’ny fiainanao andavanandro. Tadiavo ao amin’ny Almà 17:6–12 ny zavatra izay nataon’ireo zanakalahin’i Môzià mba hahatonga azy ireo ho fitaovana teo am-pelatanan’ Andriamanitra. Ahoana no ahafahanao ho lasa fitaovana mahomby kokoa amin’ny fanampiana ny hafa hanatona an’i Kristy?

Inona no manaitra anao momba an’i Abisa ao amin’ny Almà 19:16–36? Inona no ianaranao avy aminy momba ny fanampiana ny hafa hanorina finoana an’i Kristy? Ohatra, inona no zavatra tsapanao fa hanampy ireo olona tianao mba “hino ny fahefan’ Andriamanitra”? (Almà 19:17).

Azonao ampitahaina amin’ireo fitsipika nampianarin’ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny “Asa fitoriana: Mizara ny zavatra tena inoana sy tsapanao” (Liahona, mey 2019, 15–18) ihany koa ny zavatra niainan’i Abisa. Tamin’ny fomba ahoana no nanehoan’i Abisa ireo “Sosokevitra tsotra dimy”? Manandrama manoratra zavatra vitsivitsy izay mety holazainao momba an’i Jesoa Kristy. Ohatra, “Ho ahy, i Jesoa Kristy dia …” na “Ny Mpamonjy dia manampy ahy …”

Jereo ihany koa ny “Brillamment, l’amour du Père,” Cantiques, no. 151.

Mampiasà lesona ampiasana zavatra azo tsapain-tanana. Isaky ny afaka mahita na mikasika zavatra mifandray amin’izay ianarany ny olona dia azo inoana fa hahatsiaro izany maharitra kokoa izy ireo. Raha ny Almà 17:11 ohatra no ampianarinao, dia hevero ny hampiseho zavamaneno na fitaovana fanoratana mba hampitsiry ny resadresaka momba ny hoe fitaovana eo am-pelatanan’ Andriamanitra.

Almà 17–19

Rehefa mampiseho fitiavana ho an’ny hafa isika dia afaka manampy azy ireo handray ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Mitadiava andininy ao amin’ny Almà 17–19 izay mampiseho fa ny fitiavan’i Amôna ireo Lamanita dia nanentana ny ezaka nataony mba hizara ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Inona ihany koa ireo fahamarinana hafa mikasika ny fizarana ny filazantsara izay ianarantsika avy amin’ny ohatra nasehony?

Jereo koa ny “Ammon sert et instruit le roi Lamoni” (horonan-tsary), Médiathèque de l’Évangile.

Sary
I Amôna mamonjy ny ondrin’ny mpanjaka

Minerva Teichert (1888–1976), [Ammon Saves the King’s Flocks] Mamonjy ireo ondrin’ny Mpanjaka i Amôna, 1949–1951, peinture à l’huile sur masonite, 88.9 x 121.92 santimetatra. Tranombakoky ny zavakanto an’ny Brigham Young University, 1969.

Almà 19:36

Hanampy ahy hibebaka ny Tompo.

Taorian’ny fitantarana ny fiovam-pon’i Lamônia sy ny vahoakany dia namintina ilay tantara i Môrmôna ka nampiany fanamarihana momba an’i Jesoa Kristy izany. Inona no ampianarin’ny Almà 19:36 anao mikasika ny toetran’ny Tompo? Inona koa no ampianarin’ny Almà 19:16–36 anao momba Azy? Oviana ianao no nahatsapa ny sandrin’ny Tompo nitolotra taminao?

Almà 20:23; 22:15–18

Mendrika hanaovana ny fahafoizan-tena rehetra ny famantarana an’ Andriamanitra.

Ampitahao ny zavatra nomanin’ny rain’i Lamônia mba hafoy mba hamonjena ny ainy (jereo ny Almà 20:23) sy ny zavatra izay niriny hafoy taty aoriana mba handraisana ny fifalian’ny filazantsara sy hahafantarana an’ Andriamanitra (jereo ny Almà 22:15, 18). Saintsaino ny zavatra irinao hafoy mba hahafantarana feno kokoa an’ Andriamanitra.

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa, dia jereo ny laharan’ireo gazetiboky Liahona sy Ho zatovo mahery! ho an’ity volana ity.

Hevitra enti-mampianatra ny ankizy

Almà 17:2–3

Mitombo ny fijoroana ho vavolombelona ananako momba an’i Jesoa Kristy rehefa mamaky soratra masina sy mivavaka ary mifady hanina aho.

  • Afaka manampy ireo zanakao hanorina ny fijoroana ho vavolombelon’izy ireo momba an’i Jesoa Kristy amin’ny fomba ahoana ny ohatry ny zanakalahin’i Môzià? Azonao ampiana ireo zanakao hahita ny zavatra izay nataon’ireo zanakalahin’i Môzià mba hanorenana ny tanjak’izy ireo ara-panahy ao amin’ny Almà 17:2–3. Azon’izy ireo atao avy eo ny manao sary na mitady zavatra izay maneho ireo zavatra ireo. Ampio izy ireo hanao drafitra mikasika ny zavatra hataony mba hanamafisana orina ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo momba ny Mpamonjy.

Almà 17–19

Afaka mizara ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny hafa aho.

  • Mba hianarana momba ny hoe fitaovana eo am-pelatanan’ Andriamanitra, tahaka ireo zanakalahin’i Môzià, dia afaka mijery fitaovana na fiasana iray ianao sy ny zanakao ary miresadresaka ny zavatra ampiasana izany. Azonareo vakina avy eo ny Almà 17:11 ary ifampiresaho ny momba ny dikan’ny hoe fitaovan’ny Ray any An-danitra mba hanampiana ny olona hianatra momba an’i Jesoa Kristy.

  • Ny pejin’ny sahanasa ho an’ity herinandro ity dia ahitana sary maneho fahamarinana nampianarin’i Amôna ny Mpanjaka Lamônia. Afaka manampy ireo zanakao ianao hahita ireo fahamarinana ireo ao amin’ny Almà 18:24–40. Afaka mody manao hoe misiônera ireo zanakao ary mizara ny zavatra fantatr’izy ireo mikasika ireo fahamarinana ireo.

  • Aorian’ny famakianao momba an’i Abisa amin’ireo zanakao (jereo ny Almà 19:16–20, 28–29), dia azon’izy ireo atao ny mody manao hoe Abisa amin’ny alalan’ny fihazakazahana eo amin’ny toerana eo ihany, fandondonana amin’ny varavarana, ary filazana ny zavatra nitranga tao amin’ny Almà 19:1–17. Ahoana no ahafahantsika ho tonga tahaka an’i Abisa ka hizarantsika izay fantantsika momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany? Azon’ireo zanakao atao ny manao sary ny tenany mizara ny filazantsara amin’ny olona iray na miaraha mihira hira iray momba ny fizarana ny filazantsara, toy ny “Appelés à servir” (Cantiques, no. 160).

Almà 17:21–25; 20:8–27; 22:1–3

Afaka manampy ny hafa hanatona an’i Kristy aho amin’ny alalan’ny fanehoana ny fitiavako azy ireo.

  • Tamin’ny voalohany dia nanamafy ny fon’izy ireo teo anatrehan’ny filazantsara i Lamônia Mpanjaka sy ny rainy. Taty aoriana dia nihanalefaka ny fon’izy ireo, ary nino an’i Jesoa Kristy izy ireo. Ahoana no nitrangan’izany? Ampio ireo zanakao hahita ny valin’izany fanontaniana izany rehefa mamerina mijery miaraka amin’izy ireo ny zavatra niainan’i Amôna ianareo. Azonareo lalaovina an-tsehatra ny “Toko 23: I Amôna: mpanompo lehibe” sy ny “Toko 24: Mifanena amin’ny rain’ny Mpanjaka Lamônia i Amôna” (Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, 64–68, 69–70). Na mety ho tian’ireo zanakao koa ny hanao sary maneho ireo fizarana samihafa ao amin’ilay tantara ka mampiasa ny sary hitantarana ilay tantara. Inona no nataon’i Amôna mba hanampiana an’i Lamônia sy ny rainy hanokatra ny fon’izy ireo ho amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy? (jereo ny Almà 17:21–25; 20:8–27; 22:1–3).

  • Azonao sy ny zanakao atao tsara ny mieritreritra olona iray izay mila mahafantatra momba an’i Jesoa Kristy. Ampio izy ireo hieritreritra fomba ahafahan’izy ireo ho ohatra tsara sy ahafahan’izy ireo maneho fitiavana amin’io olona io, toy ny nataon’i Amôna tamin’i Lamônia sy ny rainy.

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.

Sary
sarin’i Abisa

Sary maneho an’i Abisa, nataon’i Dilleen Marsh

Hamoaka printy