Scripture Stories
Ny mpanjakan’ireo Lamanita rehetra


“Ny mpanjakan’ireo Lamanita rehetra,” Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna (2023)

“Ny mpanjakan’ireo Lamanita rehetra,” Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna

Almà 20; 22–23

Ny mpanjakan’ireo Lamanita rehetra

Maniry ny hianatra momba ny Tompo

Sary
Tezitra amin’i Lamônia sy i Amôna ny mpanjaka

Nanana mpanjaka izay nanapaka teo ambonin’ireo mpanjaka rehetra hafa ny Lamanita. Rain’i Lamônia Mpanjaka izy io. Nihevitra izy fa fahavalo ireo Nefita. Indray andro dia nahita an’i Lamônia niaraka tamin’i Amôna izy. Nanontanian’ny mpanjaka i Amôna hoe inona no nataony niaraka tamina Nefita. Nolazain’i Lamônia tamin’ilay mpanjaka fa handeha hanafaka ireo rahalahin’i Amôna izay any am-ponja izy ireo.

Môzià 10:11–17; Almà 20:1–12

Sary
Mpanjaka miresaka

Tezitra ilay mpanjaka. Nihevitra izy fa mandainga ireo Nefita mba handrobana ny Lamanita. Noteneniny i Lamônia mba hamono an’i Amôna ary hiaraka aminy.

Almà 20:13–14

Sary
I Lamônia miresaka

Tsy novonoin’i Lamônia i Amôna. Nolazainy ny mpanjaka fa i Amôna sy ireo rahalahiny dia mpaminanin’ Andriamanitra. Nilaza izy fa hanampy ireo rahalahin’i Amôna.

Almà 20:15

Sary
Miady i Amôna sy ny mpanjaka

Nanatsoaka ny sabany ny mpanjaka mba hamelezany an’i Lamônia, saingy nosakanan’i Amôna izy. I Amôna indray no nasian’ny mpanjaka. Niaro ny tenany i Amôna. Noratrainy ny sandrin’ny mpanjaka mba tsy hahafahan’ny mpanjaka miady intsony. Natahotra ny mpanjaka satria tena natanjaka i Amôna. Nampanantena ny hanome an’i Amôna ny antsasaky ny fanjakany izy raha toa ka avelan’i Amôna ho velona.

Almà 20:16–23

Sary
I Amôna miresaka amin’ny mpanjaka

Tsy te hahazo ilay fanjakana i Amôna. Nangatahany kosa ilay mpanjaka mba hanafaka ireo rahalahiny izay tao am-ponja. Nangatahany koa ilay mpanjaka mba tsy ho tezitra amin’i Lamônia intsony. Nilaza i Amôna fa tokony havelan’ny mpanjaka hitondra araka izay fomba hitany fa tena mety i Lamônia.

Almà 20:24

Sary
Mpanjaka mieritreritra

Gaga tamin’ny halehiben’ny fitiavan’i Amôna an’i Lamônia ny mpanjaka. Nekeny ny hanao izay zavatra rehetra nangatahin’i Amôna.

Almà 20:25–27

Sary
Mpanjaka faly sy miresaka amin’i Lamônia sy i Amôna

Naniry ny hianatra bebe kokoa momba ny zavatra nolazain’i Amôna sy i Lamônia taminy momba an’ Andriamanitra ny mpanjaka. Nangatahany i Amôna sy ireo rahalahiny mba hankany aminy hampianatra azy.

Almà 20:27

Sary
I Amôna sy i Lamônia manampy ireo rahalahin’i Amôna

Nankao amin’ny tanin’i Midônia i Amôna sy i Lamônia. Voafonja tany ireo rahalahin’i Amôna. Nofatorana tamin’ny tady izy ireo ary tsy nomena sakafo na rano. Nandresy lahatra ny mpanapaka tao Midônia i Lamônia mba hanafaka ireo rahalahin’i Amôna.

Almà 20:28–30

Sary
I Aharôna mandohalika eo anoloan’ny mpanjaka

Rehefa nafahana izy ireo dia nankany amin’ny rain’i Lamônia ireo rahalahin’i Amôna. Niondrika teo anatrehan’ny mpanjaka izy ireo ary nangataka ny ho lasa mpanompony. Tsy nanaiky ny mpanjaka. Tiany mba hampianatra azy ny filazantsara kosa anefa izy ireo. Aharôna no anaran’ny iray tamin’ireo mpirahalahy. Novakiny tamin’ny mpanjaka ny soratra masina ary nampianariny momba an’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy izy.

Almà 22:1–14

Sary
I Aharôna sy ny mpanjaka mivavaka

Nino an’i Aharôna ny mpanjaka. Nilaza izy fa hafoiny ny fanjakany iray manontolo mba hahafantarana an’ Andriamanitra. Nanontaniany an’i Aharôna izay tokony hataony. Nasain’i Aharôna nibebaka sy nivavaka tamin’ Andriamanitra tamim-pinoana ny mpanjaka. Nibebaka tamin’ny fahotany rehetra ny mpanjaka ary nivavaka.

Almà 22:15–18

Sary
Ny mpanjaka niankarapoka tamin’ny tany

Niankarapoka tamin’ny tany ny mpanjaka. Nihazakazaka nampandre ny mpanjakavavy ny mpanompon’ny mpanjaka.

Almà 22:18–19

Sary
Tezitra mafy ny mpanjakavavy

Tonga ny mpanjakavavy ary nahita ny mpanjaka teo amin’ny tany. Noheveriny fa novonoin’i Aharôna sy ireo rahalahiny ny mpanjaka. Tezitra ny mpanjakavavy.

Almà 22:19

Sary
Ny mpanjakavavy manondro an’i Aharôna

Nasain’ny mpanjakavavy novonoin’ireo mpanompo i Aharôna sy ireo rahalahiny. Natahotra anefa ireo mpanompo. Nilaza izy ireo fa mahery loatra i Aharôna sy ireo rahalahiny. Lasa natahotra ny mpanjakavavy tamin’izay. Nirahiny ny mpanompony mba hilaza ny zava-nitranga amin’ny vahoaka tao amin’ilay tanàna. Nanantena izy fa hovonoin’ny vahoaka i Aharôna sy ireo rahalahiny.

Almà 22:19–21

Sary
I Aharôna manampy ny mpanjaka mba hiarina

Fantatr’i Aharôna fa ho tezitra ny vahoaka. Fantany koa fa tsy maty akory ny mpanjaka. Nampiany ilay mpanjaka mba hiarina. Niverina tamin’ilayny mpanjaka ny heriny ary nitsangana izy. Talanjona ny mpanjakavavy sy ireo mpanompo.

Almà 22:22–23

Sary
Mpanjaka mampianatra ny mpanjakavavy sy ireo mpanompo

Nampianatra ny mpanjakavavy sy ireo mpanompo ny momba an’i Jesoa ny mpanjaka. Nino an’i Jesoa avokoa izy ireo. Nirin’ny mpanjaka ny hianaran’ny vahoaka rehetra momba an’i Jesoa. Namoaka lalàna izy fa i Aharôna sy ireo rahalahiny dia afaka mampianatra ny filazantsara na aiza na aiza ao amin’ny fanjakany. Nampianatra ny vahoaka izy ireo ary niantso mpisorona sy mpampianatra tao amin’ilay tany.

Almà 22:23–27; 23:1–4

Hamoaka printy