Scripture Stories
Niverina tany Jerosalema


“Niverina tany Jerosalema,” Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna (2023)

“Niverina tany Jerosalema,” Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna

1 Nefia 3

Niverina tany Jerosalema

Ilay dia natao hakana ireo takela-barahina

Sary
Fianakaviana mamelatra trano lay

Nanao dia namakivaky ny tany foana ny fianakavian’i Lehia sy i Sarià. Niteny tamin’i Lehia tao anatin’ny nofy iray ny Tompo mikasika ny soratra masina voasoratra eo amina takela-barahina. Ny lehilahy iray nantsoina hoe Labàna no nanana izany tao Jerosalema. Nilaza ny Tompo fa ilain’ny fianakavian’i Lehia entina miaraka amin’izy ireo ireo takela-barahina rehefa handeha izy ireo.

1 Nefia 3:1–3, 19–20

Sary
I Lehia miresaka amin’ny fianakaviany

Niteny tamin’i Lehia ny Tompo mba haniraka ireo zanany lahy hiverina any Jerosalema haka ny takela-barahina. Nimonomonona ireo rahalahin’i Nefia. Nolazain’izy ireo i Lehia fa zavatra sarotra atao izany. Tsy te handeha izy ireo.

1 Nefia 3:4–5

Sary
I Sarià sy i Lehia ary i Nefia mifampiresaka

Zavatra tena sarotra atao izany, saingy te hankatò i Nefia. Fantany fa hanampy azy sy ireo rahalahiny ny Tompo. Niteny tamin’i Lehia i Nefia fa hiverina any Jerosalema haka ireo takela-barahina izy.

1 Nefia 3:6–8

Sary
Ireo mpirahalahy efa nanakaiky an’i Jerosalema

Niverina tany Jerosalema i Lamàna sy i Lemoela sy i Samy ary i Nefia. Rehefa tonga tany izy ireo dia nanapa-kevitra fa i Lamàna no handeha ao an-tranon’i Labàna hangataka ireo takela-barahina.

1 Nefia 3:9–11

Sary
I Labàna sy i Lamàna

Rehefa nangataka ireo takela-barahina i Lamàna dia nantsoin’i Labàna hoe mpangalatra izy. Nilaza i Labàna fa hovonoiny i Lamàna.

1 Nefia 3:11–13

Sary
I Lamàna mandositra ireo mpiambina.

Nandositra i Lamàna ary nitantara tamin’ireo rahalahiny ny zava-nitranga.

1 Nefia 3:14

Sary
I Nefia miresaka amin’ny rahalahiny

Nalahelo ireo mpirahalahy anankiefatra. Te hiverina any amin’ny ray aman-dreniny any an-tany foana i Lamàna sy i Lemoela ary i Samy, saingy nanana hevitra i Nefia. Niteny izy hoe afaka mifampiraharaha hanao takalo amin’i Labàna izy ireo mba hahazoana ireo takela-barahina. Niverina tany an-tranon’izy ireo tao amin’ilay tanàna izy ireo ary naka ny volamena sy volafotsin’izy ireo rehetra mba hatakalo.

1 Nefia 3:14–16, 22–24

Sary
Ireo mpirahalahy mandositra mpiambina

Rehefa nampisehoan’izy ireo an’i Labàna ny volamena sy volafotsy dia tiany ho azy izy rehetra. Saingy tsy mbola nomeny azy ireo ihany ireo takela-barahina. Nolazainy kosa ny mpanompony mba hamono an’ireo mpirahalahy ireo mba hahafahany maka ny volamena sy ny volafotsin’izy ireo.

1 Nefia 3:16, 23–25

Sary
Ireo mpirahalahy miafina ireo mpiambina

Nandositra namonjy ny ainy ireo mpirahalahy anankiefatra ary navelan’izy ireo ny volamena sy ny volafotsin’izy ireo. Tsy nahatratra azy ireo ny mpanompon’i Labàna. Niafina tao anaty lava-bato ireo mpirahalahy.

1 Nefia 3:26–27

Sary
Tezitra tamin’i Nefia sy i Samy i Lamàna sy i Lemoela

Taorian’ireo zavatra sarotra ireo dia tezitra mafy tamin’i Nefia i Lamàna sy i Lemoela. Nokapohin’izy ireo tamin’ny tehina i Nefia sy i Samy .

1 Nefia 3:28

Sary
Anjely miresaka amin’i Lamàna sy i Lemoela

Tampoka teo dia nisy anjely tonga ka nanontany ny antony nikapohan’izy ireo an’i Nefia. Nilaza ilay anjely fa voafidy hitarika azy ireo i Nefia. Nasain’ilay anjely niverina tany Jerosalema izy ireo avy eo. Hanomana fomba iray hahazoan’izy ireo ireo takela-barahina ny Tompo.

1 Nefia 3:29

Hamoaka printy