“Ny fanevan’ny fahafahana,” Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna (2023)
Ny fanevan’ny fahafahana
Miaro ny zo hino an’ Andriamanitra
Nefita ngeza sy matanjaka i Amalikià. Naniry ny ho mpanjaka izy. Nampanantena izy fa hanome fahefana ny olona izay nanampy azy. Olona maro no tia azy sy niezaka nitaona ny hafa hanaraka azy. Nitarika ny olona hanao zavatra ratsy i Amalikià. Naniry ny hamono ireo olona nampianatra momba an’i Jesoa Kristy izy sy ny mpanara-dia azy.
Nino an’i Jesoa ny Kapiteny Môrônia, mpitarika ny tafika Nefita. Fantany fa voatahy ny Nefita satria nitandrina ny didin’ Andriamanitra izy ireo. Tezitra mafy izy fa nitarika ny olona hanalavitra an’ Andriamanitra i Amalikià, niezaka ny ho lasa mpanjaka sy niezaka nandratra olona.
Norovitin’i Môrônia ny akanjony. Nasiany soratra teo fa tokony hahatsiaro ny Andriamaniny sy ny fahafahany ary ny fianakaviany ny vahoaka. Avy eo dia nofatorany tamin’ny tsorakazo iray izany ary nantsoiny hoe ny fanevan’ny fahafahana. I Môrônia mivavaka mba hahazo ireo fitahian’ Andriamanitra. Nasehony ny Nefita ilay fanevan’ny fahafahana ary nangatahiny izy ireo mba hiaraka aminy hiady amin’i Amalikià.
Nitafy ny fiarovany ny vahoaka ary nihazakazaka nanatona an’i Môrônia. Vonona hiady ho an’ Andriamanitra sy ny tokantranony, ny fianakaviany ary ny fahafahany izy ireo. Nanao fanekempihavanana, na fampanantenana manokana, tamin’ Andriamanitra izy ireo fa hanaraka Azy mandrakariva. Dia niomana hiady tamin’i Amalikià izy ireo.
Lehibe ny miaramilan’i Môrônia. Natahotra i Amalikià. Niezaka nandositra niaraka tamin’ny mpanara-dia azy izy. Saingy maro tamin’izy ireo no nanahy hoe niady noho ny antony diso i Amalikià. Maro no tsy nanaraka azy intsony. Nosakanan’ny miaramilan’i Môrônia ireo izay mbola nanaraka an’i Amalikià, saingy i Amalikià sy ny olon-kafa vitsivitsy kosa dia nandositra.
Nankany amin’ny tanin’ny Lamanita i Amalikià. Tiany hanampy azy hiady amin’ny Nefita ny Lamanita. Amin’izay izy manana tafika lehibe kokoa sy matanjaka kokoa. Nahatonga ny Lamanita maro ho tezitra tamin’ny Nefita izy. Nilaza tamin’ny Lamanita rehetra ny mpanjakan’ny Lamanita mba hiomana hiady amin’ny Nefita.
Tian’ny mpanjaka i Amalikià. Nataony ho iray amin’ireo mpitarika ny tafika Lamanita i Amalikià. Saingy naniry hahazo fahefana betsaka kokoa i Amalikià.
Nanao drafitra hanapaka teo amin’ny Lamanita i Amalikià. Nalainy an-keriny ny tafika Lamanita manontolo. Dia nasainy namono ny mpanjaka ny mpanompony sy handainga ny amin’ny hoe iza no nanao izany.
Mody tezitra noho ny namonoana ny mpanjaka i Amalikià. Tia an’i Amalikià ny Lamanita. Nanambady ny mpanjakavavy izy ary lasa ny mpanjaka vaovao. Naniry ny hanapaka teo amin’ny Nefita koa izy. Niteny ratsy momba ny Nefita izy mba hahatonga ny Lamanita ho tezitra amin’izy ireo. Tsy ela dia maro ny Lamanita naniry hiady tamin’izy ireo.
Raha nahazo fahefana tamin’ny alalan’ny lainga i Amalikià, I Môrônia kosa nanomana ny Nefita hatoky an’ Andriamanitra. Nasiany fanevan’ny fahafahana ny tilikambo rehetra teo amin’ny tany mba hampahatsiahivana azy ireo ny fampanantenany. Nanomana ny tanànan’ny Nefita ho amin’ny ady ihany koa ireo tafik’i Môrônia. Nanorina manda sy nihady lava-tany izy ireo mba hahatonga ny tanàna ho azo antoka sy ho mafy.
Rehefa tonga hiady ny Lamanita dia tsy afaka niditra tao amin’ireo tanànan’ny Nefita izy ireo. Nosakanan’ny manda sy ny hady naorin’ny miaramilan’i Môrônia izy ireo. Lamanita maro no maty rehefa nanafika ny Nefita. Tezitra mafy i Amalikià. Nampanantena ny hamono an’i Môrônia izy.
Nisaotra an’ Andriamanitra ny Nefita noho ny fanampiany sy ny fiarovany azy ireo. Nohamafisin’izy ireo ny fiarovana ny tanàna ary nanorina tanàna maro koa izy ireo. Nitohy ny ady tamin’ny Lamanita, saingy nanampy an’i Môrônia sy ny miaramilany Andriamanitra mba hiaro ny Nefita. Faly ireo Nefita. Nankatò an’ Andriamanitra izy ireo ary tsy nivadika Taminy.