Scripture Stories
I Jakôba sy i Serema


“I Jakôba sy i Serema,” Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna (2023)

Jakôba 7

I Jakôba sy i Serema

Fijoroana ho vavolombelona an’ny mpaminany iray momba an’i Jesoa Kristy

Sary
I Jakôba mampianatra zanaka

Mpaminanin’ Andriamanitra nahita an’i Jesoa Kristy i Jakôba Naniry ny mba hinoan’ny vahoaka an’i Jesoa izy. Nampianatra ny olona mba hitandrina ny didin’ Andriamanitra i Jakôba. Niasa mafy izy mba hampianarana ny olona momba an’i Jesoa.

2 Nefia 11:2–3; Jakôba 1:1–8, 17–19

Sary
I Serema miresaka amin’ny olona

Indray andro dia nisy lehilahy iray nantsoina hoe Serema nanomboka nampianatra ny olona. Saingy nampianatra i Serema fa tsy tena misy i Jesoa. Nahay niresaka i Serema, ary Nefita maro no nino izay nolazainy. Noho Izy dia olona maro no lasa tsy nino an’i Jesoa intsony. Tian’i Serema ihany koa i Jakôba tsy hino an’i Jesoa intsony.

Jakôba 7:1–5

Sary
I Serema miresaka sy manondro an’i Jakôba

Nilaza i Serema fa tsy misy afaka mahafantatra ny zavatra hitranga amin’ny ho avy. Niteny izy fa ny dikan’izany dia hoe tsy misy olona afaka mahafantatra raha toa ka tena misy i Jesoa, satria mbola tsy tonga tety an-tany i Jesoa. Saingy nilaza kosa i Jakôba fa ny soratra masina sy ny mpaminany rehetra dia nampianatra momba an’i Jesoa. Nampisehoan’ Andriamanitra an’i Jakôba fa i Jesoa dia ho avy ety an-tany.

Jakôba 7:6–12

Sary
I Serema miresaka sy mitsiky

Mbola tsy nino foana i Serema. Tiany hampiseho famantarana aminy i Jakôba fa tena misy i Jesoa.

Jakôba 7:13

Sary
I Jakôba manangana ny tanany

Nilaza i Jakôba fa i Serema dia nahafantatra fa ho avy i Jesoa ka tsy nila famantarana izy. Saingy nilaza i Jakôba fa Andriamanitra dia hanao izay hahasafotra an’i Serema mba hanehoana fa manana hery Andriamanitra ary tena misy i Jesoa.

Jakôba 7:14

Sary
I Serema tafandohalika niaraka tamin’ny olona teo akaiky teo

Tampoka teo dia lasa narary i Serema ary niankarapoka tamin’ny tany. Andro maro taty aoriana dia nahafantatra izy fa ho faty. Nilaza tamin’ny olona izy fa nofitahin’i Satana. Nilaza izy fa nandainga tamin’ Andriamanitra. Fantany hatrizay fa tena misy i Jesoa. Maty i Serema avy eo. Namaky ny soratra masina sy nino an’i Jesoa ny olona.

Jakôba 7:15–23

Hamoaka printy