Scripture Stories
I Almà sy i Amioleka ary i Zezrôma


“I Almà sy i Amioleka ary i Zezrôma,” Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna (2023)

Almà 4–12

I Almà sy i Amioleka ary i Zezrôma

Misafidy ny hino sy hankatò an’ Andriamanitra

Sary
I Almà nihantsian’ny olona ady

Hitan’i Almà fa maro ireo mpikamban’ny Fiangonana izay tsy nankatò ny didin’ Andriamanitra. Noho izany dia nitety tanàna i Almà nampianatra ny tenin’ Andriamanitra. Olona maro no nibebaka. Avy eo i Almà dia nankany amin’ny tanàna iray nantsoina hoe Amônihà. Tsy nihaino azy ny vahoaka tao. Nororain’izy ireo izy ary noroahin’izy ireo hivoaka ny tanàna.

Almà 4:11–20; 5–7; 8:1–13

Sary
anjely miresaka amin’i Almà

Nalahelo i Almà rehefa nandao ilay tanàna. Nanahy ny amin’ilay vahoaka izy. Avy eo dia nisy anjely tonga teo aminy. Nilaza ilay anjely fa afaka ny ho faly i Almà satria nankatò an’ Andriamanitra izy. Nasain’ilay anjely niverina tao amin’ilay tanàna i Almà ka hampitandrina ny vahoaka. Raha tsy mibebaka izy ireo dia haringana. Niverina faingana i Almà.

Almà 8:14–18

Sary
I Almà miresaka amin’i Amioleka

Rehefa tonga tao amin’ilay tanàna i Almà dia noana mafy izy. Nifady hanina nandritra ny andro maro izy. Nangataka sakafo tamin’ny lehilahy iray antsoina hoe Amioleka i Almà.

Almà 8:19, 26

Sary
I Amioleka manasa an’i Almà mba handroso ao an-trano.

Notantarain’i Amioleka an’i Almà ny momba ny fahitana izay hitany. Tao anatin’ilay fahitana dia nisy anjely iray nilaza tamin’i Amioleka fa mpaminanin’ Andriamanitra i Almà. Naniry ny hanampy an’i Almà i Amioleka.

Almà 8:20

Sary
I Almà miarahaba ny fianakavian’i Amioleka

Nentin’i Amioleka nankany an-tranony i Almà ary nomeny sakafo hohanina. Nipetraka tao an-tranon’i Amioleka nandritra ny andro maro i Almà. Notahian’ Andriamanitra i Amioleka sy ny fianakaviany. Tatỳ aoriana i Almà sy i Amioleka dia nasain’ Andriamanitra niteny tamin’ny vahoaka tao an-tanàna mba hibebaka. Nankatò i Almà sy i Amioleka. Nomen’ Andriamanitra azy ireo ny heriny mba hanampiana azy ireo hampianatra.

Almà 8:21–32; 9–13

Sary
I Zezrôma manolotra vola

Anisan’ny olona naheno azy ireo nampianatra i Zezrôma. Maranin-tsaina tokoa izy ary nikasa ny hamitaka an’i Almà sy i Amioleka. Nilaza tamin’i Amioleka i Zezrôma fa homeny vola be i Amioleka raha milaza izy fa tsy tena misy Andriamanitra. Tiany handainga i Amioleka amin’izay ny olona tsy hino izay zavatra nampianarin’i Amioleka sy i Almà.

Almà 10:29–32; 11:21–25; 12:4–6

Sary
I Almà sy i Amioleka miresaka amin’i Zezrôma

Saingy tsy handainga momba an’ Andriamanitra i Amioleka. Nilaza izy fa tena misy Andriamanitra. Fantatr’i Amioleka sy i Almà ny eritreritr’i Zezrôma. Talanjona i Zezrôma ary nametraka fanontaniana maro tamin’izy ireo. Nampianatra an’i Zezrôma izy ireo fa manana drafitra ho an’ny olona rehetra Andriamanitra. Nino ny zavatra nampianarin’i Almà sy i Amioleka momba an’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy i Zezrôma.

Almà 11:23–46; 12:1–18, 24–34; 14:6–7; 15:6–7

Sary
I Zezrôma miara-mandeha amin’i Almà sy i Amioleka

Nanenina mafy noho ireo zavatra ratsy nataony i Zezrôma. Lasa narary izy. Namangy azy i Almà sy i Amioleka. Nilaza i Almà fa afaka ny ho sitrana i Zezrôma noho ny finoan’i Zezrôma an’i Jesoa. Nangataka an’ Andriamanitra i Almà mba hanasitrana azy. Tafatsangana haingana i Zezrôma. Sitrana izy! Natao batisa izy ary nampianatra ny vahoaka nandritra ny androm-piainany sisa.

Almà 15:1–12; 31:6, 32

Hamoaka printy