Scripture Stories
Ireo vehivavy tany an-tany foana


“Ireo vehivavy tany an-tany foana,” Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna (2023)

1 Nefia 16–17

Ireo vehivavy tany an-tany foana

Miara-mandeha amin’ny Tompo

Sary
vehivavy miasa

Nanao dia niaraka tamin’ny fianakaviany tany an-tany foana ireo zanakavavin’i Ismaela. Mafy ilay dia. Fotoana elaela taorian’izay dia nanambady ireo zanakalahin’i Lehia sy i Sarià izy ireo.

1 Nefia 16:7; 17:1

Sary
Zanakavavy vonton’alahelo eo akaikin’ny fasan’i Ismaela

Indray andro dia maty i Ismaela. Nalahelo mafy ireo zanakavaviny. Tsy teo intsony ilay rain’izy ireo. Natahotra ireo zanakavavy ireo sao ho faty any an-tany foana koa izy ireo sy ny fianakaviany. Tezitra tamin’i Lehia sy i Nefia izy ireo ary naniry ny hiverina any an-tranon’izy ireo any Jerosalema.

1 Nefia 16:34–36

Sary
Mpirahavavy mifankahery

Niteny tamin’ireo zanakavavin’i Ismaela sy ny fianakavian’izy ireo ny feon’ny Tompo. Nibebaka izy ireo ary nitahy azy ireo ny Tompo.

1 Nefia 16:39

Sary
I Sarià miaraka amin’ireo ankizy madinika

Nitondra vohoka tany an-tany foana ireo vehivavy. Niteraka zanaka lahy anankiroa hafa ihany koa i Sarià, dia i Jakôba sy i Josefa.

1 Nefia 17:1; 18:7

Sary
Fianakaviana miara-manao dia

Nampian’ny Tompo ireo vehivavy nandritra ny dia nataon’izy ireo. Nomeny ronono ampy tsara ho an’ireo zazakely izy ireo. Nampiany ireo vehivavy mba ho lasa matanjaka teo am-panaovan’izy ireo ilay dia.

1 Nefia 17:1–3

Sary
Reny sy zanaka ao anaty trano lay

Nilaza ny Tompo fa hitarika ireo zanakavavy sy ny fianakavian’izy ireo ho any amina tany nampanantenaina iray Izy. Nampanantena ireo fianakaviana ny Tompo fa hahazo izay rehetra ilaina izy ireo eo am-panaovana ilay dia. Nataony tsara hohanina ireo sakafo nohazain’izy ireo, ary nitarika azy ireo Izy.

1 Nefia 17:3, 5, 12–14

Sary
Fianakaviana eo amoron-dranomasina

Taorian’ny valo taona tany an-tany foana, dia tonga teo amin’ny ranomasina ireo fianakaviana. Nifaly niaraka tamin’ny fianakaviany ireo vehivavy. Tsara tarehy ilay tany teo amoron’ilay ranomasina. Nantsoin’izy ireo hoe Soafeno izany satria feno voankazo sy tantely hohanina ilay izy. Nomanin’ny Tompo ho azy ireo izany rehetra izany.

1 Nefia 17:4–6

Hamoaka printy