Avia, hanaraka Ahy
22–28 jolay: “[Voleo ao am-ponareo izany teny izany].” Almà 32–35


“22–28 jolay: -[Voleo ao am-ponareo izany teny izany]- Almà 32–35” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Bokin’i Môrmôna 2024 (2023)

“22–28 jolay. Almà 32–35,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2024

voa eo an-tanan’ny ankizy iray

22–28 jolay: “[Voleo ao am-ponareo izany teny izany]”

Almà 32–35

Ho an’ny Zôramita, izany fivavahana izany dia fijoroana eo amin’ny toerana ahafahan’ny olona rehetra mahita sy mamerimberina teny poakaty sy feno fireharehana. Tsy nino an’i Jesoa Kristy ny Zôramita, sy nandà ny fisiany mihitsy aza, ary nanosi-bohon-tanana ny mahantra (jereo ny Almà 31:9–25). Tetsy ankilan’izay kosa, i Almà sy i Amioleka dia nampianatra fa ny vavaka dia misy ifandraisany bebe kokoa amin’ny zavatra tsapantsika ao am-pontsika fa tsy amin’ny fahitan’ny olona izany ety ivelany. Ary raha tsy maneho fangorahana an’ireo sahirana isika dia “zava-poana … sady tsy mahasoa … na amin’inona na amin’inona” (Almà 34:28) ny vavaka ataontsika. Ny manan-danja indrindra dia hoe mivavaka isika satria mino an’i Jesoa Kristy, izay manolotra fanavotana amin’ny alalan’ny “sorona tsisy fetra sady mandrakizay” izay nataony (Almà 34:10). Ny finoana toy izany, hoy i Almà nanazava, dia manomboka amin’ny fanetrentena ary “[faniriana] ny hino” (Almà 32:27). Rehefa mandeha ny fotoana, amin’ny alalan’ny fikolokoloana tsy tapaka izany, dia latsa-paka ao am-pontsika ny tenin’ Andriamanitra mandra-pahatonga izany ho lasa “hazo maniry hatrany amin’ny fiainana maharitra mandrakizay” (Alma 32:41).

Torohevitra ho an’ny fianarana any an-tokantrano sy any am-piangonana

Almà 32:17–43

Mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy aho amin’ny alalan’ny fambolena sy ny fikolokoloana ny teniny ao am-poko.

Eo am-pamakianao ny Almà 32:17–43 dia raiso an-tsoratra ireo teny sy andian-teny izay manampy anao hahatakatra ny fomba hampiharana finoana an’i Jesoa Kristy. Inona no ianaranao momba ny atao hoe finoana sy ny atao hoe tsy finoana?

Fomba iray hafa handalinana ny Almà 32–34 ny fanaovana sary maneho ireo dingana samihafa mikasika ny fitsirian’ny voa iray. Asio anarana avy amin’ny teny ao amin’ny Almà 32:28–43 avy eo ny sary tsirairay, izay manampy anao hahatakatra ny fomba hambolena sy hikolokoloana ny tenin’ Andriamanitra ao am-ponao.

Jereo koa ny Russell M. Nelson, “Nitsangana i Kristy; hamindra tendrombohitra ny finoana Azy,” Liahona, mey 2021, 101–4.

Almà 32:26–43

Afaka mahafantatra mivantana aho.

I Almà dia nandroso sosokevitra tamin’ireo Zôramita izay tsy natoky ny fijoroana ho vavolombelona nataon’i Almà momba an’i Kristy mba hanao “fanandramana” (jereo ny Almà 32:27). Ny fanandramana dia mitaky faniriana, fahalianana hahafantatra, asa, ary finoana kely farafahakeliny, ary afaka mitondra ho amin’ny fahalalan-javatra amin’ny fomba mahavariana izany! Mieritrereta fanandramana izay hitanao na nandraisanao anjara. Araka ny Almà 32:26–36, dia karazana andrana inona no afaka mitondra ho amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy?

Ahoana no fomba nanaovanao “fanandramana” ny tenin’ Andriamanitra sy nahafantaranao fa “ny teny dia tsara”? (Almà 32:28).

Almà 33:2–11; 34:17–29

Afaka mitsaoka an’ Andriamanitra amim-bavaka aho na oviana na oviana, na aiza na aiza.

Ny torohevitr’i Almà sy i Amioleka momba ny fitsaohana sy ny vavaka dia natao mba hanitsiana ny tsy fahazoan-kevitra manokana niainan’ny Zôramita. Hevero ny hanao lisitra izany (jereo ny Almà 31:13–23). Azonao tanisaina eo akaikin’io lisitra io ireo fahamarinana momba ny vavaka ao amin’ny Almà 33:2–11 sy ny 34:17–29. Inona no ho fiantraikan’ireo zavatra ianaranao avy amin’ireo andininy ireo eo amin’ny fomba fivavakao sy fitsaohanao?

Afaka mitady hevi-baovao avy amina hira iray ao amin’ny fihirana momba ny vavaka koa ianao, toy ny “Ah, douce est l’heure de prier” (Cantiques, no. 77).

Almà 34:9–16

Mila an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany aho.

Diniho hoe impiry i Amioleka no nampiasa ireo teny hoe tsisy fetra sy mandrakizay mba hamaritana ny sorona fanavotana nataon’ny Mpamonjy ao amin’ny Almà 34:9–14. Nahoana no zava-dehibe ny mahafantatra fa ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy dia tsisy fetra sy mandrakizay? Mitadiava teny sy andian-teny ao amin’ireo andininy ireo izay mamaritra ihany koa ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy: Hebreo 10:10; 2 Nefia 9:21; Môzià 3:13.

Na dia efa mahafantatra aza isika fa tsisy fetra sy mandrakizay ny hery manavotr’i Jesoa, dia mety hisalasala isika indraindray hoe mihatra amintsika ve izany, sa mihatra amin’ny olona izay nanao fahotana tamintsika. Indray mandeha ny Loholona David A. Bednar dia niresaka momba ireo olona izay “toa mino ny Mpamonjy …, saingy tsy mino fa ireo fitahiana nampanantenainy dia afaka ny ho azon’izy ireo.” (“Raha nahafantatra Ahy hianareo,” Liahona, nôv. 2016, 104). Inona no mety hanakana antsika tsy handray feno ny herin’ny Mpamonjy? Saintsaino ny fomba ahafahanao mahafantatra fa tsisy fetra sy mandrakizay ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

Mba hisaintsainana hoe hatraiza no ilanao ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy dia mety hanampy ny mieritreritra zavatra izay ilainao isan’andro. Manontania tena hoe, “Mety ho toy ny ahoana ny fiainako raha tsy misy an’izany?” Aorian’izay, rehefa mandalina ny Almà 34:9–16 ianao dia saintsaino hoe ho toy ny ahoana ny fiainanao raha tsy misy an’i Jesoa Kristy. Afaka mitady hevitra hafa ianao ao amin’ny 2 Nefia 9:7–9. Ahoana no hamintinanao ny Almà 34:9–10 ao anatina fehezan-teny iray?

Jereo koa ny Michael John U. Teh, “Ny Mpamonjy antsika manokana,” Liahona, mey 2021, 99–101; Sujets de l’Évangile, “Expiation de Jésus-Christ,” Médiathèque de l’Évangile.

3:26

Almà 34:30–41

“Izao no fotoana sy andron’ny famonjena anareo.”

Alaivo sary an-tsaina hoe te handray anjara amina hazakazaka lavitra ezaka na fampisehoana an-kira ianao. Inona no hitranga raha miandry ny hahatongavan’ilay andro hanaovana hetsika ianao vao miomana? Inona no ifandraisan’io ohatra io amin’ny fampitandreman’i Amioleka ao amin’ny Almà 34:32–35? Inona no loza ateraky ny fanemorana ny ezaka ataontsika mba hibebaka sy hiova?

Ny andininy 31 dia ahitana ihany koa hafatra ho an’ireo olona izay mety manahy hoe efa ela loatra no nanemorany ny fibebahany ary efa tara loatra izao hanaovana izany. Inona io hafatra io raha ny hevitrao?

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa, dia jereo ny laharan’ireo gazetiboky Liahona sy Ho zatovo mahery! ho an’ity volana ity.

Hevitra enti-mampianatra ny ankizy

Almà 32:1–16

Afaka mampianatra ahy ny Tompo rehefa misafidy ny hanetry tena aho.

  • Nahita fahombiazana i Almà sy i Amioleka tamin’ny fampianarana ireo Zôramita izay nanetry tena. Inona no dikan’ny hoe manetry tena? Ampio ireo zanakao hitady famaritana ny hoe manetry tena ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina. Inona ihany koa no fampahalalana hafa manampy mikasika ny dikan’ireo teny ireo izay hitantsika ao amin’ny Almà 32:13–16? Asao ireo zanakao hameno fehezan-teny iray toy ny hoe, “Manetry tena aho rehefa .”

Almà 32:28–43

Mitombo ny fijoroana ho vavolombelona anananako momba an’ i Jesoa Kristy rehefa mikolokolo izany aho.

  • Ny voa sy hazo ary voankazo dia zavatra mahazatra izay afaka manampy ny ankizy hahatakatra fitsipika tsy hita maso toy ny finoana sy fijoroana ho vavolombelona. Asaivo mihazona voa iray ireo zanakao eo am-pamakianao ny Almà 32:28. Avy eo dia azonao atao ny mangataka azy ireo hanampy anao hieritreritra ireo fomba izay maha-toy ny mamboly sy mikolokolo voa ny fampitomboana fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy (jereo ny “Toko 29: Nampianatra momba ny finoana sy ny tenin’ Andriamanitra i Almà,” Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, 81). Azonao atao angamba ny mamboly ny voa any aminao sy miresaka mikasika ny zavatra ilaina mba hanampiana ny voa iray, na ny fijoroana ho vavolombelona iray hitombo.

  • Misy sarina hazo miaraka amin’ity rindran-damina ity. Azonao ampiasainao izany mba hanehoana an-tsary ny tenin’i Almà ao amin’ny Almà 32:28–43. Na afaka mandeha mitsangantsangana ianareo mba hitady zavamaniry manana ireo endrika samihafan’ireo dingan’ny fitsiriana ary hamaky andininy ao amin’ny Almà 32 izay mampitaha ny zavamaniry mihalehibe iray amin’ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika. Na azon’ireo zanakao atao angamba ny manao sarina hazo eny amin’ny solaitrabe ary manampy raviny iray na voankazo iray isaky ny misy zavatra iray tonga ao an-tsainy izay azony atao mba hanampiana ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba an’i Jesoa Kristy hitombo.

  • Afaka mamela ireo zanakao hampiditra voa iray (maneho ny tenin’ Andriamanitra) ao anatina vato (maneho fo feno avonavona) sy ao anatina tany malemy (maneho fo mietry) ianao. Iaraho vakina ny Almà 32:27–28. Miresaha mikasika ny dikan’ny hoe “manisa toerana” (andininy 27) ho an’ny tenin’ Andriamanitra ao am-pontsika.

Manaova sary. Mianatra zavatra kokoa ny olona sasany rehefa manao sary ny zavatra ianaran’izy ireo. Mety ho tian’ireo zanakao ny hanao sarina voa maniry ka lasa hazo eo am-pandalinany ny Almà 32.

Almà 33:2–11; 34:17–27

Afaka mivavaka amin’ ny Ray any An-danitra momba izay zavatra tiako hoentina am-bavaka aho amin’ny fotoana rehetra aho.

  • Ampio ireo zanakao hahita andian-teny izay mamaritra ireo toerana azontsika hivavahana (ao amin’ny Almà 33:4–11) sy ireo zavatra azontsika entina am-bavaka (ao amin’ny Almà 34:17–27). Azon’izy ireo atao tsara ny manao ny sarin’izy ireo mivavaka ao amin’ireny toerana ireny. Mifampizarà zavatra niainana izay nandrenesan’ny Ray any An-danitra ny vavakareo. Azonareo atao koa ny manao hira iray momba ny vavaka, toy ny “Vavaky ny ankizy” (Bokin-kiran’ny ankizy,, 6–7).

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.

Voa eo amin’ny hazo

“Ary noho ny fahazotoanareo sy ny finoanareo ary ny faharetanareo amin’ny teny, amin’ny famahanana azy …, dia indro, raha afaka kelikely ianareo dia hioty ny voany izay tena sarobidy” (Almà 32:42).