Avia, hanaraka Ahy 2024
29 jolay–4 aogositra: “Hijery an’ Andriamanitra ka ho velona.” Almà 36–38


“29 jolay–4 aogositra: -Hijery an’ Andriamanitra ka ho velona.- Almà 36–38,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Bokin’i Môrmôna 2024 (2023)

“29 jolay–4 aogositra. Almà 36–38,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2024 (2023)

Sary
vehivavy iray mivavaka

Vehivavy, nataon’i Jen Tolman, tsy azo adika

29 jolay–4 aogositra: “Hijery an’ Andriamanitra ka ho velona”

Almà 36–38

Rehefa hitan’i Almà ny faharatsiana nanodidina azy, dia nitambesaran’ny “alahelo,” “fahoriana be,” ary “fitaintainan’ny fanahy” izy (Almà 8:14). “Ny faharatsiana … eo anivon’ity vahoaka ity,” hoy izy momba ny Zôramita, “dia mampanaintaina ny fanahiko” (Almà 31:30). Nahatsapa zavatra mitovy amin’izany izy taorian’ny niverenany avy nanao asa fitoriana tany amin’ny Zôramita. Tsikariny fa “ny fon’ny olona dia nanomboka ho nihamafy, ka nanomboka ho tafintohina izy ireo noho ny mahahenjana ny teny,” ka dia nahatonga ny fony ho “feno alahelo fatratra” izany (Almà 35:15). Inona no nataon’i Almà mahakasika ny zavatra hitany sy tsapany? Tsy hoe lasa kivy na diso fanantenana tamin’ny toetran’izao tontolo izao fotsiny izy. Fa “nataony [kosa] izay hamoriana miaraka ny zanany lahy” ary nampianariny azy ireo “ny zavatra mikasika ny fahamarinana” (Almà 35:16). Nampianariny azy ireo fa “tsy misy lalan-kafa na fomba izay ahafahana mamonjy ny olona afa-tsy ao amin’i Kristy sy amin’ny alalany. … Indro, Izy no tenin’ny fahamarinana sy ny fahitsiana” (Almà 38:9).

Hevitra ho an’ny fampianarana ao an-tokantrano sy any am-piangonana

Almà 36; 38:5–6

Afaka ny aterak’ Andriamanitra aho.

Vitsy ny olona hiaina fiovam-po goavana tahaka ny fiovam-pon’i Almà. Saingy ny tsirairay dia tsy maintsy “[aterak]’ Andriamanitra (Almà 36:23; 38:6) na dia mitranga tsikelikely aza izany raha ny mahazatra. Rehefa mamaky ny Almà 36 ianao dia eritrereto ny dikan’ny hoe aterak’ Andriamanitra. Ohatra, ao anatin’ny dingana mba hahatonga ny tena ho aterak’ Andriamanitra, dia inona no zavatra tsapanao momba ny fahotana sy momba an’i Jesoa Kristy? Inona no fiantraikan’ny hoe aterak’ Andriamanitra eo amin’ny zavatra ataonao ho setrin’ny fahadisoanao manokana. Inona koa no fiovana hafa mitranga eo amin’ny zavatra inoanao sy ataonao? Saintsaino ny fomba iainanao ireo fiovana ireo.

Jereo ihany koa ny Môzià 5:7; 27:25–26; Almà 5:14; 22:15; Helamàna 3:35; “Alma le Jeune est converti au Seigneur” (horonan-tsary), Médiathèque de l’Évangile.

Almà 36:12–24; 38:8–9

Soloin’i Jesoa Kristy fifaliana ny alahelo.

Indraindray ny olona dia matahotra ny hibebaka satria mahita ny fibebahana ho toy ny famaizana maharary noho ny fahotana. Inona araka ny hevitrao no mety holazain’i Almà momba izany? Mba hahitana hoe inona no nolazainy dia ampitahao ny fiainan’i Almà talohan’ny nibebahany (jereo ny Almà 36:6–17) sy ny famariparitany ny tenany taorian’ny nibebahany (jereo ny andininy 18–27). Araka ny Almà 36:17–18, tamin’ny fomba ahoana no nahazoan’i Almà an’io famelan-keloka io?

Jereo koa ny Matthew S. Holland, “Ilay fanomezana tsara fatratra an’ilay Zanakalahy,” Liahona, nôv. 2020, 45–47.

Almà 37

Notehirizina “noho ny fikasana hendry” ny soratra masina.

Diniho ny hoe, fahagagana sy fitahiana ny fananana soratra masina amin’izao androntsika izao! Rehefa mamaky ny Almà 37 ianao dia tadiavo ireo fitahiana izay avy amin’ny fananana ny soratra masina (jereo ohatra ny, andininy 7–10, 18–19, 44–45).

Ao amin’ny Almà 37:38–47, i Almà dia nampitaha “ny tenin’i Kristy” amin’ny Liahônà. Rehefa misaintsaina io fampitahana io ianao dia eritrereto ireo fomba niainanao ny fahagagana sy ny hery avy amin’ny fampianaran’i Kristy “isan’andro isan’andro” (Almà 37:40).

Jereo ihany koa ny D. Todd Christofferson, “Ny fitahian’ny soratra masina,” Liahona, mey 2010, 32–35; “Pour sonder tes Ecritures,” Cantiques, no. 163; “Alma rend témoignage à son fils Helaman” (horonan-tsary), Médiathèque de l’Évangile.

Sary
vehivavy iray mamaky soratra masina

Ny soratra masina dia mampianatra antsika ny fomba hanarahana an’ Andriamanitra.

Almà 37:1–14

Sary
seminary icon
“Amin’ny alalan’ny zava-madinika sy tsotra no anatanterahana ny zavatra lehibe.”

Indraindray isika dia mety hahatsapa fa toa tena goavana sy saro-bahana ireo olantsika ka mety ho goavana sy saro-takarina ihany koa ireo vahaolana. Fa tsy tahaka izany foana anefa ny fomban’ny Tompo. Rehefa mamaky ny Almà 37:1–14 ianao dia diniho izay zavatra manaitra anao momba ny fomba anatanterahany ny asany. Avy eo dia afaka misaintsaina sy mirakitra ireo fomba nahitanao an’io fitsipika io teo amin’ny fiainanao ianao.

Raha toa ka hampianatra io fitsipika io amin’olona iray ianao dia inona ny ohatra avy amin’ny zavaboary na ny fiainana andavanandro izay azonao ampiasaina hoentina maneho izany? Afaka mahita ohatra vitsivitsy ianao ao amin’ny hafatry ny Filoha Dallin H. Oaks hoe “Zava-madinika sy tsotra,” (Liahona, mey 2018, 89–92).

Inona avy ireo zavatra madinika sy tsotra sasantsasany izay mampanakaiky anao kokoa amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

Matetika, ireo safidy “madinika sy tsotra” ataontsika dia manova zavatra goavana eo amin’ny fiainantsika. Hevero ny haka lohahevitra iray avy ao amin’ny Ho zatovo mahery!: Torolalana hanaovana safidy ary hametraka fanontaniana amin’ny tenanao toy ireto manaraka ireto: Inona no fiantraikan’ny safidy ataoko momba ity zavatra ity eo amiko sy eo amin’ireo olona manodidina ahy? Inona no fanovana madinika sy tsotra azoko atao izay hitarika ho amin’ny fiadanana sy fahasambarana lehibe kokoa?

Jereo ihany koa ny Michael A. Dunn, “Mihatsara iray isan-jato,” Liahona, nôv. 2021, 106–8; Sujets de l’Évangile “Libre arbitre,” Médiathèque de l’Évangile.

Mampiasà zava-madinika sy tsotra. Tahaka ireo zavatra hafa eo amin’ny fiainana, ny fampianarana sy fianarana ny filazantsara dia azo atao amin’ny alalan’ny fomba madinika sy tsotra. Ohatra, amin’ny fomba ahoana ny sira na leviora kely no azo nampiasaina mba hampianarana ny herin’ny zavatra madinika sady tsotra? (jereo ny Matio 5:13; 13:33).

Almà 37:35–37

“Milà hevitra amin’ny Tompo.”

Tadiavo ao amin’ny Almà 37:35–37 ny fanasan’i Almà ho an’i Helamàna zanany. Inona amin’ireo fanasana ireo no tsapanao fa tokony handraisanao andraikitra? Ohatra, azonao atao ny misaintsaina ny dikan’ny hoe “milà hevitra amin’ny Tompo” (andininy 37). Tamin’ny fomba ahoana no nanandramanao izany? Ahoana no nitarihany anao ho amin’ny tsara?

Almà 38

Ny fizarana ny fijoroana ho vavolombelona ananako momba an’i Jesoa Kristy dia afaka mankahery ny olona tiako.

Ny tenin’i Almà ho an’i Siblôna dia manome ohatra tsara ny amin’ny fomba fankaherezana sy famporisihana ireo olona tiantsika mba hiaina ny filazantsara. Ny fandalinana ny Almà 38 dia mety hanome anao hevitra vitsivitsy mba hanampiana ny olona ao amin’ny fianakavianao sy ny namanao hahazo tanjaka ao amin’i Jesoa Kristy. Raiso an-tsoratra izay zavatra hitanao.

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa, dia jereo ny laharan’ireo gazetiboky Liahona sy Ho zatovo mahery! ho an’ity volana ity.

Hevitra enti-mampianatra ny ankizy

Almà 36:6–24

Manome ahy fifaliana ao amin’i Jesoa Kristy ny fibebahana.

  • Mba hanampiana ny ankizy hahatakatra fa ny fibebahana dia mitondra fifaliana, dia azonao omena taratasy misy sarina endrika faly eo amin’ny lafiny iray ary sarina endrika malahelo eo amin’ilay lafiny iray hafa ireo zanakao. Angataho izy ireo mba hihaino rehefa mamaky na mamintina ny Almà 36:13, 17–20 ianao ary hazòny ambony ny iray amin’ireo sarina tarehy mba hampisehoana ny zavatra tsapan’i Almà. Ny ankizy lehibe dia afaka manoratra ireo teny na andian-teny mamariparitra ny zavatra tsapany. Inona no nampalahelo an’i Almà, ary inona no nitondra fifaliana ho azy? Avy eo dia azonao lazaina amin’izy ireo ny momba ny fifaliana tsapanao rehefa mibebaka ianao

Almà 37:6–7

“Amin’ny alalan’ny zava-madinika sy tsotra no anatanterahana ny zavatra lehibe.”

  • Mety hankafy ny fitadiavana zavatra kely izay miteraka fitrangan-javatra lehibe ireo zanakao. Azo atao ohatra ny zavatra toy ny vatoaratra, na fanalahidin’ny fiarakodia, na kilalao izay mampitony azy ireo mihitsy aza. Azonareo iarahana vakina avy eo ny Almà 37:6–7, ary eritrereto ireo zavatra madinika sy tsotra sasantsasany izay tian’ Andriamanitra hataontsika. Inona avy ireo zavatra lehibe mety hitranga rehefa mankatò ireo didy kely na tsotra ireo isika?

  • Azon’ireo zanakao handramana ihany koa ny zavatra toy izao: mampidina rano ao amin’ny kaopy iray, ka atao indray mitete isaky ny mandeha izany. Inona no ifandraisan’izany amin’ny Almà 37:6–7? Avy eo dia azonareo atao ny miresaka ny mahatonga ireo “zavatra madinika sy tsotra” an’ny Tompo toy ny famakiana ny soratra masina isan’andro ho toy ny rano indray mitete ao anaty kaopy.

  • Ampio ireo zanakao hieritreritra fomba hanataterahan’izy ireo zavatra ao an-trano, na any an-tsekoly, na any am-piangonana. Ilay hira hoe “Hoy ilay rano kely hoe -Manomeza-” (Bokin-kiran’ny ankizy, 116) dia maneho ihany koa izany fitsipika izany.

Almà 37:38–47

Afaka manampy ahy isan’andro ny soratra masina.

  • Ahoana no anampianao ireo zanakao hampitombo ny fitiavany ny tenin’ Andriamanitra, toy ny nataon’i Almà ho an’i Helamàna? Hevero ny hampiseho azy ireo sarina Liahônà (toy ny ao amin’ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 68) na asao izy ireo hanao sarin’izany eo am-pizaran’izy ireo ny zavatra fantany momba izany (jereo ny Almà 37:38–47; 1 Nephi 16:10, 28–29). Ahoana no ilazana fa tahaka ny Liahônà ny soratra masina?

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.

Sary
anjely miseho amin’i Almà sy ireo zanakalahin’i Môzià

Angel Appears to Alma and the Sons of Mosiah [Anjely miseho amin’i Almà sy ireo zanakalahin’i Môzià], nataon’i Clark Kelley Price

Hamoaka printy