Avia, hanaraka Ahy 2024
12–18 aogositra: “Miorina mafy ao amin’ny finoana an’i Kristy.” Almà 43–52


“12–18 aogositra: -Miorina mafy ao amin’ny finoana an’i Kristy.- “Almà 43–52,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Bokin’i Môrmôna 2024 (2023)

“12–18 aogositra. Almà 43–52,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Bokin’i Môrmôna: 2024 (2023)

Sary
I Môrônia sy ny fanevan’ny fahafahana

Ho an’ireo fitahiana avy amin’ny fahafahana, nataon’i Scott M. Snow

12–18 aogositra: “Miorina mafy ao amin’ny finoana an’i Kristy”

Almà 43–52

Rehefa mamaky ireo teny any am-piandohan’ny Almà toko 43 isika hoe: “Ary ankehitriny dia iverenako ny fitantarana ny ady teo amin’ny Nefita sy ny Lamanita,” dia toa mandeha ho azy ny fametraham-panontaniana hoe nahoana i Môrmôna no nampiditra ireo tantara momba ny ady ireo kanefa voafetra ny toerana azony nanoratana teo amin’ireo takelaka (jereo ny Tenin’i Môrmôna 1:5). Marina tokoa fa manana anjara ady atrehina isika amin’izao andro farany izao, kanefa misy lanjany lehibe mihoatra ny fitantarana paikady sy zava-doza momba ny ady fotsiny ao anatin’ny teniny. Ny teniny ihany koa dia manomana antsika amin’ny ady izay “hirotsahantsika rehetra” (Cantiques, no. 161) dia ilay ady ataontsika isan’andro hanoherana ny herin’ny ratsy. Tena misy io ady io, ary misy fiantraikany eo amin’ny fiainantsika mandrakizay ny vokatr’izany. Tahaka ireo Nefita, isika dia nentanin’ny foto-kevitra masina, dia “ny Andriamani[tsika], ny fivavahan[tsika] sy ny fahafahan[tsika] ary ny fiadanan[tsika], ny vadin[tsika] sy ny zana[tsika]”, izay nantsoin’i Môrônia hoe “foto-kevitry ny Kristiana” (Almà 46:12, 16).

Torohevitra ho an’ny fianarana any an-tokantrano sy any am-piangonana

Almà 43–52

Afaka manampy ahy amin’ireo adiko ara-panahy i Jesoa Kristy.

Eo am-pamakianao ny Almà 43–52 dia jereo ny zavatra nataon’ny Nefita ka nahatonga azy ireo hahomby (na tsy hahomby). Saintsaino avy eo ny fomba azonao hampiasana ny zavatra nianaranao mba hanampiana anao hivoaka ho mpandresy amin’ny ady ara-panahy atrehinao. Raketo an-tsoratra eto ambany ireo eritritreritra:

Jereo ihany koa ny zavatra azonao ianarana avy amin’ny ezaka nataon’ireo fahavalon’ny Nefita. Saintsaino ny fomba mety hanafihan’i Satana anao amin’ny fomba mitovy amin’izany:

  • Almà 43:8: Nikatsaka ny hamoky hatezerana ny vahoakany i Zerahemnà mba hahazoany fahefana teo amin’izy ireo. (Mety haka fanahy ahy mba hanao zavatra entanin’ny hatezerana i Satàna.)

  • Almà 43:29:

  • Almà 46:10:

  • Almà 47:10–19:

Jereo ihany koa ny Russell M. Nelson, “Raiso amim-pinoana ny hoavy,” Liahona, nôv. 2020, 73–76; “C’est un rempart que notre Dieu,” Cantiques, no. 35.

Sary
Nefita miady amin’ny Lamanita

Minerva K. Teichert (1888–1976), Defense of a Nephite City (Fiarovana ny tanàna Nefita iray), 1949–1951, peinture à l’huile sur masonite, 91 x 122 santimetatra. Tranombakoky ny zavakanto an’ny Brigham Young University, 1969.

Almà 46:11–28; 48:7–17

Sary
sary famantarana ny seminera
“Miorina mafy ao amin’ny finoana an’i Kristy.”

Tianao hahena ve ny herin’ny fahavalo eo amin’ny fiainanao? Fomba iray hanaovana izany ny fanarahana ilay torohevitra ao ao amin’ny Almà 48:17 mba ho lasa “[m]itovy … [a]min’i Môrônia.” Hevero ny hanao lisitra ireo teny izay mamariparitra an’i Môrônia eo am-pamakianao ny Almà 46:11–28; 48:7–17. Inona no ianaranao avy amin’i Môrônia mikasika ny “[fiorenana] mafy ao amin’ny finoana an’i Kristy”? Almà 46:27).

Azonao halalinina ihany koa ny fomba nanentanan’i Môrônia ny hafa mba hirotsaka ao amin’ny “foto-kevitry ny Kristiana” (jereo ny Almà 46:11–22). Ahoana no hamaritanao io foto-kevitra io? Inona no azonao atao mba handraisana anjara amin’izany? Ahoana no ahafahanao mitaona ny hafa mba handray anjara koa?

Zavatra iray nataon’i Môrônia mba hitaomana ny hafa ny namorona fanevan’ny fahafahana, izay nanamafy ireo fitsipika mba hitaomana ny Nefita (jereo ny andininy 12). Inona avy ireo fitsipika hamafisin’ireo mpitarika antsika ato amin’ny Fiangonana amin’izao androntsika izao? Azonao atao ny mitady azy ireny ao amin’ny Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy (boky kely, 2022), “Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” ny fanevan’ny Zatovovavy sy ny an’ny Kôlejin’ny Fisoronana Aharôna, na hafatra avy tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany farany indrindra. Azonao fintinina ho lasa fehezan-teny tsotra vitsivitsy ny zavatra ampianarin’izy ireny mba hamoronana ny fanevan’ny fahafahana izay anao manokana, zavatra natao hampahatsiahy anao mba ho mahatoky amin’ny Mpamonjy sy ny filazantsarany.

Jereo koa ny Sujets de l’Évangile, “Foi en Jésus Christ,” Médiathèque de l’Évangile.

Almà 47

Maka fanahy sy mamitaka tsikelikely i Satana.

Fantatr’i Satana fa tena tsy hanao fahotana lehibe na hino zavatra izay hita fa lainga miharihary ianao. Noho izany dia mampiasa lainga sarotra fantarina sy fakam-panahy madinidinika izy, araka izay habetsahany heveriny fa hekenao, mba hitarihana anao hiala amin’ny fiarovana avy amin’ny fiainana amim-pahamarinana.

Tadiavo ao amin’ny Almà 47 io fomba fiasa io ary saintsaino ny fomba mety hanandraman’i Satana mamitaka anao. Diniho ireto hevitra avy amin’ny Loholona Robert D. Hales ireto:

“Nanosika an’i Lehôntia i Amalikià mpamadika mba -hidina- ary hihaona aminy eny an-dohasaha. Kanefa rehefa niala ny havoana i Lehôntia, dia nomeny poizina -tsikelikely- izy mandra-pahafatiny ary lasan’i Amalikià ireo miaramilany (jereo ny Almà 47). Amin’ny alalan’ny adihevitra sy fiampangana no hamporisihan’ny olona sasany antsika hiala eo amin’ilay toerana misy fiarovana. Eo amin’izany toerana misy fiarovana izany no itoeran’ny hazavana. … Toerana azo antoka izany” (“Fahasahian’ny Kristiana: takiana amin’ny maha-mpanara-dia,” Liahona, nôv. 2008, 74).

Almà 50–51

Mitondra fiarovana ny firaisankina.

Na dia teo aza ny akanjo fiarovan-tena sy ny fanamafisana nataon’ny Nefita dia vetivety dia nanao fahirano ny maro tamin’ny tanànan’izy ireo ny Lamanita (jereo ny Almà 51:26–27). Ahoana no nitrangan’izany? Mitadiava valiny rehefa mamaky ireo toko ireo ianao (jereo indrindra indrindra ny Almà 51:1–12). Saintsaino ny fampitandremana mety hatolotr’io tantara io anao sy ny fianakavianao.

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa, dia jereo ny laharan’ireo gazetiboky Liahona sy Ho zatovo mahery! ho an’ity volana ity.

Hevitra enti-mampianatra ny ankizy

Almà 43:17–21; 48:7–8; 49:1–5; 50:1–6

Afaka mahita fiarovana ara-panahy ao anatin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy aho.

  • Hevero ny hampiasa ny “Toko 31: Mandresy an’i Zarahemnà ny Kapiteny Môrônia” (Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, 85–88) mba hitantarana amin’ireo zanakao ilay ady nifanaovan’ny Nefita sy ny Lamanita. Rehefa mamaky mikasika ny akanjo fiarovan-tenan’ny Nefita ao amin’ny Almà 43:19 ianao dia azonao ampitahaina amin’ireo zavatra nomen’ Andriamanitra antsika mba hiarovana ny fanahintsika ny akanjo fiarovan-tena izay miaro ny vatantsika. Azonao sy ny zanakao atao angamba ny manao sarina ankizy iray ary manampy fiarovan-tena iray eo amin’ilay sary isaky ny zavatra rehetra azon’ireo zanakao tononina izay afaka miaro antsika ara-panahy.

  • Ireto andininy ireto dia mamariparitra ireo fanamafisana naorin’ny Nefita: Almà 48:7–9; 49:1–9; 50:1–6. Rehefa avy miara-mamaky ireo andininy ireo ianareo dia mety ho tian’ireo zanakao ny manangana manda avy amina zavatra toy ny seza sy bodofotsy.

Almà 46:11–16; 48:11–13, 16–17

Afaka ny “[hiorina] mafy amin’ny [ao] amin’ny finoana an’i Kristy” tahaka ny Kapiteny Môrônia aho.

  • Afaka mijery ireo sary ato amin’ity rindran-damina ity ireo zanakao mba hitantarana ny tantaran’ilay fanevan’ny fahafahana (jereo ny Almà 46:11–16; “Toko 32: Kapiteny Môrônia sy ny fanevan’ny fahafahana,” Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, 89–90). Inona no tian’i Môrônia hotsaroan’ny vahoaka (jereo ny andininy 12)? Inona no tian’ny Ray any An-danitra hotsaroantsika? Azon’ireo zanakao atao tsara ny manamboatra ny “fanevan’ny fahafahana” azy ireo manokana miaraka amin’ny andian-teny na sary izay hanampy azy ireo hahatsiaro ireo zavatra ireo.

  • Mba hampianarana ireo zanakao momba ny “[fiorenana] mafy [ao] amin’ny finoana an’i Kristy” tahaka an’i Môrônia (jereo ny Almà 48:13), dia afaka manampy azy ireo ianao hitady sy hikasika zavatra iray izay mafy orina. Inona no dikan’izany hoe finoana “[m]iorina mafy”? Iaraho vakina ny Almà 48:11–12 mba hamantarana ny zavatra nahatonga an’i Môrônia hiorina mafy ao amin’ny finoany an’i Kristy. Azonareo hiraina miaraka ihany koa ny hira iray toy ny “Ho mpanompo mazoto aho”, (Bokin-kiran’ny ankizy, 85). Inona no azontsika atao mba “[h]iorina mafy [ao] amin’ny finoana an’i Kristy”?

Almà 47:4–19

Maka fanahy sy mamitaka antsika tsikelikely i Satana.

Miaraha mamaky andininy nofantenina avy amin’ny Almà 47:4–19. Inona no ho nitranga raha toa ka nolazain’i Amalikià hatrany am-boalohany tamin’i Lehôntia izay nokasainy hatao? Mampianatra antsika inona momba ny fomba hiezahan’i Satana hamitahana antsika ireo andininy ireo?

Ampio ireo zanakao hanorina fahatokian-tena. Ny ankizy sasany dia mety tsy hahatsapa tena ho afaka hianatra samirery ny filazantsara. Fomba iray hanorenana ny fahatokian-tenan’izy ireo ny fiderana azy ireo rehefa mandray anjara amin’ny fianarana izy ireo. Aiza no azonao ampiharana ity sosokevitra ity miaraka amin’ireo sahanasa ato amin’ity rindran-damina ity?

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.

Sary
I Môrônia mihazona ny fanevan’ny fahafahana

Title of Liberty [Fanevan’ny fahafahana], nataon’i Larry Conrad Winborg.

© 2018 nataon’i Larry Conrad Winborg

Hamoaka printy