Avia, hanaraka Ahy 2024
19–25 aogositra: “Hotsimbinin’ny heriny mahatalanjona.” Almà 53–63


“19–25 aogositra: -Hotsimbinin’ny heriny mahatalanjona.- Almà 53–63,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Bokin’i Môrmôna 2024 (2023)

“19–25 aogositra. Almà 53–63,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2024 (2023)

Sary
zatovolahy miaramila roa arivo

Zatovolahy miaramila roa arivo, nataon’i Arnold Friberg

19–25 aogositra: “Hotsimbinin’ny heriny mahatalanjona”

Almà 53–63

Raha mitaha amin’ny tafika Lamanita dia tsy tokony ho nivoaka ho mpandresy ny “tafika kel[in’i]” Helamàna (Almà 56:33) izay zatovolahy no nandrafitra azy. Ankoatra ny maha-tafika kely azy, ireo miaramilan’i Helamàna dia “tena tanora [avokoa],” ary “tsy mbola niady mihitsy” (Almà 56:46–47). Azo lazaina fa ny toe-javatra niainan’izy ireo dia mety ho tsy zovina amin’ny sasany amintsika izay indraindray mahatsapa tena ho vitsy an’isa sy tototra eo anivon’ny ady ataontsika amin’i Satana amin’ny andro farany sy ny herin’ny ratsy eo amin’izao tontolo izao.

Kanefa dia nanana tombony teo amin’ny Lamanita ny tafik’i Helamàna; izay tsy nisy nifandraisany tamin’ny habetsahan’isa na traikefa an’ady. Nisafidy an’i Helamàna, izay mpaminany, izy ireo hitarika azy ireo (Almà 53:19). “Nampianarin’ny reniny izy ireo fa raha tsy miroanahana izy ireo, dia Andriamanitra no hanafaka azy ireo” (Almà 56:47). Nanana “finoana fatratra izay efa nampianarina azy” izy ireo. Vokatr’izany dia narovan’ny “hery mahagagan’ Andriamanitra” izy ireo (Almà 57:26). Noho izany, rehefa miatrika ny ady eo amin’ny fiainana, dia afaka mahazo herim-po isika. Mampianatra antsika ny tafik’i Helamàna hoe “[m]isy Andriamanitra marina, ary na zovy na zovy no tsy [mi]roanahana dia hotsimbinin’ny heriny mahatalanjona” (Almà 57:26).

Torohevitra ho an’ny fianarana any an-tokantrano sy any am-piangonana

Almà 53:10–22; 56:43–49, 55–56; 57:20–27; 58:39–40

Ny fananana finoana an’ Andriamanitra dia manampy ahy handresy ny tahotra.

Raha tsy noho ny finoan’izy ireo dia tena nanana antony marina hahatsapana tahotra tokoa ireo zatovolahy miaramilan’i Helamàna. Saingy noho ny finoan’izy ireo, dia nanana antony hananana herim-po mihitsy izy ireo. Rehefa mamaky momba azy ireo ao amin’ny Almà 53–58 ianao, dia tadiavo ireo zavatra izay manampy anao hiatrika ny tahotrao amim-pinoana an’i Kristy. Azonao atao ny mifantoka amin’ireto andininy manaraka ireto: Almà 53:10–22; 56:43–49, 55–56; 57:20–27; ary 58:39–40. Ity tabilao ity dia afaka manampy anao hirakitra izay zavatra hitanao.

Toetoetran’ireo zatovolahy miaramilan’i Helamàna:

Antony nahatonga ny finoan’izy ireo an’i Kristy ho tena natanjaka:

Ny zavatra nataon’izy ireo mba hampiharana finoana an’i Kristy:

Ny fomba nitahian’ Andriamanitra azy ireo:

Mba handresena ireo ady ara-panahy atrehantsika dia mila ny herin’i Jesoa Kristy koa isika. Ahoana no ahafahanao mahazo ny heriny? Mitadiava valiny ao amin’ny hafatry ny Filoha Russell M. Nelson hoe “Misintona ny herin’i Jesoa Kristy ho eo amin’ny fiainantsika” (Liahona, mey 2017, 39–42). Azonao atao ny mampitaha ny toroheviny amin’ireo zavatra izay nataon’ireo miaramilan’i Helamàna.

Aorian’ny fandalinana ireo zavatra ireo, dia eritrereto ireo ady ara-panahy atrehanao manokana. Soraty ny zavatra tsapanao fa tokony hataonao mba hampiharana ny finoanao an’i Jesoa Kristy.

Jereo ihany koa ny Neil L. Andersen, “Maratra,” Liahona, nôv. 2018, 83–86; “Vas-tu faiblir, ô jeunesse,” Cantiques, no. 164; , Médiathèque de l’Évangile; Sujets de l’Évangile, “Foi en Jésus Christ,” Médiathèque de l’Évangile.

Sary
zatovolahy miaramila miaraka amin’ny renin’izy ireo

Tsy niroanahàna izy ireo, nataon’i Joseph Brickey

Almà 58:1–12, 31–3761

Tsy mora tafintohina ny mpanara-dia an’i Jesoa Kristy.

Samy nanana antony nahatonga azy ireo ho tafintohina na i Helamàna na i Pahôràna. Tsy ampy ny fanampiana noraisin’ny tafik’i Helamàna ary nendrikendrehan’i Môrônia ho tsy nanaiky nandefa fanampiana i Pahôràna (jereo ny Almà 58:4–9, 31–32; 60). Inona no zavatra manaitra anao teo amin’ny fihetsik’izy ireo ao amin’ny Almà 58:1–12, 31–37 sy Almà 61? Nahoana izy ireo no namaly tahaka izany, araka ny fahatsapanao?

Nasongadin’ny Loholona David A. Bednar ny ohatry ny fahalemem-panahy nasehon’i Pahôràna, ary nampianatra izy fa “ny ohatra faratampony sy manan-danja indrindra amin’ny halemem-panahy dia hitantsika eo amin’ny fiainan’ Izy Mpamonjy” (“Malemy fanahy sy mietry am-po,” Liahona, mey 2018, 32). Saintsaino ny fomba nanehoan’ny Mpamonjy fahalemem-panahy. Jereo ohatra ny, Matio 27:11–26; Lioka 22:41–42; Jaona 13:4–17. Ahoana no ahafahanao manaraka ny ohatra nasehony?

Almà 60:7–14

Manana andraikitra ny hampitraka ireo olona manodidina ahy aho.

Nanoratra i Môrônia fa horaisin’ Andriamanitra ho tompon’andraikitra i Pahôràna raha toa ka minia tsy miraharaha ny filan’ireo tafika Nefita izy. Inona no zavatra ianaranao avy amin’ny Almà 60:7–14 momba ny fikarakarana ny olona sahirana? Inona no azonao atao mba hahafantarana kokoa ny momba ny ny zavatra ilain’ny hafa sy mba hanomezana ny zavatra ilain’izy ireo?

Almà 62:39–51

Raha manetry tena aho dia afaka mampitodika ny foko any amin’ Andriamanitra ireo olana eo amin’ny fiainana.

Ataovy ao anaty rano mangotraka ny atody manta iray sy ny ovy iray mba hanampiana anao hieritreritra fa ianao dia afaka misafidy ny ho “malefaka” na “mafy” avy amin’ireo fisedrana mahazo anao. Raha mbola eo am-pahamasahana iny ny atody sy ny ovinao, dia halalino ny Almà 62:39–51, ary jereo ny fihetsika nasehon’ny vahoaka teo anatrehan’ny asa fanompoana nataon’i Helamàna taorian’ny ady naharitra ela nataon’izy ireo tamin’ny Lamanita. Azonao atao avy eo ny mampitaha izany amin’ny fihetsika nasehon’izy ireo teo anatrehan’ny fitoriana teny nataony 13 taona lasa talohan’izay (jereo ny Almà 45:20–24). Tamin’ny fomba hafa manao ahoana ny fiantraikan’io fahoriana io ihany teo amin’ireo Nefita? Rehefa masaka tanteraka ilay atody sy ilay ovy dia vakio ny atody ary teteho ny ovy. Niantraika tamin’ireo zavatra ireo tamin’ny fomba samy hafa toy ny ahoana ilay rano mangotraka? Inona no ianaranao mikasika ny fomba ahafahantsika misafidy ny fihetsika asehontsika eo anatrehan’ny fahoriana? Ahoana no fomba ahafahanao mitodika any amin’ Andriamanitra mandritra ireo fotoam-pahorianao?

Ampiasao ireo zavatra niainana tao an-trano. Raha toa ka mampianatra kilasy ao am-piangonana ianao dia angataho ny olona ao amin’ny kilasy hizara izay nianarany tao an-tokantrano. Ohatra, fantaro ny zavatra nianaran’izy ireo momba ny fahoriana sy ny fanetrentena avy amin’ny fanamasahana atody sy ovy.

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa, dia jereo ny laharan’ireo gazetiboky Liahona sy Ho zatovo mahery! ho an’ity volana ity.

Hevitra enti-mampianatra ny ankizy

Almà 53:20–21; 56:47–48

Afaka ny ho mahatoky amin’ Andriamanitra tahaka ireo zatovolahy miaramilan’i Helamàna aho.

  • Afaka mampiasa loharanom-pitaovana maro ianao hizarana ilay tantaran’ireo zatovolahy miaramilan’i Helamàna, ka tafiditra ao anatin’izany ity rindran-damina ity sy ny “Toko 34: Helamàna sy ireo zatovolahy miaramila 2000” (Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, 93–94). Ny pejin’ny sahanasa ho an’ity herinandro ity dia afaka manampy ireo zanakao hieritreritra ireo fomba ahafahany ho tonga tahaka ny tafik’i Helamàna. Hevero ny hizara ny sasantsasany amin’ireo toetra tsara ananan’ireo zatovolahy miaramila avy ao amin’ny Almà 53:20–21 mba hanombohan’izy ireo ny fanaovana izany. Afaka miara-mihira ny “Hitory maneran-tany” (Bokin-kiran’ny ankizy, 92–93) ianareo.

Almà 56:45–48; 57:21

Afaka ny ho mahatoky amin’ny zavatra izay ampianarin’ny ray aman-dreniko ahy amim-pahamarinana aho.

  • Ireo zatovolahy miaramilan’i Helamàna dia nitodika tany amin’ny finoan-dreniny rehefa niatrika olana goavana. Azonao vakina amin’ny ankizy mihitsy ny Almà 56:46–48, ary asao izy ireo mba hihaino ny zavatra nampianarin’ireo renin’ireo zatovolahy ireo azy ireo mikasika ny finoana. Azonao anontaniana azy ireo izay nianaran’izy ireo avy amin’ny ray aman-dreniny, na avy amina olon-dehibe mahatoky hafa, mikasika ny Mpamonjy. Nahoana no zava-dehibe ny mankatò “[a]min’ny antsipiriany”? (Almà 57:21).

  • Ahoana no ahafahanao, tahaka ireo renin’ireo zatovolahy miaramila, maka antoka fa mahafantatra ny finoanao an’ Andriamanitra ireo zanakao? Ny fomba iray hanaovana izany dia ny mizara ny fiantraikan’ny finoanao eo amin’ny fiainanao. Ohatra, tamin’ny fomba ahoana no “nanafa[hana]” anao rehefa “tsy [n]iroanahana” ianao?

Sary
reny mampianatra ny zanany lahy

Seed of Faith [Voan’ny finoana], nataon’i Jay Ward

Almà 53:10–18

Afaka mitandrina ireo fanekempihavanana nataoko tamin’ny Ray any An-danitra aho.

  • Mety afaka miresaka momba ny fotoana iray izay nanaovan’ny olona iray fampanantenana tamin’izy ireo ka nanatanterahany izany ireo zanakao. Inona no tsapan’izy ireo rehefa notanterahina ilay fampanantenana? Azonareo vakina ny Almà 53:10–18, ary asao ireo zanakao hijery ny fomba nanaovan’i Helamàna sy ny vahoakan’i Amôna ary ireo zanakalahin’ny vahoakan’i Amôna fampanantenana na fanekempihavanana, ary ny nanatanterahan’izy ireo izany. Azonao zaraina ny fomba itahian’ny Ray any An-danitra anao rehefa mitandrina ny fanekempihavanana nataonao ianao.

Almà 61:3–14

Afaka misafidy ny tsy ho tezitra aho.

Hevero ny hanasa ireo zanakao mba hieritreritra momba ny fotoana iray izay niampangana azy ireo ho nanao zavatra izay tsy nataony akory. Lazao azy ireo fa nitranga tamin’i Pahôràna ny zavatra toy izany (jereo ny Almà 60–61; jereo ihany koa ny “Toko 35: Kapiteny Môrônia sy i Pahôràna,” Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, 95–97). Mba hahafantarana ny fihetsika nasehon’i Pahôràna dia mifandimbiasa mamaky ireo andininy ao amin’ny Almà 61:3–14. Inona no nataon’i Pahôràna rehefa niampanga azy i Môrônia? (jereo ny Almà 61:2–3, 8–9). Inona no ianarantsika momba ny famelan-keloka avy amin’ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy? (jereo ny Lioka 23:34).

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.

Sary
zatovolahy miaramila roa arivo

It’s True, Sir, All Present and Accounted For [Marina izany Tompoko, ao ny rehetra, ary vonona tsara avokoa], nataon’i Clark Kelley Price.

Hamoaka printy