Avia, hanaraka Ahy
26 aogositra–1 septambra: “Ny vatolampin’ny Mpanavotra antsika.” Helamàna 1–6


“26 aogositra–1 septambra: -Ny vatolampin’ny Mpanavotra antsika.- Helamàna 1–6,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Bokin’i Môrmôna 2024 (2023)

“26 aogositra–1 septambra. Helamàna 1–6,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2024 (2023)

Sary
onjan-dranomasina midona amin’ny vato

26 aogositra–1 septambra: “Ny vatolampin’ny Mpanavotra antsika”

Helamàna 1–6

Ny bokin’i Helamàna dia sady mirakitra fandresena no mirakitra zavatra nampivarahontsana teo anivon’ny Nefita sy ny Lamanita. Izy io dia manomboka amin’ny “savorovoro nampanahy teo anivon’ny vahoakan’ny Nefita” (Helamàna 1:1), ary mitohy hatrany ny fitrangan’ireo savorovoro ireo manerana ilay rakitsoratra. Vakintsika ao anatin’izany ny mikasika ireo olana ara-pôlitika, ireo andiana mpandroba, fandavana mpaminany, ary ny avonavona sy ny tsy finoana manerana ny tany. Kanefa ho hitantsika ao ihany koa ireo olona fakan-tahaka tahaka an’i Nefia sy i Lehia ary “ny ampahany nanetry tena kokoa tamin’ny vahoaka,” izay tsy vitan’ny hoe tafavoaka velona fa niroborobo ara-panahy ihany koa (Helamàna 3:34). Ahoana no nahavitan’izy ireo izany? Ahoana no nijoroan’izy ireo ho matanjaka hatrany kanefa nanomboka nikororosy fahana sy rava ny sivilizason’izy ireo? Mitovy amin’izany ihany, na iza na iza amintsika dia afaka mijoro ho matanjaka ao anatin’ny “[rivo-mahery]” izay alefan’ny devoly mba “hamely [antsika]”, amin’ny alalan’ny fanorenana ny fiainantsika “eo amin’ny vatolampin’ny Mpanavotra antsika, dia i Kristy, ilay Zanak’ Andriamanitra, … [izay fototra] tsy ahafahan’ny olona mianjera raha miorina eo amboniny izy” (Helamàna 5:12).

Torohevitra ho an’ny fianarana any an-tokantrano sy any am-piangonana

Helamàna 1–6

Mampisaraka ahy amin’ny Fanahy sy ny herin’ Andriamanitra ny avonavona.

Eo am-pamakianao ny Helamàna 1–6 dia mety hahatsikaritra zavatra miverimberina eo amin’ny fitondrantenan’ireo Nefita ianao. Rehefa miaina amim-pahamarinana izy ireo dia mitahy azy ireo Andriamanitra, ary dia miroborobo izy ireo. Rehefa mandeha ny fotoana dia lasa feno avonavona sy ratsy fanahy izy ireo, ary manao safidy izay mitarika ho amin’ny faharinganana sy ny fahoriana. Dia lLasa manetry tena izy ireo avy eo sy taomim-panahy hibebaka, ary mitahy azy ireo indray Andriamanitra. Miverimberina matetika tokoa izany ka dia niantso izany hoe “ny fitamberimberenan’avonavona” ny olona sasany.

Sary
ny fitamberimberenan’avonavona

Ny “fitamberimberenan’avonavona”

Mitadiava ohatra momba io fitamberimberenana io rehefa mamaky ny Helamàna 1–6 ianao. Ireto misy fanontaniana vitsivitsy hanampy anao hahatakatra ny momba io fitamberimberenana io:

  • Inona avy ireo zavatra maneho ny fisian’ny avonavona izay hitanao eo anivon’ny Nefita? (jereo ohatra ny Helamàna 3:33–34; 4:11–13). Mahita zavatra maneho ny fisian’ny avonavona mitovy amin’izany eo amin’ny tenanao ve ianao?

  • Inona avy no vokatry ny avonavona sy ny faharatsiam-panahy? (jereo ny Helamàna 4:23–26). Inona avy no vokatry ny fanetrentena sy ny fibebahana? (jereo ny Helamàna 3:27–30, 35; 4:14–16).

  • Inona no tian’i Helamàna hotsaroan’ireo zanany lahy? (jereo ny Helamàna 5:4–12). Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny fahatsiarovana ireo fahamarinana ireo manampy anao hisoroka ny fiavonavonana?

Jereo ihany koa ny “Oh, j’ai besoin de toi,” Cantiques, no. 53.

Helamàna 3:24–35

Mameno ny fanahiko amin’ny fifaliana ny finoana an’i Kristy.

Ao amin’ny Helamàna 3, i Môrmôna dia mamariparitra fotoam-pifaliana anankiray rehefa notahiana izaitsizy ny Fiangonana ka na ireo mpitarika aza dia gaga. Raha miainga avy amin’ny zavatra novakinao tao amin’ny andininy 24–32, dia inona araka ny eritreritrao no nitarika ho amin’io toetry ny fahasambarana io? Kanefa tsy ny mpikambana rehetra no nanohy tao amin’ilay fifaliana. Diniho ireo fahasamihafana nisy teo amin’ireo olona voalazalaza ao amin’ny andininy 33–35. Inona no ianaranao avy amin’ny ohatr’izy ireo?

Mitadiava fampiharana manokana amin’ny tenanao. Ny Mpaminany Môrmôna dia nampiasa ny andian-teny hoe “dia toy izany” mba hanantitranterana fahamarinana manan-danja teo am-pamintinana ny Bokin’i Môrmôna. Ohatra, inona no tiany ho hitantsika ao amin’ny Helamàna 3:27–30? Rehefa mandalina ny soratra masina ianao dia afaka miato tsindraindray mba hamenoana ny andian-teny hoe “dia toy izany” mahakasika ny zavatra izay novakinao.

Helamàna 5:6–7

Afaka manome fanajana ny anaran’ny Mpamonjy aho.

Ny famakiana ny Helamàna 5:6–7 dia mety hanentana anao handinika ireo anarana nomena anao, ka ao anatin’izany ny anaram-pianakavianao. Midika inona aminao ireo anarana ireo? Ahoana no ahafahanao manaja azy ireo? Fa ny manan-danja kokoa aza dia ny hoe, diniho ny dikan’ny hoe mitondra ny anaran’ny Mpamonjy (jereo ny Môrônia 4:3). Amin’ny fomba ahoana no hanajanao izany anarana masina izany?

Helamàna 5:12–52

Sary
seminary icon
Raha i Jesoa Kristy no iorenako, dia tsy hianjera aho.

Inona no dikan’ny hoe “[manorina] ny fototra[o]” eo ambonin’ny “vatolampin’ny Mpanavotra antsika”? (Helamàna 5:12). Tamin’ny fomba ahoana no nahitanao fialofana ao amin’i Jesoa Kristy teo anatrehan’ireo tafiotry ny fiainana? Eo am-pamakianao ny Helamàna 5:12–52, dia fantaro hoe tamin’ny fomba ahoana i Nefia sy i Lehia no voatahy noho ny fanorenan’izy ireo ny finoany teo amin’ny vatolampin’ilay Mpanavotra azy ireo.

Mety manampy ny olona sasany ny maka sary an-tsaina ny zavatra halalininy. Mba hanehoana an-tsary ny Helamàna 5:12, dia azonao atao ny manorina rafitra kely eo ambonina fototra isan-karazany. Dia azonareo atao avy eo ny mamorona “[rivo-mahery]” amin’ny alalan’ny famafazana rano eo amin’izany sy fampiasana ventilateur mba hamoronana rivotra. Inona no hevi-baovao entin’izany ho anao mahakasika ny fanorenana ny fototra iorenanao eo amin’i Jesoa Kristy?

Ny andininy 50 dia milaza “ny halehiben’ny porofo” izay azon’ireo Lamanita. Ny famakiana ny Helamàna 5:12–52 dia mety hitondra ao an-tsainao ireo porofo nomen’ny Tompo anao. Ohatra, mety hoe “feo malefaka” avy amin’ny Fanahy no nampatanjaka ny finoanao ny Mpamonjy (Helamàna 5:30; jereo ihany koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:66). Na koa, mety tao anaty haizina ianao ka nitalaho tamin’ Andriamanitra mba hanana finoana lehibe (jereo ny Helamàna 5:40–47). Inona ireo zavatra niainana hafa nanampy anao hanorina ny fototra iorenanao eo amin’i Jesoa Kristy?

Jereo ihany koa ny Russell M. Nelson, “Ny tempoly sy ny fototra ara-panahinao,” Liahona, nôv. 2021, 93–96; Sean Douglas, “Miatrika ireo rivo-doza ara-panahintsika amin’ny finoana an’i Kristy,” Liahona, nôv. 2021, 109–11; Sujets de l’Évangile, “Foi en Jésus-Christ,” Médiathèque de l’Évangile.

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa, dia jereo ny laharan’ireo gazetiboky Liahona sy Ho zatovo mahery! ho an’ity volana ity.

Hevitra enti-mampianatra ny ankizy

Helamàna 3:24, 33–34; 4:11–15

Tian’ny Ray any An-danitra hanetry tena aho.

  • Hevero ny hanasa ireo zanakao hanao ny sariny manokana maneho ilay “fitamberimberenan’avonavona,” miainga avy amin’ilay kisary etsy ambony. Avy eo, rehefa miara-mamaky ny Helamàna 3:24, 33–34 sy 4:11–15 ianareo dia azon’izy ireo tondroina ireo faritra eo amin’ilay fitamberimberenana izay fariparitan’ireo andininy ireo. Ahoana no ahafahantsika misafidy ny hanetry tena ary mijanona toy izany hatrany?

Helamàna 5:12

Hanangana ny fototra iorenako eo amin’i Jesoa Kristy aho.

  • Hevero ny hampiasa sarina tempoly mba hanombohana resadresaka momba ny antony ilan’ny trano fototra matanjaka. Na azonareo jerena ny fototry ny tranonareo na ny an’ny trano fiangonana. Mba hanantitranterana ny tanjaky ny fototra mafy orina dia azon’ny zanakao atao ny manandrana manetsika vato iray amin’ny alalan’ny fitsofana izany. Rehefa miara-mamaky ny Helamàna 5:12 ianareo dia anontanio ireo zanakao ny antony maha-“fototra azo antoka” an’i Jesoa Kristy ho an’ny fiainantsika. Amin’ny fomba ahoana no ahafahantsika manorina ny fiainantsika eo Aminy? (jereo ny Helamàna 3:27–29, 35 sy Fanekem-pinoana 1:4).

  • Asao ireo zanakao hanangana tilikambo iray amin’ny alalan’ny fampiasana goba kilalao na fitaovana hafa eo ambonina karazana fototra samihafa (toy ny vohavohan-dandihazo na vato fisaka iray). Nahoana ilay fototra matanjaka no tahaka an’i Jesoa Kristy? Afaka manampy goba iray eo amin’ilay rafitra izy ireo isaky ny mizara hevitra iray mikasika ny zavatra azon’izy ireo atao mba hanarahana Azy.

Helamàna 5:21–52

Mibitsika amin’ny feo tony sy malefaka ny Fanahy Masina.

  • Ilay feo voasoritsoritra ao amin’ny Helamàna 5:29–30, 45–47 dia mampianatra antsika ny fomba iray iresahan’ny Fanahy Masina amintsika. Mba hanampiana ireo zanakao hahatakatra izany fahamarinana izany dia hevero ny hamaky ny “Toko 37: I Nefia sy i Lehia ao am-ponja” (Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, 99–102). Rehefa miresaka mikasika ny feo henon’ny vahoaka ianao dia miresaha amin’ny feo malefaka. Averimbereno ilay tantara ary asao ny ankizy hibitsibitsika aminao. Ampio izy ireo hieritreritra fomba hafa ahafahan’ny Fanahy Masina miresaka amintsika. Mba hanamafisana io fitsipika io dia afaka miaraka mihira ilay hira hoe “Ilay feo tony sy malefaka” (Bokin-kiran’ny ankizy, 106–7) ianareo.

Helamàna 5:20–52

Manolo ny haizina ara-panahy amin’ny hazavana ny fibebahana.

  • Mba hanamafisana ny zavatra ampianarin’ny Helamàna 5:20–41 momba ny haizina sy ny hazavana, dia andramo vakina na fintinina ao anatin’ny haizina ireo andininy ireo, ka fanilo elektrika ihany ampiasaina hahazoana fahazavana. Afaka mihaino ny zavatra nilain’ny olona natao mba hanesorana ilay haizina ireo zanakao. Areheto ny jiro avy eo ary iaraho vakina ny andininy 42–48. Inona no ampianarin’ireo andininy ireo antsika momba ny fibebahana?

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.

Sary
I Nefia sy i Lehia ao am-ponja

Na dia tao am-ponja aza dia narovan’ny herin’ Andriamanitra i Nefia sy i Lehia.

© The Book of Mormon for Young Readers [Ny Bokin’i Môrmôna ho an’ny ankizy], Nephi and Lehi Encircled by a Pillar of Fire [I Nefia sy i Lehia voahodidin’ny andry afo], nataon’i Briana Shawcroft; tsy azo adika

Hamoaka printy