Avia, hanaraka Ahy 2024
9–15 septambra: “Vaovao mahafaly sady fifaliana lehibe.” Helamàna 13–16


“9–15 septambra: -Vaovao mahafaly sady fifaliana lehibe.- Helamàna 13–16,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Bokin’i Môrmôna 2024 (2023)

“9–15 septambra. Helamàna 13–16,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2024 (2023)

Sary
I Samoela ilay Lamanita mampianatra eo ambonin’ny manda

I Samoela ilay Lamanita eo ambony manda, nataon’i Arnold Friberg

9–15 septambra: “Vaovao mahafaly sady fifaliana lehibe”

Helamàna 13–16

Tamin’ny fotoana voalohany niezahan’i Samoela ilay Lamanita nizara “vaovao mahafaly” tao Zarahemlà (Helamàna 13:7), dia nolavin’ny olona izy ary noroahin’ireo Nefita mafy fo. Toy ireny hoe nanangana manda tsy hay hidirana manodidina ny fony ireny izy ireo, izay nanakana azy ireo tsy handray ny hafatr’i Samoela. Takatr’i Samoela ny lanjan’ilay hafatra nentiny ka dia naneho finoana izy tamin’ny alalan’ny fanarahana ny didin’ Andriamanitra “fa tokony hiverina indray izy sy haminany” (Helamàna 13:3). Tahaka an’i Samoela, isika rehetra dia ho sendra manda rehefa “[manomana] ny lalan’ny Tompo” (Helamàna 14:9) ary miezaka manaraka ireo mpaminaniny. Ary tahaka an’i Samoela, isika ihany koa dia mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy, “izay ho avy marina tokoa” ary manasa ny rehetra mba “[h]ino ny anarany” (Helamàna 13:6; 14:13). Tsy ny olona rehetra no hihaino, ary mety hanohitra antsika amim-pahavitrihana ny olona sasany. Fa ireo izay mino io hafatra amim-pinoana an’i Kristy dia mahita fa tena “vaovao mahafaly sy fifaliana lehibe” tokoa izany (Helamàna 16:14).

Torohevitra ho an’ny fianarana any an-tokantrano sy any am-piangonana

Helamàna 13

Manome fampitandremana amin’ny alalan’ireo mpaminaniny ny Tompo.

Indraindray ny mpaminany ao amin’ny soratra masina dia ampitahaina amin’ny mpitily eny ambony manda na tilikambo izay mampitandrina amin’ny loza (jereo ny Isaia 62:6; Ezekiela 33:1–7). Rehefa mandalina ny tenin’i Samoela ao amin’ny Helamàna 13 ianao dia eritrereto hoe ahoana no maha-toy ny mpitily azy aminao. Inona no nolazainy ka toa mifanaraka tsara amin’izao androntsika izao? (Jereo indrindra indrindra ny andininy 8, 21–22, 26–29, 31, ary ny 38). Ohatra, inona no nampianarin’i Samoela momba ny fibebahana, momba ny fanetrentena sy ny harena, ary momba ny fikatsahana fahasambarana “[a]min’ny fanaovana heloka”?

Azonao atao koa ny mamakafaka ireo hafatra avy amin’ny fihaonambe farany mba hitadiavana fampitandremana mitovy amin’izany izay nomen’ny Tompo tamin’ny alalan’ireo mpaminany maoderina. Mahatsapa ho taomim-panahy hanao inona ianao mahakasika ireo fampitandremana ireo?

Tadiavo ireo lamina. Ny lamina dia drafitra na maodely izay azo ampiasaina toy ny tari-dalana iray mba hanatanterahana asa iray. Ao amin’ny soratra masina isika dia mahita lamina izay maneho ny fomba hanatanterahan’ny Tompo ny asany, toy ny fanirahana ireo mpanompony hampitandrina ny olona.

Sary
Fianakaviana mijery fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany

Rehefa mihaino an’ireo mpaminany isika dia hampitodika antsika amin’i Jesoa Kristy izy ireo

Helamàna 13–15

Manasa ahy hibebaka ny Ray any An-danitra.

Ny fampitandreman’i Samoela mikasika ny fitsaran’ Andriamanitra dia nahitana hatrany fanasana mifono famindrampo mba hibebaka. Tadiavo manerana ny Helamàna 13–15 ireo fanasana ireo (jereo indrindra indrindra ny Helamàna 13:6–11; 14:15–19; 15:7–8). Inona no ianaranao avy amin’ireo andininy ireo mikasika ny fibebahana? Famaizana henjana, izay zavatra tokony hosorohina, no fahitan’ny olona sasany ny fibebahana. Araka ny hevitrao dia amin’ny fomba ahoana no tian’i Samoela mba hahitan’ny Nefita ny fibebahana?

Mba hanamafisana ny fandalinanao dia azonao vakina ny hafatry ny Filoha Russell M. Nelson hoe “Afaka manao tsaratsara kokoa sy ho lasa tsaratsara kokoa isika” (Liahona, mey 2019, 67). Ahoana no hamaritany ny fibebahana? Inona avy ireo fitahiana avy amin’ny fibebahana marina hitanao ao amin’ny hafany? Azonao atao koa ny mitady zavatra voafaritra mazava tsara izay asain’ny mpaminany ovaintsika. Inona no lazain’ny Fanahy Masina aminao fa tokony hovainao? Hevero ny hanoratra ny fanambarana ho an’ny tena manokana voarainao.

Inona no maha-samy hafa ny fibebahana amin’ny fanovana fotsiny ihany ny fitondrantenanao? Nahoana no zava-dehibe ny manaiky ny fanasan’ Andriamanitra mba hibebaka? Rehefa misaintsaina izany ianao dia hevero ny hihira na hihaino hira iray ao amin’ny fihirana izay milaza io fanasana io, toy ny “Oui, tes commandements” (Cantiques, no. 66).

Jereo koa ny “Hanampy anao Jesoa Kristy,” Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy, 6–9; “Ny fibebahana: safidy mahafaly,” (horonan-tsary), Médiathèque de l’Évangile; Sujets de l’Évangile “Repentir,” Médiathèque de l’Évangile.

Helamàna 14; 16:13–23

Nandefa famantarana sy fahagagana Andriamanitra mba hijoroana ho vavolombelona ny amin’ny fahaterahan’ny Mpamonjy sy ny fahafatesany.

Ao amin’ny Helamàna 14 i Samoela dia nanazava fa ny Tompo dia nanome famantarana ny fahaterahana sy ny fahafatesan’ny Mpamonjy mba hahafahan’ny olona “mahafantatra ny amin’ny fiavia[ny]” sy “mino ny anarany” (Helamàna 14:12). Rehefa mandalina ny Helamàna 14 ianareo dia jereo ireo famantarana momba ny fahaterahan’ny Mpamonjy ao amin’ny andininy 1–8 sy ireo famantarana ny fahafatesany ao amin’ny andininy 20–28. Araka ny hevitrao, nahoana ireo famantarana ireo no ho fomba mahomby hilazana ny fahaterahana sy ny fahafatesan’i Jesoa Kristy?

Ireo famantarana hafa mahakasika kokoa ny tena manokana sy tsy dia misongadina dia afaka manampy anao “hino ny [anaran’ny Mpamonjy].” Inona no nataony mba hampatanjahana ny finoanao Azy?

Inona no fampitandremana omena momba ireo famantarana ao amin’ny Helamàna 16:13–23? Ahoana no ahafahanao misoroka ny fihetsika sy ny fomba fisainan’ireo olona izay voafariparitra ao amin’ireo andininy ireo?

Jereo koa ny Almà 30:43–52; Ronald A. Rasband, “Amin’ny alalan’ny drafitra masina,” Liahona, nôv. 2017, 55–57.

Helamàna 15:3

Famantarana ny fitiavan’ny Tompo ny famaizana avy Aminy.

Ny tenin’i Samoela dia ahitana famaizana hentitra maro, saingy ny Helamàna 15:3 dia manome antsika fomba fijery miavaka momba ny famaizana avy amin’ny Tompo. Amin’ny fomba ahoana no maha-famantarana ny fitiavan’ny Tompo ny famaizana avy Aminy? Inona no porofo hitanao momba ny fitiavan’ny Tompo sy ny famindrampony ao amin’ny faminaniana sy ny fampitandremana nataon’i Samoela?

Hevero ny handalina ny hafatry ny Loholona D. Todd Christofferson hoe “Izay rehetra tiako no anariko sy faiziko,” (Liahona, Mey 2011, 97–100), ka tadiavo ireo tanjona telo hanaovana ny famaizana avy amin’ Andriamanitra. Oviana ianao no nahita an’ Andriamanitra niasa tamin’ireo fomba ireo teo amin’ny fiainanao?

Helamàna 16

Mampitodika ahy any amin’i Jesoa Kristy ireo mpaminany.

Inona no ianaranao momba ireo izay nanaiky ny fampianaran’i Samoela ao amin’ny Helamàna 16? Inona no ianaranao avy amin’ireo izay nandà azy? Eritrereto ny fomba nanampian’ny fanarahana ireo mpaminany velona anao hanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy.

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa, dia jereo ny laharan’ireo gazetiboky Liahona sy Ho zatovo mahery! ho an’ity volana ity.

Hevitra enti-mampianatra ny ankizy

Helamàna 13:2–5

Afaka miresaka amiko ao am-poko Andriamanitra.

  • Ahoana no ahafahanao mampianatra ireo zanakao fa afaka miresaka amin’ny fontsika Andriamanitra, tahaka ny nataony tamin’i Samoela? Azonao atao angamba ny mangataka azy ireo hampiseho aminao fomba samihafa hifandraisana tsy miloa-bava (toy ny fihetsika na fihetseham-po ampitain’ny endrika). Mety hitarika ho amin’ny fifanakalozan-kevitra iray momba ireo fomba isan-karazany hifandraisan’ny Ray any An-danitra amintsika izany. Ao anatin’izany fifanakalozan-kevitra izany dia afaka mijery sarin’i Samoela ilay Lamanita iray (ahitana roa ato amin’ity rindran-damina ity) ianao sy ny zanakao ary mamaky ny Helamàna 13:2–5 ka mihaino ny fomba nilazan’ Andriamanitra tamin’i Samoela ny zavatra tokony holazainy ireo zanakao.

  • Maro amintsika, indrindra fa ny ankizy, no mila fanampiana amin’ny fianarana mamantatra ny fomba sy ny fotoana iresahan’ Andriamanitra amintsika. Azonao atao ny mitantara amin’ireo zanakao ny fotoana iray izay nanampian’ny Fanahy Masina anao hahafantatra tao am-ponao ny zavatra tian’ Andriamanitra hataonao na holazainao. Hazavao ny fomba nahafantaranao fa nifandray taminao Andriamanitra. Azon’ireo zanakao atao koa angamba ny mizara izay zavatra niainan’izy ireo mitovy amin’izany.

Helamàna 14:2–7, 20–25

Mampianatra momba an’i Jesoa Kristy ireo mpaminany.

  • Ny fiarahana mihira ny “Ilay hiran’ny fahaterahana” (Bokin-kiran’ny ankizy, 33) dia mety ho fomba tsara hampianarana ireo zanakao ny zavatra nampianarin’i Samoela momba an’i Jesoa Kristy. Fomba iray hafa koa ny fizarana ny “Toko 40: Miresaka momba an’i Jesoa Kristy i Samoela Lamanita” (Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, 111–13). Inona no nampianarin’i Samoela momba ny Mpamonjy? Azonao zaraina ihany koa angamba ny zavatra ampianarin’ireo mpaminany maoderina momba Azy. Ahoana no hampiorenan’ny tenin’izy ireo ny finoantsika Azy?

Helamàna 16:1–6

Voatahy aho rehefa manaraka ny mpaminany.

  • Afaka mampiorina ny fahatokian’ireo zanakao ny mpaminany ianao amin’ny alalan’ny fampisehoana azy ireo ny ohatra nasehon’ireo olona izay nahatoky. Hita ao amin’ny Helamàna 16: 1, 5 ny sasany amin’ireo. Eo am-pamakianao izany dia afaka mitsangana ireo zanakao rehefa mahare zavatra nataon’ny olona rehefa nino ny tenin’i Samoela izy ireo. Aorian’izay, rehefa mamaky ny andininy 2 sy 6 ianao dia afaka mipetraka ireo zanakao rehefa mahare zavatra nataon’ny olona rehefa tsy nino izy ireo. Ahoana no ahafahantsika maneho fa mino ny tenin’ny mpaminany velona isika? Lazao amin’ireo ankizy ny fomba hitahiana anao rehefa manaraka ny torohevitry ny Tompo amin’ny alalan’ireo mpaminaniny ianao.

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.

Sary
I Samoela ilay Lamanita

I Samoela ilay Lamanita, nataon’i Lester Yocum.

Hamoaka printy