Avia, hanaraka Ahy
2–8 septambra: “[M]ahatsiaro ny Tompo.” Helamàna 7–12


“2–8 septambra: -[M]ahatsiaro ny Tompo.- Helamàna 7–12” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Bokin’i Môrmôna 2024 (2023)

“2–8 septambra. Helamàna 7–12,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2024 (2023)

Sary
I Nefia mivavaka ao amin’ny tilikambon’ny saha iray

Sarin’i Nefia eo amin’ny tilikambon’ny saha iray, nataon’i Jerry Thompson

2–8 septambra: “[M]ahatsiaro ny Tompo”

Helamàna 7–12

I Helamàna rain’i Nefia dia namporisika mafy ireo zanakalahiny hoe “tsarovy, tsarovy.” Tiany izy ireo hahatsiaro ny razamben’izy ireo, hahatsiaro ny tenin’ireo mpaminany, ary ambonin’izany rehetra izany mba hahatsiaro “ny Mpanavotra antsika, dia i Kristy” (jereo ny Helamàna 5:5–14). Mazava fa nahatsiaro i Nefia satria io hafatra io ihany no nambarany “tsy [nisy fahasasarana]” tamin’ny vahoaka taona maro taty aoriana (Helamàna 10:4). “Ahoana no nahafahanareo nanadino ny Andriamanitrareo?” hoy izy nanontany (Helamàna 7:20). Ny ezaka rehetra nataon’i Nefia—ny fitoriana, ny vavaka, ny fanaovana fahagagana, ary ny fangatahana mosary tamin’ Andriamanitra—dia fiezahana ny hanampy ny vahoaka hitodika amin’ Andriamanitra sy hahatsiaro Azy. Ny fanadinoana an’ Andriamanitra amin’ny fomba maro dia mbola olana lehibe kokoa noho ny hoe tsy fahafantarana Azy. Ary mora ny manadino Azy rehefa voasarik’ireo “zava-poanan’izao tontolo izao” sy saron’ny fahotana ny saintsika (Helamàna 7:21; jereo koa ny Helamàna 12:2). Saingy araka ny asehon’ny fanompoan’i Nefia dia tsy misy velively izany hoe tara loatra izany mba hahatsiaro sy “[hitodika] … amin’ny Tompo Andriamanitrareo” (Helamàna 7:17).

Torohevitra ho an’ny fianarana any an-tokantrano sy any am-piangonana

Helamàna 7–11

Ny mpaminany dia manambara ny sitrapon’ Andriamanitra amin’ny vahoaka.

Ny Helamàna 7–11 dia toerana tena tsara ianarana momba ny zavatra ataon’ireo mpaminany. Eo am-pamakianao ireo toko ireo dia diniho tsara ny zavatra nataon’i Nefia, sy ny eritreriny ary ny fifandraisany amin’ny Tompo. Ahoana no hanampian’ny fanompoan’i Nefia anao hahatakatra ny anjara asan’ny mpaminany? Ireto misy ohatra vitsy. Inona koa no hitanao?

Araka ny zavatra izay novakinao dia ahoana no hamaritanao ny atao hoe mpaminany sy ny zavatra ataony? Hevero ny hanoratra famaritana fohy. Avy eo dia jereo ny zavatra hanampianao ny famaritana nataonao rehefa avy mamaky ny votoatin’ny teny iditra “Mpaminany” ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina (Médiathèque de l’Évangile) na ny “Suivre le prophète vivant” (Enseignements des présidents de l’Église Church: Ezra Taft Benson [2014], 147–55).

Tsikaritrao ve ny halehiben’ny fahasahian’i Nefia ao amin’ny Helamàna 7:11–29? Nahoana ianao no mahatsapa fa indraindray ny mpaminany dia mila miteny amim-pahasahiana tahaka ny nataon’i Nefia? Hevero ny hitady ny valin’izany ao amin’ny fizarana mitondra ny lohateny hoe “Aza gaga” ao amin’ny hafatry ny Loholona Neil L. Andersen hoe “Ilay mpaminanin’ Andriamanitra” (Liahona, mey 2018, 26).

Miaraka amin’ireo fahamarinana rehetra ireo an-tsainao dia saintsaino ny fomba nitahian’ny Tompo anao tamin’ny alalan’ny fanompoan’ny mpaminaniny. Inona no nampianariny anao tato ho ato tamin’ny alalan’ny mpaminanintsika velona? Inona no ataonao ankehitriny mba hihainoana sy hanarahana ny fitarihan’ny Tompo?

Jereo koa ny Sujets de l’Évangile, “Prophètes,” Médiathèque de l’Évangile.

Helamàna 9; 10:1, 12–15

Tokony haorina amin’ny zavatra hafa mihoatra ny famantarana sy ny fahagagana ny finoako an’i Jesoa Kristy.

Raha toa ka hoe ampy hanova ny fon’ny olona iray ny famantarana sy ny fahagagana dia ho efa ho nampiova fo ny Nefita rehetra ireo famantarana mampitolagaga nomen’i Nefia ao amin’ny Helamàna 9. Saingy tsy nitranga izany. Diniho ireo fihetsika isan-karazany nasehon’ny olona teo anatrehan’ilay fahagagana ao amin’ny Helamàna 9–10. Ohatra, azonao ampitahaina ny fihetsika nasehon’ireo lehilahy dimy sy ireo lohan’ny mpitsara ao amin’ny Helamàna 9:1–20 (jereo koa ny Helamàna 9:39–41; 10:12–15). Inona no ianaranao avy amin’ireo zavatra niainana ireo mahakasika ny fomba hanorenana ny finoanao an’i Jesoa Kristy?

Jereo koa ny 3 Nefia 1:22; 2:1–2.

Helamàna 10:1–12

Ny Tompo dia manome hery an’ireo olona izay mikatsaka ny sitrapony sy miezaka mitandrina ny didiny.

Rehefa mandalina ny Helamàna 10:1–12 ianao dia jereo ny zavatra nataon’i Nefia mba hahazoana ny fitokian’ny Tompo. Tamin’ny fomba ahoana no nanehoany fa nikatsaka ny sitrapon’ny Tompo izy fa tsy ny azy? Mitaona anao hanao inona ny zavatra niainan’i Nefia?

Helamàna 10:2–4

Ahazoana fanambarana ny fisaintsainana ny tenin’ Andriamanitra.

Raha efa nahatsapa ho ketraka, feno fanahiana, na sahiran-tsaina ianao dia mety hianatra lesona manan-danja iray avy amin’ny ohatra nasehon’i Nefia ao amin’ny Helamàna 10:2–4. Inona no nataony rehefa “nitanondrika fatratra” izy? (andininy 3).

Nanazava ny Filoha Henry B. Eyring fa, “rehefa misaintsaina isika dia manasa ny fanambarana avy amin’ny Fanahy” (“Manompo miaraka amin’ny Fanahy,” Liahona, nôv. 2010, 60). Inona no fomba ataonao mba hambolena fahazarana misaintsaina?

Helamàna 12

Tian’ny Tompo aho hahatsiaro Azy.

Ahoana no hitadidinao fampahalalana manan-danja, toy ny tsingerintaona nahaterahan’ny olona iray ao amin’ny fianakaviana na fampahalalana mikasika ny fanadinana iray? Inona no hitovian’izany amin’ny ezaka takina mba “hahatsiaro ny Tompo”? (Helamàna 12:5). Inona no tsy mampitovy azy?

Ny Helamàna 12 dia mamariparitra zavatra maro izay mahatonga ny olona hanadino ny Tompo. Azonao atao tsara ny manao lisitra azy ireny sy misaintsaina raha toa ka manelingelina anao tsy hifantoka Aminy izany. Inona no manampy anao hahatsiaro an’i Jesoa Kristy? Entanim-panahy hanao inona ianao araka eo anatrehan’ny zavatra nianaranao?

Jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:77, 79; “Viens vers moi,” Cantiques, no. 109.

Mampiasà lesona ampiasana zavatra azo tsapain-tanana. Matetika ny Mpamonjy no nampifandray ireo fitsipiky ny filazantsara tamin’ireo zava-nisy andravanandro izay fantatry ny olona tsara. Rehefa mianatra na mampianatra momba ny Helamàna 12:1–6 ianao dia afaka mampitaha “ny tsy fitombenan’ny … olombelona” amin’ny zavatra tsapantsika rehefa miezaka mijoro tsy mianjera amin’ny tongotra iray ihany. Ahoana no ahafahantsika mitombina ara-panahy lalandava?

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa, dia jereo ny laharan’ireo gazetiboky Liahona sy Ho zatovo mahery! ho an’ity volana ity.

Hevitra enti-mampianatra ny ankizy

Helamàna 7:20–21

Tian’ny Tompo hahatsiaro Azy aho.

  • Mba hanombohana fifanakalozan-kevitra momba ny fahatsiarovana ny Tompo dia azonao atao ny mitantara amin’ireo zanakao mikasika ny fotoana iray nanadinoanao zavatra. Avelao izy ireo hizara zavatra niainan’izy ireo manokana mitovy amin’izany. Dia azonareo iarahana mamaky avy eo ny Helamàna 7:20–21 ary anontanio ireo zanakao izay heverin’izy ireo fa dikan’izany hoe manadino an’ Andriamanitra izany. Azon’ireo zanakao atao angamba ny manao ny sarin’ireo zavatra izay mety mahatonga antsika hanadino ny Tompo sy mampiasa ny sary nataon’izy ireo mba hanaronana sarin’i Jesoa iray. Avy eo izy ireo dia afaka mieritreritra ireo zavatra azony atao mba hahatsiarovana Azy. Rehefa mizara ny eritreriny izy ireo dia azony esorina tsirairay ireo sary nataony mandra-pisehon’ilay sarin’ny Mpamonjy.

Helamàna 8:13–23

Mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy ireo mpaminany.

  • Ampio ireo zanakao hanao fikarohana ao amin’ny Helamàna 8:13–23 mba hitady anarana mpaminany izay nampianatra momba an’i Jesoa Kristy. Azon’izy ireo atao tsara ny mifampitapita sarin’i Jesoa isaky ny mahita iray izy ireo. Inona no nampianarin’ny mpaminanintsika velona momba ny Mpamonjy?

  • Azonareo atao koa ny miara-mihira hira iray momba ny mpaminany, toy ny “Araho hatrany ny mpaminany” (Bokin-kiran’ny ankizy, 58–59). Afaka misafidy andian-teny manan-danja avy amin’ilay hira angamba ianao sy ny zanakao ary manoratra teny iray avy amin’ilay andian-teny eo amin’ny tsirairay amin’ireo dian-tongotra maromaro izay vita amin’ny taratasy. Aorian’izay dia afaka mametraka ireo dian-tongotra amin’ny tany ianareo izay mitondra mankany amin’ny sarin’ny Mpamonjy, ary afaka manaraka ireo dian-tongotra mankeny amin’ilay sary ireo zanakao. Ahoana no fomba nitondran’ny fanarahana ny mpaminany antsika nankany amin’i Jesoa Kristy?

Helamàna 10:1–4

Ahazoana fanambarana ny fisaintsainana ny tenin’ Andriamanitra.

  • Mba hanampiana ireo zanakao hahatakatra ny dikan’ny hoe misaintsaina dia azonareo atao ny miara-mamaky ny “Misaintsaina ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina (Médiathèque de l’Évangile). Inona koa ireo teny hafa mitovy amin’ny hoe misaintsaina? Azonareo atao angamba ny miara-mamaky ny Helamàna 10:1–3 ary manolo ny teny hoe misaintsaina amin’ireo teny hafa ireo. Resaho amin’ireo zanakao ireo fomba hampidirana ny fisaintsainana amin’ny fandalinan’izy ireo soratra masina.

Helamàna 10:11–12

Hankatò ny Ray any An-danitra aho.

  • Nankatò ny Ray any An-danitra i Nefia na dia nidika aza izany hoe mila manao zavatra sarotra izy. Mba hahitana ohatra amin’izany dia afaka mamaky ny Helamàna 10:2, 11–12 ianao sy ny zanakao. Azon’ireo zanakao atao angamba ny milalao an-tsehatra ny zavatra nataon’i Nefia: mandeha mankeny amin’ny rindrina iray ao amin’ilay efitra (toy ny hoe mandeha mody izy ireo), mijanona, mihodina, ary mandeha mankeny amin’ilay rindrina iray hafa ao amin’ilay efitra (toy ny hoe mandeha miverina mampianatra ny olona). Inona avy ireo zavatra vitsivitsy tian’ny Ray any An-danitra mba hataontsika?

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.

Sary
Hita fa i Seantôma no ilay mpamono olona

Tamin’ny alalan’ny fanomezam-pahasoavan’ny faminaniana no namahan’i Nefia ny mikasika ny famonoana ilay lohan’ny mpitsara.

© The Book of Mormon for Young Readers, Seantum—The Murderer Is Discovered (Seantoma—tratra ilay mpamono olona), nataon’i Briana Shawcroft; tsy azo adika

Hamoaka printy