Avia, hanaraka Ahy
16–22 septambra: “Atrakao ny lohanao ary mahereza.” 3 Nefia 1–7


“16–22 septambra: -Atrakao ny lohanao ary mahereza.- 3 Nefia 1–7,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Bokin’i Môrmôna 2024 (2023)

“16–22 septambra. 3 Nefia 1–7,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2024 (2023)

Sary
Ny Nefita manatri-maso ny andro tsy misy alina

One Day, One Night, and One Day [Andro iray, alina iray, ary andro iray], nataon’i Jorge Cocco

16–22 septambra: “Atrakao ny lohanao ary mahereza”

3 Nefia 1–7

Amin’ny lafiny iray dia fotoana nampientanentana ho an’ireo mpino an’i Jesoa Kristy izany. Tanteraka ireo faminaniana. Ireo famantarana sy fahagagana lehibe teo anivon’ny vahoaka dia naneho fa ho teraka tsy ho ela ny Mpamonjy. Tetsy ankilany, dia fotoana nampitebiteby ireo mpino ihany koa izany satria na dia teo aza ireo fahagagana rehetra, dia nanizingizina ireo tsy mpino fa “efa dila ny fotoana” hahaterahan’ny Mpamonjy (3 Nefia 1:5). Ireo olona ireo dia nahatonga “hotakotaka eran’ny tany” (3 Nefia 1:7) ary nametraka daty mihitsy aza hamonoana ireo mpino rehetra raha toa ireo famantarana naminanian’i Samoela ilay Lamanita (alina tsy misy haizina) ka tsy mitranga.

Tao anatin’ireo toe-javatra sarotra ireo ny mpaminany Nefia dia “nahery nitalaho tokoa tamin’ Andriamaniny ho an’ny olony” (3 Nefia 1:11). Ny valintenin’ny Tompo dia mitondra fankaherezana ho an’izay mety ho olona miatrika fanenjehana na ahiahy ary mila mahafantatra fa handresy ny haizina ny hazavana: “Atrakao ny lohanao ary mahereza; fa indro, … Izaho dia hanatanteraka izay rehetra efa nampiteneniko tamin’ny vavan’ny mpaminaniko masina” (3 Nefia 1:13).

Torohevitra ho an’ny fianarana any an-tokantrano sy any am-piangonana

3 Nefia 1–7

Ny hoe miova fo ho an’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia mitaky faharetana sy ezaka.

Ny 3 Nefia 1–7 dia manoritsoritra vahoaka izay niova fo ho amin’i Jesoa Kristy ary vahoaka hafa tsy nanao an’izany. Inona no fahasamihafana nisy teo amin’ireo vahoaka ireo? Afaka manampy anao handrindra ny eritreritrao ny tabilao tahaka izao manaraka izao:

Zavatra izay mampihena ny fiovam-po

Zavatra izay mampatanjaka ny fiovam-po

3 Nefia 1:5–11

Ny tsy finoana ny tenin’ny mpaminany sy ny fanesoesoana ny olo-marina

Ny fananana finoana ny tenin’ny mpaminany sy ny fivavahana mba hahazoana fanampiana

3 Nefia 1:29–30

3 Nefia 2:1–3

3 Nefia 3:12–16

3 Nefia 4:8–10, 30–33

3 Nefia 6:13–18

3 Nefia 7:15–22

Mametraha fanontaniana ho anao manokana eo am-pandalinana. Ohatra, eo am-pamenoana ity tabilao ity dia azonao apetraka ny fanontaniana toy ny hoe “Inona no lesona ho ahy eto?” Hitondra fitaoman’ny Fanahy Masina izany.

3 Nefia 1:1–23

Noho i Jesoa Kristy dia afaka ny “[hahery]” aho.

Ny Rainao any An-danitra dia mahafantatra fa hisy fotoan-tsarotra ary tena hampihotakotaka mihitsy aza eo amin’ny fiainanao. Saingy tiany ihany koa ianao hiaina fifaliana. Vakio ny 3 Nefia 1:1–23 mba hianarana momba ireo antony nananan’ireo Nefita mahatoky tahotra. Inona no antony nilazan’ny Tompo tamin’izy ireo fa tokony “[hahery]” izy ireo?

Nampiasa ny teny hoe “mahereza” imbetsaka ny Mpamonjy. Ohatra, ao amin’ny Matio 14:24–27; Jaona 16:33; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 61:36; 78:17–19. Inona no manaitra anao mahakasika ireo fanasana ireo? Mety mila mamaky ireo andininy manodidina azy ireo ianao mba hahatakarana ireo toe-javatra nahatonga ny Mpamonjy nilaza ireo teny ireo. Teo anatrehan’ny toe-javatra tsirairay avy, inona avy ireo antony nomeny mba hanampiana ny vahoaka hiatrika ny tahotr’izy ireo? Ahoana no nanaovany izany ho anao?

Hevero ny handalina ny lahatenin’ny Filoha Russell M. Nelson hoe “Fifaliana sy fahavelomana ara-panahy” (Liahona, nôv. 2016, 81–84). Inona no ampianarin’ny Filoha Nelson anao momba ny hoe mahita fifaliana ao anatin’ny toe-javatra rehetra? Diniho hoe impiry ny Filoha Nelson no mpampiasa ny teny hoe mifantoka. Angamba azonao atao ny mampitaha ny hoe mampifantoka ny fakan-tsary na fitaovam-pijerena hafa amin’ny hoe mifantoka amin’i Jesoa Kristy. Amin’ny fomba ahoana no ifantohanao Aminy misimisy kokoa?

Jereo ihany koa ny “Santé mentale” na lohahevitra hafa ao amin’ny Faire face aux défis de la vie ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile.

3 Nefia 1:4–21; 5:1–3

Hotanterahin’ny Tompo ny teniny rehetra amin’ny fotoany.

Vakio ny 3 Nefia 1:4–7 ary eritrereto ny zavatra mety ho tsapanao raha toa ka anisan’ireo mpino ireo ianao. Inona no nataon’izy ireo mba hihazonana ny finoan’izy ireo ho matanjaka? (jereo ny 3 Nefia 1:4–21 sy ny 5:1–3). Tamin’ny fomba ahoana no nahatanterahan’ireo faminanian’i Samoela? (jereo ny 3 Nefia 1:19–21). Tamin’ny fomba ahoana no nanatanterahan’ny Tompo ny teniny teo amin’ny fiainanao?

3 Nefia 1:4–15; 5:12–26; 6:10–15; 7:15–26

Izaho dia mpianatr’i Jesoa Kristy.

Nanambara i Môrmôna hoe: “Indro, izaho dia mpianatr’i Jesoa Kristy” (3 Nefia 5:13). Inona no hevitr’izany andian-teny izany aminao? Hevero ny hikaroka ao amin’ny 3 Nefia 1:4–15; 5:12–26; 6:10–15; ary 7:15–26, hitadiavana ireo toetra’ny mpianatr’i Kristy sy ireo zavatra inoan’izy ireo ary ireo zavatra ataon’izy ireo.

Jereo ihany koa ny “Miezaka aho ho toa an’i Jesoa,” Bokin-kiran’ny ankizy, 78.

3 Nefia 2:11–12; 3:1–26

Rehefa mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy aho dia tsy tokony hatahotra.

Ny zavatra niainan’ireo Nefita noho ireo andiana mpandroba dia mirakitra lesona izay afaka manampy anao eo anatrehan’ireo loza ara-panahy atrehanao. Tadiavo ao amin’ny 3 Nefia 2:11–12 sy 3:1–26 ireo lesona ireo. Ohatra, azonao fakafakaina ny tenin’i Gidiania ao amin’ny 3 Nefia 3:2–10, ka ampitahao amin’ireo fomban’i Satana mety hanandramany hamitahana anao izany. Inona no azonao ianarana avy amin’ny ohatra nasehon’i Lakôneo?

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa, dia jereo ny laharan’ireo gazetiboky Liahona sy Ho zatovo mahery! ho an’ity volana ity.

Hevitra enti-mampianatra ny ankizy

3 Nefia 1:4–15, 19–21

Nipoitra ny kintana vaovao iray tamin’ny fotoana nahaterahan’i Jesoa Kristy.

3 Nefia 1:4–21

Tanteraka foana ny tenin’ireo mpaminany.

  • Eo am-pamakianao sy ny zanakao ny 3 Nefia 1:4–10, dia asao izy ireo hiresaka momba ny hoe mety ho nanao ahoana izany hoe anisan’ny iray tamin’ireo mpino niaina tamin’izany fotoana izany. Avy eo, rehefa mamaky ny ambin’ny tantara ao amin’ny andininy 11–15 izy ireo, dia afaka mandroso fomba hamenoana ity fehezan-teny ity: “Ny lesona avy amin’ity tantara ity dia …”

  • Angamba afaka manampy anao hieritreritra fotoana hafa nanatanterahan’ Andriamanitra ny fampanantenana nomeny tamin’ny alalan’ny mpaminany ireo zanakao. Mety ho tian’izy ireo ny hitady sary momba ireo tantara ireo ao amin’ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara (jereo ohatra ny, lah. 7–8 sy 81). Avelao izy ireo hizara izay fantany momba ireo tantara ireo, ka anisan’izany ny fomba nahatanterahan’ireo fampanantenan’ Andriamanitra. Iaraho vakina ny 3 Nefia 1:20, ary zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao manokana momba ireo fahamarinana ireo.

3 Nefia 2:11–12; 3:13–14, 24–26

Matanjaka kokoa isika rehefa mivondrona.

  • Ampio ireo zanakao hikaroka ireo antony nivondronan’ireo Nefita sy ireo fitahiana izay tonga teo amin’izy ireo avy amin’izany: 3 Nefia 2:11–12 sy 3:13–14, 24–26. Nahoana no zava-dehibe amintsika ny mivondrona ao amin’ny fianakaviantsika sy ao am-piangonana amin’izao vaninandro izao?

  • Moa ve ianao mahafantatra lesona ampiasana zavatra azo tsapain-tanana izay mampianatra momba ny tanjaka avy amin’ny firaisankina? Angamba azon’ireo zanakao handramana ny manapaka tapa-kazo iray ary avy eo manapaka tapa-kazo maro mitambatra na mandrovitra taratasy iray ary avy eo mandrovitra antontan-taratasy. Inona no itoviantsika amin’ireo tapa-kazo na ireo taratasy?

3 Nefia 5:12–26; 6:14; 7:15–26

Izaho dia mpianatr’i Jesoa Kristy.

  • Aorian’ny fiarahana mamaky ny 3 Nefia 5:13 dia asao ireo zanakao hamerina hiteny ilay andian-teny hoe “Izaho dia mpianatr’i Jesoa Kristy.” Mba hianarana ny dikan’izany hoe mpianatr’i Jesoa Kristy izany dia iaraho vakina ireto ohatra sasany ireto: ireo Lamanita niova fo (jereo ny 3 Nefia 6:14), i Môrmôna (jereo ny 3 Nefia 5:12–26), ary i Nefia (jereo ny 3 Nefia 7:15–26). Afaka mahita hevitra ao amina hira ihany koa ianao, toy ilay hoe “Miezaka aho ho toa an’i Jesoa” (Bokin-kiran’ny ankizy, 40).

  • Ampio ny ankizy hamaritra ny tanany eo amin’ny taratasy iray ka hanety izany avy eo. Soraty hoe “Izaho dia mpianatr’i Jesoa Kristy” eo amin’ny lafy iray, ary asao izy ireo hanao ny sarin’ny zavatra iray izay azony atao mba ho mpianatra eo amin’ny lafy ilany.

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.

Sary
Ny Nefita manatri-maso ny andro tsy misy alina

A Day, a Night, and a Day [Andro iray, alina iray, ary andro iray], nataon’i Walter Rane.

Hamoaka printy