Avia, hanaraka Ahy 2024
23–29 septambra: “Mitsangàna ary mankanesa aty Amiko.” 3 Nefia 8–11


“23–29 septambra: -Mitsangàna ary mankanesa aty Amiko.- 3 Nefia 8–11,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Bokin’i Môrmôna 2024 (2023)

“23–29 septambra. 3 Nefia 8–11,” Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2024 (2023)

Sary
I Jesoa miseho amin’ireo Nefita

Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, nataon’i James Fullmer

23–29 septambra: “Mitsangàna ary mankanesa aty Amiko”

3 Nefia 8–11

“Indro, Izaho no Jesoa Kristy izay nambaran’ny mpaminany fa ho avy eo amin’izao tontolo izao” (3 Nefia 11:10). Tamin’ny alalan’ireo teny ireo no nampahafantaran’ilay Mpamonjy nitsangana tamin’ny maty ny tenany izay manatanteraka ireo faminaniana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna nandritra ny 600 taona mahery. “Io fisehoana io sy io fanambarana io,” araka ny nosoratan’ny Loholona Jeffrey R. Holland, “no zavatra fototra sy fotoana lehibe indrindra ao amin’ny tantara manontolo voarakitra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Io no fanehoana sy lalàna izay nampahalala sy nitaona ny mpaminany Nefita rehetra. … Niresaka momba Azy avokoa ny rehetra, nihira momba Azy, nanonofy Azy, ary nivavaka mba hisehoany, ka indro fa niseho tokoa Izy. Ilay andro lehibe indrindra! Tonga ilay Andriamanitra izay manova ny alina maizina rehetra ho hazavan’ny maraina” (Christ and the New Covenant [1997], 250–51).

Jereo koa ny “Jésus-Christ apparaît dans l’Amérique ancienne” (horonan-tsary), Médiathèque de l’Évangile.

Torohevitra ho an’ny fianarana any an-tokantrano sy any am-piangonana

3 Nefia 8–11

I Jesoa Kristy no fahazavan’izao tontolo izao.

Mety hahatsikaritra ianao fa ireo ventin-kevitra mifandray amin’ny haizina sy hazavana dia miverimberina manerana ny 3 Nefia 8–11. Inona no ianaranao avy amin’ireo toko ireo mikasika ny haizina sy ny hazavana ara-panahy? (Jereo ohatra ny 3 Nefia 8:19–23; 9:18; 10:9–13). Inona no mitondra haizina eo amin’ny fiainanao? Inona no mitondra hazavana? Nahoana ny Mpamonjy, araka ny eritreritrao, no nisafidy ny hampahafantatra ny Tenany ho toy ny “fahazavana sy fiainan’izao tontolo izao”? 3 Nefia 9:18; 11:11).

Ireo tranga voafariparitra ao amin’ny 3 Nefia 9–11 dia anisan’ireo masina indrindra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Vakio miadana izany, ary saintsaino tsara. Ireto misy fanontaniana vitsivitsy hanampiana anao. Hevero ny hanoratra ireo zavatra tsapa izay tonga ao an-tsainao.

  • Inona no mety ho tsapako raha teo anivon’ireo olona ireo aho?

  • Inona no hitako manan-danja momba ny Mpamonjy ao anatin’ireo toko ireo?

  • Ahoana no ahafantarako fa i Jesoa Kristy no Mpamonjy ahy?

  • Tamin’ny fomba ahoana no naha-fahazavana Azy teo amin’ny fiainako?

Jereo koa ny Sharon Eubank, “I Kristy: Ilay hazavana izay mamiratra ao anaty haizina,” Liahona, mey 2019, 73–76.

Raketo ireo zavatra tsapa. Rehefa manoratra ireo zavatra tsapa ara-panahy voarainao ianao dia vao mainka ianao hahazo bebe kokoa.

3 Nefia 9–10

Maniry mafy ny hamela heloka i Jesoa Kristy.

Nilaza ny Loholona Neil L. Andersen hoe: Mijoro ho vavolombelona aho fa ny Mpamonjy dia afaka mamela sy maniry mafy ny hamela ny fahotantsika” (“Mibebaha … mba hahazoako manasitrana anareo,” Liahona, nôv. 2009, 40). Karohy ao amin’ny 3 Nefia 9–10 ireo porofon’ny faniriana mafy ananan’i Kristy mba hamela heloka. Inona no hitanao ao amin’ny 3 Nefia 9:13–22; 10:1–6 izay manampy anao hahatsapa ny fitiavany sy ny famindrampony? Oviana ianao no nahatsapa fa “nanangona” sy “namahana” anao Izy? (jereo ny 3 Nefia 10:4).

3 Nefia 9:19–22

Ny Tompo dia mitaky “fo torotoro sy fanahy manenina.”

Talohan’ny nahatongavan’ny Mpamonjy dia tandindon’ny sorona nataon’i Jesoa Kristy ny fanaovana sorona biby (jereo ny Mosesy 5:5–8). Inona no didy vaovao nomen’ny Mpamonjy ao amin’ny 3 Nefia 9:20–22? Ahoana no hampitodihan’izany antsika any Aminy sy ny sorona nataony?

Inona no dikan’izany hoe manatitra sorona fo torotoro sy fanahy manenina izany ho anao? Nahoana ianao no mahatsapa fa maniry ny hahazo io sorona io avy aminao ny Mpamonjy?

3 Nefia 11:1–8

Sary
seminary icon
Afaka mianatra ny mandre sy mahatakatra ny feon’ Andriamanitra aho.

Ahoana no ahafantaranao hoe izay fa miresaka aminao Andriamanitra? Mety afaka manampy anao hahatakatra ireo fitsipika sasantsasany amin’ny fandrenesana sy fahatakarana ny feon’ Andriamanitra ny zavatra niainan’ireo olona ao amin’ny 3 Nefia 11:1–8. Azonao atao ny mandray an-tsoratra ny toetoetran’ny feon’ Andriamanitra izay ren’ireo olona sy ny zavatra nataon’izy ireo mba hahatakarana izany tsaratsara kokoa.

Mety hanampy ihany koa ny mitady soratra masina hafa izay mamariparitra ny feon’ Andriamanitra na ny fitaoman’ny Fanahiny. Ireto misy vitsivitsy. Azonao atao angamba, rehefa avy mamaky azy ireto ianao, ny manoratra tari-dalana vitsivitsy hamantarana fanambarana: 1 Mpanjaka 19:11–12; Galatiana 5:22–23; Almà 32:27–28, 35; Helamàna 10:2–4; Etera 4:11–12; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 9:7–9; 11:11–14.

Mety hahazo tombontsoa koa ianao avy amin’ny fihainoana ny tenin’ireo mpaminany sy apôstôly ary ireo mpitarika hafa ato amin’ny Fiangonana ankehitriny izay manana traikefa amin’ny fihainoana sy ny fanarahana ny feon’ Andriamanitra. Maro amin’izy ireo no mizara ny zavatra niainany ao amin’ny amboarana horonan-tsary “Comment je l’écoute” ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile. Hevero ny hijery iray na mihoatra izany.

Ahoana no hampiharanao ny zavatra nianaranao mba hihainoana sy hamantarana mazava kokoa ny feon’ Andriamanitra?

Jereo koa ny Russell M. Nelson, “Henoy Izy,” Liahona, mey 2020, 88–92 .

Sary
I Jesoa maneho ireo marika amin’ny tanany amin’ireo Nefita

One by One [Tsirairay], nataon’i Walter Rane

3 Nefia 11:8–17

Manasa ahy hahazo fijoroana ho vavolombelona ho an’ny tenako manokana momba Azy i Jesoa Kristy.

Sahabo ho 2500 ny olona tafangona tao amin’ny tempoly tao Soafeno tamin’ny fotoana nisehoan’i Jesoa Kristy (jereo ny 3 Nefia 17:25). Na dia marobe aza ireo olona ireo dia nasain’ny Mpamonjy izy ireo “tsirairay” hikasika ny diam-pantsika teny amin’ny tanany sy ny tongony (3 Nefia 11:14–15 Eo am-pamakianao dia alaivo sary an-tsaina hoe toy ny ahoana izany hoe nanatrika teo izany. Amin’ny fomba ahoana avy no hanasan’ny Mpamonjy anao mba “[hitsangana] ary [ho any]” Aminy? (3 Nefia 11:14).

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa, dia jereo ny laharan’ireo gazetiboky Liahona sy Ho zatovo mahery! ho an’ity volana ity.

Hevitra enti-mampianatra ny ankizy

Satria alahady fahadimin’ny volana ny alahady ho avy izao dia amporisihana ireo mpampianatra ao amin’ny Kilonga mba ampiasa ireo asa enti-mianatra ao amin’ny “Tovana B: Manomana ny ankizy hijanona eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanan’ Andriamanitra mandritra ny androm-piainany.”

3 Nefia 8–9

Rehefa ao anatin’ny haizina aho dia afaka ny ho fahazavana ho ahy i Jesoa Kristy.

  • Mba hanampiana ireo zanakao hampihatra amin’ny tenany ireo zavatra niainana voasoritsoritra ao amin’ny 3 Nefia 8–9, dia azonao averina tantaraina na henoina ao amin’ny efitrano maizina iray ny raki-peon’ny ampahan’ireo toko ireo. Resaho hoe mety ho toy ny ahoana re izany hoe ao anatin’ny haizina mandritra ny telo andro izany e? Avy eo dia azonareo atao ny miresaka mikasika ny antony niantsoan’i Jesoa Kristy ny tenany hoe Fahazavan’izao tontolo izao (jereo ny 3 Nefia 9:18). Inona no nasain’i Jesoa nataon’ny vahoaka, sy asainy ataontsika, mba ho tonga fahazavana ho antsika Izy? (jereo ny 3 Nefia 9:20–22).

3 Nefia 10:4–6

Miaro ny vahoakany i Jesoa tahaka ny reniakoho miaro ny zanany.

  • Afaka ny ho fitaovam-pampianarana mahomby hanampiana ny ankizy madinika hahatakatra ny toetoetran’ny Mpamonjy sy ny asa nanirahana Azy ny sariohatry ny reniakoho manangona ny zanany. Azonao atao ny mamaky ny 3 Nefia 10:4–6 ary ny fianakavianao kosa mijery sarina reniakoho iray sy zanak’akoho mandritra izany. Nahoana no mila manangona ny zanany ny reniakoho? Nahoana ny Mpamonjy no te hanangona antsika eo akaikiny? Ahoana no hankanesantsika any Aminy mba hahazoana fiarovana?

3 Nefia 11:1–15

Manasa ahy hanatona Azy i Jesoa Kristy.

  • Ahoana no hanampianao ireo zanakao hahatsapa ny fanahy rehefa miara-mamaky ny 3 Nefia 11:1–15 ianareo? Azonao atao ny mangataka azy ireo hilaza aminao rehefa mahita zavatra manampy azy ireo hahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra izy ireo ao anatin’ireo andininy ireo. Afaka manao toy izany koa ianao amin’ireo sary ato amin’ity rindran-damina ity na ilay horonan-tsary “Jésus-Christ apparaît près du temple” (Médiathèque de l’Évangile). Lazao an’ireo zanakao ny zavatra tsapanao rehefa mamaky sy misaintsaina ireo zava-nitranga ireo ianao. Avelao izy ireo hizara ny zavatra tsapany koa.

3 Nefia 11:1–8

Miresaka amiko amin’ny feo tony sy malefaka Andriamanitra.

  • Azonao atao ny mamaky ny sasany amin’ireo andininy ireo amin’ny feo malefaka, sy “tony” (3 Nefia 11:3). Na azonao atao ny mandefa hira iray moramora toy ny hoe “Nalefany ny Zanany” (Bokin-Kiran’ny Ankizy) mba ho sarotra amin’ny ankizy ny mandre izany. Inona no tsy maintsy nataon’ny olona mba hahazoana izay nolazain’ilay feo avy any an-danitra? (Jereo ny andininy 5–7). Inona no azontsika ianarana avy amin’ny zavatra niainan’izy ireo?

3 Nefia 11:21–26

Tian’i Jesoa Kristy hatao batisa aho.

  • Rehefa mamaky ny 3 Nefia 11:21–26 ianao dia azonao asaina ireo zanakao mba hitsangana isaky ny mandre ny teny hoe batisa. Inona no nampianarin’i Jesoa momba ny batisa? Raha toa ka efa nahita batisa ireo zanakao teo aloha dia asao izy ireo mba hamariparitra ny zavatra hitany. Nahoana i Jesoa no maniry ny hanaovana batisa antsika?

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.

Sary
I Jesoa miseho amin’ireo Nefita

Mpiandry iray, nataon’i Howard Lyon

Hamoaka printy