Avia, hanaraka Ahy
30 septambra–6 ôktôbra: “Izaho no lalàna sy fahazavana.” 3 Nefia 12–16


“30 septambra–6 ôktôbra: -Izaho no lalàna sy fahazavana.- 3 Nefia 12–16,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Bokin’i Môrmôna 2024 (2023)

“30 septambra–6 ôktôbra. 3 Nefia 12–16,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2024 (2023)

Sary
I Jesoa manondro ireo Apôstôly roa ambin’ny folo

Nefia fahatelo: Ireto roa ambin’ny folo izay efa nofinidiko ireto, nataon’i Gary L. Kapp

30 septambra–6 ôktôbra: “Izaho no lalàna sy fahazavana”

3 Nefia 12–16

Tahaka ireo mpianatr’i Jesoa izay nivondrona mba hihaino ilay Toriteny tany an-Tendrombohitra tany Galilia, ireo olona izay nivondrona tany amin’ny tempolin’i Soafeno dia niaina ihany koa ny lalàn’i Mosesy. Nanaraka izany izy ireo satria nampitodika ny fanahin’izy ireo tamin’i Kristy izany (jereo ny Jakôba 4:5) ary eto i Kristy dia mijoro eo anatrehan’izy ireo, manambara lalàna ambony kokoa. Kanefa na isika izay tsy mbola niaina ny lalàn’i Mosesy aza dia afaka miaiky fa lalàna ambony kokoa ny fenitra napetrak’i Jesoa ho an’ireo mpianany. “Tiako ianareo ho tanteraka,” hoy ny nambarany (3 Nefia 12:48). Raha mahatonga anao hahatsapa izany fa tsy hahavita izany ianao, dia tadidio fa i Jesoa koa dia niteny hoe “Sambatra ny ory am-panahy izay mankatỳ Amiko, fa azy ny fanjakan’ny lanitra” (3 Nefia 12:3). Io lalàna ambony kokoa io dia fanasana, fomba iray hafa hilazana hoe “Mankanesa aty Amiko, ary aoka ho voavonjy” (3 Nefia 12:20). Tahaka ny lalàn’i Mosesy, io lalàna io dia mampitodika antsika any amin’i Kristy, ilay hany Tokana afaka manavotra sy mandavorary antsika. “Indro,” hoy Izy, “Izaho no lalàna sy fahazavana. Mijere atỳ Amiko ary mahareta hatramin’ny farany dia ho velona ianareo” (3 Nefia 15:9).

Torohevitra ho an’ny fianarana any an-tokantrano sy any am-piangonana

3 Nefia 12–14

Sary
sary famantarana ny seminera
Afaka ny ho mpianatra marin’i Jesoa Kristy aho.

Inty misy fomba iray handalinana sy hampiharana ny zavatra nampianarin’ny Mpamonjy ao amin’ny 3 Nefia 12–14: Makà andiana andinin-tsoratra masina, ary jereo raha afaka mamintina ny zavatra ampianarin’ireo andininy ireo ao anatin’ny fehezan-teny iray izay manomboka amin’ny hoe “Ny mpianatra marin’i Jesoa Kristy dia …” ianao. Ohatra, ny famintinana ny 3 Nefia 13:1–8 dia mety hanao hoe “Ny mpianatra marin’i Jesoa Kristy dia tsy mikatsaka dera avy amin’ny hafa rehefa manao ny tsara.” Andramo amin’ireto andinin-tsoratra masina ireto izany:

Aorian’ny famakiana ireo andininy ireo dia inona no zavatra nitaoman’ny Fanahy anao mba hataonao hanarahana an’i Jesoa Kristy?

Mety ho mavesatra, ary heverina ho tena tsy azo tanterahina mihitsy aza ilay didy ao amin’ny 3 Nefia 12:48. Inona no ianaranao avy amin’ny hafatry ny Loholona Jeffrey R. Holland hoe “Aoka ho tanteraka ianareo—amin’ny farany” (Liahona, nôv. 2017, 40–42) ka manampy anao hahatakatra ny tenin’ny Mpamonjy ao amin’io andininy io? Araka ny Môrônia 10:32–33, inona no ahafahantsika ho tonga tanteraka toy ny Mpamonjy?

Jereo koa ny “Seigneur, je te suivrai,” Cantiques, no. 141.

Mampiasà lesona ampiasana zavatra azo tsapain-tanana. Nampianatra fahamarinana lalina tamin’ny alalan’ny firesahana zavatra zavatra azo tsapain-tanana mahazatra ny Mpamonjy. Afaka manao zavatra mitovy amin’izany ianao eo am-pandalinana na eo am-pampianarana momba ny 3 Nefia 12. Ny fijerena na fihazonana sira, labozia, na palitao dia afaka manatsara ny fifanakalozan-kevitra momba ireo fahamarinana mandrakizay nampianarin’ny Mpamonjy.

3 Nefia 12:1–215:23–2416:1–6

Sambatra ireo izay mino nefa tsy mahita.

Zanak’ Andriamanitra vitsy dia vitsy no nahita ny Mpamonjy sy nahare ny feony, tahaka ireo vahoaka tao Soafeno. Ny ankamaroantsika dia mitovy kokoa amin’ireo olona resadresahina ao amin’ny 3 Nefia 12:2; 15:23; sy 16:4–6. Inona no fampanantenana natao tamin’ny olona tahaka izany ao amin’ireo andininy ireo? Ahoana no nahatanteraka izany fampanantenana izany eo amin’ny fiainantsika?

Jereo koa ny Jaona 20:26–29; 2 Nefia 26:12–13; Almà 32:16–18.

3 Nefia 12:21–30; 13:1–8, 16–18; 14:21–23

Afaka miezaka ny manadio ny fanirian’ny foko aho.

Ventin-kevitra iray mety ho tsikaritrao ao amin’ireo toko ireo ny fanasan’ny Mpamonjy mba hiaina lalàna ambonimbony kokoa, ny mba ho marina, tsy amin’ny zavatra ataontsika ety ivelany ihany fa ao am-pontsika ihany koa. Tadiavo io ventin-kevitra io rehefa miresaka momba ny fifandirana (3 Nefia 12:21–26), ny fahalotoam-pitondrantena (3 Nefia 12:27–30) sy ny vavaka (3 Nefia 13:5–8) ary ny fifadian-kanina (3 Nefia 13:16–18) ny Mpamonjy. Inona koa no ohatra hafa hitanao? Inona no azonao atao mba hanadiovana ireo fanirian’ny fonao?

3 Nefia 14:7–11

Hanome ahy zavatra tsara ny Ray any An-danitra rehefa mangataka sy mitady ary mandondòna aho.

Rehefa mamaky ny fanasana nomen’ny Tompo ao amin’ny 3 Nefia 14:7–11 mba hangataka sy hitady ary handondòna ianao dia saintsaino hoe “zavatra tsara” inona no mety ho tiany hangatahanao. Ireto soratra masina fanampiny manaraka ireto dia mety hanampy anao hahatakatra ny fomba hangatahana sy hitadiavana ary handondonana. Izy ireo ihany koa dia mety hanampy amin’ny fanazavana ny antony tsy hamaliana ny vavaka sasany amin’ny fomba izay andrasanao: Isaia 55:8–9; Helamàna 10:4–5; Môrônia 7:26–27, 33, 37; ary Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 9:7–9; 88:64. Inona no mety ho fiantraikan’ireo andinin-tsoratra masina ireo amin’ny fomba fangatahanao sy fitadiavanao ary fandondonanao?

Jereo ihany koa ny Milton Camargo, “Mangataha, mitadiava, ary dondòny,” Liahona, nôv. 2020, 106–8.

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa, dia jereo ny laharan’ireo gazetiboky Liahona sy Ho zatovo mahery! ho an’ity volana ity.

Hevitra enti-mampianatra ny ankizy

3 Nefia 12:14–16

Afaka ny ho ohatra tsara aho amin’ny alalan’ny fanarahana an’i Jesoa.

  • Indraindray dia mety ho tsy tsapan’ny ankizy hoe tena afaka mitahy ny hafa ny ohatra asehon’izy ireo. Ampiasao ny 3 Nefia 12:14–16 hamporisihana azy ireo mba hamela ny fahazavany hamiratra. Ohatra, rehefa mamaky hoe “ianareo” na “anareo” ao amin’ireo andininy ireo ianao dia angataho ireo zanakao hanondro ny tenany. Lazao amin’ireo ankizy ny momba ny fahazavana hitanao ao amin’izy ireo rehefa manaraka an’i Jesoa Kristy izy ireo, sy ny fomba hanentanan’izany anao mba hanaraka Azy ihany koa. Azonareo atao ihany koa ny mihira hira iray izay mamporisika ny ankizy hamiratra tahaka ny fahazavana, toy ny “Kintana mamiratra re aho” (Bokin-kiran’ny ankizy, 84).

  • Mba hamporisihana ny ankizy tsy hanafina ny fahazavany (jereo ny 3 Nefia 12:15), dia avelao izy ireo hifandimby hanafina na hanarona ny jiro na fahazavana hafa iray. Azon’izy ireo tsy saronana intsony ilay fahazavana isaky ny afaka manonona zavatra iray izay azony atao mba ho ohatra tsara ho an’ny hafa izy ireo.

3 Nefia 13:19–21

“Fa miharia harena ho anareo any an-danitra.”

  • Ny famakiana ireo andininy ireo dia afaka mitondra amin’ny fanaovana fifanakalozan-kevitra momba ireo zavatra izay raisintsika ho harena. Azonao atao angamba ny mitarika ireo zanakao hanao fizahana harena mba hikarohana zavatra mampahatsiahy azy ireo ireo harena misy lanjany mandrakizay.

3 Nefia 14:7–11

Mamaly ny vavaka ataoko ny Ray any An-danitra.

  • Eo am-pamakianao ny 3 Nefia 14:7 dia azon’ireo zanakao atao ireo fihetsika maneho ny fanasan’ny Mpamonjy tsirairay ao amin’io andininy io. Azon’izy ireo atao, ohatra, ny manangana ny tanany (mangataka), manao masolavitra amin’ny tanany (mitady), na mody manao ny fihetsika atao rehefa mandondòna (mandondòna). Ampio ny ankizy hieritreritra zavatra izay azon’izy ireo lazaina na angatahina ao anatin’ny vavaka ataon’izy ireo.

  • Mety ho tian’ireo zanakao ny kilalao iray ka ao anatin’izany izy ireo dia mangataka zavatra ary mahazo zavatra tena hafa tanteraka amin’izany. Ao amin’ny 3 Nefia 14:7–11, inona no tian’ny Mpamonjy ho fantatsika momba ny Raintsika any An-danitra?

3 Nefia 14:21–27; 15:1

Tian’ny Mpamonjy hihaino sy hanao izay ampianariny aho.

  • Mieritrereta fomba azonao hanampiana ny fianakavianao hahazo an-tsaina ilay fanoharana ao amin’ireo andininy ireo. Azon’izy ireo atao tsara ny manao sary, manao fihetsika, na manorina zavatra eo amin’ny fototra mafy tsara sy eo amina fototra vita amin’ny fasika. Azon’izy ireo soloina amin’ny anarany ihany koa ny hoe “lehilahy malina na le sage” rehefa mamaky ny 3 Nefia 14:24–27 na mihira ilay “Le sage et le fou” (Chants pour les enfants, 132) izy ireo. Na azon’izy ireo atao ny mitsangana isaky ny maheno ny teny hoe “mampihatra” ao amin’ny 3 Nefia 14:21–27 sy ao amin’ny 15:1.

  • Inty misy lesona ampiasana ohatra azo tsapain-tanana azonareo andramana: angataho ireo zanakao haka sary an-tsaina fa ny tongony iray dia maneho ny fihainoana ny tenin’ny Mpamonjy ary ilay iray hafa dia maneho ny fanaovana ny zavatra nampianarin’ny Mpamonjy. Asao ireo zanakao hanandrana tsy hianjera ka ilay tongony izay “mihaino” ihany no hampiasainy. Inona no mety hitranga raha toa ka misy rivo-mahery mitsoka manerana ny efitrano? Avy eo dia azonao sy ny zanakao atao ny mijery zavatra voafaritra tsara nampianarin’ny Mpamonjy mba hataontsika: jereo ny 3 Nefia 12:3–12, 21–26; 13:5–8.

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.

Sary
I Jesoa mampianatra ny Nefita

Ny fitsidihan’ny Mpamonjy tany amin’ireo vahoaka tany Amerika, nataon’i Glen S. Hopkinson

Hamoaka printy