Avia, hanaraka Ahy
7–13 ôktôbra: “Indro, feno ny fifaliako.” 3 Nefia 17–19


“7–13 ôktôbra: -Indro, feno ny fifaliako.- 3 Nefia 17–19,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Bokin’i Môrmôna 2024 (2023)

“7–13 ôktôbra. 3 Nefia 17–19,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2024 (2023)

Sary
I Jesoa miseho amin’ireo Nefita

Ny fahazavan’ny tarehiny dia namiratra taminy, nataon’i Gary L. Kapp

7–13 ôktôbra: “Indro, feno ny fifaliako”

3 Nefia 17–19

Vao avy nandany tontolo andro iray i Jesoa Kristy nanompoana tao amin’ny tanin’i Soafeno, nampianarana ny filazantsarany, nanomezana fahafahana ny olona hahita sy hitsapa ireo marika tamin’ny vatany efa nitsangana tamin’ny maty, ary nijoroana ho vavolombelona fa Izy no ilay Mpamonjy nampanantenaina. Tonga amin’izay ny fotoana handehanany. “Efa antomotra ny fotoako,” hoy Izy (3 Nefia 17:1). Handeha hiverina any amin’ny Rainy Izy, ary fantany fa nila fotoana hisaintsainana ny zavatra nampianariny ny olona. Ka rehefa nampanantena ny hiverina Izy ny ampitson’izany, dia nasainy nody tany an-tranony avy ireo valalabemandry. Saingy tsy nisy nandeha izy ireo. Tsy nilaza ny zavatra tsapany izy ireo, kanefa afaka nahatsapa izany i Jesoa: nanantena izy ireo hoe Izy dia “hijanona maharitraritra miaraka aminy” (3 Nefia 17:5). Nanana zavatra manan-danja hafa hatao Izy, kanefa dia laharam-pahamehana ambony ho Azy ny fanehoana fangorahana ho an’ireo zanak’ Andriamanitra. Ka dia nijanona elaela i Jesoa. Ny zavatra nitranga taorian’izay angamba no ohatra amin’ny asa fanompoana feno hatsaram-panahy indrindra izay voarakitra ao amin’ny soratra masina. Ny hany nolazain’ireo izay nanatrika teo dia hoe tsy hay lazaina ilay izy (jereo ny 3 Nefia 17:16–17). I Jesoa mihitsy no namintina ilay fahatsapana ara-panahy tsy nampoizina tamin’ireto teny tsotra ireto: “Ankehitriny, indro, feno ny fifaliako” (3 Nefia 17:20).

Torohevitra ho an’ny fianarana any an-tokantrano sy any am-piangonana

3 Nefia 17; 18:24–25, 30–32.

Ny Mpamonjy no ohatra tonga lafatra ho ahy amin’ny fanompoana.

Sahabo ho 2500 ny olona nanatrika teo tamin’ny fotoana nisehoan’ny Mpamonjy, kanefa dia nahita fomba hanompoana azy ireo tsirairay Izy. Inona no tsikaritrao mikasika ny fomba nanompoany ao amin’ny 3 Nefia 17; 18:24–25, 28–32? Inona avy ny zavatra nilain’ny olona ka nanaovany asa fanompoana? Inona avy ireo toetra nahatonga ny fanompoany ho nahomby? Azonao atao koa ny mieritreritra ny fomba hanompoany anao. Ahoana no ahafahanao manaraka ny ohatra nasehony? (Jereo koa ny 3 Nefia 18:24–25 sy ny 28–32.)

Jereo koa ny “Jésus-Christ est ému de compassion pour le peuple et guérit les malades” (horonan-tsary), Médiathèque de l’Évangile.

3 Nefia 17:13–22; 18:15–25; 19:6–9, 15–36

Nampianatra ahy ny fomba fivavahana ny Mpamonjy.

Alaivo sary an-tsaina hoe toy ny ahoana izany mandre ny Mpamonjy mivavaka ho anao izany. Inona no ho fiantraikan’ny zavara niainana toy izany amin’ny fomba fivavahanao? Saintsaino izany eo am-pandalinanao ny 3 Nefia 17:13–22; 18:15–25; ary ny 19:6–9, 15–36. Inona no ianaranao avy amin’ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy sy ny fampianarany momba ny vavaka? Hevero ny hitady hevi-baovao mikasika ny fomba, ny fotoana, ny toerana, ny olona, ary ny antony hivavahana. Inona no hevi-baovao hafa azonao avy amin’ireo andininy ireo?

Jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:5.

3 Nefia 18:1–12

Sary
sary famantarana ny seminera
Afaka ny ho heniky ny Fanahy aho rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo.

Mety ho lasa fahazarana na zavatra ataotao fotsiny any ny zavatra iray rehefa ataontsika matetika. Indraindray isika dia lasa manao izany tsy am-piheverana akory aza. Ahoana no hanakananao izany tsy hitranga amin’ilay ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo fanao isan-kerinandro? Eo am-pamakianao ny 3 Nefia 18:1–12, dia saintsaino ny fomba ahafahanao ho “voky” ara-panahy isaky ny mandray ny fanasan’ny Tompo ianao (jereo koa ny 3 Nefia 20:1–9). Araka ny voalazan’ny andininy 5– 7, 11, dia inona ireo zavatra vitsivitsy tokony hataonao “mandrakariva”? Azonao saintsainina ihany koa ny antony nanomezan’i Jesoa antsika ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo, sy ny hoe manatanteraka ny tanjony eo amin’ny fiainanao ve ny fanasan’ny Tompo sa tsia. Nahoana ny fanasan’ny Tompo no sarobidy aminao?

Ao amin’ilay hafany hoe “Se souvenir toujours de lui” (Liahona, fév. 2018, 4–6), ny Filoha Henry B. Eyring dia nanome “sosokevitra telo momba ny zavatra azonao tsaroana isan-kerinandro rehefa mandray ireo mari-pamantarana masin’ny fanasan’ny Tompo ianao.” Inona no manan-danja aminao mahakasika ny sosokevitra nomeny? Inona no azonao atao mba hanatsarana ny fomba fitsaohanao mandritra ny fanasan’ny Tompo sy mandritra ny herinandro?

Inona koa no azonao atao mba hitsaohana amin’ny fomba manan-danja kokoa? Afaka mametraka fanontaniana toy izao amin’ny tenanao ianao: “Ahoana no hanovan’ny sorona nataon’ny Mpamonjy ny fiainako isan’andro?” “Inona no haiko tsara ny manao azy amin’ny maha-mpianany ahy, ary inona no azoko hatsaraina?”

Jereo koa ny Matio 26:26–28; Jeffrey R. Holland, “Indro ny Zanakondrin’ Andriamanitra,” Liahona, mey 2019, 44–46; “Jésus-Christ institue la Sainte-Cène” (horonan-tsary), Médiathèque de l’Évangile; Gospel Topics, “Sainte-Cène,” Médiathèque de l’Évangile.

Manokàna fotoana hisaintsainana. Indraindray ny fandalinana soratra masina dia lasa fitambarana famakian-teny, fivavahana, ary fisaintsainana. Rehefa manokana fotoana mangina hisaintsainana lalina sy hiresahana amin’ Andriamanitra momba ny zavatra ianaranao ianao, dia afaka mampitombo ny herin’ny teniny eo amin’ny fiainanao.

3 Nefia 18:22–25

Afaka manainga ambony ny fahazavan’i Jesoa Kristy aho.

Mody ataovy hoe nanana namana ianao izay tsy nahafantatra na inona na inona momba an’i Jesoa Kristy afa-tsy hoe isan’ireo mpanara-dia Azy ianao. Inona no ho hevitra hotsoahin’ilay namanao momba Azy miainga avy amin’ny zavatra ataonao? Midika inona aminao ny hoe “Aingao ambony ny fahazavanareo mba hamirapiratany eo amin’izao tontolo izao”? (3 Nefia 18:24). Inona no fanazavana hafa nomen’ny Mpamonjy ao amin’ny 3 Nefia 18:22–25 izay manampy anao hanainga ambony izany fahazavana izany?

Jereo koa ny Bonnie H. Cordon, “Mba hahazoany mahita,” Liahona, mey 2020, 78–80.

3 Nefia 18:36–37; 19:6–22

Mikatsaka ny fanomezana ny Fanahy Masina ny mpianatr’i Jesoa Kristy.

Saintsaino ireo vavaka nataonao farany. Inona no ampianarin’ireo vavakao anao momba ny fanirianao lalina indrindra? Taorian’ny niarahan’ny valalabemandry tamin’ny Mpamonjy nandritra ny iray andro, dia “nivava[ka] ho an’izay niriany indrindra” izy ireo, dia ny fanomezana ny Fanahy Masina (3 Nefia 19:9). Nahoana no iriana indrindra toy izany ny fanomezana ny Fanahy Masina? Rehefa mamaky ireo andininy ireo ianao dia saintsaino ny fanirianao mba hanana ny Fanahy Masina ho namanao. Ahoana no ahafahanao mikatsaka mafy izany fananana Azy ho namana izany?

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa, dia jereo ny laharan’ireo gazetiboky Liahona sy Ho zatovo mahery! ho an’ity volana ity.

Hevitra enti-mampianatra ny ankizy

3 Nefia 17:7, 20–25

Ny Mpamonjy dia tia ny zanaky ny Ray any An-danitra tsirairay avy.

  • Afaka mampiasa sary tahaka ireo izay hita ato amin’ity rindran-damina ity ianao na ilay horonan-tsary “Jésus-Christ prie et des anges servent les enfants” (Médiathèque de l’Évangile) mba hanampiana ireo zanakao hahita maso ilay tantara ao amin’ny 3 Nefia 17. Hevero ny hamaky andian-teny na andinin-tsoratra masina avy ao amin’ny 3 Nefia 17 izay manantitrantitra ny fitiavan’ny Mpamonjy ho an’ny olona (toy ny andininy 7 sy ny 20–25). Aorian’izay dia afaka manao ny sarin’izy ireo miaraka amin’i Jesoa ireo zanakao. Rehefa manao izany izy ireo dia ampio mba hieritreritra ireo fomba nanehoan’i Jesoa ny fitiavany azy ireo.

Sary
I Jesoa mitsodrano ireo ankizy

Jereo ny madinikareo, nataon’i Gary L. Kapp

3 Nefia 18:1–12

Afaka mieritreritra an’i Jesoa aho rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo.

  • Azonao atao angamba ny manasa ireo zanakao hitantara aminao ny zavatra mitranga mandritra ny fanasan’ny Tompo. Avy eo dia afaka mamaky ny 3 Nefia 18:1–12 ianao ary manasa ireo zanakao hanangan-tanana rehefa maheno zavatra mitovitovy amin’ny zavatra ataontsika amin’izao fotoana izao ireo zanakao. Inona no tian’i Jesoa hotsaroantsika na hoeritreretintsika mandritra ny fanasan’ny Tompo? (jereo ny 3 Nefia 18:7, 11).

3 Nefia 18:15–2419:6–9, 15–36

Mampianatra ahy ny fomba fivavahana i Jesoa.

  • Ny fiarahana manao hira iray momba ny vavaka, toy ny “Vavaky ny ankizy” (Bokin-kiran’ny ankizy, 6–7) dia fomba tsara iray hanampiana ireo zanakao hieritreritra ny antony hivavahantsika. Aorian’izay ianao sy ny zanakao dia afaka mamaky ny 3 Nefia 18:18–21 ary miresaka momba ny zavatra nampianarin’i Jesoa momba ny vavaka. Ny fanasana ireo zanakao hilaza ny zavatra tsapany rehefa mivavaka dia afaka manampy azy ireo hizara ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba ny vavaka.

  • Mety hahafinaritra ny ankizy ny manao kilalao fitadiavana ireo fitahiana sarobidy avy amin’ny vavaka. Azonao soratana amin’ny taratasy maromaro ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto ary afeno izany avy eo: 3 Nefia 18:15; 3 Nefia 18:20; 3 Nefia 18:21; 3 Nefia 19: 9; ary ny 3 Nefia 19:23. Afaka mitady ireo taratasy ny zanakao avy eo sy mamaky ireo andinin-tsoratra masina, ary mitady ireo zavatra nampianarin’i Jesoa Kristy na ireo mpianany momba ny vavaka.

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.

Sary
Anjely manodidina an’i Jesoa sy ireo ankizy kely Nefita

Angels Ministered unto Them [Nanompo azy ireo ny anjely], nataon’i Walter Rane

Hamoaka printy