Avia, hanaraka Ahy 2024
21–27 ôktôbra: “Tsy ho nety nisy vahoaka sambatra kokoa toa azy.” 3 Nefia 27–4 Nefia


“21–27 ôktôbra: -Tsy ho nety nisy vahoaka sambatra kokoa toa azy.- 3 Nefia 27–4 Nefia,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Bokin’i Môrmôna 2024 (2023)

“21–27 ôktôbra. 3 Nefia 27–4 Nefia,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2024 (2023)

Sary
I Jesoa efa nitsangana tamin’ny maty mampianatra vahoaka

21–27 ôktôbra: “Tsy ho nety nisy vahoaka sambatra kokoa toa azy”

3 Nefia 274 Nefia

Ny fampianaran’i Jesoa Kristy dia mihoatra lavitra noho ny hoe filôzôfia mahafinaritra hosaintsainina. Natao hanentanana antsika mba ho lasa tahaka Azy izany. Ny bokin’ny 4 Nefia dia maneho ny fomba ahafahan’ny filazantsaran’ny Mpamonjy manova tanteraka ny olona. Taorian’ny fanompoana fohy nataon’i Jesoa, dia nifarana ny fifandirana an-jato taonany maro izay nisy teo amin’ny Nefita sy ny Lamanita. Firenena roa fantatra tamin’ny fifanoherana sy ny avonavona no lasa “iray, zanak’i Kristy” (4 Nefia 1:17), ary lasa niarahany nanana “avokoa ny zavatra teo anivony” (4 Nefia 1:3). Ny “fitiavan’ Andriamanitra, [dia] nitoetra tao am-pon’ny vahoaka,” ary “tsy ho nety nisy vahoaka sambatra kokoa toa azy teo anivon’ny vahoaka rehetra izay noharian’ny tanan’ Andriamanitra” (4 Nefia 1:15–16). Toy izany no nanovan’ny fampianaran’ny Mpamonjy ny Nefita sy ny Lamanita. Ahoana no hanovan’izany anao?

Torohevitra ho an’ny fianarana any an-tokantrano sy any am-piangonana

3 Nefia 27:1–12

Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy dia antsoina amin’ny anarany.

Rehefa nanomboka nametraka ny Fiangonany manerana ny tany ireo mpianatry ny Mpamonjy, dia nisy fanontaniana nipetraka, izay ho an’ny sasany dia mety ho toy ny tsy dia manan-danja firy, hoe inona no tokony ho anaran’ny Fiangonana? (jereo ny 3 Nefia 27:1–3). Inona no ianaranao mikasika ny maha-zava-dehibe an’io anarana io avy amin’ny valintenin’ny Mpamonjy ao amin’ny 3 Nefia 27:4–12?

Nanambara ny anaran’ny Fiangonany amin’izao fotoana izao ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115:4. Saintsaino ny teny tsirairay ao amin’io anarana io. Ahoana no hanampian’ireo teny ireo antsika hahafantatra hoe iza isika, inona no inoantsika, ary ahoana no tokony hitondrantsika ny tenantsika?

Jereo ihany koa ny Russell M. Nelson, “Ny anarana marin’ny Fiangonana,” Liahona, nôv. 2018, 87–89; “Jésus-Christ commande d’appeler l’Église de son nom et explique ce qu’est son Évangile” (horonan-tsary), Médiathèque de l’Évangile.

3 Nefia 27:10–22

Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy dia miorina eo amin’ny filazantsarany.

Rehefa avy nanazava ny Mpamonjy fa tsy maintsy “miorina amin’ny filazantsara[ny]” (3 Nefia 27:10) ny Fiangonany, dia nanoritsoritra ny filazantsarany Izy. Ahoana no hamintinanao ny zavatra nolazainy ao amin’ny 3 Nefia 27:13–22? Miainga avy amin’io famaritana io, midika inona ny hoe ny Fiangonana, ary ianao, dia miorina amin’ny filazantsarany?

Raketo an-tsoratra ny zavatra ianaranao. Diniho ny zavatra nampianarin’ny Mpamonjy ny mpianany ao amin’ny 3 Nefia 27:23–26. Nahoana no manan-danja ny mitana rakitsoratra momba ireo zavatra niainana ara-panahy? Inona no tsapanao fa tokony horaketinao rehefa nandalina ny asa fanompoan’ny Mpamonjy ao amin’ny 3 Nefia?

3 Nefia 28:1–11

“Inona no irinareo Amiko?”

Inona no holazainao raha manontany anao ny Mpamonjy, tahaka ny nanontaniany an’ireo mpianany hoe: “Inona no irina[o] Amiko?” (3 Nefia 28:1). Eritrereto izany rehefa mamaky ny 3 Nefia 28:1–11 ianao. Inona no ianaranao mikasika ny fanirian’ny fon’ireo mpianatra avy amin’ny zavatra navalin’izy ireo an’io fanontaniana io? Miova toy ny ahoana ireo fanirianao rehefa miaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ianao?

Matetika ny hira ao amin’ny fihirana no maneho faniriana avy ao amin’ny fo—Ny “Ah, donne-moi, Père,” dia ohatra tena tsara (Cantiques, no. 70). Hevero ny hitady hira ao amin’ny fihirana izay maneho ny fanirianao.

3 Nefia 29–30

Ny Bokin’i Môrmôna dia famantarana fa efa mby tanteraka ny asan’ Andriamanitra amin’ny andro farany.

Mieritrereta famantarana izay mampahafantatra anao fa hisy zavatra hitranga. Ohatra, ahoana no ahafantaranao fa ho avy ny orana na hiova ny fizaran-taona? Araka ny ao amin’ny 3 Nefia 29:1–3, ahoana no ahalalanao fa ny asan’ Andriamanitra amin’ny fanangonana ny olony “dia efa manomboka ho tanteraka sahady”? (jereo ihany koa ny 3 Nefia 21:1–7). Azonao raketina ihany koa ao amin’ny 3 Nefia 29:4–9 ireo zavatra izay holavin’ny olona amin’izao vaninandrontsika izao. Mampatanjaka ny finoanao an’ireo zavatra ireo amin’ny fomba ahoana ny Bokin’i Môrmôna?

4 Nefia 1:1–18

Sary
sary famantarana ny seminera
Ny fanarahana ireo fampianaran’i Jesoa Kristy dia mitarika ho amin’ny firaisan-kina sy ny fahasambarana.

Mety ho nanao ahoana izany hoe niaina tao anatin’ireo taona taorian’ny fitsidihan’ny Mpamonjy izany? Eo am-pandalinanao ny 4 Nefia 1:1–18 dia hevero ny hitanisa ireo fitahiana azon’ny olona. Azonao asiana marika na raketina an-tsoratra ihany koa ireo safidy nataon’izy ireo ka nanampy tamin’ny fahatontosan’izany fiainana feno fitahiana izany. Inona no nampianarin’i Jesoa azy ireo ka nanentana azy ireo hanao ireo safidy tsara nataon’izy ireo? Ireto misy ohatra vitsivitsy, saingy mety hahita hafa ihany koa ianao: 3 Nefia 11:28–30; 12:8–9, 21–24, 40–44; 13:19–21, 28–33; 14:12; 18:22–25.

Saintsaino ny zavatra azonao atao mba hanampiana ny fianakavianao, ny paroasinao, na ny fiarahamonina misy anao mba hiaina ao anatin’ny firaisan-kina sy fahasambarana lehibe kokoa. Inona no azonao atao mba hanampiana amin’ny fandresena ny fisaraham-bazana sy mba ho lasa “iray” tokoa amin’ireo zanak’ Andriamanitra hafa? Fampianaran’i Jesoa Kristy inona no manampy anao hanatanteraka izany tanjona izany?

Mampalahelo fa ilay fiarahamonina ao Ziona voafariparitra ao amin’ny 4 Nefia dia talafatsaka tao anatin’ny faharatsiam-panahy taty aoriana. Eo am-pamakianao ny 4 Nefia 1:19–49 dia tadiavo ireo fomba fihetsika sy fitondrantena nahatonga ny faravan’ny fahasambarana sy ny firaisan-kinan’izy ireo. Inona no azonao atao mba hisorohana ny fananana ireo toe-tsaina sy fitondrantena ireo?

Jereo koa ny Mosesy 7:18; D. Todd Christofferson, “Fiarahamonina maharitra,” Liahona, nôv. 2020, 32–35; Reyna I. Aburto, “Niray saina,” Liahona, mey 2018, 78–80.

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa, dia jereo ny laharan’ireo gazetiboky Liahona sy Ho zatovo mahery! ho an’ity volana ity.

Hevitra enti-mampianatra ny ankizy

3 Nefia 27:3–8

Mpikambana ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy aho.

  • Mba hampahafantarana ny lanjan’ny anaran’ny Fiangonan’i Jesoa, dia resaho amin’ireo zanakao ny momba ny anaran’izy ireo. Nahoana no zava-dehibe ny anarantsika? Azonareo iarahana vakina avy eo ny 3 Nefia 27:3, ka tadiavo ny fanontaniana izay napetrak’ireo mpianatr’i Jesoa Taminy. Ampio ny ankizy hahita ny valiny ao amin’ny 3 Nefia 27:5–8. Nahoana ny anaran’ny Fiangonana no manan-danja?

  • Azonao ampiana koa ireo zanakao hieritreritra vondrona isan-karazany misy azy ireo, toy ny ao amin’ny fianakaviana na ny kilasin’ny Kilonga. Anontanio azy ireo ny zavatra tiany momba ny maha-mpikambana azy ao amin’ireo vondrona tsirairay. Afaka miaraka mihira ny “Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy” (Bokin-kiran’ny ankizy, 48) avy eo, ary mifanakalo hevitra momba ny antony maha-feno fankasitrahana anareo ny amin’ny Fiangonan’ny Mpamponjy.

3 Nefia 27:13–16

Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy dia miorina eo amin’ny filazantsarany.

  • Namintina ny filazantsarany ny Mpamonjy tao amin’ny 3 Nefia 27. Azona hazavaina amin’ireo zanakao fa ny teny hoe filazantsara dia midika hoe “vaovao mahafaly.” Inona no vaovao mahafaly hitantsika ao amin’ny 3 Nefia 27:13–16? Ampiasao ny pejin’ny sahanasa ho an’ity herinandro ity mba hampianarana fa Fiangonan’ny Mpamonjy dia miorina eo amin’ny filazantsarany.

3 Nefia 27:30–31

Mifaly ny Ray any An-danitra rehefa miverina Aminy ny zanany.

  • Hevero ny hanao kilalao fangalampiery. Izany dia afaka mitarika ho amin’ny resadresaka momba ny fifaliana tsapantsika rehefa hita indray ny olona iray very. Aorian’ny famakiana ny 3 Nefia 27:30–31, dia azonareo resahina ny fomba ahafahan’ny tsirairay mifanampy mba hijanonana ho akaiky ny Ray any An-danitra mba “tsy [h]isy very.”

4 Nefia

Mitondra fifaliana ho ahy ny fanarahana an’i Jesoa Kristy.

  • Mba hanampiana ireo zanakao hianatra momba ny fahasambaran’ny vahoaka voalazalaza ao amin’ny 4 Nefia dia azonao atao ny mampiseho azy ireo sarin’olona sambatra. Avy eo, rehefa miara-mamaky ny andininy 2–3 sy 15–17 ianareo (na ny “Toko 48: Fiadanana ao Amerika,” Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, 136–37), dia azon’izy ireo tondroina ny sary rehefa tonga eo amin’ny zavatra anankiray mitondra fahasambarana ao amin’ilay tantara ianao.

  • Mba hanampiana ireo ankizy hampihatra izay ampianarina ao amin’ny 4 Nefia 1:15–16 dia resaho amin’izy ireo ireo toe-javatra izay ahitana olona tezitra eo amin’izy samy izy. Asao izy ireo hilalao an-tsehatra ny mety ho toe-javatra hisy raha toa isika ka manana ny “fitiavan’ Andriamanitra” ao am-pontsika.

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.

Sary
I Jesoa miresaka amin’ireo mpianatra Nefita anankitelo

I Kristy miaraka amin’ireo mpianatra Nefita anankitelo, nataon’i Gary L. Kapp

Hamoaka printy