Avia, hanaraka Ahy 2024
28 ôktôbra–3 nôvambra: “Mba tiako ny handresy lahatra anareo rehetra … mba hibebaka” Môrmôna 1–6


“28 ôktôbra–3 nôvambra: -Mba tiako ny handresy lahatra anareo rehetra … mba hibebaka.- Môrmôna 1–6,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Bokin’i Môrmôna 2024 (2023)

“28 ôktôbra–3 nôvambra. Môrmôna 1–6,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2024 (2023)

Sary
I Môrônia manoratra eo amin’ireo takela-bolamena

Mormon Abridging the Plates [I Môrmôna mamintina ireo takelaka], nataon’i Tom Lovell

28 ôktôbra–3 nôvambra: “Mba tiako ny handresy lahatra anareo rehetra … mba hibebaka”

Môrmôna 1–6

Tsy nanao “fitantarana feno” ny amin’ny “fisehoan-javatra mahatsira[vin’ny]” faharatsiana sy ny fandatsahan-drà hitany teo anivon’ny Nefita i Môrmôna (Môrmôna 2:18; 5:8). Saingy izay noraketiny ao amin’ny Môrmôna 1–6 dia ampy hampahatsiahy antsika hoe hatraiza no mety hahalavo ny olona izay olo-marina teo aloha. Eo anivon’ny fihanaky ny faharatsiana toy izany dia tsy mahagaga raha lasa sasatra, eny kivy mihitsy aza i Môrmôna. Kanefa izy tao anatin’ireo zavatra hitany sy niainany dia tsy mba nanary na oviana na oviana ny finoany ny famindrampo lehiben’ Andriamanitra sy ny faharesen-dahatra nanany fa ny fibebahana no lalana ahafahana mandray izany. Na dia nandà ny fanasana feno fitalahoan’i Môrmôna mba hibebaka aza ny vahoakany dia fantany fa nanana olona maro kokoa horesena lahatra izy. “Eny, indro,” hoy izy, “manoratra amin’ny faran’ny tany rehetra aho.” Raha lazaina amin’ny teny hafa dia nanoratra ho anao izy (jereo ny Môrmôna 3:17–20). Ary ny hafany ho anao ankehitriny dia mitovy amin’ilay hafatra izay tokony ho namonjy Nefita maro tamin’ny andron’izy ireo dia ny mba: “[hino] ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. … Hibebaka sy hiomana ny hijoro eo anoloan’ny toeram-pitsaran’i Kristy” (Môrmôna 3:21–22).

Torohevitra ho an’ny fianarana any an-tokantrano sy any am-piangonana

Môrmôna 1–6

Sary
sary famantarana ny seminera
Afaka manara-dia an’i Jesoa Kristy aho na inona na inona ataon’ny olona hafa.

Fony izy vao 10 taona teo ho eo dia hita ho tena niavaka tamin’ny olona nanodidina azy i Môrmôna. Eo am-pamakianao ny Môrmôna 1–6, dia tadiavo ireo fomba nahatonga an’i Môrmôna ho lasa niavaka noho ny finoany an’i Jesoa Kristy ary nanome azy fahafahana hanompo sy hitahy ny hafa. Afaka manampy anao hanomboka izany ireto andininy manaraka ireto.

Môrmôna 1:2–3, 13–17.Inona no tsikaritrao fa maha-samy hafa an’i Môrmôna amin’ireo vahoakany? Inona no toetra tsara nananany izay nanampy azy hijanona ho matanjaka ara-panahy tao anatina fotoan-tsarotra toy izany?

Môrmôna 2:18–19.Inona ireo teny nampiasain’i Môrmôna mba hamariparitana ny tontolo iainantsika amin’izao? Ahoana no mbola nananany fanantenana na dia teo aza ireo zavatra nanodidina azy?

Môrmôna 3:12.Inona no tsapan’i Môrmôna mahakasika ireo vahoaka nanodidina azy? Inona no azonao atao mba hananana ilay karazana fitiavana nananany?

Inona avy ireo andininy hafa ao amin’ny Môrmôna 1–6 izay mampisongadina ny finoan’i Môrmôna an’i Jesoa Kristy? Inona avy ireo fahafahana nomena azy satria nisafidy ny hijanona ho mahatoky izy?

Hevero ny handalina ny hafatry ny Filoha Thomas S. Monson hoe “Aoka ianao ho ohatra sy fahazavana” (Liahona, nôv. 2015, 86–88), ary tadiavo ireo antony maha-zava-dehibe ho an’ireo mpanara-dia an’i Jesoa Kristy ny fiezahana hiavaka amin’ny hafa. Ahoana no hamenoanao fehezan-teny tahaka ireto? “I … dia ohatra ho ahy rehefa . Izany dia nanampy ahy haniry ny .”

Mety ho nahatsapa i Môrmôna fa tsy nitondra fiovana teo amin’ny vahoakany ny ohatra nasehony. Raha nanana fahafahana ny hiresaka tamin’i Môrmôna ianao, dia inona no ho nolazainao azy mikasika ny fomba nitondran’ny ohatra nasehony fiovana teo aminao?

Ampio ny hafa hizara ny zavatra ianarany. Rehefa mizara ny zavatra nianarany ny olona dia mampatanjaka ny finoany sy ny finoan’ny hafa izy ireo (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:122). Ezaho anontaniana ny fianakavianao na ny kilasinao ny zavatra niainan’izy ireo rehefa nandalina ny tenin’ Andriamanitra.

Sary
Nefita sy Lamanita miady

Ady, nataon’i Jorge Cocco

Môrmôna 2:10–15

Mitondra ahy mankany amin’i Kristy sy any amin’ny fiovana maharitra ny alahelo araka an’ Andriamanitra.

Rehefa nahita ny alahelon’ny vahoakany i Môrmôna dia nanantena izy fa hibebaka izy ireo. Saingy “tsy nankamin’ny fibebahana ny alahelony” (Môrmôna 2:13)—tsy alahelo araka an’ Andriamanitra izany fa alahelo araka izao tontolo izao. Mba hahatakarana ny maha-samy hafa azy ireo dia hevero ny hanoratra ny zavatra ianaranao avy amin’ny Môrmôna 2:10–15 ao anatina tabilao tahaka ity iray ity:

Alahelo araka an’ Andriamanitra

Alahelo araka izao tontolo izao

Manatona an’i Jesoa (andininy 14)

Manozona an’ Andriamanitra (andininy 14)

Ahoana no ahafantaranao raha araka an’ Andriamanitra na araka izao tontolo izao ny alahelonao? Raha mahatsapa alahelo araka izao tontolo izao ianao, dia ahoana no ahafahanao manova izany ho lasa alahelo araka an’ Andriamanitra?

Jereo koa ny 2 Korintiana 7:8–11; Michelle D. Craig, “Tsy fahafaham-po araka an’ Andriamanitra,” Liahona, nôv. 2018, 52–55.

Môrmôna 3:3, 9

“Tsy tsapany fa ny Tompo no efa nitsimbina azy.”

Tsikaritr’i Môrmôna fa tsy tsapan’ireo Nefita ny fomba nitahian’ny Tompo azy ireo. Eo am-pamakianao ny Môrmôna 3:3, 9, dia azonao atao ny misaintsaina ny fomba ahafahana miaiky fa misy ny fitarihan’ Andriamanitra eo amin’ny fiainanao. Inona avy ireo fitahiana tonga rehefa miaiky ny fitarihany anao ianao? Inona avy no vokatry ny tsy fiekena ny ny fitarihany? (jereo ny Môrmôna 2:26; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:21).

Môrmôna 5:8–24; 6:16–22

Mijoro mamelatra ny sandriny handray ahy i Jesoa Kristy.

Raha toa ianao ka mahatsapa ho kivy momba ny fahotanao, dia afaka manome anao fitokiana indray ny famariparitan’i Môrmôna ny Mpamonjy mijoro “[m]amelatra ny sandriny mba handray [anao]”. Rehefa mamaky ny Môrmôna 5:8–24 sy ny 6:16–22 ianao dia inona no ianaranao momba ny zavatra tsapan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa mahakasika anao, na dia rehefa manota aza ianao? Tamin’ny fomba ahoana no nahatsapanao an’i Jesoa Kristy nanolo-tanana anao tamim-pamelarana ny sandriny? Inona no tsapanao fa tokony hataonao vokatr’izany?

Jereo ny “Venez à Jésus! Il vous appelle,” Cantiques, no. 62.

Hevitra enti-mampianatra ny ankizy

Môrmôna 1:1–3; 2:1, 23–24; 3:1–3, 12, 17–22

Tahaka an’i Môrmôna, izaho dia afaka manara-dia an’i Jesoa Kristy.

  • Satria tena mbola kely i Môrmôna tamin’ny fotoana niezahany hanana ny finoany an’i Kristy, dia afaka ny hitondra fitaomam-panahy ho an’ireo zanakao izy. Azonao atao angamba ny mamaky ny Môrmôna 1:1–3 ary ireo zanakao dia afaka mihaino hoe firy taona i Môrmôna tamin’ny fotoana nanomezan’i Amarôna azy iraka manokana mba hotanterahiny. Afaka manampy azy ireo koa ianao mba hitady ao amin’ireo andininy ireo ny toetra tsara hitan’i Amarôna tao amin’i Môrmôna. Ahoana no hanampian’ireo toetra tsara ireo antsika hanara-dia an’i Jesoa Kristy?

    Sary
    I Môrmôna fony izy zazalahy

    Mormon, Age 10 [Môrmôna, 10 taona], nataon’i Scott M. Snow

  • Noho i Môrmôna nanara-dia an’i Jesoa Kristy dia nomena fahafahana izy ny hanompo sy hitahy ny hafa. Azonao atao ny manasa ireo zanakao hamaky ny iray na ny maromaro amin’ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto ary manampy azy ireo hizara ny zavatra ianarany momba an’i Môrmôna: Môrmôna 1:1–3; 2:1, 23–24; ary ny 3:1–3, 12, 20–22 (jereo koa ny “Toko 49: i Môrmôna sy ny fampianarany,” Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, 138–42). Ahoana no fomba nanarahany an’i Jesoa Kristy? Nanampy na nitahy ny hafa tamin’ny fomba ahoana ny finoany an’i Jesoa Kristy? Ahoana no ahafahan’ny finoantsika manampy ireo olona fantatsika?

Môrmôna 2:8–15

Mitondra ahy mankany amin’i Kristy sy any amin’ny fiovana maharitra ny alahelo araka an’ Andriamanitra.

  • Angamba azonao atao ny mandrafitra tabilao tahaka ilay iray ao amin’ny “Torohevitra ho an’ny fianarana ao an-tokantrano sy any am-piangonana” mba hanampiana ireo zanakao hahatakatra ny maha-samy hafa ny alahelo araka izao tontolo izao sy araka an’ Andriamanitra eo am-pamakian’izy ireo ny Môrmôna 2:8, 10–15. Avy eo izy ireo dia afaka ihany koa manao fikarohana ao amin’ny Môrmôna 2:12 mba hitady ireo antony hoe nahoana ny fibebahana no tokony hahatonga ny fontsika hifaly. Ahoana no ahafahantsika mahazo antoka fa ny alahelo tsapantsika noho ny fahotantsika dia mitarika antsika hikatsaka ny fanampian’ Andriamanitra mba hiovantsika?

Môrmôna 3:3, 9

Manome fitahiana maro ahy ny Ray any An-danitra.

  • Ny fanasana ireo zanakao hitanisa (na hanao sary) ireo zavatra sasantsasany izay maha-velom-pankasitrahana azy ireo dia mety ho fomba tsara hanampiana azy ireo hahatsapa fankasitrahana an’ Andriamanitra. Rehefa nahavita lisitra iray izy ireo dia afaka mamaky ny Môrmôna 3:3, 9 ianao ary manazava fa nitahy ireo Nefita koa ny Ray any An-danitra, saingy tsy tsapan’izy ireo izany. Inona no azontsika atao mba hanehoana fa mankasitraka ny Ray any An-danitra isika noho ireo fitahiana azontsika?

Môrmôna 3:12

Tian’ny Ray any An-danitra ho tia ny olon-drehetra aho.

  • Na dia ratsy fanahy aza ny Nefita dia tsy nitsahatra nitia azy ireo i Môrmôna. Ampio ireo zanakao hahita ny teny hoe “tia” ao amin’ny Môrmôna 3:12. Azonareo atao koa ny miara-manao hira iray momba ny fitiavana ny hafa, toy ny “Hoy i Jesoa: Tiavo avokoa ireo namanao” (Bokin-kiran’ny ankizy, 39), sady mampisehoa ihany sarin’ankizy avy amin’ny toerana manerana izao tontolo izao. Mijoroa ho vavolombelona momba ny fitiavan’ Andriamanitra ny zanany rehetra.

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.

Sary
Takela-bolamena

Ny Bokin’i Môrmôna dia nosoratana “mba hinoanareo ny filazantsaran’i Jesoa Kristy,” (Môrmôna 3:21).

Hamoaka printy