Avia, hanaraka Ahy
18–24 nôvambra: “Mba hanafoanana ny ratsy.” Etera 6–11


“18–24 nôvambra: -Mba hanafoanana ny ratsy.- “Etera 6–11,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Bokin’i Môrmôna 2024 (2023)

“18–24 nôvambra. Etera 6–11,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2024 (2023)

Ny sambofiaran’ny Jaredita eny ambonin’ny ranomasina

Hitondra anareo hiakatra indray avy ao amin’ny halalin’ny ranomasina Aho, nataon’i Jonathan Arthur Clarke

18–24 nôvambra: “Mba hanafoanana ny ratsy”

Etera 6–11

Taonjato maro taorian’ny faharavan’ireo Jaredita no nahitan’ny Nefita ny sisa niangana tamin’ny sivilizasion’izy ireo. Teo anivon’ireo zavatra sisa niangana ireo dia nisy rakitsoratra iray nifono mistery, izay takelaka vita tamin’ny “volamena tsy misy fangarony” izay “feno soratra voasokitra,” ary ny Nefita dia “naniry fatratra” ny hamaky izany (Môzià 8:9; 28:12). Ankehitriny ianao manana ny famintinana an’io rakitsoratra io, ary izany dia antsoina hoe ny bokin’i Etera. Rehefa namaky izany ny Nefita dia “feno alahelo izy” rehefa nahafantatra ny faharavana nampalahelo nanjo ny Jaredita. “kanefa dia nanome azy fahalalana be izany, izay naharavoravo azy” (Môzià 28:12, 18). Ianao koa dia mety hahita fotoana mampalahelo ao amin’ity boky ity. Kanefa afaka mifaly amin’izany fanomezana fahalalana izany koa ianao. Araka ny nosoratan’i Môrônia dia “fahendrena ao amin’ Andriamanitra ny hampisehoana anareo ireny zavatra ireny, … mba hanafoanana ny ratsy sy mba hiavian’ny fotoana izay tsy hahazoan’i Satana hanam-pahefana amin’ny fon’ny zanak’olombelona” (Etera 8:26).

Torohevitra ho an’ny fianarana any an-tokantrano sy any am-piangonana

Etera 6:1–12

Mitarika ahy eo amin’ny lalam-piainako ety an-tany ny Tompo.

Mety hahita hevi-baovao ara-panahy ianao raha mampitaha ny dian’ireo Jaredita namakivaky ny ranomasimbe amin’ny dianao mamakivaky ny fiainana. Ohatra, inona no zavatra nomen’ny Tompo mba hanazavana ny lalanao tahaka ireo vato tao amin’ny sambon’ny Jaredita? Mety maneho inona ireo sambo na ny rivotra izay “nitsoka nankamin’ny tany nampanantenana”? (Etera 6:8). Inona no ianaranao avy amin’ny zavatra nataon’ireo Jaredita mialoha ilay dia, sy nandritra izany ary taorian’izany? Toy ny ahoana no hitondran’ny Tompo anao hankamin’ny tany nampanantenana anao?

“Nihira fiderana ho an’ny Tompo.” Naneho ny fankasitrahany sy ny fitiavany an’ Andriamanitra tamin’ny alalan’ny hira fiderana ny Jaredita (jereo ny Etera 6:9). Mety hitady na hamorona fahafahana ianao mba hampiasa hira sy fijoroana ho vavolombelona avy amin’ny fo mba hiderana an’ Andriamanitra any an-trano sy any am-piangonana. Ohatra, mety ho tsara ny mihira hira fiderana iray ao amin’ny fihirana toy ny “Que chacun, de tout son cœur” (Cantiques, no. 36) rehefa mandalina ny Etera 6:1–12.

fianakaviana Jaredita ao anaty sambo

Zazakely ao anaty sambo, nataon’i Kendal Ray Johnson

Etera 6:5–18, 30; 9:28–35; 10:1–2

“Handeha amim-panetrentena eo anoloan’ny Tompo.”

Na dia toa nibahan-toerana aza ny avonavona sy ny faharatsiana teo amin’ny tantaran’ny Jaredita dia misy ohatry ny fanetrentena ihany koa ao amin’ireo toko ireo,indrindra fa ao amin’ny Etera 6:5–18, 30; 9:28–35; ary ny 10:1–2. Mety hanampy anao hianatra avy amin’ireny ohatra ireny ny fisaintsainana ireto fanontaniana manaraka ireto: Nahoana ireo Jaredita ireo no nanetry ny tenany tamin’ireny toe-javatra ireny? Ahoana no nanehoan’izy ireo ny fanetrentena nananany? Ahoana no nitahian’ Andriamanitra azy ireo vokatr’izany? Diniho ny zavatra azonao atao mba “handeha[nana an-tsitrapo] amim-panetrentena eo anoloan’ny Tompo” (Etera 6:17) toy izay hoe terena hanetry tena (jereo ny Môzià 4:11–12; Almà 32:14–18).

Jereo ihany koa ny Dale G. Renlund, “Hanao ny marina sy ho tia famindram-po ary hanaraka an’ Andriamanitra amin’ny fanetrentena,” Liahona, nôv. 2020, 109–12.

Etera 7–11

sary famantarana ny seminera
Afaka ny ho lasa mpitarika tahaka an’i Kristy aho.

Ny toko 7–11 ao amin’ny bokin’i Etera dia mahafaoka taranaka miisa 28 nifandimby farafahakeliny. Na dia antsipirian-javatra kely ihany aza no azo omena ao anatin’ny ampaham-potoana kely toy izany dia nisy fiverimberenan-javatra hita nipoitra mikasika ny vokatry ny fitarihana marina sy ny fitarihana ao anatin’ny faharatsiana. Inona no zavatra ianaranao mikasika ny fitarihana avy amin’ireo ohatra, ratsy sy tsara, nasehon’ireto mpanjaka voatanisa eto ambany ireto?

Ny Loholona Dieter F. Uchtdorf dia nanome torohevitra manampy momba ny fitarihana ao amin’ny hafany hoe “Izay lehibe aminareo” (Liahona, mey 2017, 78–81). Hevero ny handalina io hafatra io, indrindra fa ireo tantara izay tantarainy, ary tadiavo ireo fitsipika na lamina momba ny fitarihana tahaka ny an’i Kristy. Oviana ianao no nahita ireo fitsipika na lamina ireo niseho teo amin’ireo olona izay mitarika?

Eo am-pisaintsainanao ny zavatra nianaranao dia eritrereto ireo fahafahana anananao mba hitarika na hitaona ny hafa ao an-tokantranonao, eo amin’ny fiarahamonina misy anao, ny ao amin’ny antsonao ao am-piangonana, sy ny sisa. Ahoana no ahafahanao manana ireo toetra ilaina amin’ny fitarihana tahaka ny an’i Kristy, na dia tsy manana andraikitra maha-mpitarika voafaritra tsara aza ianao?

Jereo koa ny Médiathèque de l’Évangile; “Ireo fitsipiky ny fitarihana ao amin’ny Fiangonana,” Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 4.2 (ChurchofJesusChrist.org).

Etera 8:7–26

Tsy miasa ao anatin’ny haizina ny Tompo.

Rehefa misy olona manao drafitra miafina mba hihazonana ho tsiambaratelo ny asa ratsin’izy ireo dia tafiditra ao anatin’ny tsikombakomba miafina izy ireo. Ankoatra ny tsikombakomba miafina voalazalaza ao amin’ny Etera 8:7–18, dia ahitana ohatra maro hafa ao amin’ny Helamàna 1:9–12; 2:2–11; 6:16–30; Mosesy 5:29–33. Hevero ny hampitaha ireo andininy ireo amin’ny 2 Nefia 26:22–24, izay hamariparitan’i Nefia ny fomba hanaovan’ny Tompo ny asany. Nahoana i Môrônia araka ny eritreritrao no nodidina hanoratra ny zavatra nataony tamin’ireo tsikombakomba miafina?

Inona no zavatra nianaranao avy tamin’ny bokin’i Etera izay afaka manampy anao hahazo ireo fitahiana resahina ao amin’ny Etera 8:26?

Hevitra enti-mampianatra ny ankizy

Etera 6:1–12

Afaka matoky ny Ray any An-danitra aho mba hampahery ahy rehefa matahotra.

  • Mandalo fotoan-tsarotra daholo ny rehetra, na ny ankizy madinika aza. Azonao atao angamba ny manampy ireo zanakao hahita teny sy andian-teny ao amin’ny Etera 6:1–12 izay mampiseho ny fahatokian’ny Jaredita an’ Andriamanitra nandritra ny fotoana vitsivitsy izay mafy sy nampatahotra. Hevero ny hifampizara zavatra niainana vitsivitsy izay nanampian’ Andriamanitra anao nandritra ireo fotoan-tsarotra teo amin’ny fiainanao.

Etera 6:9, 12, 30; 7:27; 10:2

Ny fahatsiarovana ny zavatra nataon’ny Tompo dia mitondra fankasitrahana sy fiadanana.

  • Rehefa tonga soa aman-tsara tany amin’ny tany nampanantenaina ny Jaredita dia tena velom-pankasitrahana ka “nandrotsa-dranomasom-pifaliana” (Etera 6:12) izy ireo. Afaka manentana ireo zanakao ianao mba hahatsapa fankasitrahana noho ireo fitahian’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fanampiana azy ireo hitady andian-teny avy ao amin’ny Etera 6:9, 12 izay maneho ny fomba nanehoan’ireo Jaredita ny fisaorany an’ Andriamanitra. Mety ho tian’izy ireo ny hihira, tahaka ny nataon’ny Jaredita, hira iray izay maneho fankasitrahana, toy ny “Tia any ny Ray any An-danitra” (Bokin-kiran’ny ankizy, 16). Angataho ireo zanakao mba hilaza aminao ireo zavatra vitsivitsy izay maha-velom-pankasitrahana azy ireo.

  • Azon’ireo zanakao atao angamba ny mamaky ny Etera 6:30; 7:27; ary ny 10:2 ary mitady ny zavatra tadidin’ireo mpanjaka marina ireo. Inona no fiantraikan’izany teo amin’ny fomba nitarihan’izy ireo ny vahoakany? Afaka miresaka ireo fomba hampahatsiahivana ny tenanareo ny zavatra nataon’ Andriamanitra ho anareo ianao sy ny zanakao. Ohatra, azon’izy ireo atao angamba ny manoratra momba izany na manao sary. Azonao atao ny manoro hevitra azy ireo hizatra hanoratra tsy tapaka ireo fitahiana izay tsikaritr’izy ireo avy amin’ Andriamanitra.

Etera 7:24–27

Voatahy aho rehefa manaraka ny mpaminanin’ Andriamanitra.

  • Angamba ho tianao sy ny zanakao ny hilalao an-tsehatra ireo zavatra sasantsasany nampianarin’ny mpaminany fa tokony hataontsika. Azonao avadika ho kilalao mihitsy aza izany izay hamantaranareo hoe maneho inona ireo fihetsika atao. Afaka manomana ireo zanakao izany mba hifanakalo hevitra hoe nahoana no zava-dehibe ny manaraka ny mpaminanin’ Andriamanitra. Avy eo dia azonao vakina ny Etera 7:24–27 mba hamantarana ny zavatra nitranga rehefa nankatò ny mpaminanin’ Andriamanitra ny olona. Inona no fitahiana azontsika amin’ny fanarahana ny mpaminany amin’izao fotoana izao?

Etera 9:28–35; 11:5–8

Mamindra fo ny Tompo rehefa mibebaka aho.

  • Fahaiza-manao enti-mandalina ny soratra masina tena manampy ny fitadiavana ireo lamina misy. Ny bokin’i Etera dia ahitana lamina miverimberina izay manamafy ny famindrampon’ny Tompo. Mba hanampiana ireo zanakao hahita io lamina io dia asao izy ireo hamaky ny Etera 9:28–35 sy ny Etera 11:5–8, ary hitady ny zavatra itovian’ireo tantara roa ireo. Inona no ianarantsika avy amin’ireo tantara ireo? Azon’izy ireo atao angamba ny mitady sary ao amin’ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara izay ahitana olona hafa ao amin’ny soratra masina izay nibebaka sy voavela heloka.

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.

Ny sambofiaran’ny Jaredita eny ambonin’ny ranomasina

Jaredite Barges (Sambo Jaredita), nataon’i Gary Ernest Smith