Avia, hanaraka Ahy
25 nôvambra—1 desambra: “Tanterahina amin’ny finoana ny zava-drehetra.” Etera 12–15


“25 nôvambra—1 desambra: -Tanterahina amin’ny finoana ny zava-drehetra.- Etera 12–15,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana 2024 (2023)

“25 nôvambra–1 desambra. Etera 12–15,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2024 (2023)

Sary
I Etera miditra ao anaty lava-bato

Ether Hiding in the Cavity of a Rock (I Etera miafina ao anaty lava-bato), nataon’i Gary Ernest Smith

25 nôvambra—1 desambra: “Tanterahina amin’ny finoana ny zava-drehetra”

Etera 12–15

Ny faminanian’i Etera ho an’ny Jaredita dia “lehibe sy [n]ahatalanjona” (Etera 12:5). “Niteny taminy … ny momba ny zavatra rehetra izy, hatry ny fiandohan’ny olona” (Etera 13:2). Hitany mialoha “ny andron’i Kristy” sy ny Jerosalema Vaovaon’ny andro farany (Etera 13:4). Ary niresaka momba ny “[fanantenana] … tontolo iray tsara kokoa, eny, dia toerana eo an-tanan’ankavanan’ Andriamanitra” izy (Etera 12:4). Saingy nitsipaka ny teniny ny Jaredita, noho ny antony mitovy amin’ny hitsipahan’ny olona matetika ny faminanian’ireo mpanompon’ Andriamanitra amin’izao fotoana izao, “satria tsy hitany” izany (Etera 12:5). Mitaky finoana ny mino ny fampanantenana na ny fampitandremana momba ireo zavatra tsy afaka ny ho hitantsika, tahaka ny hoe nila nanana finoana i Etera mba haminany momba ireo “zavatra lehibe sy mahatalanjona” tamin’ny vahoaka tsy nanam-pinoana. Nitaky finoana ny nahafahan’i Môrônia natoky fa ny Tompo dia afaka manaisotra ny “fahaleme[ny] amin’ny soratra” ka namadika izany ho tanjaka (jereo ny Etera 12:23–27). Izany no ilay karazana finoana mahatonga antsika ho “azo antoka sy hifototra, hahefa be mandrakariva amin’ny asa tsara ary ho voatarika hankalaza an’ Andriamanitra” (Etera 12:4). Ary izy io dia ilay karazana finoana “[hanatanterahana] … ny zava-drehetra” (Etera 12:3).

Torohevitra ho an’ny fianarana any an-tokantrano sy any am-piangonana

Etera 12

Afaka mitondra ho amin’ny fahagagana ny finoana an’i Jesoa Kristy.

Zavatra fahita mahazatra ankehitriny, toy ny tamin’ny andron’i Etera, ny fitiavan’ny olona hahita porofo alohan’ny hinoana an’ Andriamanitra sy ny heriny. Inona no ianaranao avy amin’ny Etera 12:5–6 mikasika io hevitra io?

Rehefa mamaky ny Etera 12 ianao dia azonao atao ny manisy marika na manoratra isaky ny mahita ny teny hoe “finoana.” Diniho ny zavatra ampianarin’ny ohatra tsirairay momba ny finoana. Mety hanampy ny fanontaniana tahaka ireto: Inona no atao hoe finoana? Inona no dikan’ny hoe mampihatra finoana? Inona avy ireo voan’ny finoanao an’i Jesoa Kristy? Azonao atao koa ny manoratra ny eritreritrao momba ireo fijoroana ho vavolombelona izay voarainao “[t]aorian’ny fizahan-toetra ny finoa[nao]” (Etera 12:6).

Jereo koa ny Russell M. Nelson, “Nitsangana i Kristy; hamindra tendrombohitra ny finoana Azy,” Liahona, mey 2021, 101–4.

Avelao ny hafa hizara hevitra, ary hampianatra indraindray. Ny fomba tsara indrindra ianaran’ny olona dia rehefa omena fahafahana izy ireo hizara ny zavatra ianarany na hampianatra amin’ny sehatra ôfisialy mihitsy aza. Na any an-trano na any am-piangonana dia hevero ny hanome fahafahana ny hafa, tafiditra ao anatin’izany ny zatovo, mba hampianatra ampahany amin’ny lesona.

Etera 12:1–9, 28, 32

Manome antsika “fanantenana tena tsara indrindra” i Jesoa Kristy.

Ankoatra ireo hevi-baovao lalina momba ny finoana, ny Etera 12 dia miresaka be dia be ihany koa momba ny fanantenana. Avelao ireto fanontaniana ireto hitarika ny fandalinanao:

  • Inona avy ireo antony nahatonga an’i Etera “[h]anantena … tontolo iray tsara kokoa”? (jereo ny Etera 12:2–5).

  • Inona no antony ampiasana vatofantsika? Inona no ataon’ny fanantenana ho an’ny fanahinao izay mitovy amin’ny zavatra ataon’ny vatofantsika ho an’ny sambo iray? (Etera 12:4).

  • Inona no tokony hantenaintsika? (jereo ny Etera 12:4; Môrônia 7:41).

  • Tamin’ny fomba ahoana no nanomezan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy anao “fanantenana tena tsara indrindra”? (Etera 12:32).

Jereo ihany koa ny Môrônia 7:40–41; Jeffrey R. Holland, “Fanantenana mamirapiratra tonga lafatra,” Liahona, mey 2020, 81–84.

Etera 12:23–29

Sary
sary famantarana ny seminera
Afaka manova ny fahalemeko ho tanjaka i Jesoa Kristy.

Rehefa mamaky ny asasoratra mitondra hafatra mahery vaikan’i Môrônia isika dia mora ny manadino fa nanahy momba ny “fahaleme[ny] amin’ny soratra” izy ary natahotra sao dia hanaraby azy tamin’ny teniny ny olona (jereo ny Etera 12:23–25). Raha toa ka efa nahatsapa ho feno fanahiana mikasika ny fahalemenao ianao dia vakio ny tantara momba ny tolona nataon’i Môrônia, sy ny valinteny nomen’ny Mpamonjy, ao amin’ny Etera 12:23–29. Azonao atao koa ny misaintsaina ireo fotoana izay nanampian’i Jesoa Kristy anao hiaiky ny fahalemenao ary nampatanjaka anao, na dia tsy nesoriny tanteraka aza izany. Diniho ihany koa ireo fahalemena itolomanao amin’izao fotoana izao. Inona no ilainao atao mba hahazoana ny fampanantenan’ny Mpamonjy “[hanao] ny zavatra malemy [ho] tonga matanjaka”? (Etera 12:27).

Hevero ny handinika ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto mba hahitana ny fomba nahazoan’ireo olona hafa ao amin’ny soratra masina tanjaka tamin’ny alalan’ny fahasoavan’i Jesoa Kristy:

Jereo koa ny Sujets de l’Évangile“Grâce,” Médiathèque de l’Évangile; “Christ est ma lumière,” Cantiques, no. 50.

Etera 13:13–22; 14–15

Ny fandavana ireo mpaminanin’ny Tompo dia hampidi-doza ahy eo amin’ny lafiny ara-panahy.

Izany hoe maha-mpanjakan’ny Jaredita izany dia toerana nampidi-doza raha araka ny tantara. Marina izany indrindra indrindra fa ho an’i Kôriantomira, satria maro ireo “lehilahy mahery … nikatsaka ny hamono [azy]” (Etera 13:15–16). Diniho ao amin’ny Etera 13:15–22 anie ny zavatra nataon’i Kôriantomira mba hiarovana ny tenany sy ny zavatra nasain’i Etera mpaminany nataony ho solon’izany. Eo am-pamakianao ny sisa tavela amin’ny bokin’i Etera dia saintsaino ny voka-dratsy ateraky ny fandavana ny mpaminany. Inona no mitranga amin’ny olona rehefa “[m]itsahatra ny fitaoman’ny Fanahin’ny Tompo azy ireo”? (Etera 15:19). Inona no mety ho tian’ny Tompo ianaranao avy amin’ireo tantara ireo? Saintsaino ny zavatra hataonao mba hanarahana ny mpaminaniny.

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa, dia jereo ny laharan’ireo gazetiboky Liahona sy Ho zatovo mahery! ho an’ity volana ity.

Hevitra enti-mampianatra ny ankizy

Etera 12:6–22

Ny finoana dia ny mino ireo zavatra tsy hitako.

  • Hevero ny hanampy ireo zanakao hiaraka hamerina aminao ny hoe “Ny finoana dia ny zavatra izay antenaina nefa tsy hita” ao amin’ny Etera 12:6. Mety ho tian’izy ireo ny hijery sary izay maneho ireo ohatry ny finoana ao amin’ny Etera 12:13–15, 19–21 (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 78, 85 sy ny pejin’ny sahanasa ho an’ity herinandro ity). Avelao ireo zanakao hanazava ny zavatra fantany mikasika ny tantara tsirairay. Ireto misy fanontaniana vitsivitsy hanampianao anareo hifanakalo hevitra momba ireo ohatry ny finoana ireo:

    • Inona no nantenain’ireo olona ireo?

    • Ahoana no nisedrana ny finoan’izy ireo?

    • Inona no nitranga noho ny finoana nananan’izy ireo?

    Azonao atao ihany koa ny mizara ny zavatra niainanao manokana tamin’ny fampiharana finoana.

Etera 12:4, 32

Toy ny vatofantsiky ny fanahiko ny fanantenana.

  • Mba hahatakarana ny zavatra ampianarin’ny Etera 12:4 momba ny fanantenana dia afaka mijery sarina sambo sy vatofantsika ianao sy ny zanakao. Nahoana ny sambo no mila vatofantsika? Inona no hitranga amin’ny sambo iray izay tsy misy vatofantsika? Eo am-piarahanareo mamaky ny Etera 12:4 dia miresaha mikasika ny fomba anampian’ny fanantenana antsika tahaka ny fomba anampian’ny vatofantsika ny sambo iray. Asao ireo zanakao hanao sarina sambo sy vatofantsika mba hahafahan’izy ireo mampianatra ny hafa momba ny fanantenana.

  • Raha mila famaritana ny “fanantenana ireo zanakao dia ampio izy ireo hitady iray ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina, “Fanantenana” (Médiathèque de l’Évangile). Araka io famaritana io sy ny Etera 12:4, 32dia inona no tokony hantenaintsika? (jereo ny Môrônia 7:40–42). Ampio ireo zanakao hieritreritra teny hafa entina ilazana ny fanantenana, ary koa teny mifanohitra amin’ny fanantenana. Azonareo atao ihany koa ny mifampizara fahamarinana vitsivitsy ao amin’ny filazantsara izay manome anareo fanantenana.

Etera 12:23–29

Afaka manampy ahy ho lasa matanjaka ara-panahy i Jesoa Kristy.

  • Indraindray ny ankizy dia miatrika toe-javatra izay hahatsapany ho marefo, tahaka ny nahazo an’i Môrônia. Ampio ireo zanakao hamantatra ny antony nananan’i Môrônia fahatsapana toy izany ao amin’ny Etera 12:23–25, ary anontanio izy ireo raha efa nanana fahatsapana toy izany. Avy eo dia asao izy ireo hamaky ny andininy 26–27 mba hahitana ny fomba nanampian’ny Tompo an’i Môrônia.

  • Azon’ireo zanakao atao tsara ny manao sarina zavatra malemy sy zavatra mafy. Avy eo izy ireo dia afaka manampy teny sy andian-teny avy ao amin’ny Etera 12:23–29 eo amin’ny sary nataony izay mampianatra azy ireo ny fomba ahafahan’ny Mpamonjy mamadika ny fahalementsika ho tanjaka. Amporisiho ireo zanakao hieritreritra momba ny fahalemena iray izay ananany ary avy eo dia hikatsaka ny fanampian’ny Mpamonjy mba ho lasa matanjaka. Azonao atao koa ny mizara zavatra niainana izay nanampian’ny Mpamonjy anao ho lasa tena matanjaka mba hanao zavatra sarotra iray.

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.

Sary
I Etera mandohalika eo amin’ny varavaran’ny lava-bato

Lehibe sy mahatalanjona ny faminanian’i Etera, nataon’i Walter Rane

Hamoaka printy