Avia, hanaraka Ahy 2024
9–15 desambra: “Hanandratra anao kosa anie i Kristy.” Môrônia 7–9


“9–15 desambra: -Hanandratra anao kosa anie i Kristy.- Môrônia 7–9,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Bokin’i Môrmôna 2024 (2023)

“9–15 desambra. Môrônia 7–9,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2024 (2023)

Sary
I Môrônia manoratra eo amin’ireo takela-bolamena

Minerva Teichert (1888–1976), Moroni: The Last Nephite (I Môrônia: ilay sisa tavela tamin’ny Nefita)1949–1951, peinture à l’huile sur masonite, 88 x 119 santimetatra. Tranombakoky ny zavakanto an’ny Brigham Young University, 1969

9–15 desambra: “Hanandratra anao kosa anie i Kristy”

Môrônia 7–9

Mialoha ny namaranan’i Môrônia ny rakitsoratra izay fantatsika ankehitriny amin’ny hoe ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny teniny farany dia nozarainy ny hafatra telo avy amin’i Môrmôna rainy: teny ho an’ireo “mpanara-dia bonaika an’i Kristy” (Môrônia 7:3) sy taratasy roa izay nosoratan’i Môrmôna ho an’i Môrônia. Mety hoe nampidirin’i Môrônia tao amin’ny Bokin’i Môrmôna ireo hafatra ireo noho ny fahitany mialoha ny fitoviana eo amin’ny loza tamin’ny androny sy amin’ny antsika. Tamin’ny fotoana nanoratana ireo teny ireo dia nanalavitra ny Mpamonjy ny vahoaka Nefita. Maro tamin’izy ireo no “[namoy] ny fifankatiavany teo amin’ny izy samy izy” sy finaritra tamin’ny “zavatra rehetra afa-tsy izay tsara” (Môrônia 9:5, 19). Dia mbola nahita antony hananana fanantenana ihany anefa i Môrmôna, izay mampianatra antsika fa ny fanantenana dia tsy midika hoe tsy miraharaha na tsy mahalala tsotra izao ny amin’ireo olana eo amin’izao tontolo izao. Ny fanantenana dia midika hoe manana finoana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy, izay manana hery lehibe sy maharitra kokoa noho ireo olana ireo. Izany dia midika hoe “[mihazona] ny zavatra tsara rehetra” (Môrônia 7:19). Izany dia midika hoe mamela ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy “ary ny fanantenana ny voninahiny sy ny fiainana mandrakizay hitoetra mandakizay ao an-tsainao” (Môrônia 9:25).

Torohevitra ho an’ny fianarana any an-tokantrano sy any am-piangonana

Môrônia 7:12–20

Manampy ahy hanavaka ny marina amin’ny diso ny fahazavan’i Kristy.

Olona maro no manontany tena hoe: “Ahoana no ahafahako mahafantatra raha toa ka avy amin’ Andriamanitra ny fahatsapana iray na avy amin’ny eritreritro ihany?” na “Noho ny fisian’ny fitaka maro amin’izao fotoana izao dia ahoana no ahafahako mahafantatra ny tsara na ny ratsy?” Ny tenin’i Môrmôna ao amin’ny Môrônia 7 dia manome antsika fitsipika maro azontsika ampiasaina mba hamaliana ireo fanontaniana ireo. Tadiavo izany indrindra ao amin’ny andininy 12–20. Azonao ampiasaina ireo fahamarinana ireo mba hanampy anao hanombatombana ireo hafatra hitanao sy ireo zavatra iainanao amin’ity herinandro ity.

Jereo koa ny Torolalana ho an’ny soratra masina, “Fahazavana, Fahazavan’i Kristy,” Médiathèque de l’Évangile.

Môrônia 7: 20–48

Noho i Jesoa Kristy dia afaka “[mihazona] ny zavatra tsara rehetra” aho.

Nametraka fanontaniana izay toa tena manan-danja amin’izao fotoana izao i Môrmôna hoe: “Ahoana no mety [ahafahana] mihazona ny zavatra tsara rehetra?” (Môrônia 7:20). Nampianatra momba ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny fanantenana ary ny fiantrana izy avy eo. Rehefa mamaky ny andininy 20–48 ianao dia tadiavo ny fomba anampian’ny toetra tsirairay anao hahita sy “[h]ihazona” ny zavatra tsara izay azo avy amin’i Jesoa Kristy. Nahoana ireo toetra ireo no zava-dehibe ho an’ny mpianatr’i Jesoa Kristy?

Jereo koa ny “Mormon’s Teachings about Faith, Hope, and Charity (Fampianaran’i Môrmôna momba ny finoana, ny fanantenana, ary ny fiantrana)” (horonan-tsary), Médiathèque de l’Évangile.

Môrônia 7:44–48

Sary
sary famantarana ny seminera
“Ny fiantrana … dia ny fitiavana madion’i Kristy.”

Nilaza i Môrmôna fa mitarika antsika mba hanana fiantrana ny finoana sy ny fanantenantsika an’i Jesoa Kristy. Fa inona no atao hoe fiantrana? Azonao atao ny manoratra hoe Ny fiantrana dia … ary avy eo dia mamaky ny Môrônia 7:44–48, ary mitady ireo teny na andian-teny afaka mameno ilay fehezan-teny. Rehefa vitanao izany dia hevero ny hanolo ilay teny hoe Fiantrana amin’ny anarana hoe Jesoa Kristy. Mampianatra anao inona mikasika ny Mpamonjy izany? Ahoana no nanehoan’i Jesoa Kristy ny fitiavany madio? Mieritrereta ohatra avy amin’ny soratra masina sy ny fiainanao manokana.

Nanao fanamarihana ny Filoha Dallin H. Oaks hoe: “Ny antony tsy maha-levona mandrakizay ny fiantrana sy ny antony maha-lehibe kokoa ny fiantrana noho izay mety ho asa tena tsara indrindra notanisaina dia satria ilay fiantrana, -ny fitiavana madion’i Kristy- [Môrônia 7:47], dia tsy asa iray fa toetry ny tena. … Ny fiantrana dia toe-tena ahatongavan’ny olona iray” (“The Challenge to Become,” Ensign, Nov. 2000, 34). Azonao atao ny mamaky, miaraka amin’ny fieritreretana io teny nambara io, ny hafatry ny Loholona Massimo De Feo hoe “Ny fitiavana madio no tena ahafantarana ny tena mpianatr’i Jesoa Kristy rehetra” (Liahona,, mey 2018, 81–83). Inona no fiantraikan’ny fiantrana amin’ny maha- mpianatra anao? Ahoana no ahafahanao “[mifikitra] amin’ny fiantrana”? (andininy 46).

Jereo koa ny 1 Korintiana 13:1–13; Etera 12:33–34; “Mifankatiava,” Bokin-kiran’ny ankizy, lah. 74; Torolalana ho an’ny soratra masina, “Fiantrana,” Médiathèque de l’Évangile.

Mampiasà lesona ampiasana zavatra azo tsapain-tanana. Mety hanampy anao angamba ny fieritreretana seza bory misy tongony telo mba hahatakarana bebe kokoa momba ny zavatra mampifandray ny finoana, ny fanantenana, ary ny fiantrana (jereo ny Dieter F. Uchtdorf, “Ny hery tsy manam-petran’ny fanantenana,” Liahona, nôv. 2008, 21–24).

Môrônia 9:3–5

Mitondra ho amin’ny alahelo sy ny fijaliana ny hatezerana.

Mifanohitra amin’ny hafatra mitory fitiavana nozarain’i Môrmôna ao amin’ny Môrônia 7:44–48, ny epistily faharoa nosoratan’i Môrmôna ho an’i Môrônia dia ahitana fampitandremana amin’ny zavatra izay itoloman’ny maro amin’izao fotoana izao: ny hatezerana. Araka ny voalazan’ny Môrônia 9: 3–5, dia inona ireo voka-dratsy nateraky ny hatezeran’ny Nefita? Inona no fampitandremana azontsika raisina avy amin’ny andininy 3– 5, 18–20, 23?

Môrônia 9:25–26

Afaka manana fanantenana ao amin’i Kristy aho na dia eo aza ny toe-javatra misy ahy.

Nangatahin’i Môrmôna mba tsy halahelo ny zanakalahiny rehefa avy nilazalaza ny amin’ny faharatsiana hitany izy. Inona no nahafinaritra anao tamin’ny hafatra feno fanantenana nosoratan’i Môrmôna? Midika inona aminao ilay hoe “fa hanandratra anao kosa anie i Kristy”? Inona avy ireo toetran’i Kristy sy fitsipiky ny filazantsarany izay “mitoetra ao an-tsainao” ka manome fanantenana anao? (Môrônia 9: 25).

Jereo koa ny Russell M. Nelson, “Fifaliana sy fahavelomana ara-panahy,” Liahona, nôv. 2016, 81–84.

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa, dia jereo ny laharan’ireo gazetiboky Liahona sy Ho zatovo mahery! ho an’ity volana ity.

Hevitra enti-mampianatra ny ankizy

Môrônia 7:33

Raha mino an’i Jesoa Kristy aho dia afaka manao izay zavatra rehetra ilainy ataoko.

  • Hevero ny hiara-hijery sary vitsivitsy izay mampiseho olona ao amin’ny soratra masina manatanteraka zavatra manan-danja (jereo ohatra ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara,, lah. 19, 70, 7881). Nampiova zavatra tamin’ny fomba ahoana ny fananana finoana an’i Kristy tao amin’ireo ohatra ireo? Avy eo ianao sy ny zanakao dia afaka mamaky ny Môrônia 7:33, ary mitady ny zavatra azontsika atao rehefa manam-pinoana an’i Jesoa Kristy isika. Azonareo atao koa ny mifampizara zavatra niainana izay nanomezan’ Andriamanitra anareo ny heriny mba hanao ny sitrapony.

Môrônia 7:41

Ny hoe mino an’i Jesoa Kristy dia afaka mitondra fanantenana ho ahy.

  • Rehefa mamaky ny Môrônia 7:41 amin’ireo zanakao ianao, dia azon’izy ireo atao tsara ny manangana ny tanany rehefa mahare zavatra nolazain’i Môrmôna fa tokony hantenaintsika. Lazao azy ireo ny fanantenana tsapanao noho i Jesoa Kristy.

  • Azonao sy ny zanakao atao koa ny mieritreritra olona izay mety sahirana amin’ny zavatra iray. Azon’ireo zanakao atao ohatra ny manao sary ho an’ilay olona izay afaka mampahatsiahy azy mba hanana fanantenana ao amin’i Jesoa Kristy.

Môrônia 7:40–41; 9:25–26

Afaka manana fanantenana ao amin’i Jesoa Kristy aho na dia mandritra ireo fitsapana sarotra aza.

  • Mba hampianarana ireo zanakao momba ny fanantenana ao amin’i Jesoa Kristy, dia afaka manisy rano ao anaty fitoeran-javatra mangarahara iray ianao ary mandatsaka zavatra roa ao anatin’izany, zavatra iray mitsinkafona ary zavatra iray milentika. Rehefa miara-mamaky ny Môrônia 7:40–41 sy ny 9:25–26 ianareo dia afaka mitady ny zavatra ataon’ny fanantenana ho antsika ireo zanakao. Avy eo izy ireo dia afaka mampitaha ilay zavatra mitsinkafona amin’ny olona iray izay manana fanantenana ao amin’’i Kristy. Ahoana no hanandratan’i Kristy antsika rehefa miatrika fitsapana sarotra isika? Ampio ireo zanakao hieritreritra ireo fomba azon’izy ireo hihazonana ny Mpamonjy sy ireo fampianarany mankahery “mandrakizay ao an-tsain’[izy ireo].”

Môrônia 7:45–48

“Ny fiantrana … dia ny fitiavana madion’i Kristy.”

  • Ny hira iray momba ny fitiavana, toy ny “Mifankatiava” (Bokin-kiran’ny ankizy, 74), dia afaka manomboka fifanakalozan-kevitra momba ny atao hoe fiantrana. Afaka mamaky na mamintina ny Môrônia 7:47 ianao ary manasa ireo zanakao hanao ny sarin’ny tenany maneho fitiavana amin’ny olona iray. Rosoy hevitra izy ireo ny hametraka ilay sary amin’ny toerana izay hampahatsiahy azy ireo ny hitia ny hafa toy ny nataon’i Jesoa.

  • Ahoana no ahafahanao mamporisika ireo zanakao hikatsaka sy hiezaka hanana ny fitiavana madion’i Kristy eo amin’ny fiainan’izy ireo? Azonao atao angamba ny manampy azy ireo hieritreritra ireo fomba nanehoan’i Jesoa fiantrana (jereo ohatra ny Lioka 23:34; Jaona 8:1–11; Etera 12:33–34). Ahoana no ahafahantsika manaraka ny ohatra nasehony?

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.

Sary
I Jesoa Kristy

Sarin’i Kristy ilay Mpamonjy, nataon’i Heinrich Hofmann

Hamoaka printy