Avia, hanaraka Ahy
6–22 desambra: “Manatòna an’i Kristy ary aoka hatao tanteraka ao Aminy.” Môrônia 10


“16–22 desambra: -Manatòna an’i Kristy ary aoka hatao tanteraka ao Aminy.- Môrônia 10,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana 2024 (2023)

“16–22 desambra. Môrônia 10,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2024 (2023)

Sary
I Jesoa miseho amin’ireo Nefita

Mba hahafantaranareo, nataon’i Gary L. Kapp

16–22 desambra: “Manatòna an’i Kristy ary aoka hatao tanteraka ao Aminy”

Môrônia 10

Ny Bokin’i Môrmôna dia miantomboka amin’ny fampanantenan’i Nefia ny haneho amintsika fa “ny halehiben’ny famindram-pon’ny Tompo dia amin’ireo rehetra izay efa nofinidiny, noho ny finoany” (1 Nefia 1:20). Ary mifarana amina fanasana mifandray amin’izany avy amin’i Môrônia ilay boky: Ny “[hahatsiaro] ny naha-feno famindram-po ny Tompo” (Môrônia 10:2–3). Inona no ohatra momba ny famindrampon’ny Tompo hitanao tao amin’ny Bokin’i Môrmôna? Mety hisaintsaina ny fomba feno famindrampo nitondran’ Andriamanitra ny fianakavian’i Lehia namakivaky ny tany foana sy ny ranomasimbe ianao, ny halehiben’ny famindrampo nasehony an’i Enôsa rehefa nangetaheta famelana ny fanahiny, na ny famindrampo nasehony an’i Almà, izay fahavalon’ny Fiangonana tsy laitra ka lasa olona iray tsy hay tohaina tamin’ny fiarovana ny Fiangonana. Na ny eritreritrao dia mety hitodika amin’ny famindrampon’ilay Mpamonjy nitsangana tamin’ny maty izay nasehony tamin’ny vahoaka rehefa nanasitrana ny mararin’izy ireo sy nitsodrano ireo ankizy madinik’izy ireo Izy. Fa angamba ny manan-danja indrindra dia ny hoe izany rehetra izany dia afaka mampahatsiahy anao ny amin’ny “naha-feno famindram-po ny Tompo” taminao, satria ny iray amin’ireo tanjon’ny Bokin’i Môrmôna dia ny manasa ny tsirairay avy amintsika handray ny famindrampon’ Andriamanitra; fanasana iray maneho tsotra izao ny teny fanaovam-beloman’i Môrônia manao hoe: “Manatòna an’i Kristy, ary aoka hatao tanteraka ao Aminy” (Môrônia 10:32).

Hevitra ho an’ny fampianarana any am-piangonana sy any an-tokantrano

Môrônia 10:3–7

Sary
sary famantarana ny seminera
Afaka mahafantatra ny fahamarinan’ny zava-drehetra aho amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina.

Nanova ny fiainan’ny olona an-tapitrisany manerana izao tontolo izao ny fampanantenana ao amin’ny Môrônia 10:3–7. Tamin’ny fomba ahoana no nanovan’izany ny anao? Rehefa mamaky ny Môrônia 10:3–7 ianao dia hevero ny hamaky amim-pitandremana kokoa mihoatra noho ny taloha. Azonao atao ny mamakafaka ny andian-teny tsirairay sady mametraka fanontaniana toy ireto amin’ny tenanao: Inona no dikan’izany? Ahoana no ahafahako manao izany tsaratsara kokoa? Inona no traikefa efa ananako momba izany?

Eo am-pisaintsainanao ny fikarohanao manokana fahamarinana ara-panahy, dia mety manampy ny mianatra ny fomba nahitan’ny hafa fahamarinana amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina. Ny Loholona Mathias Held dia nilazalaza ny zavatra niainany fony izy mpikambana vaovao tato amin’ny Fiangonana (jereo ny “Mikatsaka fahalalana amin’ny alalan’ny Fanahy,” Liahona, mey 2019, 31–33). Ny Loholona David F. Evans izay lehibe tato amin’ny Fiangonana kanefa mbola nanana fanontaniana ihany dia nilazalaza ny zavatra niainany (jereo ny “Ny fahamarinan’ny zava-drehetra,” Liahona, nôv. 2017, 68–70). Hevero ny hamaky ny iray amin’ireo hafatra ireo na izy roa ary ny hanoratra izay zavatra rehetra ianaranao avy amin’ny fikarohana fahamarinana nataon’izy ireo ka manampy anao amin’ny anao manokana.

Azonao atao ihany koa ny manadihady ny zavatra nampianarin’ Andriamanitra momba ny fahamarinana amin’ny alalan’ny famakiana ny andinin-tsoratra masina sasantsasany ao amin’ny Torolalana ao amin’ny Soratra Masina, “Fahamarinana” (Médiathèque de l’Évangile). Soratra masina inona no toa manaitra anao manokana? Azonao atao angamba ny misafidy anankiray mba hozaraina amin’ny olona iray hafa izay mikatsaka fahamarinana amin’ny alalan’ny Fanahy ihany koa.

Jereo ihany koa ny Henry B. Eyring, “Finoana hangataka ary avy eo handray andraikitra,” Liahona, nôv. 2021, 74–76; “Que l’Esprit soit avec nous,” Cantiques, no. 78; Gospel Topics, “Seek Truth and Avoid Deception,” Gospel Library.

Raketo ireo zavatra tsapa. Ny hoe niova fo ho an’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia midika hoe sady mahafantatra no miaina ny filazantsara. Azo heverina kokoa hoe hampihatra ny zavatra nianaranao ianao raha toa ka nandray izany an-tsoratra. Raha toa ka mampianatra ianao dia asao ny olona ampianarinao handray an-tsoratra ny zavatra ara-panahy tsapany.

Môrônia 10:8–25

Nanome fanomezam-pahasoavana ara-panahy ho ahy Andriamanitra.

Misy fomba maro mety “[handavan’ny olona iray] … ny fanomezam-pahasoavan’ Andriamanitra” (Môrônia 10:8). Ny olona sasany dia mandà ny fisian’izany fanomezam-pahasoavana izany mihitsy. Ny hafa dia mandà ny fanomezam-pahasoavana ananan’izy ireo amin’ny tsy firaharahiana tsotra izao azy ireny na ny tsy fampitomboana azy ireny. Rehefa mamaky ny Môrônia 10:8–25 ianao dia mitadiava fahamarinana izay hanampy anao hamantatra ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy anananao ary hampiasa izany mba hitahiana ireo zanak’ Andriamanitra. Ny fanontaniana toy ireto manaraka ireto dia mety hanampy: Inona no atao hoe fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy? Iza no omena azy ireo? Nahoana izy ireo no omena? Ahoana no andraisana azy ireo? Mety afaka mieritreritra olona izay nampiasa ny fanomezam-pahasoavana voatanisa ao amin’ny Môrônia 10:9–16 ve ianao?

Môrônia 10: 30–33

Afaka ny ho tanteraka aho amin’ny alalan’ny fahasoavan’i Jesoa Kristy.

Ny torohevitr’i Môrônia hoe “manatòna an’i Kristy” dia midika zavatra mihoatra ny hoe mianatra sy mieritreritra Azy fotsiny. Fa izany kosa dia fanasana mba hanatona an’i Kristy amin’ny dikany faran’izay feno araka izay tratra, dia ny ho lasa tahaka Azy. Rehefa mamaky ny Môrônia 10:30–33 ianao dia jereo ireo andian-teny izay manampy anao hahatakatra ny dikan’ny hoe manatona an’i Kristy, ny fomba hahatanterahan’izany, ary ny vokatry ny fanaovana izany.

Manaova jery todika ny fandalinanao ny Bokin’i Môrmôna tamin’ity taona ity, ary saintsaino ny zavatra tsapanao sy nianaranao momba an’i Jesoa Kristy. Ohatra, ahoana no nanampian’ny Bokin’i Môrmôna anao mba hanatona Azy? Ahoana no nanampian’izany anao mba hiantehitra feno kokoa amin’ny fahasoavany? Ahoana no nanampian’izany anao mba “tsy [h]andà” ny herin’ny Mpamonjy? Hevero ny hizara ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny Bokin’i Môrmôna amin’ny olona iray izay mila maheno izany, ka tafiditra ao anatin’izany ireo olona akaiky anao sy ny namanao izay tsy mbola mahafantatra ny hafatr’izany.

Jereo ihany koa ny “Moroni invite le monde entier à venir au Christ” (horonan-tsary), Médiathèque de l’Évangile.

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa, dia jereo ny laharan’ireo gazetiboky Liahona sy Ho zatovo mahery! ho an’ity volana ity.

Hevitra enti-mampianatra ny ankizy

Môrônia 10:3–4

Afaka mahafantatra manokana aho fa marina ny Bokin’i Môrmôna.

  • Ahoana no ahafahanao manampy ireo zanakao hanaiky ny fanasan’i Môrônia mba hangataka an’ Andriamanitra raha toa ka marina ny Bokin’i Môrmôna? Hevero ny hanome azy ireo tapa-taratasy misy ny teny hoe Mamaky, Mahatsiaro, Misaintsaina, ary Mangataka misoratra eo aminy. Afaka mahita ireo teny ireo ao amin’ny Môrônia 10:3–4 ireo zanakao. Inona no tokony hovakintsika, hotsaroantsika, hosaintsainintsika, ary hangatahintsika mba hahazoana na hampatanjahana ny fijoroantsika ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna? Azon’ireo zanakao atao koa ny mitady ny zavatra itovian’ireo andininy ireo amin’ilay hira hoe “Mandalina, misaintsaina, ary mivavaka” (Bokin-kiran’ny ankizy, 66).

  • Azon’ireo zanakao ampiasaina ny sary any amin’ny fiafaran’ity rindran-damina ity mba hiresahana momba an’i Môrônia mandevina ny takela-bolamena (jereo ihany koa ny “Toko 54: Ny fampanantenan’ny Bokin’i Môrmôna,” Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna). Ny ankizy madinika dia mety hankafy ny mody manao hoe Môrônia manoratra eo amin’ny takelaka ary mandevina izany izy ireo. Ifampizarao ny fijoroana ho vavolombelona anananareo momba ny Bokin’i Môrmôna.

Môrônia 10:8–19

Manome ahy fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy ny Ray any An-danitra.

  • Mba hampianarana ireo zanakao momba ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy dia azonao soratana amina taratasy misaratsaraka ny isa 9 ka hatramin’ny 16 ary fonosy toy ireny hoe fanomezana ireny ny taratasy tsirairay. Afaka mifandimby manokatra ny fanomezana tsirairay avy ireo zanakao, ka mamaky andininy ao amin’ny Môrônia 10:9–16 izay mifandray amin’ireo isa, ary mamantatra ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy tsirairay avy. Azonao resahina ihany koa ny fomba tian’ny Ray any An-danitra hampiasantsika ireo fanomezam-pahasoavana ireo mba hitahiana ireo zanany. Azonao ampiana ihany koa ireo zanakao mba hahatsikaritra ireo fanomezam-pahasoavana izay nomen’ny Ray any An-danitra azy ireo.

Môrônia 10:32–33

Tian’i Jesoa Kristy hanatona Azy aho.

  • Moa ve ireo zanakao mahafantatra ny dikan’ny hoe “manat[ona] an’i Kristy”? Azonao atao angamba ny mamaky ny Môrônia 10:32 ary manasa azy ireo mba hamerina ilay andian-teny miaraka aminao. Afaka mikimpy izy ireo eo am-pametrahanao ny sarin’i Jesoa amin’ny toerana iray ao anatin’ny efitrano. Dia avelao izy ireo hanokatra ny masony, hitady ilay sary, sy hivondrona manodidina izany, ary hiresadresaka momba ireo fomba ahafahantsika manatona an’i Kristy. Mety hanampy angamba ny fanoratana ny fanontaniana hoe Inona no dikan’ny hoe manatona an’i Kristy? Ampio izy ireo hikaroka ny Môrônia 10:32–33 mba hahita izay mety ho valiny (jereo ihany koa ny Fanekem-pinoana 1:3–4). Miaraha miasa mba hanaovana lisitra ny zavatra tian’i Kristy hataontsika ary ny zavatra nampanantenainy fa hataony ho antsika.

  • Mety ho tian’ireo zanakao ny manamboatra ary mandravaka karatra fametraka an-tratra miendrika fo izay milaza hoe “Tia an’ Andriamanitra amin’ny heriko, ny saiko, ary ny tanjako rehetra aho” (jereo ny Môrônia 10:32). Eo am-panaovan’izy ireo izany dia resaho amin’izy ireo ny fomba anehoantsika amin’ Andriamanitra fa tiantsika Izy.

Mba hahitana torohevitra bebe kokoa dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Namana ho an’ity volana ity.

Sary
I Môrônia mandevina ireo takela-bolamena

Talohan’ny nandevenany ireo rakitsoratra dia nanasa antsika i Môrônia mba “[hahatsiaro] ny naha-feno famindram-po ny Tompo” (Môrônia 10:3)

Hamoaka printy